Tahirim-pitaovana
Lesona 84: Almà 21–22


Lesona 84

Almà 21–22

Fampidirana

Nampianatra an’ireo Amalekita i Aharôna, rahalahin’i Amôna, saingy nolavin’izy ireo ny hafany mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Avy teo izy dia nitory tany Midônia, ary tany izy sy ireo namany dia naiditra am-ponja taty aoriana. Nijanona ho mahatoky izy ireo nandritra ny fotoan-tsarotra niainany, ary nanohy ny asa fitoriana nizarana ny filazantsara rehefa niantoka ny famotsorana azy ireo i Amôna sy i Lamônia Mpanjaka. Rehefa voaomana ny rain’i Lamônia tamin’ny alalan’ny ohatr’i Amôna, dia nianatra tamin’i Aharôna izy mikasika ny fomba atao mba ho azo “aterak’Andriamanitra” (Almà 22:15). Nianaran’ny rain’i Lamônia fa amin’ny alalan’ny fibebahany amin’ny fahotany no ahafahany mahafantatra an’Andriamanitra ary hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 21

Nitory ny filazantsara i Aharôna sy ireo rahalahiny na dia teo aza ireo fisedrana sy ny fampidirana am-ponja

Anontanio ireo mpianatra raha toa ka efa nisy fotoana nahatsapan’izy ireo fa efa miezaka manao izay rehetra vitany hitandremana ireo didy kanefa mbola nisedra olana ihany na nahatsiaro ho kivy. Asao izy ireo hilaza toe-javatra sasantsasany izay mety hananan’ny olona izany fahatsapana izany.

Hazavao fa nandritra ny fotoana nahazoan’i Amôna fahombiazana tamin’ny fampianarana an’i Lamônia Mpanjaka sy ny vahoakany, i Aharôna sy ireo namany kosa dia sendra fanoherana nivaivay tany amin’ny faritra hafa tamin’ny tany. Rehefa mandalina ny ohatr’i Aharôna sy ireo namany ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hitady lesona izay afaka manampy azy ireo rehefa miatrika fanamby na rehefa mahatsiaro ho kivy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andininy ireto: Almà 21:1–4; Almà 21:5–8; Almà 21:9–11; Almà 21:12–15; ary Almà 20:29–30. Zarao ho vondrona dimy ireo mpianatra. Ampandraiketo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ny vondrona mpianatra tsirairay. Asaivo miomana ireo mpianatra hanome famintinana fohy mikasika ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo sy hamariparitra ireo fahasarotana rehetra niaretan’i Aharôna sy ireo namany. Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia manasà mpianatra avy amin’ny vondrona tsirairay hizara izay zavatra hitany.

  • Ahoana no fomba niaretan’i Aharôna sy ny rahalahiny ny fisedrana nahazo azy ireo? (Jereo ny Almà 20:29; 21:9, 12, 15.)

  • Anisan’ireo fisedrana natrehan’i Aharôna ny fanoherana avy tamin’ireo Amalekita rehefa nampianatra azy ireo izy (jereo ny Almà 21:5–10). Inona no azontsika atao raha misy olona te-hiady hevitra amintsika mikasika ny fivavahana na te-hanenjika ny zavatra inoantsika?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona. Niasa mafy i Aharôna sy ireo rahalahiny mba hanaovana araka izay torolalan’ny Tompo, saingy mbola niatrika fahasarotana ihany izy ireo. Asaivo dinihin’ireo mpianatra amim-pahanginana hoe ahoana no mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa ka niaina ny zavatra izay niainan’i Aharôna sy ireo namany. Inona no mety ho tian’izy ireo hatao rehefa avy nijaly sy naiditra am-ponja noho ny filazantsara tany amin’ny tany lavitry ny tokantrano? Azonao anontaniana azy ireo raha toa izy ireo ka ho te-hody.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha maharitra amim-pahatokiana isika mandritra ny fisedrana antsika dia ho ampian’ny Tompo isika hanatanteraka ny Asany. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 21:16–17. Asaivo manaraka ireo mpianatra sisa ambiny, ary mamantatra ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Aharôna sy ireo rahalahiny hanatanteraka ny Asany. Asao ireo mpianatra hitatitra izay zavatra hitany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ilay fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe dia anontanio azy ireo hoe inona no asa tian’Andriamanitra ho ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao ary inona avy ireo fanamby izay mety ho atrehan’izy ireo eo am-piezahan’izy ireo hanatanteraka io asa io. (Azonao marihana fa ankoatra ny asa fitoriana dia afaka mandray anjara ihany koa ireo mpianatra amin’ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, sy ny fanantanterahana ireo antso sy asa nampandraiketina, sy ny fanompoana ny hafa, sy ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ary ny fiovana ho lasa mitovy kokoa amin’i Kristy.)

