Tahirim-pitaovana
Lesona 77: Almà 12


Lesona 77

Almà 12

Fampidirana

Rehefa nahatonga an’i Zezrôma ho “nangovitra … noho ny fahatsapana ny hadisoany” ny tenin’i Amioleka (Almà 12:1), dia nijoro i Almà mba hamelabelatra mikasika ny zavatra nampianarin’i Amioleka. I Almà dia nifantoka tamin’ireo fahamarinana izay hanampy ny vahoakan’i Amônihà hibebaka amin’ny fahamafisan’ny fony sy ny fahotana hafa. Nantitranteriny ireo fandrik’i Satana, sy ireo fitsarana izay hihatra amin’ireo ratsy fanahy, ary ny drafitry ny fanavotana, izay ahafahan’ireo izay mibebaka ho azo avela heloka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 12:1–7

Nohazavain’i Almà tamin’ny vahoakan’i Amônihà ny tetik’i Zezrôma—sy ny tetik’ilay fahavalo

Araho ilay fanehoana an-tsary miaraka amin’ity mba hanaovana vona iray, na fandrika, amin’ny alalan’ny tady iray. Asehoy ny fiasan’ny tadivavarana iray amin’ny alalan’ny fihazonana ilay tady ho eo anoloan’ny vatomamy na ny hanina iray eo ambony latabatra. Asaivo manakatra ilay hanina amin’ny alalan’ny fanavatsavana ilay tadivavarana ny mpianatra iray. Rehefa manao izany izy dia henjano ilay tadivavarana. (Mitandrema sao mandratra ilay mpianatra.)

Sary
fandrika

Asao ny mpianatra iray hamerina ho an’ny mpianatra rehetra ny fomba nanandraman’i Zezrôma namandrika an’i Amioleka (jereo ny Almà 11:21–25). Hazavao fa nony takatr’i Amioleka ny fikasan’i Zezrôma dia namaly azy i Amioleka ary nijoro ihany koa i Almà mba hiresaka amin’i Zezrôma sy ireo vahoaka izay nihaino teo (jereo ny Almà 12:1–2). Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 12:3–6, ka mitady ireo teny izay nampiasain’i Almà hamaritana ny tetik’i Zezrôma. (Azonao amporisihina ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo.) Asaivo mitatitra ny zavatra hitany izy ireo.

  • Drafitr’iza no narahan’i Zezrôma?

  • Inona no voalazan’i Almà fa kasain’ny devoly?

  • Inona no nahafahan’i Almà nahita taratra ilay drafitra?

Asao ireo mpianatra hamoaka ireo fitsipika izay mamintina ny zavatra izay nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 12:3 mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mamantatra ireo fitaka ataon’ny fahavalo. Na dia mety mampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina hamantatra ireo fitaka ataon’ny fahavalo. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa tamin’ny lesona teo alohan’ity lesona ity izy ireo dia nianatra fa rehefa miantehitra amin’ny Fanahy Masina isika dia afaka mandresy ny fakam-panahy. Hazavao fa mba hahafahana mandresy fakam-panahy iray na fitaka iray dia mila mamantatra izany aloha isika sy ny ratra mety haterany amintsika. Avy eo dia tsy maintsy manao izay rehetra vitantsika isika hialana amin’izany.

  • Oviana ny Fanahy Masina no nanampy anao hamantatra fakam-panahy sy hiala amin’izany? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia azonao atao ihany koa ny mizara zavatra iray efa niainanao manokana.)

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hanoratana ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fahaizany mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hahafahany mamantatra sy miala amin’ireo fandriky ny fahavalo.

