Lesona 49
Enôsa
Fampidirana
Rehefa avy nandinika ireo tenin-drainy i Enôsa dia nivavaka mba hahazo ny famelana ny fahotany ary nahazo izany. Avy teo izy dia nivavaka ho an’ny fahatomombanana ara-panahin’ireo Nefita sy ireo Lamanita, ary nandany ny androm-piainany sisa tamin’ny fiasana ho an’ny famonjena azy ireo.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Enôsa 1:1–8
Rehefa avy nandinika ireo tenin-drainy i Enôsa dia nivavaka mba hahazo ny famelana ny fahotany ary nahazo izany
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe mosarena ny fanahiko. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo ho tena noana be.
-
Inona avy ohatra no teny izay ho ampiasainao raha hamariparitra ny zavatra tsapanao rehefa noana? (Ny hanoanana dia mety ho fariparitan’ireo mpianatra hoe fahatsapana ho misy fahabangana, fanaintainana, fahatrotrahana, na faniriana ny hovokisana.)
-
Inona no mety ho tian’ny olona iray holazaina amin’ny teny hoe “mosarena ny fanahiko”? (Fahatsapana fahabangana ara-panahy, fanaintainana, fahatrotrahana na faniriana ny hovokisana ara-panahy.)
Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo fa mosarena ny fanahin’izy ireo. Hazavao fa anio izy ireo dia handalina ny zavatra niainan’ny olona iray izay mosarena ny fanahiny. Asehoy ny sarin’i Enôsa mivavaka (62604; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], faha 72).
-
Inona no fantatrao momba ilay olona eo amin’ity sary ity? (Raha misalasala ireo mpianatra dia hazavao fa io sary io dia sarin’i Enôsa, izay zafikelin’i Lehia sy i Sarià ary zanakalain’i Jakôba. Nomena azy ireo takelaka kely fotoana fohy mialoha ny nahafatesan-drainy [jereo ny Jakôba 7:27].)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Enôsa 1:1, 3. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fomba fiantraikan’i Jakôba tamin’i Enôsa. Manasà mpianatra vitsivitsy hilaza amin’ny rehetra ny zavatra hitany.
Asehoy eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. (Mba tsy handaniana fotoana dia azonao atao ny mametraka io tabilao io eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana.) Io tabilao io dia natao hanampiana ireo mpianatra hifantoka amin’ny antsipiriany samihafa mikasika ny zavatra niainan’i Enôsa eo am-pandalinan’izy ireo ny Enôsa 1:2–8.
Ny zavatra nirian’i Enôsa |
Ny zavatra nataon’i Enôsa |
Ny vokatry ny zavatra nataon’i Enôsa |
---|---|---|
Hazavao fa rehefa nieritreritra mikasika ireo fampianaran-drainy i Enôsa dia nahazo fahatsapana ara-panahy izay nitarika azy hanao zavatra sasantsasany, ary ireo indray avy eo no niteraka vokatra sasantsasany teo amin’ny fiainany.
Zarao ho andiany telo ireo mpianatra. Vakio mafy ny Enôsa 1:2–8. Rehefa mamaky ianao dia asaivo tadiavin’ny andiany voalohany ireo teny izay maneho ny fanirian’i Enôsa. Asao ny andiany faharoa hitady izay zavatra nataon’i Enôsa. Asaivo tadiavin’ny andiany fahatelo ny vokatry ny fanirian’i Enôsa sy ny vokatry ny zavatra nataony. (Mariho fa ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo amin’ilay tabilao dia ahitana zavatra mikasika ny asa nampandraiketina ny vondrona tsirairay.)
Rehefa nahavita namaky ny Enôsa 1:2–8 ianao dia asao ireo mpianatra ao amin’ny andiany voalohany hitatitra ireo teny izay hitany mikasika ny fanirian’i Enôsa. Rehefa milaza ireo teny ireo ireo mpianatra dia asaivo manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Mety ho teny toa ireto no holazain’ireo mpianatra: “ny famelana ny fahotako”, “fiainana mandrakizay,” ary “ny fifalian’ny olomasina.”
Rehefa feno ilay tsanganana voalohany dia asao ireo mpianatra hanopy maso ny fiantombohan’ny Enôsa 1:4. Asaivo fantarin’izy ireo izay zavatra niainan’i Enôsa rehefa “tafalatsaka lalina tao am-po[ny]” ireo tenin-drainy “momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina” (Enôsa 1:3). Tokony ho voamarik’ireo mpianatra ireo teny hoe “dia mosarena ny fanahiko.” (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)
-
Ahoana no mety hahatonga ny fanahin’olona iray ho mosarena rehefa mandinika ny fampianaran’ny mpaminany iray mikasika ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina? (Mety hanampy ilay olona izany haniry ny ho mendrika hiaraka amin’ny Tompo sy haniry ilay fifaliana izay azo noho ny fiainana ny filazantsara.)
