Tahirim-pitaovana
Lesona 103: Almà 52–55


Lesona 103

Almà 52–55

Fampidirana

Tamin’ity fotoan’ny teo amin’ny ady tamin’ny Lamanita ity dia tanàna maro no very ny an’ny Nefita noho ny fifandirana teo anivon’izy samy izy. Nambabo ny tanànan’i Mioleka i Môrônia sy i Teankoma ary i Lehia ary nandresy ny iray tamin’ireo miaramila Lamanita betsaka indrindra. Nandà ny fangatahan’i Amôrôna mpitarika ny Lamanita i Môrônia mba hifanakalo sambobelona ary nanao drafitra hamotsorana ireo sambobelona Nefita tsy nisy fandatsahan-drà. Niorina mafy tamin’ny heviny i Môrônia ary tsy nandoto ny tenany tamin’ny faharatsian’i Amôrôna sy ireo mpanara-dia azy.

Fanamarihana: Mifantoka amin’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Môrônia sy i Teankoma ary i Lehia ity lesona ity. Hianatra misimisy kokoa mikasika ireo zatovolahy mpiady 2000 an’i Helamàna voalaza ao amin’ny Almà 53:16–23 ny mpianatra ao amin’ny lesona manaraka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 52–53

Niara-niasa i Môrônia sy i Teankoma ary i Lehia mba handresy ny Lamanita

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ity fehezanteny manaraka ity:

“Miaina ao amin’ny tanin’ny fahavalo ireo tanora ankehitriny” (Filoha Boyd K. Packer).

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana ity amin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Avy eo dia manontania hoe:

  • Iza ilay fahavalo? (Satana.)

  • Inona no porofon’ny fitaoman’i Satana izay hitanareo eo amin’ny tontolo manodidina anareo? (Mety hilaza ny toy izao ny mpianatra: fiteny sy fitafy tsy mendrika, fitondrantena tsy marina sy maloto, ary ireo fakam-panahy izay hindrahindraina matetika amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny teknôlojia.)

Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fomba azon’izy ireo hampitahana ireo zava-tsarotra atrehin’izy ireo amin’ireo zava-mitranga voalaza ao amin’ny Almà 52–55. Vakio avy eo ny tohin’ny fanambarana nataon’ny Filoha Packer manao hoe:

“Miaina ao amin’ny tanin’ny fahavalo ireo tanora ankehitriny miaraka amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena izay mivaralila fatratra. Kanefa amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina” (“Counsel to Youth,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 18).

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo manohitra ny ratsy.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nalain’ny Lamanita ny maro tamin’ireo tanàna maron’ny Nefita izay nohamafisina raha toa i Môrônia ka mbola teo am-pandravana ny fikomian’ny mpomba ny mpanjaka (jereo ny Almà 51:26). Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 52:14 ary hikaroka ny namaritan’i Môrmôna ny toe-javatra niainan’ny Nefita tamin’izany fotoana izany. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 53:9. Asao ny iray kilasy hamantatra ny antony nahatonga ny toe-javatra niainan’ny Nefita ho nampidi-doza.

  • Inona avy ireo fomba hametrahan’ny olona ny tenany amin’ny toe-javatra izay mampidi-doza ara-panahy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Almà 52:5–10, 16–19. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin-kevitra sy ny fitohizan’ny tantara manodidina ireo andininy ireo dia mangataha mpianatra roa hamaky mafy ireo famintinana ny toko ho an’ny Almà 52 sy 53. Aorian’izay dia asao ny mpianatra handalina ireo andininy nosoratanao teny amin’ny solaitrabe ireo ary hikaroka ireo fitsipika izay afaka manampy azy ireo hiala na hanohitra ny ratsy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety ho tafiditra ao anatin’ireo fitsipika maro hafa hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa misintaka ny toeram-pamaharan’ny fahavalo isika dia manana fahafahana ny hiala sy hanohitra ny fakam-panahy bebe kokoa.)

Asao ny mpianatra hieritreritra toerana iray tena misy na toerana tanana eo anivon’ny fiarahamonina na toe-javatra hampiasana teknôlojia (toy ny Internet) izay tsapan’izy ireo fa mety hitarika amin’ny toe-javatra mampidi-doza eo amin’ny fiainany.

Hazavao fa i Môrônia dia namaritra ny fanoheran’i Teankoma ny Lamanita tamin’ny fampiasana teny toy ny hoe miaro, manamafy, miantoka, mamely, ary mampatanjaka. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tokony “[hovelesina]” na esorina amin’ny fiainan’izy ireo manokana mba hanampiana azy ireo ho voaro ara-panahy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 52:19. Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona no nataon’ireo mpitarika Nefita talohan’ny nandehanan’izy ireo niady? (Nanao filankevitra momba ny ady izy ireo.)

  • Amin’ny inona no mety mampitovy ny filankevitra ny mpianakavy sy ny filankevitra ny Fiangonana amin’ny “filankevitra momba ny ady”? Amin’ny fomba ahoana no hampatanjahan’ny filan-kevitra toy izany antsika amin’ny ady ataontsika amin’ny fahavalo?