Asao ireo mpianatra hizara ny fomba nahalalan’izy ireo fa marina io fitsipika nosoratanao eo amin’ny solaitrabe io. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba hanampian’ny Tompo antsika hanatanteraka ny Asany rehefa maharitra amim-pahatokiana isika mandritra ireo fisedrana. Asaivo milaza karazana fotoana ho avy ireo mpianatra izay heverin’izy ireo fa mety hilan’izy ireo ho maharitra mandritra ny fisedrana rehefa manao ny asan’ny Tompo.

Fintino ny Almà 21:18–23 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy niantoka ny famotsorana an’i Aharôna sy ireo rahalahiny hivoaka ny fonja i Amôna sy i Lamônia dia niverina nankany amin’ny tanin’i Ismaela, ary tany izy ireo dia nanohy nitory ny filazantsara. Nomen’i Lamônia fahalalahana ara-pivavahana ny olony.

Almà 22

Nampianarin’i Aharôna ny filazantsara ny rain’i Lamônia, izay nino ary naterak’Andriamanitra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Fa nahoana ianao no te hahazo fiainana mandrakizay?

Inona no ho afoinao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Hazavao fa “ny fiainana mandrakizay, na fisandratana dia ny fandovana toerana iray ao amin’ny ambaratonga avo indrindra misy ao amin’ny fanjakana selestialy, ka hiaina eo anatrehan’Andriamanitra isika ao ary hitohy ho fianakaviana (jereo ny F&F 131:1–4). … Lasa azo tanterahina io fanomezam-pahasoavana io amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 52). Lazao fohifohy amin’ireo mpianatra ny antony hitiavanao hahazo ny fiainana mandrakizay. Rehefa manao izany ianao dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny fianakavianao sy ny sarin’ny Mpamonjy. Avy eo dia asaivo mandinika ireo fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra eo am-piarahan’izy ireo mandalina ny Almà 22.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 22:1.

  • Inona no tsaroanao mikasika ny rain’i Lamônia tamin’ny lesona teo aloha? (Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamintina ny Almà 20.)

  • Araka ny ao amin’ny Almà 20:27, inona no nasain’ny rain’i Lamônia nataon’i Amôna? (hampianatra azy.)

Fintino ny Almà 22:2–3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa na dia naniry ny hahita an’i Amôna sy ny ho ampianariny aza ny rain’i Lamônia dia mbola naniry ny hianatra ihany izy rehefa i Aharôna no tonga teo amin’ny toeran’i Amôna.

Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ny Almà 22:5–6. Asaivo manaraka ny iray kilasy, sady mitady izay zavatra tian’ny rain’i Lamônia Mpanjaka ho fantatra. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany izy ireo.

Zarao ho vondrona madinidinika ireo mpianatra. Asao ireo vondrona hiara-hamaky ny Almà 22:7–14 ary hanao lisitra iray ahitana ireo fotopampianarana izay nampianarin’i Aharôna an’ny rain’i Lamônia. (Ohatra, azon’izy ireo soratana hoe nampianatra mikasika ny Fahariana, sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana izy.) Rehefa nahavita ny lisitr’izy ireo ireo vondrona, dia manasà mpianatra iray hizara amin’ny iray kilasy ny lisitr’ireo fotopampianarana nataon’ny vondrona misy azy. Azonao atao ny mangataka ilay mpianatra handika ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia manasà mpianatra hafa hanoratra izay mety ho fotopampianarana fanampiny nosoratan’ny vondrona misy azy ireo.

  • Ahoana no ilazana fa mahavaly ny fanontanian’ilay mpanjaka ao amin’ny Almà 22:6 ireo fotopampianarana ireo?

Asao ireo mpianatra hikaroka mangina ao amin’ny Almà 22:15, ka mitady izay zavatra nokasain’ny rain’i Lamônia Mpanjaka hafoy mba hahazoana fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay.

  • Inona no eritreritra tonga ao aminao rehefa mandinika ny zavatra izay kasain’ilay mpanjaka hafoy ianao?

Mariho fa na dia vonona ny hahafoy ny fananany rehetra aza ilay mpanjaka, dia fahafoizana lehibe kokoa izay tokony hataony no nampianarin’i Aharôna azy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 22:16. Asaivo henoin’ny mpianatra izay voalazan’i Aharôna fa tokony hataon’ilay mpanjaka.