Mariho fa i Enôsa dia naniry koa ny famelana ny fahotany. Hazavao fa ilay teny hoe “mosarena ny fanahiko” dia mety maneho fahatsapana ho foana ara-panahy vokatry ny fahotana. Izany koa dia mety maneho ny fanirian’ny olona iray hanatona bebe kokoa ny Tompo sy hianatra momba Azy.
-
Fa nahoana ny fahotana no mahatonga antsika hahatsapa fahabangana ara-panahy? (Mahatonga ny Fanahy Masina hiala amintsika ny fahotana ary mahatsiaro ho lavitry ny Tompo isika.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra niainan’i Enôsa amin’ny tenan’izy ireo manokana dia asaivo mandinika mangina izy ireo raha toa ka mahatsapa ny sasantsasany amin’ireo fahatsapana ho mosarena ara-panahy mitovy amin’izay nofariparitan’i Enôsa.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita izay nataon’i Enôsa mba hahafa-po ilay hanoanany ara-panahy dia asao ireo mpianatra ao amin’ny andiany faharoa hitatitra izay zavatra hitany sy hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Tokony hahitana ireto teny manaraka ireto ny valinteniny: “tolona … teo anoloan’Andriamanitra ,” “nitalaho taminy sady nahery nivavaka,” ary “[nampihatra] finoana an’i Kristy.”
-
Ahoana no mety ahafahan’ny teny hoe “tolona … teo anoloan’Andriamanitra” hamariparitra ny ezaka ataon’ny olona iray handray ny famelana ny fahotany? (Mariho fa i Enôsa dia tsy hoe nitolona tamin’ Andriamanitra fa nitolona kosa teo anoloan’ Andriamanitra tamim-bavaka. Io tolona io dia maneho ny ezaka mafy nataon’i Enôsa mba hanehoana tamin’ny Ray any An-danitra ny maha amin-kitsimpo ny faniriany sy ny finiavany hibebaka amin’ny alalan’ny fanaovana ireo fanovana nilaina atao teo amin’ny fiainany.) Fa nahoana no teny tsara hamaritana ny ezaka ataontsika mba hibebaka ny hoe tolona?
-
Ao amin’ny Enôsa 1:4, inona no porofo hitanao izay maneho fa mahitsy fo i Enôsa teo am-pikatsahany ny famelana ny fahotany? (Mety ilaina ny hanampianao ireo mpianatra hahatakatra fa ny hoe nitaraina dia midika hoe mangataka amim-panetrentena omban’ny faniriana mivaivay.)
-
Ahoana no fomba ahafahantsika maneho ny fahitsim-pontsika rehefa mikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo? (Azonao atao ny manamarika fa tsy voatery ho lava tahaka ny an’ny Enôsa akory ny vavaka ataontsika, fa tokony ho amin-kitsimpo.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny vokatr’izay nataon’i Enôsa dia asao ireo mpianatra ao amin’ny andiany fahatelo hitatitra ny zavatra hitany ary hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Tokony ho hita amin’ireo valiny ireto manaraka ireto: “voavela ny fahotanao,” “nofafana ny hadisoako,” ary “ny finoanao no efa namonjy anao.” (Azonao atao ny manazava fa ny hoe voavonjy eto dia hoe sitrana, voadio amin’ny fahotana.)
-
Araka ny ao amin’ny Enôsa 1:7–8, inona no nahafahan’i Enôsa ho voavela heloka sy ho sitrana? (Ny finoany an’i Jesoa Kristy.)
-
Inona avy ireo lesona azontsika ianarana amin’i Enôsa mikasika ny fomba handraisana ny famelana ny fahotantsika? (Ankoatra ireo fahamarinana izay mety ho tanisain’ireo mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa maneho finoana an’i Jesoa Kristy isika dia azo avela ny fahotantsika ary azo sitranina isika.) Nahoana no ilaina ny hanehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy raha te hahazo ireo fitahiana ireo? (Nanonitra ny Fahotantsika i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ihany no ahafahantsika ho voadio.)
-
Araka ny ao amin’ny Enôsa 1:5–6, ahoana no nahafantaran’i Enôsa fa voavela heloka izy? (Azonao atao ny manamarika fa ilay feo voalaza ao amin’ny Enôsa 1:5 dia feo izay tonga tao an-tsain’i Enôsa [jereo ny Enôsa 1:10].)
