Tahirim-pitaovana
Lesona 92: Almà 34–35


Lesona 92

Almà 34–35

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra ny Zôramita hino ny Zanak’Andriamanitra i Almà dia nanambara ny fijoroany ho vavolombelona manokana mikasika an’i Jesoa Kristy i Amioleka, izay nanome fijoroana ho vavolombelona iray faharoa. I Amioleka, izay mpiara-mitory tamin’i Almà, dia nanantitrantitra fa ilaina amin’ny famonjena ny olombelona rehetra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary afaka mandray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotana ny tsirairay rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana. Zôramita maro no nanaiky ny fanasan’i Amioleka hibebaka. Rehefa noroahin’ireo mpitondra sy ireo mpisorona ratsy fanahy hiala ny tany ireo Zôramita nibebaka dia nanome sakafo sy fitafiana ary tany ho lovan’izy ireo ny Nefita sy ny vahoakan’i Amôna. Vokatr’izany dia nanomboka nanao fanomanana hiady tamin’ny Nefita sy ny vahoakan’i Amôna ireo Lamanita sy Zôramita tsy nibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 34:1–14

Nampianatra ny Zôramita mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Amioleka

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireto fehezanteny manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na amin’ny taratasy raha toa izy ireo ka mieritreritra fa marina na diso ny fehezanteny tsirairay.

  1. Nijaly ho an’ny olo-marina fotsiny ihany i Jesoa Kristy rehefa nanonitra ny fahotan’ny olombelona.

  2. Mila ny Sorompanavotana ny olon-drehetra mba ho voavonjy.

  3. Afaka manonitra ny fahotan’ny olona iray hafa ny olona rehetra na iza na iza.

Rehefa avy nomena fotoana hanoratana ny valinteniny ireo mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo fa nampianatra andiana Zôramita iray mikasika ny fomba handraisana ny tenin’Andriamanitra sy hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy i Almà (jereo ny Almà 32–33). Fintino ny Almà 34:1–7 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandimby an’i Almà i Amioleka tamin’ny alalan’ny fizarany ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy. Asao ireo mpianatra handalina mangina ny fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:8–9, 11 ary hikaroka ireo fehezanteny izay milaza na marina na diso ny fehezanteny tsirairay eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia iaraho mijery amin’ny mpianatra ireo fehezanteny ireo. Ny valiny marina dia:

  1. Diso—“Ary hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao [Izy]” (Almà 34:8).

  2. Marina—“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra” (Almà 34:9).

  3. Diso—“Tsy mety hisy olona izay afaka manao sorona ny rany ihany ka hanonitra ny fahotan’ny hafa” (Almà 34:11).

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny valin’ny fehezanteny fahatelo ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no i Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 34:10, 14. Aorian’izay dia vakio ireto fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

Loholona Russell M. Nelson

“Tsy misy fetra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany. Tsy misy fetra ihany koa izany amin’ny hoe hovonjena amin’ny fahafatesana tsy manam-piafarana ny olombelona rehetra. Tsy misy fetra izany raha ny fijaliany lehibe no resahina. … Tsy misy fetra amin’ny halehibeazany izany—tsy maintsy natao indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy natao ho an’ny olona tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa natao ho an’ny tontolo tsy tambo ho isaina izay noforoniny ihany koa. Tsy misy fetra izany mihoatra ny fitaovam-pandrefesana rehetra nataon’ny olombelona na mihoatra ny fahatakaran’olombelona.

“I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 35).

“Araka ny lalàna mandrakizay dia mitaky ny fanaovana sorona ny tena manokana ataon’ny olona iray tsy mety maty tsy iharam-pahafatesana izany sorompanavotana izany. Tsy maintsy maty Izy ary mamerina indray ny vatany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka nanatanteraka izany. Nandova ny hery mba ho faty avy amin’ny reniny Izy. Nahazo hery handresena ny fahafatesana avy amin’ny Rainy Izy” (“Constancy amid Change,” Ensign, Nôv. 1993, 34).

  • Ahoana no hanampian’ny fampianaran’i Amioleka sy ireo fanambarana nataon’ny Loholona Nelson antsika hahatakatra ny antony nahatonga an’i Jesoa Kristy ho ilay hany afaka nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao?