Fintino ny Almà 52:20–40 sy ny Almà 53 amin’ny alalan’ny fanazavana fa naka indray ny tanànan’i Mioleka tamin’ny alalan’ny famoahana ny Lamanita tao amin’ny toeram-pamaharany ny Kapiteny Môrônia sy ny miaramilany taorian’ilay filankevitra momba ny ady. Naka sambobelona Lamanita marobe ny Nefita ary nandefa azy ireo hiasa mba hanamafy ny tanànan’i Soafeno. Na izany aza dia nahita fahombiazana hatrany ny Lamanita tany amin’ireo faritra hafa noho ny fisaraham-bazana teo anivon’ny Nefita.

Almà 54–55

Nandà ny fepetra napetrak’i Amôrôna mba hifanakalo sambobelona i Môrônia ary nampiasa paik’ady hanafahana ireo sambobelona Nefita

Hazavao fa ny Almà 54 dia firaketana an-tsoratra ireo taratasy nifandefasan’i Amôrôna (mpanjaka Lamanita) sy ny Kapiteny Môrônia. Talohan’izay dia samy nanana sambobelona betsaka tamin’ny ady ny Lamanita sy ny Nefita. Ity toko ity dia mirakitra ny valintenin’i Môrônia tamin’ny fangatahana nataon’i Amôrôna mba hifanakalozan’ny Lamanita sy ny Nefita sambobelona.

Hazavao fa ny Almà 54:9–12 dia mirakitra ny tenin’ny Kapiteny Môrônia tamin’i Amôrôna. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo. Asao avy eo ny mpianatra iray hafa hamaky ny valintenin’i Amôrôna tamin’ny Kapiteny Môrônia ao amin’ny Almà 54:18–20.

  • Inona no naha samy hafa ny antony nandrisika ny Kapiteny Môrônia hifanakalozana sambobelona tamin’ny antony nandrisika an’i Amôrôna hanao izany? (Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra fa nieritreritra mikasika ny fianakaviana i Môrônia fa i Amôrôna kosa dia tsy nieritreritra afa-tsy ireo miaramilany satria te hamotika ny Nefita izy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitana taratra ny antony mandrisika an’i Satana amin’ny ady ataony amintsika amin’ny zavatra nolazain’i Amôrôna ao amin’ny Almà 54:18–20?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 55:1–2. Asao ny iray kilasy hikaroka ny valintenin’i Môrônia tamin’ny fangatahana nataon’i Amôrôna.

  • Nahoana i Môrônia no tsy vonona ny hanao ny zavatra nolazain’i Amôrôna? (Fantany fa nandainga i Amôrôna ary tsy te hanome hery misimisy kokoa an’i Amôrôna mihoatra noho izay efa nananany izy.)

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ny valintenin’i Môrônia tamin’i Amôrôna? (Na dia mety hilaza fahamarinana betsaka aza ny mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia mahatakatra fa afaka manakana ny fitaoman’ny ratsy tsy hanan-kery amintsika isika rehefa mijoro amin’ny fanaovana ny tsara.)

Mety hanampy mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ity fanambarana manaraka nataon’i Joseph Smith ity:

“Tsy afaka maka fanahy antsika amin’ny fitaomany i Satana raha tsy isika no manaiky sy mihaino izany ao am-pontsika” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 213).

“Tsy manana fahefana amintsika ny devoly raha tsy mamela azy hanana izany isika” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 214).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: Almà 55:15–24, 28–31.

Hazavao fa ao amin’ny Almà 55 isika dia mianatra fa nanafaka ireo sambobelona Nefita tao an-tanànan’i Gida tamin’ny alalan’ny tetik’ady ny Kapiteny Môrônia (paikady ampiasaina mandritra ny ady mba hamitahana na hanatrarana ny fahavalo). Mianatra isika ao amin’nyAlmà 55:3–14 fa afaka nampiasa miaramila Nefita iray nantsoina hoe Lamàna i Môrônia mba hahatonga ireo miaramila Lamanita mpiambina ireo sambobelona Nefita ho mamo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy nosoratanao eny amin’ny solaitrabe ary hikaroka ny zavatra nataon’ny Kapiteny Môrônia rehefa nihodidina ny Lamanita tao an-tanànan’i Gida izy. Ampahatsiahivo ny mpianatra hikaroka ireo fitsipika eo am-pandalinan’izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hilaza ny zavatra hitany. Afaka manontany koa ianao hoe:

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anareo mikasika an’i Môrônia?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity ary asao ny mpianatra hameno ny banga:

Tsy tokony hifaly amin’ny … isika fa hifaly amin’ny …

  • Amin’ny fomba ahoana no hampiharantsika ny ohatr’i Môrônia amin’ny tsy fifaliana amin’ny fandatsahan-drà? Amin’ny fomba ahoana ohatra no hampiharantsika ny ohatra nasehon’i Môrônia amin’ireo zavatra vakiantsika na jerentsika na amin’ireo kilalao lalaovintsika?

Asao ny mpianatra handinika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona araka ny fahatsapanareo no zavatra tian’i Môrmôna hianaranareo amin’ity lesona androany ity, izay hanampy anareo hijanona ho mahatoky rehefa miady amin’ny fahavalo?

Omeo fotoana ny mpianatra hanoratana ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra hataon’izy ireo hanoherana ny fidirana ao amin’ny valan’i Satana sy hiorenana mafy hanoherana ireo fanafihany.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana noresahanao tao am-pianarana androany ny lesona.

Hamoaka printy