Almà 12:8–18

Nampianatra mikasika ny fitsarana farany ny olombelona rehetra i Almà

Asaivo mieritreritra mikasika izay karazana anton’asa mahaliana azy ireo ireo mpianatra. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hiresaka mikasika ny anton’asa izay mahaliana azy ireo. Angataho izy ireo haminavina ny sarany mety ilain’izy ireo hanefana ny saram-pianarana any amin’ny fianarana ambony na ny oniversite, na ny sekolim-barotra mba hahazoana ny fahalalana sy fahaiza-manao takiana mba hahombiazana amin’io anton’asa io. Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Angataho ireo mpianatra mba hihaino ny “saram-pianarana” voalazan’ny Loholona Bednar fa tsy maintsy efaintsika mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny fahatakarana ara-panahy dia … tsy azo omena fotsiny tsotra izao [antsika]. Ny saran’ny fahazotoana sy ny fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana ary koa amin’ny alalan’ny finoana dia tsy maintsy efaina mba hahazoana sy ’hananan’ny’ tena manokana izany fahalalana izany. Amin’izany fomba izany ihany no ahafahan’ny zavatra fantatra ao an-tsaina ho tsapa ihany koa ao am-po” (“Watching with All Perseverance,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 43).

Asaivo mamaky mafy ny Almà 12:7–8 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ireo mpianatra hafa, sady mitady porofo fa nanomboka nanefa ny “saram-pianarana” ara-panahy i Zezrôma izay ilaina mba hahazoana fahalalana ara-panahy. Asao ireo mpianatra hanazava izay zavatra hitany ao amin’ireo andininy ireo ka maneho fa nanomboka niova ny fon’i Zezrôma.

Mariho fa nametraka fanontaniana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty tamin’i Almà i Zezrôma. Tsy tonga dia namaly io fanontaniana io i Almà, fa nampianatra azy mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 12:9–11. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra izay nampianarin’i Almà an’i Zezrôma mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Hazavao fa ireo “misterin’Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana … amin’ireo izay mankatò ny filazantsara” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Misterin’Andriamanitra,” scriptures.lds.org). (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fanambarana io. Azonao atao ihany koa ny mandroso amin’ireo mpianatra ny hanoratan’izy ireo izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Almà 12:9.)

Angataho ireo mpianatra mba hanambara amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra izay ampianarin’ny Almà 12:9 mikasika izay zavatra tokony hataontsika mba handraisana fahamarinana ara-panahy. (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra saingy tokony hivohitra amin’ny valintenin’izy ireo fa ny Tompo dia manambara fahamarinana ara-panahy amintsika arakaraky ny fihainoantsika ny teniny sy ny fahazotoantsika manatanteraka izay lazainy. Azonao amporisihana ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 12:9.)

  • Inona no ifandraisan’ny toe-panahin’ny fontsika sy ny fahaizantsika mandray fahamarinana ara-panahy?

Ao amin’ny Almà 12:10–11, mariho ireo vokatra tena mifanohitra eo amin’ireo izay tsy manamafy ny fony amin’ny fahamarinana sy eo amin’ireo izay manamafy ny fony.

  • Manao ahoana no fiantraikan’ny fahalalanao ireo vokatra ireo eo amin’ny fanirianao hikatsaka fahalalana ara-panahy bebe kokoa?

Hazavao fa rehefa avy nampianatra ny fomba ahafantarantsika ny fahamarinana ara-panahy i Almà, dia namaly ilay fanontaniana napetrak’i Zezrôma teo aloha kelin’io. Asaivo averin’ireo mpianatra apetraka ilay fanontanian’i Zezrôma ao amin’ny Almà 12:8 amin’ny fampiasana ny tenin’izy ireo manokana. Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 12:12–15, ka hitady izay zavatra nampianarin’i Almà an’i Zezrôma mikasika ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana. Raha mbola eo am-pamakiana ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Horaisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny … tsika, sy ny … tsika, ary ny …tsika

Rehefa nahavita namaky ireo mpianatra dia asaivo mameno ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe: Horaisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny eritrerintsika sy ny tenintsika ary ny fihetsitsika.

  • Manao ahoana hoy ianao no mety ho fiantraikan’io fahamarinana io teo amin’ny Zezrôma? (Asaivo mijery ao amin’ny Almà 14:6 sy 15:3 ireo mpianatra mba hahitany ny valiny.) Fa nahoana hoy ianao no nisy fiantraikany mahery vaika toy izany teo amin’i Zezrôma io fahamarinana io? (Azonao marihana fa tsy hoe sahiran-tsaina tamin’ny tenany ihany i Zezrôma. Sahiran-tsaina ihany koa izy tamin’ireo vahoaka izay notarihiny hania.)

  • Inona avy ireo karazana eritreritra sy teny ary fihetsika izay manahiran-tsaina ny olona ka afaka mahameloka azy ireo raha toa ka tsy mibebaka? (Mba hanampiana ireo mpianatra handinika sy hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny safidin’izy ireo eo amin’ny lafin’ny fialam-boly sy haino aman-jery hisy fiantraikany eo amin’ny eritreritr’izy ireo sy ny tenin’izy ireo ary ny fihetsik’izy ireo, dia azonao atao ny mijery ilay torolalana mikasika ny fialamboly sy haino aman-jery ao amin’ny Jeunes, Soyez forts!)

  • Inona no fiovana hisy eo amin’ny safidy ataonao isan’andro raha toa ianao ka mahatsiaro ilay fahamarinana voasoratra eo amin’ny solaitrabe?

Mariho ilay soratra masina mifandray manondro any amin’ny Môsià 4:30 ao amin’ny Almà 12:14, fanovozan-kevitra 14a, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:30. (Azonao aroso amin’ireo mpianatra ny hanisian’izy ireo marika an’io soratra masina mifandray io.) Raha ampy ny fotoana dia asaivo mamerina mijery izay nosoratany ireo mpianatra mikasika ny fampitomboana ny fahaizany mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina. Asao izy ireo hanampy hevitra vitsivitsy mikasika ny fomba fiantraikan’ny fahatakaran’izy ireo ny maha tompon’andraikitra azy ireo eo anatrehan’Andriamanitra eo amin’ny fanirian’izy ireo hamantatra sy hiala amin’ny fakam-panahy.

Almà 12:19–37

Hazavain’i Almà ny fomba hanampian’ny drafitry ny fanavotana antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana

Sary
Adama sy Eva Mandohalika eo amin’ny Alitara

Asehoy an’ireo mpianatra ilay sary hoe Adama sy Eva Mandohalika eo amin’ny Alitara (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 4). Hazavao fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Antiônà, izay an’isan’ireo lohan’ny mpifehy tao Amônihà, ary nametraka fanontaniana mikasika ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tonga izy mba hanontany an’i Almà hoe ahoana no mety ahafahan’ny zanak’olombelona rehetra ho lasa tsy mety maty. (Jereo ny Almà 12:20–21.)

Anontanio ireo mpianatra hoe hatraiza ny fahatokian-tenan’izy ireo raha manazava amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny fomba ahafahana manavotra antsika avy ao amin’ny Fahalavoana. Mba hanampiana azy ireo ho vonona hampianatra io fahamariana io amin’ny olona iray hafa dia asaivo mikaroka ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ity tabilao manaraka ity izy ireo ary manoratra izay zavatra nianarany ao amin’ny tsanganana tokony hisy izany. (Azonao atao ny mandika io tabilao io eo amin’ny solaitrabe mialoha ny hiantombohan’ny fampianarana. Asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahien’izy ireo na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina.)

Ireo vokatry ny Fahalavoana (Almà 12:22, 24)

Ny nataon’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fanavotana antsika (Almà 12:24–25, 28–33)

Ny tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fanavotana (Almà 12:24, 30, 34, 37)

Rehefa mameno ilay tabilao ireo mpianatra dia mety hila ny fanampianao ny sasany amin’izy ireo. (Fomba iray hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny soratra masina ny fanasana azy ireo hijery ireo fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy. Ohatra, ilay soratra masina hanovozan-kevitra omena ao amin’ny fanamarihana 22d dia mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe very sy lavo ho an’ny zanak’olombelona.) Rehefa nahafeno ilay tabilao ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fampianarana mba hahafahan’ireo mpianatra mandinika ny valinteniny eo am-pamenoana ilay tabilao.)

  • Fomba ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana? (Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia handresy ny fahafatesana ara-batana daholo isika rehetra amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fibebahantsika no ahafahantsika miverina any amin’Andriamanitra avy amin’ny toetra “very sy lavo” misy antsika.)

  • Araka ny ao amin’ny Almà 12:24, inona no nampianarin’i Almà hoe tanjon’ny fiainana? (Nilaza izy fa ity fiainana ity dia fotoana hiomanantsika hihaonana amin’Andriamanitra. Azonao aroso amin’ireo mpianatra ny hanisian’izy ireo marika ireo teny ao amin’ny Almà 12:24 izay mampianatra io fahamarinana io.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra izay zavatra nianarany dia mametraha fanontaniana toa an’ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny fahafantaranao ny tanjon’ny fiainana nitari-dalana anao?

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny finoanao ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy nanampy anao hiomana hihaona amin’ Izy Ireo?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona fa izao no fotoana hiomanana hihaona amin’Andriamanitra.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 12:24. “Fotoana fizahan-toetra”

Ao amin’ny soratra masina manontolo, dia ao amin’ny bokin’i Almà ihany ho miseho ilay teny hoe “fotoana fizahan-toetra” (jereo ny Almà 12:24; 42:4, 10, 13). Ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra io fotoana fizahan-toetra io:

“Ny tanjona voalohan’ny fiainana an-tany dia ny hahafahan’ny fanahintsika, izay efa nisy talohan’ny nisian’ny tany, hitambatra amin’ny vatantsika mandritra ny fotoana iray hahafahana manao zavatra betsaka mahasoa eto amin’ny fiainana an-tany. Ny fitambaran’izy roa ireo miaraka dia nanome fahafahana antsika hitombo sy hivelatra ary hihamatotra izay tsy ho azontsika atao raha tsy tafatambatra ny vatana sy ny fanahy. Miaraka amin’ny vatantsika isika dia mandalo fisedrana misimisy ihany mandritra ny fotoana iray izay lazaina hoe fotoana fizahan-toetra eo amin’ny fiainantsika. Izany dia fotoana hianarana sy hisedrana mba hanaporofointsika fa mendrika ireo zavatra mitondra soa any amin’ny mandrakizay isika. Izany rehetra izany dia ampahan’ny drafitra masina iray izay natokan’ny Raintsika any an-danitra ho an’ireo Zanany” (“Proclaim My Gospel from Land to Land,” Ensign, Mey 1989, 14).

Almà 12:32. Mandray didy rehefa avy nandray fahalalana mikasika ilay drafitra

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fahalalana ny drafitr’ Andriamanitra dia manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hitandremantsika ireo didy. Raha niresaka tamin’ireo mpampianatra ny tanora izy dia nilaza hoe:

“Manontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana?’—Nahoana isika no didina hanao zavatra sasantsasany, ary nahoana isika no didina tsy hanao zavatra hafa? Ny fahalalana ny drafitry ny fahasambarana, na dia ny endrika ankapobeny fotsiny aza, dia afaka manome ‘ny antony’ an’ireo saina tanora. …

“Ny ankamaroan’ireo fanontaniana saro-baliana izay atrehantsika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, ary azontsika tanisaina izy ireo—ny fanalan-jaza sy ny sisa rehetra, ireo fanamby rehetra mikasika ny hoe iza no mihazona ny fisoronana ary iza no tsia—dia tsy hay hovaliana raha tsy manana fahalalana mikasika ilay drafitra ho toy ny fototra hiaingana.

“Izao no nolazain’i Almà, ary io, araka ny hevitro taty aoriana, no soratra masina tiako indrindra, na dia miovaova ary ombieny ombieny aza izany: ‘Nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa [avy] nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana’ (Almà 12:32; nampiana fanamafisana). …

“… Raha te hanome ‘ny antony’ ho an’ireo [mpianatra] ianao dia araho io lamina io: ‘Nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa [avy] nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana” (“The Great Plan of Happiness” [address to CES religious educators, Aug. 10, 1993], si.lds.org).

Hamoaka printy