Tahirim-pitaovana
Lesona 76: Almà 11


Lesona 76

Almà 11

Fampidirana

Raha nanohy nampianatra ny vahoakan’i Amônihà iny i Almà sy i Amioleka, dia nisy mpahay lalàna iray nantsoina hoe Zezrôma nanolotra vola tamin’i Amioleka mba handavany ny fisian’Andriamanitra. Niezaka ihany koa i Zezrôma hanodina ny tenin’i Amioleka sy hanaratsy ny fampianarany mikasika an’i Jesoa Kristy. Raha niaro tena teo anatrehan’ny fiezahan’i Zezrôma hamandrika azy i Amioleka dia nijoro ho vavolombelona izy fa ny fanavotana amin’ny fahotana dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona ihany koa i Amioleka fa hitsangana amin’ny maty avokoa ny olombelona rehetra ary hoentina sy “hadinina eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy Zanaka sy Andriamanitra Ray ary ny Fanahy Masina” amin’ny Andro Fitsarana (Almà 11:44).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 11:1–25

Nolavin’i Amioleka ny fitaoman’i Zezrôma azy handà ny fisian’Andriamanitra

Asaivo mieritreritra zavatra iray izay ananany ireo mpianatra izay sarobidy loatra amin’izy ireo ka tsy ho amidin’izy ireo na oviana na oviana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza izay zavatra sarodidy loatra amin’izy ireo sy ny antony mahatonga azy ireo ho sarobidy amin’izy ireo.

Hazavao fa ny Almà 11 dia manohy ny tantaran’ny fampianaran’i Almà sy i Amioleka tamin’ny vahoakan’i Amônihà. Raha nampianatra i Amioleka dia nifanehitra tamin’ny mpahay lalàna iray nantsoina hoe Zezrôma, izay nanolotra vola azy ho takalon’ny zavatra iray izay tena sarobidy tamin’i Amioleka.

Asao ireo mpianatra hikaroka ny ao amin’ny Almà 11:21–22 mba hahitana hoe vola ohatrinona no natolotr’i Zezrôma tamin’i Amioleka, sy ny anton’izany. Asaivo mitatitra ny zavatra nianarany ireo mpianatra.

Mariho fa ny fanazavan’i Môrmôna ny rafitra ara-bolan’ireo Nefita ao amin’ny Almà 11:4–19 dia manampy antsika hahatakatra ny habetsaky ny tsolotra natolotr’i Zezrôma. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny aonty dia vola volafotsy izay nanana sanda ambony indrindra (jereo ny Almà 11:6, 11–13). Ny aonty iray dia mitovy sanda amin’ny karaman’ny mpitsara iray mandritra ny herinandro (jereo ny Almà 11:3, 11–13), midika izany fa ny aonty enina dia mitentina eo amin’ny karaman’ny mpitsara iray mandritra ny iray volana sy tapany.

  • Nahoana no mety ho nampitsiriritra ho an’ny olona sasany ny tolotr’i Zezrôma?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 11:23–25.

  • Maneho inona momba an’i Amioleka ny valinteniny?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 11:25, dia inona no nokatsahan’i Zezrôma hatao raha toa ka nanaiky ny tolotra nataony i Amioleka? Inona no mampitovy an’izany amin’ny zavatra ataon’i Satana rehefa misy olona resin’ny fakam-panahy ataony?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny fomba nahafahan’i Amioleka nanohitra ny tolotra nataon’i Zezrôma dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Izaho tsy … na inona na inona izay manohitra ny Fanahin’ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Almà 11:22. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny teny izay nampiasain’i Amioleka hamenoana io filazana io.

  • Inona avy no teny hafa azontsika atao amin’io banga io ka mety hanampy antsika hiantehitra amin’ny Fanahy Masina mba handresena ny fakam-panahy? (“hanao,” na “hieritreritra,” na “hijery.”)

Asaivo mamoaka fitsipika iray ireo mpianatra izay mifototra amin’ny Almà 11:22 izay afaka manampy azy ireo hahatsiaro ny fomba ahafahan’izy ireo mandresy ny fakam-panahy. Na dia mety hiovaova aza ny valintenin’ireo mpianatra dia tokony ho hita taratra ao amin’izany ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miantehitra amin’ny Fanahy Masina isika dia afaka mandresy ny fakam-panahy. (Azonao atao ny mandroso amin’ireo mpianatra ny hanoratan’izy ireo io fitsipika io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 11:22.)

  • Ahoana hoy ianao no ahafahan’ny fahaizantsika mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina manampy antsika handresy ny fakam-panahy?

Vakio ity torolalana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Raha toa ianareo ka tafalatsaka amin’ny zavatra tsy tokony hataonareo, na miaraka amin’ny olona izay mitarika anareo amin’ny lalana mampivarina an-kady, dia izao no fotoana ampiasana ny fahaleovan-tenanareo, ny fahafahanareo misafidy. Henoy ny feon’ny Fanahy dia tsy hivarina amin’ny lalan-diso ianareo.

“… Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina” (“Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 18).

Mba hanampiana ny olona hahatakatra sy hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety hahavoan’ny fakam-panahy ireo tanora hanao zavatra mifanohitra amin’ny fijoroany ho vavolombelona?

  • Inona no ataonao mba hianteherana amin’ny Fanahy Masina? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany anao?

  • Oviana no nanampy anao ny Fanahy Masina handresy ny fakam-panahy?

Amporisiho ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fitadidiana ny ohatra nasehon’i Amioleka amin’ny fotoana manaraka izay maha alaim-panahy azy ireo hanao zavatra tsy mifanaraka amin’izay zavatra inoany. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa miaina amin’ny fomba mendrika ny hananana ny Fanahy Masina ho namana izy ireo dia afaka manana fahatokiana bebe kokoa hijoro amin’ny fahamarinana sy handresy ny fakam-panahy.

Almà 11:26–40

Nijoro ho vavolombelona mikasika ny Zanak’Andriamanitra i Amioleka ary nandresy ny fiezahan’i Zezrôma hanaratsy ny teniny

Anontanio ireo mpianatra raha toa ka efa nisy nanandrana nametra-panontaniana na nanohitra ny zavatra inoan’izy ireo tamin’ny alalan’ny ady hevitra na ny famitahana. Asao ny mpianatra iray na roa hizara ny zavatra efa niainany.

Hazavao fa rehefa tsy vitan’i Zezrôma ny nanao izay handavan’i Amioleka ny fisian’Andriamanitra, dia novainy ny tetik’adiny ka nanomboka namely ny finoan’i Amioleka an’i Jesoa Kristy izy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 11:26–35. Asaivo jeren’ireo mpianatra ny fomba nanandraman’i Zezrôma namadika ny tenin’i Amioleka. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 11:36–37. Asaivo marihan’ireo mpianatra ny fomba nanitsian’i Amioleka ny zavatra diso nampianarin’i Zezrôma. Asao ireo mpianatra hijery ny fanovozan-kevitra 34a. (Azonao aroso amin’ny mpianatra ny hanisiany marika ny fanovozan-kevitra 34a ao amin’ny soratra masin’izy ireo.) Asaivo mamaky mafy ny Helamàna 5:10–11 ny mpianatra iray.

  • Nahoana no tsy azo tanterahina ny hoe voavonjy ao amin’ny fahotàntsika? Inona no tsy mampitovy ny hoe voavonjy ao anatin’ny otantsika sy ny hoe voavonjy amin’ny otantsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 11:40. Hazavao fa ity dia ahitana fitsipika iray izay tsy maintsy arahintsika raha te ho voavonjy amin’ny fahotantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika dia azo avotana amin’ny fahotantsika.

  • Midika inona aminao izany hoe mino an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mila mino an’i Jesoa Kristy isika raha te ho voavonjy amin’ny fahotantsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mitondra antsika mankany amin’ny fanavotana amin’ny alalan’ny fibebahana dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Mila finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy isika vao afaka mibebaka. Ny finoantsika dia tokony ahitana ’hevitra marim-pototra mikasika ny toetran’ [Andriamanitra] sy ny fahatanterahany ary ny toetra mampiavaka Azy’ (Lectures on Faith [1985], 38). Raha mino isika fa mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra, sy be fitiavana ary feno famindram-po, dia ho vitantsika ny mametraka toky Aminy tsy am-pihambahambana ho an’ny famonjena antsika. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia hanova ny fisainantsika sy ny zavatra inoantsika ary ny fitondrantenantsika izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra” (“Point of Safe Return,” Ensign or Liahona, Mey 2007, 100).

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mifandimby mifanazava ny vondron’olon-droa tsirairay mikasika ny fomba izay hamalian’izy ireo raha toa ka misy olona tanora kokoa mametraka amin’izy ireo fanontaniana mitovy amin’ireto manaraka ireto. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.)

  • Fa nahoana aho no mila mino an’i Jesoa Kristy raha te hibebaka sy ho voavonjy amin’ny fahotako?

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy nanampy anao hibebaka?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mibebaka sy ho voavonjy amin’ny fahotantsika ary mahazo ny fiainana mandrakizay.

Almà 11:41–46

Nampianatra momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty i Amioleka sy momba ny fitsarana ny olombelona rehetra

Mba hanampiana ireo mpianatra handinika ny antony maha zava-dehibe ny fahafantarana fa hitsangana amin’ny maty sy ho tsaraina isika amin’ny farany, dia anontanio hoe:

  • Fomba hafa manao ahoana no mety hiainan’ny olona iray ny fiainany raha toa izy ka mino fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe Fitsanganana amin’ny maty sy Fitsarana. Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Almà 11:41–45, sady mitady fampahafantarana betsaka araka izay tratrany mikasika ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana. Rehefa mitatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Ataovy izay ahazoana antoka fa ny iray amin’ireo filazana eo amin’ny solaitrabe dia mampita ilay fahamarinana hoe hitsangana amin’ny maty daholo any amin’ny farany ny olona rehetra izay miaina eto ambonin’ny tany. Mariho ilay famaritana tsotra ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Almà 11:45: “mba tsy hahafaty azy intsony; ny fanahiny dia mikambana amin’ny vatany ka tsy hisaraka intsony.” (Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika io filazana io.) Rehefa avy nitatitra ny zavatra nianarany ireo mpianatra dia azonao atao ny mandroso amin’izy ireo ny hanoratany ity fahamarinana manaraka ity ery ambony amin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hitsanganan’ny rehetra amin’ny maty sy hitsarana ny rehetra arakaraka ny asa vitany.

  • Iza amin’ireo fahamarinana eo amin’ny solaitrabe no mamporisika anao hiomana hihaona amin’Andriamanitra?

  • Fa nahoana no mitondra fiadanana sy fanantenana amin’ireo olo-marina ireo fahamarinana mikasika ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 11:46, ka mitady ny vokatry ny fampianaran’i Amioleka teo amin’i Zezrôma.

  • Fa nahoana hoy ianao no mety ho izany fihetsika izany no hasehon’ny olona iray handray ny fampianaran’i Amioleka?

  • Inona amin’ireo fampianarana ao amin’ny Almà 11:41–45 no heverinao fa mety nanakorontana an’i Zezrôma? Fa nahoana?

Mijoroa ho vavolombelona fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo ny olona rehetra ary hijoro eo anatrehan’Andriamanitra “mba hotsaraina araka ny asany” (Almà 11:44). Omeo fotoana ireo mpianatra handinihany izay zavatra nianarany androany sy ny fomba hifandraisan’izany amin’izy ireo. Avy eo dia asaivo manoratra ny valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo ao anatin’ny kahieny ny na ny diary fandalinany soratra masina. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.)

  • Inona no tsapanao rehefa mieritreritra mikasika izany hoe hitsangana amin’ny maty sy hotsaraina izany?

  • Inona no ilainao hatao mba hiomanana hijoro eo anatrehan’Andriamanitra?

  • Inona no fiantraikan’ilay finoanao fa hoe hitsangana amin’ny maty sy hotsaraina ianao, eo amin’ny fomba safidianao hiainana isan’andro?

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 11:28. Moa ve misy Andriamanitra mihoatra ny iray?

Ny fotopampianaran’ny Olomasin’ny Andro Farany mikasika ny Andriamanitra (dia ny hoe ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia Olona telo miavaka izay miray amin’ny fomba tonga lafatra raha ny tanjony sy ny fotopampianarany) dia notoherina tao anatin’izao tontolo Kristianina maoderina izao. Ireo Kristianina izay misintona ny hevitr’izy ireo mikasika an’ Andriamanitra avy amin’ireo fanekem-pinoana tamin’ny taonjato fahaefatra sy fahadimy izay manambara ilay fotopampianaran’ny Trinité na hoe Telo Izay Iray (izany hoe ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia tsy olona miavaka) dia mametra-panontaniana matetika amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana mikasika ny fotokevitra tsy manam-paharoa ananantsika mikasika an’ Andriamanitra. Ilay fanontaniana voapetraka miaraka amin’ny valiny izay omena ao amin’ny Almà 11:28–33 dia nahatonga ny maro ihany koa nametra-panontaniana mikasika ny fotopampianaran’ny hoe ny Andriamanitra araka izay voazava ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Roy W. Doxey, mpanampy ao amin’ny biraon’ny Filankevitry ny Roambinifololahy ary Tonia mpisotro ronono ao amin’ny Sampana Fampianarana Ara-pivavahana ao amin’ny Oniversite Brigham Young, dia nanazava ny antony iray azo raisina nahatonga an’ilay valintenin’i Amioleka hoe tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray:

Moa misy Andriamanitra mihoatra ny iray va? Io fanontaniana io dia apetraka matetika noho ny ao amin’ny Almà toko faha 11, izay ahitana an’i Zezrôma, izay mpanakiana, mifanditra amin’ilay misiônera hoe Amioleka. …

“Mba hahatakarana ny fanambaran’i Amioleka [hoe tsy misy afa-tsy Andriamanitra marina sy velona tokana], dia tsy maintsy mijery ny fandehan’ilay tantara manontolo isika. Nandritra ny ankamaroan’ny tantaran’ireo Isiraelita, dia maro tamin’izy ireo (izay razamben’ireo Nefita) no maika ery hanaiky ireo andriamanitra sampy maro an’ireo Egyptiana sy an’ireo Kananita. Na dia tsy milaza na inona na inona aza ny Bokin’i Môrmôna mikasika ireo hevi-diso nananan’ireo olona tao Amônihà izay tananan’i Zezrôma, dia hita mazava tsara fa ny Nefita mpiendaka sasany tamin’ny andron’i Almà dia mpanompo sampy—toy ny sasany tamin’ireo Isiraelita razamben’izy ireo. Fony Almà, izay misiônera mpiara-mitory tamin’i Amioleka, lohan’ny mpitsara no mpisorona avo ho an’ny Fiangonana, dia nanampy tamin’ny fanorenana vondron’ny mpikamban’ny fiangonana matanjaka sy mahatoky izy. Na teo aza izany dia, ‘ireo izay tsy isan’ny fiangonany kosa dia nanaram-po tamin’ny famosaviana sy ny fanompoan-tsampy.’ (Almà 1:32.) Olana tokoa ny apôstazia ka namoy ny toerana maha-mpitsara azy i Almà taty aoriana, ‘izany no nataony dia ny mba hahazoan’ny tenany mandeha any anivon’ny vahoakany, na any anivon’ny vahoakan’i Nefia, ka hahazoany mitory aminy ny tenin’ Andriamanitra.’ (Almà 4:19.)

“Tamin’ny naha-misiônera azy dia nahita i Almà fa maro tamin’ireo vahoaka no nilona tao anatin’ny fanompoan-tsampy. Hitany ohatra, fa ny vahoaka tao amin’ny tanànan’i Zôrama dia ‘namilivily ny lalan’ny Tompo …, ary i Zôrama izay mpitondra azy dia nitarika ny fon’ny olona hiankohoka eo anoloan’ny sampy moana.’ (Almà 31:1.)

“Izay no zava-nisy, tamin’izany fotoana izany, tamin’ny nitrangan’ilay fifampiresahana teo amin’i Almà sy i Amioleka ary i Zezrôma. Raha jerena amin’izay zava-nisy izay dia azo takarina tanteraka ny valintenin’i Amioleka ary mazava ho azy fa marina: Tsy misy ‘Andriamanitra marina sy velona’ afa-tsy iray ihany—izay tsy mifampizara ny maha andriamanitra Azy amin’ireo andriamanitra tsy izy marobe noforonin’olombelona” (“I Have a Question,” Ensign, Aog. 1985, 11).

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nanazava hoe inona no tsy mampitovy ny zavatra inoan’ny Olomasin’ny Andro Farany mikasika ny Andriamanitra amin’ny zavatra inoan’ny Kristianina nentim-paharazana mikasika ny Telo izay Iray ary inona no anton’izany:

“Ny fanekem-pinoantsika voalohany sady manan-danja indrindra ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hoe ‘Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina’ [Fanekem-pinoana 1:1]. Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe ny Andriamanitra tokana dia iray eo amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. Mino isika fa Izy Ireo dia samy henik’ilay toetra araka an’ Andriamanitra feno famindram-po sy fitiavana, fahamarinana sy fahasoavana, sy faharetana, sy famelan-keloka ary fanavotana. Mihevitra aho fa mety tsara ny ilazana fa mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray, hevitra iray araka ny Trinité izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina. …

“Tamin’ny taona 325 taorian’i J.K. dia nampiantso ny Concile de Nicée (na Filankevitr’i Nicée) ny Amperora Romana Constantin mba hamaha—ankoatra ny zavatra maro hafa—ilay olana tsy mitsaha-mitombo mikasika ilay voalaza fa maha ‘telo izay iray’ an’ Andriamanitra. Izay nivoaka avy tamin’ireo fifandirana nafam-pana teo amin’ireo olom-piangonana sy filôzôfa ary mpitarika fiangonana manan-kaja no lasa nantsoina, (taorian’ny 125 taona fanampiny sy filankevitra telo lehibe fanampiny) [tao Constantinople, ny taona 381 taorian’i J.K.; tao Efesosy, ny taona 431 taorian’i J.K.; ary tao Chalcédoine, ny taona 451 taorian’i J.K.] hoe ‘le Credo de Nicée’ (ny fanekem-pinoan’i Nicée), izay nantsoina tamin’ny fomba maro hafa taty aoriana toy ny hoe ‘le Credo d’Athanase’ (ny fanekem-pinoan’i Athanase). Ireo fivoarana sy fanovana samihafa teo amin’ny fanekem-pinoana ireo—sy ny maro hafa izay mbola ho avy nandritra ireo taonjato maro taty aoriana—dia nanambara ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ho tsy azo takarina sy tanteraka, sy avo loatra, sy eny rehetra eny, sy iray akora, sy miara-misy mandrakizay, ary tsy azo fantarina, tsy misy vatana, na ampahany na firehetam-po, ary mitoetra ivelan’izao rehetra izao sy ny fotoana. Ao amin’ny fanekem-pinoana toa izany dia olona telo miavaka ireo mpikambana telo ireo, kanefa zava-miaina tokana, araka ilay voalaza matetika hoe ‘misterin’ny telo izay iray.’ Olona telo miavaka izy ireo, kanefa tsy Andriamanitra telo fa iray. Ireo olona telo rehetra ireo dia tsy hay takarina, kanefa Andriamanitra iray izay tsy hay takarina.

“Lafiny iray farafaharatsiny no hitoviantsika hevitra amin’ireo mpanakiana antsika—dia ny hoe tena tsy hay takarina marina ny fomba ilazana an’ Andriamanitra toy izany. …

“Manambara izahay fa mibaribary avy amin’ny soratra masina fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia olona miavaka, manan’aina masina telo, ka manamarika ireo fanehoana tsy azo ihodivirana toy ilay Vavaka lehibe Fanalalanana nataon’ny Mpamonjy … , ny Batisany tamin’ny alalan’ny tanan’i Jaona, ny zava-nitranga teny amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, ary ny martioran’i Stefana—raha tsy hilaza afa-tsy efatra” (“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 40–41).

Almà 11:38–39. Ahoana no maha Ray Mandrakizay an’i Jesoa Kristy?

Raha mila fanampiana ireo mpianatra mba hahatakarana ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy ho sady Zanak’ Andriamanitra no Ray Mandrakizay, dia azonao ampianarina na averina jerena ilay hevitra fanampiny enti-mampianatra momba ny Môsià 15:1–9 ao amin’ny lesona 60.