  • Ahoana no mety hamintinanao ny zavatra nianaranao hatreto avy ao amin’ny Almà 34 mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Mety hilaza fahamarinana hafa ireo mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa mahatonga ny famonjena ho azo atao ho an’ny olon-drehetra ny Sorompanavotana tsy misy fetra sy mandrakizain’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hankasitraka bebe kokoa ny ilàna ny Sorompanavotana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra dia ampiasao ity fiaraha-mientana ity. Azonao atao ny mampifanaraka ity fiaraha-mientana ity amin’ny zavatra ilaina sy mahaliana ny mpianatra ampianarinao.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Alaivo sary an-tsaina ny fiainana tsy misy …

Atsangano ambony ny zavatra iray izay manan-danja amin’ny maro amin’ny tanora (toy ny finday) ary manontania hoe:

  • Mety ho toy ny ahoana araka ny eritreritrao ny fiainana raha tsy misy an’ity zavatra ity?

Manaraka izany dia atsangano ambony ny tavoahangy na vera iray misy rano (na zavatra hafa ilaina hitazonana ny aina).

  • Mety ho toy ny ahoana ny fiainana raha tsy misy rano?

Rehefa avy miresaka mikasika ny ilàna ny rano ireo mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hahatonga izany hivaky toy izao: Alaivo sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainana tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Omeo fotoana hisaintsainana io fanontaniana io ny mpianatra alohan’ny hanasana azy ireo hamaly. Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra ireo valin’io fanontaniana io.)

Almà 34:15–41

Nampianatra ny Zôramita ny fomba hampiharana finoana ho amin’ny fibebahana i Amioleka

Lazao amin’izy ireo fa na dia nanao ny Sorompanavotana ho an’ny olona rehetra aza i Jesoa Kristy dia tsy mandeha ho azy ny fahazoantsika ireo fitahiana rehetra avy amin’izany. Nampianatra ny zavatra ilaintsika hatao mba hahazoana ireo fitahiana rehetra afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotana i Amioleka. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 34:15–17 sy hitady andian-teny iray izay nolazain’i Amioleka inefatra. (“Finoana ho amin’ny fibebahana.”)

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ny Almà 34:15–17 mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa tsy maintsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana isika mba hahazoana ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“Mila finoana matanjaka an’i Kristy isika mba hahafahantsika mibebaka. … Hanova ny fisainantsika, ny zavatra inoantsika ary ny fitondrantenantsika ny finoana an’i Kristy, izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. … Midika hoe fiovan’ny toe-tsaina sy fiovam-po ny fibebahana—mitsahatra amin’ny fanaovana ireo zavatra ratsy isika ary manomboka manao ireo zavatra tsara” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 100).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fibebahana dia tsy mitaky antsika hitsahatra fotsiny ihany amin’ny fanaovana ireo zavatra ratsy fa mitaky antsika hanomboka hanao ireo zavatra tsara ihany koa?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 34:16 dia inona no vokatra azo rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana isika?

  • Inona no mitranga rehetra tsy mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana isika? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe “mankahatra ny lalàna manontolon’ny fitakian’ny fahamarinana” dia midika hoe miaritra ny vokatra fenon’ny fahotantsika sy manakana ny fitahian’ny fiainana mandrakizay.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 34:17, inona ny zavatra iray azontsika atao mba hampiharana finoana ho amin’ny fibebahana?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 34:17–28. Asao izy ireo hitady ny zavatra nampianarin’i Amioleka ny Zôramita mikasika ny vavaka, ao anatin’izany ny fotoana hivavahana sy ny zavatra resahina ao anatin’ny vavaka.

  • Inona no zavatra nampianarin’i Amioleka momba ny vavaka izay mifandray amin’ny fiainanao? Nahoana ianao no mihevitra fa ampahany manan-danja amin’ny fampiharana finoana ho amin’ny fibebahana ny vavaka?

  • Nilaza i Amioleka fa tsy hahasoa antsika na tsy misy ilàna azy ny vavaka ataontsika raha tsy manampy ny manodidina antsika isika (jereo ny Almà 34:28). Araka ny eritreritrao, nahoana no marina izany?

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra fomba fanampiny ahafahantsika mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana dia asao izy ireo hilaza ny heviny momba ireto ohatra manaraka ireto:

  1. Nanolokolo fahazarana tamin’ny fampiasana fiteny tsy mendrika ny zatovolahy iray. Inona avy ireo fomba ahafahany maneho finoana ho amin’ny fibebahana mba ho afaka amin’ity fahazarany ity? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe mangataka fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka, mangataka fanampiana amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana, ary mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientana izay manasa ny Fanahy.)