  • Inona no voalazan’i Aharôna fa tokony hataon’ilay mpanjaka? (Mibebaka amin’ny fahotany sy mivavaka amin’Andriamanitra amim-pinoana.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 22:17–18. Asaivo manaraka ny iray kilasy, sady mitady ny valintenin’ilay mpanjaka tamin’ny torolalan’i Aharôna.

  • Ahoana no fomba nanaporofoin’ilay mpanjaka ny faniriany hahazo ny fiainana mandrakizay?

  • Inona hoy ianao no dikan’ny hoe “mahafoy” ny fahotantsika? Nahoana hoy ianao no ilaina ny mibebaka amin’ny fahotantsika rehetra, fa tsy ny sasantsasany amin’izy ireo fotsiny? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mitaky fotoana ho an’ny olona iray ny mibebaka amin’ny fahotany rehetra.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny rain’i Lamônia Mpanjaka mikasika ny fiomanana ho amin’ny fiainana mandrakizay? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Tsy maintsy vonona hahafoy ireo fahotantsika rehetra isika raha te hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Azonao aroso amin’ireo mpianatra ny hanasiany marika ilay andian-teny hoe “hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao” ao amin’ny Almà 22:18.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampanao fanamby antsika mba hiovantsika. Ny hoe ’Mibebaha’ no hafatra matetika indrindra hita ao aminy, ary ny hoe mibebaka dia midika hoe mahafoy ireo fombantsika rehetra—na an’ny tena manokana, na an’ny mpianakavy, na an’ny foko, na an’ny firenena—izay mifanohitra amin’ireo didin’Andriamanitra. Ny tanjon’ny filazantsara dia ny hanova ireo olombelona tsotra ho lasa olona selestialy, ary mitaky fanovana izany” (“Repentance and Change,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 37).

Mariho fa misy ny olona sasany izay manontany tena raha toa ka afaka mibebaka marina sy miova. Ny hafa indray dia mametra-panontaniana raha toa ka hamela azy ireo marina tokoa ny Tompo. Mba hanampiana ireo mpianatra izay mety hanana ireo olana ireo dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon-dRahavavy Elaine S. Dalton, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany:

“Moa ve misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay tokony hovainao? Afaka manao izany ianao. Afaka mibebaka ianao noho ilay Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay tsy manam-petra. Nanao izay ahafahanao sy ahafahako miova sy ho lasa madio indray Izy ary ho lasa mitovy Aminy. Ary nampanantena Izy fa rehefa manao izany isika dia tsy hahatsiaro ny fahotantsika sy [ny fahadisoantsika] intsony Izy” (“Izao no Fotoana Tokony Hitsanganana sy Hamirapiratana!” Ensign na Liahona, Mey 2012, 124).

Hazavao fa rehefa maneho finoana sy mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia mendrika ny handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana izay manampy antsika hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ny valintenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana manaraka ity. (Azonao atao ny mandika ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe na ny mamaky izany miadana mba ho afaka mandika izany ireo mpianatra.)

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao mikasika ny zavatra takiana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia inona no tsapanao fa ho asain’ny Tompo hataonao anio mba hanatonanao bebe kokoa Azy?

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra handinihana sy hanoratana dia anontanio hoe:

  • Inona no porofo hitanao fa efa niova fo ho an’ny Tompo ilay mpanjaka? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa niainga avy tamin’ny hoe te hamono ny zanany ihany ilay mpanjaka ka niova hoe vonona hamoy ny fanjakany manontolo sy ny fahotany rehetra mba ho aterak’Andriamanitra.)

Fintino ny Almà 22:19–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy heniky ny Fanahy ilay mpanjaka dia nandeha nihazakazaka ireo mpanompony nilaza tamin’ny mpanjakavavy ny zava-drehetra izay nitranga. Tezitra ity farany ka nandidy ireo mpanompo hamono an’i Aharôna sy ireo rahalahiny. Natahotra ny herin’ireo misiônera Nefita ireto mpanompo ka nandà. Natahotra koa ilay mpanjakavavy saingy tapa-kevitra ny hamono ireo Nefita. Nandidy ireo mpanompo izy handeha ary haka ny vahoaka mba hamono an’i Aharôna sy ireo namany.

