Lesona 104
Almà 56–58
Fampidirana
Niady tamin’ny Lamanita tao amin’ny faritra samy hafa teo amin’ny tany i Helamàna sy ny Kapiteny Môrônia. Nandefa taratasy ho an’i Môrônia i Helamàna, izay mamariparitra ny adin’ny miaramilany tamin’ny Lamanita ary manambara ny fahatokiany tamin’ny finoan’ny zatovolahy mpiady 2.060 izay niditra tao amin’ny tafiny. Namariparitra ny zavatra nataon’ny tafiny ihany koa i Helamàna mba handresena tamin’ny ady sy hahazo fanantenana sy tanjaka nandritra ny fotoam-pahorian’izy ireo.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 56
Nandresy ny miaramilan’ny Lamanita matanjaka indrindra ny miaramilan’i Antipo sy i Helamàna
Anontanio ny mpianatra raha efa nandray taratasy na hafatra izay nampatanjaka azy ireo mba hiaritra zava-tsarotra manokana. Hazavao fa ny Almà 56–58 dia mirakitra ny votoatin’ny epistily iray na taratasy iray izay nosoratan’i Helamàna ho an’ny Kapiteny Môrônia nandritra ny fotoan-tsarotra tao anatin’ny ady. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 59:1–2 mba hamantatra ny fihetsika nasehon’ny Kapiteny Môrônia rehefa namaky ilay taratasy. Amporisiho ny mpianatra eo am-pandalinana ilay taratasy mba hamantatra ny antony nahafahan’ny Kapiteny Môrônia nifaly na dia teo aza ireo toe-java-tsarotra niainany.
Fintino ny Almà 56:2–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitarika andia-miaramila kely nahitana ny 2.000 tamin’ireo zanakalahin’ny Anti-Nefia-Lehia na ny vahoakan’i Amôna i Helamàna. Matetika ireo miaramila ireo no antsoina hoe ireo zatovolahy mpiady 2.000. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe zatovolahy dia midika hoe tanora.) Nanao fanekempihavanana ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony ny ray aman-drenin’ireo zatovolahy ireo. Nanolo-tena hiaro ny ray aman-dreniny sy ireo Nefita hafa ireo zatovolahy izay tsy voafatotr’ilay fanekempihavanana ireo rehefa nandrahona azy ireo ny andia-miaramila Lamanita iray.
Hazavao fa nitarika ireo zatovolahy mpiady 2.000 ho any amin’ny tanànan’i Jodeà i Helamàna mba hanampy ny miaramila Nefita notarihin’i Antipo. Nambabo tanàna Nefita maro ny Lamanita ary nampihena be tokoa ny miaramilan’i Antipo. Nifaly i Antipo rehefa tonga nanampy i Helamàna sy ny miaramilany.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 53:17–21 ary hikaroka ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny tanjaka ara-panahin’ireo zatovolahy nampidirina tao amin’ny tafika ireo. Rehefa mamaky izy ireo dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary manaraka ity. Asao ny maro amin’ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra ireo teny sy andian-teny hitan’izy ireo eo ambanin’ilay lohateny hoe “Alohan’ny ady.”
-
Inona araka ny eritreritrareo no mety ho tian’i Helamàna holazaina rehefa namariparitra ireo zatovolahy mpiady 2.000 izy ho toy ny “lehilahin’ny fahamarinana sy ny fahamatorana”? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe fahamatorana dia entina hilazana ny fitoniana sy ny fifehezantena.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo toetra voatanisa eo amin’ny solaitrabe ireo antsika hiatrika ireo ady sy olana hafa?
Fintino fohifohy ny fiandohan’ny ady voalohany nataon’ireo zatovolahy mpiady ao amin’ny Almà 56:29–43. Nampiasa an’i Helamàna sy ireo mpiadiny 2.000 ho toy ny vela-pandrika hamoahana ny miaramila mahery indrindran’ny Lamanita tao amin’ny tanànan’i Antiparà i Antipo. Nandao an’i Antiparà mba hanenjika ny miaramilan’i Helamàna ny ankamaroan’ny Lamanita ary nanome fahafahana ny miaramilan’i Antipo hanaraka sy hanafika azy ireo avy aty aoriana. Rehefa nahatratra ny miaramila Lamanita ny miaramilan’i Antipo dia nanafika araka ny drafitra nomaniny izy ireo. Rehefa nitsahatra nanenjika ny miaramilan’i Helamàna ny Lamanita dia tsy nahalala i Helamàna na niezaka namandrika ny miaramilany ny miaramila Lamanita na nanafika ny Lamanita avy any amin’ny vodilaharany ny miaramilan’i Antipo. Tsy maintsy nanapa-kevitra i Helamàna sy ireo miaramila zatovony na hanohy hitsoaka na hanafika ny Lamanita.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 56:44–48. Asao izy ireo hitady ireo teny sy andian-teny izay maneho ny porofon’ny niasan’ireo zatovolahy ireo tamim-pinoana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanoratra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe “Mandritra ny ady” ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Inona no tsy nampiroanahana ireto zatovolahy ireto? (Fa hanafaka azy ireo Andriamanitra.)
-
Nahoana izy ireo no tsy niroanahana fa hanafaka azy ireo Andriamanitra?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo toetra nokolokoloin’izy ireo talohan’ny ady azy ireo nandritra ny ady?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mahazo tanjaka avy amin’Andriamanitra isika rehefa miasa amim-pinoana. Asao ny mpianatra hitady ny porofon’io fahamarinana io eo am-pandalinany ny Almà 56.
Fintino ny Almà 56:49–53 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nahita ny miaramilan’i Antipo tao anatin’ny toe-java-tsarotra ny miaramilan’i Helamàna. Maty i Antipo sy ny maro tamin’ireo mpitari-tafika hafa ary efa akaiky ho resy ireo Nefita reraka sy nikorontan-tsaina.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 56:54–56. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hikaroka ny fomba nitahian’Andriamanitra ny miaramilan’i Helamàna noho ny finoan’izy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no nanampian’ireo toetra ara-panahy voatanisa eny amin’ny solaitrabe tamin’ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Almà 56:56?
-
Oviana ianareo na ny olona iray fantatrareo no niasa tamim-pinoana ary nahazo tanjaka avy tamin’Andriamanitra tao anatin’ny fotoan-tsarotra iray?
Almà 57
Nizaka indray ny tanànan’i Komenia i Helamàna sy ireo zatovolahy mpiadiny ary notsimbinina tao anatin’ny ady
Hazavao fa ny Almà 57 dia tohin’ny taratasy nalefan’i Helamàna ho an’ny Kapiteny Môrônia. Manomboka amin’ny fitantarana ny nakan’ny Nefita indray tanàna roa tamin’ny Lamanita izany. Nahazo lehilahy 6.000 hampitombo hery ny miaramilany i Helamàna nandritra io fotoana io niaraka tamin’ny zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna 60 hafa. Nahazo miaramila fanampiny ihany koa ny Lamanita ary nanohy nanamafy ireo tanàna azon’izy ireo.
Lazao amin’ny mpianatra fa efa saika naharesy ny Nefita ny Lamanita tamin’ny ady iray (jereo ny Almà 57:18). Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 57:19–22 ary hikaroka ny antony nahafahan’ny Nefita nandresy.
-
Nahoana no afaka nandresy ny Lamanita ny Nefita?
-
Nilaza i Helamàna fa “[nankatò sy niezaka] ny hanatontosa ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany” (Almà 57:21) ireo miaramilany. Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo? Ahoana no mahatonga izany fankatoavana izany ho fanehoan’izy ireo ny finoany?
Mba hamenoana ny valintenin’ny mpianatra amin’ireo fanontaniana ireo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Ho voahodidin’ny olona izay mifidifidy izay didy hotandremany [ianao] ary tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany hodikaina. Antsoiko hoe fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomanana hihaona amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny rehetra ianao. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireo, ary ny fitandremana ny didiny dia hampatanjaka izany finoana izany” (“Hatreo Am-pinoana ny Ho Avy,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 34).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 57:23–27. Asao ny iray kilasy hitady ny fomba nitsimbinan’ny Tompo an’ireo miaramila zatovon’i Helamàna sy ny antony nitsimbinany azy ireo. Mba hanampiana azy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Izao no nolazain’i Helamàna mikasika ireo miaramilany hoe “mitombina ny sainy.” Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao? Nahoana isika no mila mampitombina ny saintsika rehefa miatrika zava-tsarotra?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny miaramilan’i Helamàna fa “apetrany lalandava amin’Andriamanitra ny fitokiany”?
Mety hanampy ny fanazavana fa ny olo-marina ohatra indraindray dia hijaly na ho faty tahaka ny nijalian’ireo zatovolahy mpiady sy tahaka ny nahafaty ny sasany tamin’ireo miaramila Nefita. Kanefa dia hanome voninahitra ireo izay manome voninahitra Azy Andriamanitra ary hotahiana ireo olo-marina maty.
-
Inona ireo zavatra hitovizan’ny ady nataon’ireo zatovolahy mpiady tamin’ny fahavalony amin’ny ady ataontsika amin’ny fahavalontsika?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Amin’izao fotoana izao isika dia manao ady mahafaty kokoa amin’ny fomba maro isan-karazany … noho ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Fetsifetsy sy manana loharanom-pitaovana maro ny fahavalontsika. Miady amin’i Losifera, ilay rain’ny lainga isika, ilay fahavalon’ny zavatra tsara sy marina ary masina rehetra. …
“… Miady ara-bakiteny ho an’ny fanahin’ny olona isika. Tsy mamela heloka ary tsy mety kivy ny fahavalo. Maka haingana dia haingana babo mandrakizay maro izy. Ary tsy maneho marika izy fa mampandeha miadana ny asany.
“Raha toa isika ka feno fankasitrahana lalina noho ireo mpikambana maro ao amin’ny Fiangonana izay manao zavatra lehibe amin’ny ady ho an’ny fahamarinana sy ny tsara dia tsy maintsy milaza aminareo amin-kitsimpo aho fa tsy mbola ampy izany. Mila fanampiana bebe kokoa isika. … Mila anareo izahay. Tahaka ireo zatovolahy mpiady 2.000 an’i Helamàna, … dia azo tafiana hery ihany koa ianareo mba hanangana sy hiaro ny fanjakany. Mila anareo hanao fanekempihavanana masina izahay, tahaka izay nataon’izy ireo. Mila anareo mankatò tanteraka sy mahatoky izahay, tahaka azy ireo” (“The Greatest Generation of Missionaries,” Ensign na Liahona, Nôv. 2002, 46–47).
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Rehefa mahatoky sy mankatò tanteraka ny Tompo isika …
-
Miainga avy amin’ny zavatra novakianareo mikasika ireo miaramilan’i Helamàna dia ahoana no hamenoanareo io fehezanteny io? (Fenoy araka ny sosokevitra omen’ny mpianatra ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe. Afaka manoratra ity fahamarinana manaraka ity ianao ohatra: Rehefa mahatoky sy mankatò tanteraka ny Tompo isika dia hanampy antsika mandritra ny ady ataontsika Izy.)
Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nankatoavan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo tanteraka nandritra ny fotoan-tsarotra iray tany an-tsekoly, tao an-trano, na teo amin’ny toe-javatra ara-piaraha-monina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Anontanio azy ireo ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ilay toe-javatra.
Omeo fotoana ny mpianatra hanoratana ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra hataon’izy ireo hankatoavana ny didin’Andriamanitra “amin’ny antsipiriany” (Almà 57:21) sy “[hametraka] lalandava amin’Andriamanitra ny fitokiany” (Almà 57:27).
Almà 58
Nahatoky ireo miaramila Nefita fa hitsimbina azy ireo ao amin’ny fahoriany Andriamanitra
Hazavao fa ny Almà 58 dia mirakitra ny fiafaranan’ny taratasin’i Helamàna ho an’i Môrônia. Nitantara ny niatrehan’ny miaramila Nefita toe-java-tsarotra i Helamàna, izay nanasarotra kokoa ny toe-piainana nahaory izay efa natrehan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 58:2, 6–9, ary asao ny iray kilasy hamantatra ireo toe-java-tsarotra ireo (tsy fahampian’ny vatsy, tsy fahampian’ny miaramila fanampiny, tahotra sao dia handringana azy ireo ny fahavalony).
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 58:10–12 ary hikaroka ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireo fanontaniana. Vakio amin’ny mpianatra ireo fanontaniana alohan’ny hamakian’izy ireo ny andinin-tsoratra masina ary avy eo dia ataovy topimaso izy ireo rehefa voavaky. Hanampy ny mpianatra hifantoka amin’ny fihetsiky ny miaramilan’i Helamàna tao anatin’io toe-java-tsarotra io izany.)
Asao ny mpianatra hamintina fahamarinana iray nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 58:10–12. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia nahita ity fitsipika manaraka ity: Afaka mahazo antoka avy any an-danitra izay mampatanjaka ny finoantsika sy manome fanantenana antsika isika rehefa mitodika any amin’Andriamanitra ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.)
-
Oviana ny Tompo no nitahy anareo tamin’ny fitsaharana sy fanomezana antoka nandritra ny zava-tsarotra iray niainanareo?
Hazavao fa ny sisa tavela amin’ny Almà 58 dia mitantara ny ezaka nahomby nataon’ny miaramila Nefita tamin’ny fizakana indray ireo tanàna izay nobaboin’ny Lamanita (jereo ny Almà 58:31). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 58:39–40.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny zatovolahy mpiadin’i Helamàna ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra na dia teo aza ireo “ratra maro” nahazo azy ireo?
-
Ahoana no hahazoanareo tombony amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ireo zanakalahin’i Helamàna eo am-piatrehanareo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana?
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipika nampianarina tao amin’ity lesona ity.