Lesona 96
Almà 39
Fampidirana
Nibedy an’i Kôriantôna zanany lahy mafy loha i Almà, izay nandao ny asa fanompoana ary nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Nampianatra azy ny halehibiazan’ny zavatra nataony i Almà ary naneho ny fahadisoam-panantenany fa meloka tamin’ny fahotana lehibe toy izany i Kôriantôna. Nandidy ny zanany lahy tsy handeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masony sy hibebaka i Almà. (Mitohy ao amin’ny fizarana 40–42 ny torohevitr’i Almà ho an’i Kôriantôna.)
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 39:1–8
Nanazava tamin’i Kôriantôna zanany lahy ny halehiben’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Almà
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no lehibe kokoa noho ny hafa ny fahotana sasany?
Asao ny mpianatra hieritreritra mangina ny valin’io fanontaniana io. Lazao amin’ny mpianatra fa ny torohevitr’i Almà izay voarakitra ao amin’ny Almà 39 dia afaka manampy antsika hahatakatra ny toetra lozabe hananan’ny fahotana sasany.
Asao ny mpianatra hijery ilay fanamarihana eo ambonin’ny sasintenin’ny toko 39. Asao izy ireo hamantatra hoe iza no miteny ao amin’io toko io ary miresaka amin’iza izy (Miresaka amin’i Kôriantôna zanany lahy i Almà). Hazavao fa niaraka tamin’i Siblôna rahalahiny sy i Almà i Kôriantôna mba hitory ny filazantsara teo anivon’ny Zôramita, saingy lavo tao anatin’ny fahotana izy. Hamafiso fa ny fahatakarana ny zavatra tsy nety nataon’i Kôriantôna dia hanampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny torohevitra nomen’i Almà azy ao amin’io toko io sy ireo toko telo manaraka.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 39:1–5. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra tsy nety nataon’i Kôriantôna. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe vehivavy janga ao amin’ny andininy 3 dia entina hiantsoana vehivavy ratsy fitondrantena na mpivaro-tena.)
-
Inona no zavatra tsy mety nataon’ i Kôriantôna? Inona tamin’ny fahotana nataony no tena lehibe? (Fahavetavetana.)
-
Nirehareha tamin’ny heriny sy ny fahendreny teo anivon’ny Zôramita i Kôriantôna (jereo ny Almà 39:2). Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ny fihetsika feno fireharehana amin’ny fahotana lehibe toy ny fahavetavetana? Inona avy ireo ohatry ny fihetsika feno fireharehana amin’izao andro izao, izay mitarika ny olona handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa rehefa mirehareha ny olona matetika dia mihevitra ny tenany ho manana hery lehibe, ao anatin’izany ny fahafahana manohitra ny fakam-panahy. Ny fampiarahana aloha loatra sy ny fiarahana amin’ny olona iray no anisan’ny ohatra amin’izany amin’izao androntsika izao.)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 39:5 ary hikaroka ny fomba nanazavan’i Almà ny maha lehibe ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny teny hoe fahavetavetana dia entina hilazana fa fahotana, ratsy, ary maharikoriko ny zavatra iray.)
-
Inona no tsapan’ny Tompo mikasika ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra ny fahamarinana hoe fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no ny fijangajangana no manakaiky indrindra ny famonoana olona raha alahatra amin’ny halehibeny?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fenitra sy ny fampanantenan’ny Tompo mifandray amin’ny fahadiovam-pitondrantena dia asao izy ireo hamaky mangina ireo andiam-pehezanteny roa voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Pureté Sexuelle” (Fahadiovam-pitondrantena) ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Asao izy ireo hitady ny valin’ity fanontaniana manaraka ity rehefa eo am-pamakiana izany. (Azonao atao ny manoratra ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny valinteny hitan’izy ireo ao amin’ilay boky kely.)
-
Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena?
Rehefa avy nomena fotoana ampy namakiana sy nilazana ny valinteny hitan’izy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny ambin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fahadiovam-pitondrantena” ary hikaroka ny valin’ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona avy ireo fenitra napetraky ny Tompo mba hijanonantsika ho madio ara-pitondrantena?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hafatra izay tian’ny Tompo ianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra izay vao avy novakiany. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahalehibeazan’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fitahiana azo avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena.
Hamafiso fa nanao ny adidiny tamin’ny naha ray azy i Almà tamin’ny alalan’ny fananarana ny zanany lahy mikasika ny olana maha tohina iray. Asao ny mpianatra hieritreritra ny mety ho fihetsik’izy ireo amin’ny torohevitr’ireo ray aman-dreniny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena. Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 39:7–8 mba hikaroka ny tanjon’i Almà tamin’ny fampianarany an’i Kôriantôna mikasika ny halehiben’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.
-
Inona no antony nampianaran’i Almà an’i Kôriantôna mikasika ny halehiben’ny fahotany? (Mba hanampiana an’i Kôriantôna hibebaka ka tsy hijoroany ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra.)
-
Inona no tokony hataontsika rehefa manasa antsika hibebaka ny olona iray?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony hanasan’ny ray aman-dreny tahaka an’i Almà ny zanany hibebaka dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Fomba iray hanehoana fitiavana ny fanasana olona iray hibebaka. … Raha toa ka tsy manasa ireo hafa hiova isika na tsy mampihatra ny fibebahana eo amin’ny tenantsika dia tsy mahatanteraka ny adidy fototra izay tokony hifanaovantsika isika ary tokony ho ataontsika amin’ny tenantsika. Ireo ray aman-dreny diso malala-tsaina loatra, sy ireo namana izay tsy mba manakana ny fanaovana ota ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay saro-tahotra dia miahiahy kokoa ny momba ny tenany noho izay mahasoa sy izay mahasambatra an’ireo izay azony ampiana. Marina fa indraindray ilay fanasana mba hibebaka dia raisina ho toy ny tsy mba mandefitra na toy ny manafintohina na mampatezitra, kanefa rehefa eo ambany fitaoman’ny Fanahy, raha marina, dia fihetsika hanehoana fitiavana izany” (“Ilay Fanomezana Masin’ny Fibebahana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 39).
Almà 39:9–19
Namporisika an’i Kôriantôna hibebaka i Almà
Mba hampahafantarana ilay torohevitra nomen’i Almà ny zanany lahy mikasika ny fomba hibebahana sy hitodihana amin’ny Tompo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Tafiditra ao anatin’ny fibebahana …
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 39:9–13. Mijanòna isaky ny andininy iray mba hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny mpianatra:
Almà 39:9
-
Inona no dikan’ny hoe “[mahafoy] ny fahotanao”? (Mitsahatra tsy manao izany.)
-
Inona no hifandraisan’ireo fehezanteny hoe “tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao” sy ny hoe “lavo amin’ny tenanao kosa ireny zavatra rehetra ireny”? (Mety hanampy ny fanazavana fa ny fehezanteny hoe “fitsiriritan’ny masonao” amin’izao androntsika izao dia azo ilazana ny sary sy ny fialam-boly mamoafady amin’ny endriny rehetra. Mba hanantitranterana ny loza ateraky ny pôrnôgrafia dia asao ny mpianatra hamaky ny torohevitra mikasika izany ao amin’ny pejy 17 ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Azonao atao koa ny manazava fa ny andian-teny hoe “lavo amin’ny tenanao” dia midika hoe mampihatra fandavan-tena na fifehezan-tena; jereo ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 9b.)
-
Inona avy ireo fomba ahafahan’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany mampihatra fifehezan-tena mikasika ny fahadiovam-pitondrantena sy hisorohany ny fandehanana amin’ny fitsiriritan’ny mason’izy ireo? (Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny antsipiriany mikasika io fanontaniana io dia azonao atao ny mamaritra toe-java-misy mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao. Azonao atao ohatra ny milaza zavatra tahaka izao manaraka izao: Nisafidy ny “[handa ny tenany]” ny zatovovavy Olomasin’ny Andro Farany iray kanefa nanasa azy hamonjy fety iray tsy mendrika ny zatovolahy iray izay tiany. Inona no tokony hataony?)
Lazao amin’ny mpianatra fa soratra masina fehezina ny Almà 39:9. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika io andininy io ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny misy izany.
Almà 39:10
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fikatsahana sakafo ara-panahy—mety ho avy amin’ny ray aman-dreny, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpiray tampo, na namana atokisana—antsika hibebaka?
Almà 39:11
-
Inona no dikan’ny hoe “aza avela ho voatari[ka] … ny tenanao”? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mamela dia midika hoe manome lalana.)
-
Inona avy ireo “[zava]-poana sy tsy misy fotony” hitanao mitarika ny olona amin’izao fotoana izao?
Almà 39:12
-
Inona no dikan’ny hoe mitsahatra amin’ny heloka? (Miala amin’ny fahotana.)
Almà 39:13
Hazavao fa ny fibebahana dia midika hoe “fampitodihana ny fo sy ny sitrapo amin’Andriamanitra” (jereo ny Bible Dictionary, “Repentance”). Ny andian-teny hoe “mitodika amin’ny Tompo” ao amin’ny soratra masina dia entina hiresahana ny fibebahana matetika.
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “[mitodika] amin’ny Tompo amin’ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ary ny tanjakao rehetra”?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nitarika olona maro tsy hino ny tenin’i Almà ny fitondrantenan’i Kôriantôna nandritra ny asa fitoriana natao tamin’ny Zôramita (jereo ny Almà 39:11).
-
Rehefa misy fiantraikany amin’ny hafa ny fahotantsika dia inona no anisan’ny zavatra tsy maintsy ataontsika ao anatin’ilay fibebahantsika? (Miaiky na mibaboka ny fahadisoantsika amin’ireo nanaovantsika ratsy ary mikatsaka ny hanonitra ilay ratsy natao.)
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanekena sy ny fialana amin’ny fahotantsika ary ny fitodihana amin’ny Tompo amin’ny saintsika rehetra, ny herintsika rehetra, ary ny tanjatsika rehetra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanoratra io fehezanteny io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 39:13. Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hampitodika ny fony sy ny sitrapon’izy ireo bebe kokoa Aminy.
Mba hanantitranterana ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny dingan’ny fibebahana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 39:15–16, 19. Asao ny iray kilasy hitady andian-teny iray izay miverina in-telo ao amin’ireo andininy ireo. (“Vaovao mahafaly” ilay andian-teny izay azonao hazavaina, izay midika hoe “vaovao tsara.”)
-
Inona no “vaovao mahafaly” nampianarin’i Almà ny zanany lahy? (Tokony ho isan’ny valinteny omen’ny mpianatra ny fahamarinana hoe Tonga hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.)
-
Nahoana no vaovao mahafaly ho an’i Kôriantôna ny fahatongavan’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra rehefa mamaly io fanontaniana io izy ireo fa nibebaka tamin’ny fahotany i Kôriantôna taty aoriana ary niverina tamin’ny naha-misiônera azy [jereo ny Almà 49:30].)
Zarao amin’ny mpianatra ny naha “vaovao mahafaly” taminao na tamin’ny olona fantatrao ny hafatra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ampio firesahana mikasika ireo fitsipika nifanakalozan’ny mpianatra hevitra tao amin’ny Almà 39 ny fijoroanao ho vavolombelona. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ireo bitsika mety ho voarain’izy ireo nandritra ny lesona mba hiarovany ny fahadiovany sy hitodihany amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fibebahana.