Asaivo mamaky mangina ny Almà 22:22–26 ireo mpianatra, ka mitady ireo zavatra nataon’i Aharôna sy ilay mpanjaka mba hiova fo ihany koa ilay mpanjakavavy sy ny maro hafa ary hahazo fifaliana. Farano amin’ny fizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fibebahana sy ny fitahiana avy amin’izany, hoe niova tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaFameranana ny Soratra Masina Fehezina

Afaka mianatra mampiasa ny soratra masina ireo tanora mba hampianarana ireo fahamarinan’ny filazantsara. Atambaro ho tsiroaroa ireo mpianatra ary asao ny ekipa tsirairay hanomana fampisehoana maharitra iray na roa minitra izay hampianaran’izy ireo fotopampianarana iray izay notendrenao ho azy. Asaivo mampiasa farafahakeliny soratra masina fehezina iray izy ireo rehefa mampianatra ilay fotopampianarana. Asaivo mampiasa ihany koa fanazavana sy ohatra sy zavatra niainana ary fijoroana ho vavolombelona izy ireo mandritra ny fampianaran’izy ireo. Ny mpianatra roa ao anaty ekipa dia samy tokony handray anjara amin’ilay fampisehoana. Rehefa ampy ny fotoana niomanana dia asaivo mampianatra ny kilasy ny roa na telo amin’ireo ekipa. Diniho ny hangatahana amin’ireo ekipa hafa hanolotra ny fampisehoan’izy ireo mandritra ny fampaherezam-panahy ho avy na aorian’ny lesona iray fohifohy kokoa.

Fanamarihana: Raha tsy manam-potoana ho an’ity zavatra atao ity ianao mandritra ity lesona ity dia azonao atao amin’ny andro hafa izany. Ho an’ireo famerenana hafa, dia jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolanana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 21:16–17. “Nentiny ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana ny maro”

Niaritra fijaliana maro i Aharôna sy ireo namany izay vao afaka nanampy ireo hafa hitodika any amin’ny Tompo. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Asa goavana ny manolo-tanana sy ny mampianatra ary ny mikasika ireo fanahy sarobidy izay nomanin’ny Raintsika handray ny hafany. Mahalana vao tsotra ny hahazoana fahombiazana. Mazàna izany dia hialohavan’ny ranomaso sy ny fisedrana sy ny fahatokiana ary ny fijoroana ho vavolombelona” (“Tears, Trials, Trust, Testimony,” Ensign, Mey 1987, 43).

Almà 22:18. “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao”

Isika koa, toy ny rain’i Lamônia, dia tsy maintsy vonona hamoy ny zava-drehetra raha te ho aterak’ Andriamanitra. Ao amin’ny Lectures on Faith, (fampianarana mikasika ny finoana) isika dia mianatra ny lanjan’ny fahafoizana eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay:

“Aoka isika hanamarika fa ny fivavahana iray izay tsy mitaky ny fahafoizana ny zava-drehetra dia tsy manana hery ampy velively hiteraka ny finoana ilaina ho amin’ny fiainana sy ny famonjena; satria hatrany amin’ny fisian’ny olombelona voalohany no tsy mety ho azo mihitsy ny finoana ilaina hahafahana migoka ny fiainana sy ny famonjena raha tsy mahafoy ny zavatra rehetra arak’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’izany fahafoizana izany, ary izany ihany, no nanendren’ Andriamanitra fa tokony hahazo ny fiainana mandrakizay ny olombelona; ary amin’ny alalan’ny fahafoizana ny zavatra rehetra arak’izao tontolo izao no tena ahafantaran’ny olombelona marina fa manao ireo zavatra izay mahafaly an’ Andriamanitra izy ireo. Rehefa ny olona iray no manolotra ny zavatra rehetra ananany ho sorona noho ny fahamarinana, ka mahafoy na dia ny ainy aza, ary mino eo anatrehan’ Andriamanitra fa nantsoina izy hanao izany fahafoizana izany satria mikatsaka ny hanao ny sitrapony, dia tena mahafantatra izy izay, amin’ny fomba azo antoka indrindra, fa tena manaiky ary hanaiky ny fahafoizana sy ny fanatitra nataony Andriamanitra, ary tsy nikatsaka foana ary tsy hikatsaka foana ny tavany izy. Noho ireo fepetra ireo no ahafahany amin’izay mahazo ny finoana ilaina hihazonana ny fiainana mandrakizay” (Lectures on Faith [1985], 69).

Almà 22:18. “Voa izy ka miova tsy toy ny maty”

“Voa [ilay Mpanjaka] ka miova tsy toy ny maty” (Almà 22:18) rehefa nahazo fanehoana avy amin’ny Fanahy tamin’ny fomba mahery tokoa ka nahatonga azy tsy hanana tanjaka ara-batana intsony. Niaina zavatra mitovitovy amin’ny zavatra nahazo an’i Lamônia zananilahy izy, izay noheverina ho maty kanefa raha ny marina dia niaina ilay “fahazavan’ny voninahitr’ Andriamanitra” tamin’ny ambaratonga ambony tokoa ka “nandresy ny toe-batany, ary […] nentina tao amin’ Andriamanitra izy” (Almà 19:6).