Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano
Almà 33–38 (Fizarana 19)
Fampidirana
Nampianatra ny Zôramita ny Amioleka fa “tsisy fetra sady mandrakizay” ny Sorompanavotana (Almà 34:10). Nianatra io fahamarinana io ny mpianatra tamin’ny fandalinan’izy ireo isan-kerinandro ary ity lesona ity dia hanome azy ireo fahafahana misimisy kokoa hahatakatra sy hankasitraka ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 33–35
Nampianatra ny Zôramita mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Almà sy i Amioleka
Manontania hoe: Nahoana no i Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa namaky ny Almà 34:10–14 izy ireo tao anatin’ny asa nampanaovina azy ireo isan-kerinandro ary nanisy marika ireo andian-teny ahitana ny teny hoe tsisy fetra sy mandrakizay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo ary avy eo dia asao ny mpianatra hizara ireo andian-teny hitan’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny maha tsy misy fetra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy:
“Tsy misy fetra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany. Tsy misy fetra ihany koa izany amin’ny hoe hovonjena amin’ny fahafatesana tsy manam-piafarana ny olombelona rehetra. Tsy misy fetra izany raha ny fijaliany lehibe no resahina. … Tsy misy fetra amin’ny halehibeazany izany—tsy maintsy natao indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy natao ho an’ny olona tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa natao ho an’ny tontolo tsy tambo ho isaina izay noforoniny ihany koa. Tsy misy fetra izany mihoatra ny fitaovam-pandrefesana rehetra nataon’ny olombelona na mihoatra ny fahatakaran’olombelona.
“I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 35).
Manontania hoe: Ahoana no hanampian’ny fampianaran’i Amioleka sy io fanazavana avy amin’ny Loholona Nelson io antsika hahatakatra ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ilay hany afaka nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao?
Asao ny mpianatra hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo hatreto avy ao amin’ny Almà 34 mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hazavao fa fitsipika iray manan-danja azontsika ianarana avy amin’ity toko ity ny hoe mahatonga ny famonjena ho azo atao ho an’ny olon-drehetra ny Sorompanavotana tsy misy fetra sy mandrakizain’i Jesoa Kristy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ity fehezanteny manaraka ity: Alaivo sary an-tsaina ny fiainana tsy misy …
Atsangano ambony ny zavatra iray izay manan-danja amin’ny maro amin’ny tanora (toy ny finday). Manontania hoe: Mety ho toy ny ahoana ny fiainana raha tsy misy an’io zavatra io?
Manarak’izay dia atsangano ambony ny tavoahangy na vera iray misy rano (na zavatra hafa ilaina hitazonana ny aina). Manontania hoe: Mety ho toy ny ahoana ny fiainana raha tsy misy rano?
Rehefa avy mamaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe manao hoe: Alaivo sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ho toy ny ahoana araka ny eritreritrao no hijeren’ny olona ny fiainana raha tsy mahafantatra an’i Jesoa Kristy izy ireo na tsy mino fa misy Andriamanitra?
-
Araka ny eritreritrao, mety ho hafa manao ahoana ny fijerinao ny fiainana tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Omeo fotoana hisaintsainana io fanontaniana io ny mpianatra alohan’ny hangatahanao azy ireo hamaly.)
Hazavao fa nampianatra ny Zôramita i Amioleka fa nila nibebaka izy ireo mba hitondra ireo fitahian’ny Sorompanavotana teo amin’ny fiainan’izy ireo (jereo ny Almà 34:15–17). Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka efa nanemotra ny fibebahany satria natahotra ny hibaboka ny fahotany na mbola natahotra satria nahatsapa fa tsy mbola nanana ny tanjaka hiovana. Aorian’izay dia manontania hoe: Nahoana no zava-doza ny fanemorana ny fibebahana?
Asao ny mpianatra hifandimby hamaky mafy ny Almà 34:30–35 ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Amioleka momba ny antony tsy tokony hanemorantsika ny fibebahana. Hifanakalozy hevitra ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Jereo ny Almà 34:32. Nahoana isika no tokony hibebaka androany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Ity fiainana ity no fotoana ho antsika hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra.)
-
Jereo ny Almà 34:33. Inona no tanjon’izao fiainana izao? Inona no hitranga amin’ireo izay manemotra ny fibebahana?
-
Jereo ny Almà 34:31. Inona no fampanantenana omena ireo izay mibebaka amin’izao fotoana izao?
Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ity:
“Tsy voatery mahafantatra ny zava-drehetra aloha ianao izay vao hiasa ho anao ny herin’ny Sorompanavotana. Manàna finoana an’i Kristy fa hanomboka hiasa amin’ny andro angatahanao azy izany!” (”Washed Clean,” Ensign, Mey 1997, 10.)
Manontania hoe: Inona no ampianarin’io fanambarana nataon’ny Filoha Packer io anareo? Nahoana no manampy anareo izany?
Almà 36
Nananatra an’i Helamàna zanany lahy i Almà
Nandalina ny fananaran’i Almà an’i Helamàna zanany lahy izay voarakitra ao amin’ny Almà 36 ny mpianatrao ary nianatra mikasika ny fifaliana tsapan’i Almà rehefa nibebaka tamin-kitsim-po izy. Nasaina namaky ny Almà 36:19–22 ny mpianatra ary avy eo dia nasaina nanoratra ny zavatra nampianarin’ireo andininy ireo azy ireo tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny herin’ny Sorompanavotana (andro 2, asa nampanaovina 3). Asao ny vitsivitsy amin’ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fifaliana azo avy amin’ny fibebahana ny lesona.
Fizarana manaraka (Almà 39–44)
Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba hanitsian’ny ray aman-dreny miraharaha sy tia ny zanany lahy na zanany vavy iray, izay nanao fahotana lehibe tamin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Niatrika izany toe-javatra izany i Almà ary nampianatra fahamarinana manan-danja tamin’i Kôriantôna zanany lahy, izay nahavita fahotana kanefa nanao asa fitoriana.