-
Ahoana no fomba ahafahanao mahafantatra fa voavela ny fahotanao?
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ilay fanontaniana farany etsy ambony dia vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity, izay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Rehefa avy nibebaka marina isika, dia hanala ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika i Kristy. Afaka mahafantatra manokana isika hoe voavela heloka sy voadio. Hanamarina izany aminao ny Fanahy Masina. Izy no Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona momba ny famelan-keloka lehibe mihoatra noho izany” (“Fotoam-piverenana hieren-doza,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 101).
-
Nahoana no manampy ny fahafantarana fa hoesorin’i Kristy ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika rehefa avy nibebaka marina isika?
Asaivo mandinika amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:
-
Oviana ianao no nahatsapa fa namela ny fahotanao ny Tompo?
-
Ahoana no fomba nampiasanao finoana amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no fomba nahafantaranao hoe voavela heloka ianao?
-
Nahatsapa ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo ve ianao tato ho ato?
Mijoroa ho vavolombelona fa ho voavela heloka isika raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka marina amin’ny fahotantsika. Noho ny Mpamonjy dia azo fafana ny fahamelohantsika ary azo diovina isika.
Enôsa 1:9–27
Nivavaka ho an’ny fahatomombanana ara-panahin’ireo Nefita sy ireo Lamanita i Enôsa, ary niasa tamim-pahazotoana mba ho famonjena azy ireo.
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity. Hazavao fa rehefa avy nivavaka ho an’ny tenany i Enôsa dia nanitatra ny fivavany mba hisy fitalahoana ho an’ny tombotsoan’ny hafa. Asaivo miasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ireo mpianatra ao amin’ny vondron’olon-droa tsirairay hifandimby hamaky mafy ny Enôsa 1:9–14. Asaivo fantarin’izy ireo hoe iza ireo vondron’olona roa izay ho azy ireo no nivavahan’i Enôsa ary inona no nangatahiny ho an’izy ireo avy. Rehefa mitatitra izay zavatra nianarany ireo mpianatra dia ampio ireo teny hoe Nefita sy Lamanita eo amin’ny toeran’ireo baraingo eo amin’ilay kisary.
-
Araka ny ao amin’ny Enôsa 1:14, dia inona no tanjon’ireo Lamanita tamin’ireo Nefita?
-
Inona no ianarantsika mikasika an’i Enôsa avy amin’ny vavaka nataony ho an’ireo Lamanita?
Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter. Asaivo henoin’ny mpianatra ny fomba ifandraisan’izany amin’ny zavatra niainan’i Enôsa:
“Isaky ny mahatsapa ireo fitahian’ny Sorompanavotana isika eo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy miahiahy ny amin’izay hahasoa ny rahalahantsika. …
“Marika lehiben’ny fiovam-pon’ny olona iray ny faniriana hizara ny filazantsara amin’ny hafa” (The Teachings of Howard W. Hunter, ed. Clyde J. Williams [1997], 248–49).
-
Ahoana no ifandraisan’io fanambarana io amin’ny zavatra niainan’i Enôsa? (Nasehon’i Enôsa fa rehefa miaina ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia hikatsaka ny hanampy ny hafa hahazo famonjena. Azonao amporisihina ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)
Asaivo mandalina mangina ny Enôsa 1:12, 15–20 ireo mpianatra, sady mitady hoe inona no nasehon’i Enôsa mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny vavaka sy ny finoana ary ny fahazotoana.
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe mivavaka amim-pinoana?
-
Araka ny ao amin’ny Enôsa 1:12, 19–20, ahoana no fomba nanehoan’i Enôsa fahazotoana nandritra ny vavaka nataony sy taorian’izany?
-
Inona no azontsika ianarana mikasika ny vavaka avy amin’ny ohatra nasehon’i Enôsa? (Tokony ho vitan’ireo mpianatra ny mahita fa arakaraka ny finoantsika sy ny fahazotoantsika no hamalian’ny Tompo ny vavaka ataontsika.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fomba ahafahana manaraka ny ohatr’i Enôsa dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana manaraka ireto na ataovy amin’ny taratasy zaraina amin’izy ireo izany. Asao ireo mpianatra hisafidy fanambarana iray ary hamaly izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.
Rehefa nahavita nanoratra ireo mpianatra dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ny Enôsa 1:26–27. Asao ireo mpianatra hitady ny porofon’ny fifaliana niainan’i Enôsa noho ireo ezaka nataony. Rehefa avy nitatitra izay hitany ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hanatanteraka izay zavatra nosoratany tao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo famelan-keloka sy fifaliana, ary dia hitombo ny faniriantsika hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy.