Tahirim-pitaovana
Lesona 80: Almà 15–16


Lesona 80

Almà 15–16

Fampidirana

Rehefa avy nanafaka an’i Almà sy i Amioleka tao am-ponja ny Tompo, dia nandeha izy ireo nitory tamin’ny vahoakan’ny tanànan’i Sidôma. Tany no nahitan’izy ireo ireo mpino izay voaroaka avy tany Amônihà, anisan’izany i Zezrôma, izay nijaly ara-batana sy ara-panahy noho ny fahotany. Rehefa nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy i Zezrôma dia nositranin’i Almà izy ary nataony batisa. Nanorina ny Fiangonana tao Sidôma i Almà ary avy teo izy dia niverina nankany Zarahemlà niaraka tamin’i Amioleka. Ho fanatanterahana ny faminanian’i Almà dia noravan’ny Lamanita tao anatin’ny indray andro ny tanànan’i Amônihà. Ankoatra izany dia nosamborin’ireo Lamanita ny sasany tamin’ireo Nefita avy amin’ny faritra nanodidina teo. Nisafidy ny hanaraka ny fitarihana ombam-paminaniana avy tamin’i Almà ireo tafika Nefita dia nahafaka indray ireo babony ary nandroaka ireo Lamanita hiala amin’ny tany. Nandritra ny vanim-potoana iray tao anatin’ny fandriampahalemana dia nanamafy orina ny Fiangonana manerana ny tanin’ireo Nefita i Almà sy Amioleka ary ny maro hafa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 15

Nanasitrana an’i Zezrôma i Almà ary nanorina ny Fiangonana tao Sidôma, ary niverina nankany Zarahemlà niaraka tamin’i Amioleka

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatadidy ireo vahoaka sy zava-nitranga voatantara ao amin’ny Almà 11–14, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto:

Zezrôma

Ontia maro

Afo

Almà

Amioleka

Amônihà

Omeo iray minitra ireo mpianatra hanandrana hampiasa ireo anarana sy teny rehetra eo amin’ny solaitrabe ka hamintina ireo zava-nitranga voatantara ao amin’ny Almà 11–14. (Azonao atao ny mandroso hevitra amin’izy ireo ny hijereny ireo famintinina toko mba ho fanampiana.) Rehefa avy namaly ny mpianatra vitsivitsy dia fafao ireo teny rehetra afa-tsy ny hoe Zezrôma.

Hazavao fa rehefa avy nandao an’i Amônihà i Almà sy i Amioleka dia nankany Sidôma, ary tany no nahitany ireo mpino izay voaroaka avy tao Amônihà, isan’izany i Zezrôma. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 15:3–5 sady mitady ireo teny sy andian-teny izay mamariparitra ny zavatra nanjo an’i Zezrôma. Rehefa mitatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny eo ambanin’ny anaran’i Zezrôma.

  • Araka ny hevitrao, fa nahoana no nahatonga an’i Zezrôma hijaly ara-panahy sy ara-batana ny fahamelohany? Inona no tokony hataon’ny olona ao amin’izany toe-javatra izany mba hiovan’ny toe-javatra misy azy?

  • Fanampiana avy amin’iza no notadiavin’i Zezrôma? (Jereo ny Almà 15:4.) Fa nahoana hoy ianao izy no nampiantso an’i Almà sy i Amioleka? (Anisan’ny valiny ny hoe natoky azy ireo izy ary nahafantatra fa olon’Andriamanitra izy ireo ary nanana ny fahefan’ny fisoronana.)

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 15:6–10. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo teny izay nambaran’i Almà mba hanampiana an’i Zezrôma hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no nila nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aloha i Zezrôma izay vao sitranina?

Asaivo mamaky mangina ny Almà 15:11–12 ireo mpianatra mba hahitana izay zava-nitranga tamin’i Zezrôma. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo hamakiana dia fafao daholo ireo teny rehetra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny anaran’i Zezrôma.

  • Inona no porofo hitanao fa nibebaka i Zezrôma ary nandray ny famindram-pon’ny Tompo? (Sitrana izy tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy natao batisa ary nanomboka nitory ny filazantsara.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fitsipika manaraka ireto: Afaka ny ho sitrana sy mahazo hery isika amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Mariho fa i Almà, amin’ny maha-mpitarika azy ao amin’ny fisoronana, dia tsy nisarika ny fifantohana ho any aminy. Ny tanjony teo amim-piresahana tamin’i Zezrôma dia ny hanampy an’i Zezrôma hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy hahazo famindram-po amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Mba hanehoana fomba iray hanampian’ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana antsika mba handray ireo fitahian’ny Sorompanavotana dia vakio ity traikefa manaraka ity izay nozarain’ny Loholona Jay E. Jensen ao amin’ny Fitopololahy:

“Fony aho eveka dia nanatri-maso ireo fitahian’ny Sorompanavotana teo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fandikan-dalàna lehibe. …

“Nisy tanora tokan-tena iray tao amin’ny paroasinay izay niaraka tamin’ny zatovovavy iray. Navelan’izy ireo ho tsy voafehy ny fihetseham-pon’izy ireo. Nanatona ahy izy haka torohevitra sy fanampiana. Rehefa nifototra tamin’ny zavatra izay nibabohany sy ny fahatsapana tato amiko avy amin’ny Fanahy Masina izy, ankoatra ny zavatra hafa dia tsy nahazo nandray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny fotoana voafetra. Nihaona matetika izahay mba hahazoana antoka fa nitranga tokoa ny fibebahana ary taorian’ny fotoana sahaza izany dia nomeko lalana indray izy handray ny fanasan’ny Tompo.

“Teo am-pipetrahako teo amin’ny dabilio teo aho nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia voasarika ho any aminy ny masoko teo am-pandraisany ny fanasan’ny Tompo tamim-pahamendrehana amin’izay. Nanatri-maso ny sandrin’ny famindam-po sy ny fitiavana ary ny fiarovana aho izay nanodidina azy raha nanafana ny fanahiny sy naka ny enta-mavesany ny fanasitranana avy amin’ny Sorompanavotana, ka niteraka ilay famelan-keloka sy fiadanana ary fahasambarana nampanantenaina” (“Arms of Safety,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 49).

Mijoroa ho vavolombelona fa ireo eveka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana dia afaka manampy antsika handray ny famindram-po sy ny tanjaka ilaintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa manompo vondron’olona sy manompo ny isam-batan’olona ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, dia asaivo mandalina ny Almà 15:13–18 izy ireo. Tendreo izy ireo hiara-hiasa tsiroaroa. Asaivo mikaroka ao amin’ny Almà 15:13–15, 17 ny mpiantra iray ao amin’ny ekipa tsirairay, ary mitady ireo fomba nitahiana ireo olona tao Sidôma noho ny asa fanompoan’i Almà Asaivo mikaroka ao amin’ny Almà 15:16, 18 ilay mpianatra iray hafa ao amin’ilay ekipa ka mitady ireo fomba nitahiana an’i Amioleka noho ny asa fanompoan’i Almà. Rehefa nahazo fotoana ampy izy ireo dia asao izy ireo hifanazava ny zavatra hitany avy.

Asao ny ekipa hieritreritra fomba telo ka hatramin’ny dimy ahafahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manampy ny vondron’olona sy ny isam-batan’olona. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ny andraikitr’izy ireo manokana amin’ny maha mpitarika azy ao amin’ny kolejin’ny fisoronana na ny kilasin’ny Zatovovavy misy azy. Asao ny ekipa tsirairay hizara iray amin’ireo hevitra hitan’izy ireo amin’ny kilasy manontolo.

Almà 16:1–12

Nandrava an’i Amônihà ireo Lamanita saingy tsy afaka nandresy an’ireo Nefita izay nanaraka ny torolalan’i Almà

Asaivo mieritreritra fotoana iray ireo mpianatra izay nahatsapany ho tratran’ny tampoka na ho natahotra tampoka. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa hizara ny zavatra niainany. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 16:1–3, ka hitady ny fomba naha tratran’ny tampoka an’ireo Nefita tao Amônihà sy ny antony nahatonga ny sasany tamin’izy ireo ho azo lazaina fa natahotra. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra. (Raha ilaina dia ampio izy ireo hahita fa nanafika tampoka ny tanànan’i Amônihà ireo Lamanita ary namongotra ny mponina tao talohan’ny nahafahan’ireo Nefita nanangana tafika hiady amin’izy ireo.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 16:4–6, ary asaivo fantarin’ireo mpianatra hoe taiza ireo Nefita marina no nitady fitarihana. Manasà mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Almà 16:7–8 ka mandritra izay ireo mpianatra hafa dia mitady ny vokatry ny fanampiana voarain’izy ireo.

  • Ahoana no fomba nahazoan’ireo Nefita fanampiana avy amin’ny fitarihana ombam-paminaniana avy tamin’i Almà?

  • Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hamantatra karazana fitsipika maro ireo mpianatra. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa mikatsaka sy manaraka ny fitarihana avy amin’ireo mpaminanin’ny Tompo isika dia mankahery sy miaro antsika ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ireo zatovo rehefa manaraka fitarihana ombam-paminaniana? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia asaivo mijery ny fizarana roa na telo ao amin’ny bokikely hoe Jeunes, Soyez forts! izy ireo. Asao izy ireo hamaly io fanontaniana io mikasika ny fizarana tsirairay izay safidianao.)

Asaivo mieritreritra ireo zavatra niainany ireo mpianatra, izay nanampian’ny fitarihana ombam-paminaniana azy ireo hanao safidy tsara tamin’ny toe-javatra sarotra. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny kilasy manontolo. (Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tsy tokony hahatsiaro ho voatery hizara zavatra niainana izay azy ireo manokana sy tsiambaratelo izy ireo.) Afaka ihany koa ianao mizara zavatra iray niainanao. Mba hanamafisana ilay fahamarinana hoe tanteraka hatrany ny tenin’ireo mpaminany dia azonao marihina fa ny Almà 16:9–11 dia maneho ny fahatanterahan’ny faminanian’i Almà mikasika ny vahoakan’i Amônihà (jereo ny Almà 9:12).

Almà 16:13–21

Nanorina ny Fiangonana teo anivon’ireo Nefita i Almà sy i Amioleka ary ny hafa

Eo am-pamitan’ireo mpianatra ny fandalinana ny Almà 16, dia amporisiho izy ireo hitady ohatra mikasika ireo fitsipika roa izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Fintino ny Almà 16:13–15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanohy nitory ny tenin’Andriamanitra nanerana ny tany i Almà sy i Amioleka, niaraka tamin’ny fanampian’ireo hafa “izay efa nofinidy ho amin’ny asa” (Almà 16:15). Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 16:16–21 sady mitady ny vokatr’ireo ezaka natao ireo. Rehefa ampy ny fotoana nandinihana dia asaivo milaza mikasika izay zavatra hitany ireo mpianatra. Anontanio azy ireo hoe amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ireo ohatra ireo ny iray amin’ireo fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe na izy roa mihitsy.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanentanana ireo mpianatra handika ny iray amin’ireo fitsipika ireo ao amin’ny kahie na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina. Asao izy ireo hanoratra famintinana ny zavatra izay nianarany androany mikasika io fitsipika io. Asaivo soratan’izy ireo ihany koa ny mikasika ny fomba izay heverin’izy ireo hampiharana ny zavatra izay nianarany.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ity lesona ity no manamarika ny fisasahan’ity fandaharam-pampianarana ity. Mba hanampiana ireo mpianatra hanamafy ny fahalalany ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia omeo fitsapam-pahaizana izy ireo handrefesana hoe hatraiza ny fahaizan’izy ireo ireo soratra masina fehezina izay efa hitanareo tao an-dakilasy. Afaka manomana fitsapam-pahaizana tsotra am-bava na an-tsoratra ianao toy ny fanomezana sombintsombiny avy amin’ny fanamariham-pejin’ny seminera ary mamela azy ireo hanoratra ny toko sy andininy marina, na azonao atao ihany koa ny mitarika famerenana ireo andininy sasany izay tadidin’ireo mpianatra tsianjery. Azonao atao ny mampiomana mialoha ireo mpianatra mikasika ilay fitsapam-pahaizana mba hahafahan’izy ireo miomana.

Fanamarihana: Raha tsy manam-potoana ianao hanaovana ity fampiasana ity ho ampahany amin’ity lesona ity dia azonao atao amin’ny andro hafa izany. Ho an’ireo fampiasana famerenana hafa dia jereo ny takelaka fanampiny any amin’ny faran’ity boky ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 15:3–5. Fijaliana ara-batana nateraky ny aretina ara-panahy

Raha teo amim-pibebahana i Zezrôma dia “nandrotidrotika ny sainy [ny fahotany] mandra-pahatongan’izany hanaintaina fatratra tokoa” (Almà 15:3). Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny fisian’ny fijaliana ara-batana izay mety hateraky ny aretina ara-panahy:

“[Indray mandeha] aho nanontany dokotera iray mpitsabo fianakaviana momba ny ampaham-potoana atokany amin’ny fitsaboana aretina ara-batana fotsiny. Betsaka ny marary mpankao aminy ary rehefa avy nandinika lalina izy dia namaly hoe ‘Tsy mihoatra ny 20 isan-jato. Ny fotoana ambiny dia toa hiasako mba hamahana olana izay tena miantraika be amin’ny fahasalamana ara-batan’ireo marariko kanefa tsy miainga avy amin’ny vatana.’

“‘Ireo aretina ara-batana ireo,’ hoy ilay dokotera namarana, ‘dia toa fisehona karazana aretina hafa fotsiny.’

“Nandritra ireo taranaka faramparany taty aoriana dia nanomboka ho azo fehezina na azo sitranina avokoa ireo aretim-be tsirairay. Mbola misy ihany ny aretim-be sasantsasany, saingy toa misy zavatra azontsika atao foana ankehitriny mikasika ny ankamaroan’izy ireny.

“Misy ampahany hafa amintsika, izay tsy azo tsapain-tanana loatra, nefa tena misy toa ny vatantsika ara-nofo. Io ampahany tsy azo tsapain-tanana amintsika io dia faritana hoe saina, fihetseham-po, faharanitan-tsaina, toetra, sy ny zavatra maro hafa. Mahalana dia mahalana izy io no faritana hoe ara-panahy.

“Saingy misy fanahy ao amin’ny olombelona; ny fanaovana tsinontsinona izany dia fanaovana tsinontsinona ny zavatra tena izy. Misy koa ny fikorontanana ara-panahy, ary ny aretina ara-panahy izay afaka miteraka fijaliana lalina.

“Voafatotra miaraka ny vatana sy ny fanahin’olombelona” (“The Balm of Gilead,” Ensign, Nôv. 1977, 59).

Hamoaka printy