  2. Tafiditra tao anatin’ny fiarahana tsy mendrika ny zatovovavy sy ny zatovolahy iray. Nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina hampitsahatra avy hatrany ity fiarahana ity izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no mety hanehoan’ny fanarahana ity fitaomana ity ny finoana ho amin’ny fibebahana? Inona koa ireo dingana hafa ilain’izy ireo atao mba hahazoana antoka fa eo amin’ny lalana mankany amin’ny fibebahana feno izy ireo? (Mety ho hita ao amin’ireo valinteny ny hoe mikatsaka fitarihana avy amin’ny eveka na filohan’ny sampana sy mangataka hery sy famelan-keloka amin’ny alalan’ny vavaka.)

  • Inona no dikan’ny hoe manemotra? Inona avy ireo antony hanemoran’ny olona zavatra iray?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 34:33 mba hikaroka ny zavatra nampitandreman’i Amioleka ireo Zôramita mba tsy hanemoran’izy ireo ny hanaovana izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 34:32–35. Rehefa mamaky izy ireo dia asao ny iray kilasy hitady ireo vokatry ny fanemorana ny fibebahantsika. Rehefa milaza ny zavatra nianarany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ity fiainana ity no fotoana ho antsika hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra.

  • Ahoana no hanazavanao io fahamarinana io amin’ny olona iray?

  • Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana minia tsy mankatò didy vitsivitsy ianao kanefa efa manao drafitra ny hibebaka avy eo. Inona no hampianarinao io namana io miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny Almà 34:32–35?

Hazavao fa tsy nampitandrina ny amin’ireo vokatry ny fanemorana ny fibebahana fotsiny ihany i Amioleka fa nampianatra mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fisafidianana ny hibebaka dieny izao ihany koa izy. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 34:30–31 ary hamantatra io fitahiana io.

  • Ao amin’ny Almà 34:31, inona no antoka omena ireo izay mibebaka amin’izao fotoana izao? (“Eo no ho eo no hanatanterahana aminareo ny drafitra lehiben’ny famonjena.”)

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Tsy voatery mahafantatra ny zava-drehetra aloha ianao izay vao hiasa ho anao ny herin’ny Sorompanavotana. Manàna finoana an’i Kristy fa hanomboka hiasa amin’ny andro angatahanao azy izany!” (“Washed Clean,” Ensign, Mey 1997, 10).

  • Ahoana no hanampian’ny fahatakarana izany antoka izany antsika? Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanareo ny Sorompanavotana nanomboka niasa ho anareo rehefa nanomboka niantehitra tamin’izany ianareo?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Harold B. Lee ity. Asao ireo mpianatra hihaino ilay zavatra antsoin’ny Filoha Lee hoe ’ilay didy lehibe indrindra.”

“Raha nanao hadisoana ianao dia atombohy androany ny fanovana ny fiainanao. Ialao ny zavatra tsy nety nataonao. Ilay didy tena sarotra indrindra aminao ny mitandrina azy amin’izao fotoana izao no lehibe indrindra amin’ny didin’Andriamanitra rehetra. Raha tsy fahamarinan-toetra izany, raha tsy fahadiovam-pitondrantena izany, raha fisandohana izany, tsy milaza ny marina, dia anio no fotoana hamahanao izany mandra-pandresenao izany fahalemena izany. … Reseo izany olana izany ary aorian’izay dia manomboha indray manao asa amin’ilay didy manaraka izay sarotra indrindra aminao ny mitandrina azy” (Enseignements des Présidents de L’Église: Harold B. Lee [2000], 30).

  • Inona ilay didy lehibe indrindra araka ny voalazan’ny Filoha Lee? Nahoana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno ity. Asao ny mpianatra hameno izany ao amin’ny kahie na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina.

Androany, ny didy lehibe indrindra ho ahy dia ny …

Hanomboka hampihatra finoana ho amin’ny fibebahana aho anio amin’ny alalan’ny …

Almà 35

Nandeha nonina teo anivon’ny olo-marina ny Zôramita nibebaka

Fintino ny Almà 35 amin’ny alalan’ny fanazavana fa maro ireo Zôramita nibebaka tamin’ny fahotany. Noroahin’ireo mpitondra sy mpisoron’izy ireo ratsy fanahy hiala ny tany izy ireo ary nandeha nipetraka tany amin’ny tanin’i Jersôna niaraka tamin’ny vahoakan’i Amôna. Nanome tany ho azy ireo ny vahoakan’i Amôna ary nandefa ny miaramilany hiaro azy ireo ny Nefita.

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mandray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika raha vao mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana. Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny vahoakan’i Amôna sy ny Nefita amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fanampiana ireny izay mikatsaka ny hibebaka.