Tahirim-pitaovana
Lesona 94: Almà 37


Lesona 94

Almà 37

Fampidirana

Nanohy ny fananarany an’i Helamàna zanany lahy i Almà ary nanome azy andraikitra hitana ireo rakitsoratra masina. Nampahatsiahiviny an’i Helamàna fa efa fitaovana nitondrana Lamanita an’arivony ho ao amin’ny Tompo ny soratra masina ary naminany izy fa manana fikasana lehibe maro ho an’ireo rakitsoratra ireo ny Tompo amin’ny hoavy. Nampianatra ny zanany lahy ny zavatra tokony hampianarina ny olona i Almà. Rehefa nampitaha ny tenin’i Kristy tamin’ny Liahona izy dia nanamafy tamin’i Helamàna ny maha zava-dehibe ny fitodihana amin’izy ireo mba hahazo fitarihana.

Fanamarihana: Manome fahafahana mpianatra telo hampianatra ny iray kilasy ity lesona ity. Mba hanampiana ireo mpianatra ireo hampianatra dia omeo ny tahadikan’ilay fizarana asaina ampianariny mpianatra tsirairay iray na roa andro mialoha. Na afaka mifidy ny hampianatra ireo fizarana ireo koa ianao.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 37

Nanankina ireo rakitsoratra tamin’i Helaman i Almà, nananatra an’i Helamàna hitandrina ny didy izy, ary nampahatsiahy an’i Helamàna fa miasa amin’ny alalan’ny finoana ny Liahona

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary manaraka ity:

Small and Simple

Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zava-madinika sy tsotra nitondra fiantraikany maharitra teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanazava ny valinteniny.

Hazavao fa ny Almà 37 dia mirakitra ny fananaran’i Almà mba hanampiana an’i Helamàna zanany hiomana mba handimby azy hitana ny rakitsoratra masina. Nampianatra azy mikasika ny anjara asan’ireo zava-madinika sy tsotra eo amin’ny asan’ny Tompo i Almà. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 37:6–7.

Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny lanjan’ireo “zava-madinika sy tsotra”? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa izy ireo dia tokony hilaza ny fahamarinana hoe miasa amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra ny Tompo mba hanatanterahany ireo fikasany mandrakizay.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 37:1–5 ary hikaroka ohatra amin’ny zava-madinika sy tsotra izay manana fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona (ny rakitsoratra masina ny ny soratra masina). Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Soratra Masina eo ambanin’ny hoe Zava-madinika sy tsotra.

Asao ny mpianatra handalina ny Almà 37:8–10 hikaroka ireo fomba nitaoman’ny soratra masina ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eo ambanin’ny hoe FIANTRAIKANY MAHARITRA.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny fiantraikan’ny soratra masina teo amin’ny fiainanao?

Fintino ny Almà 37:11–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra an’i Helamàna i Almà fa haneho ny heriny ny Tompo amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Nanome andraikitra an’i Helamàna hanaraka ny didin’Andriamanitra izy ary hihazona amim-pitandremana ireo rakitsoratra. Nanome toromarika an’i Helamàna hampiasa ireo rakitsoratra ihany koa izy mba hampianarana ny vahoaka sy hitana ny antsipirian’ny faharatsian’ny Jaredita sy ny nahafongotra azy ireo vokatr’izany mba tsy ho hitan’ny olona.

Asao ny mpianatra handalina mangina ny Almà 37:13–16 mba hikaroka ireo fitsipika nampianarin’i Almà an’i Helamàna rehefa nomeny andraikitra hitana ny rakitsoratra izy. (Mety hizara fitsipika samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hahazoana antoka fa ny valintenin’izy ireo dia ahitana taratra fa hanampy antsika hamita ny adidintsika ny Tompo raha mitandrina ny didiny isika. Azonao atao ny manontany ny hifandraisan’io fitsipika io amin’ny filazana fa afaka manana fiantraikany maharitra ny zava-madinika sy tsotra.)

Natao mba hampianarin’ny mpianatra miisa telo ny ambin’ity lesona ity. Raha malalaka ny efitrano fianarana dia angataho ireo mpianatra mpampianatra mba hifindra amin’ny toerana telo samy hafa ao anatin’ny efitrano. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay handray ny soratra masin’izy ireo, ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina, ary penina sy pensilihazo; ary hivondrona miaraka amin’ny iray amin’ireo mpianatra mpampianatra. Rehefa mahavita ny lesony ireo mpianatra mpampianatra dia handalo hianatra eo amin’ny mpianatra mpampianatra tsirairay ny vondrona tsirairay. Raha kely ny efitrano fianarana dia afaka mifandimby mampianatra ny iray kilasy ireo mpianatra mpampianatra. Fito minitra eo ho eo no tokony holanian’ny mpianatra mpampianatra tsirairay isaky ny mampianatra mba hampianarana ny leson’izy ireo sy hanaovana fifanakalozan-kevitra.

Mpianatra Mpampianatra 1—Almà 37:33–34

Asao ireo mpiara-mianatra aminao hieritreritra mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana na Manampahefana Ambony izay nampianatra azy ireo zavatra iray izay nanova ny fiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nampianarin’io mpitarika io sy ny fiantraikan’izany teo amin’izy ireo. Azonao atao ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao.

Asao ny mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ny Almà 37:33–34. Asao ny mpianatra sisa hanaraka sy hihaino izany ary hitady ny zavatra natoron’i Almà an’i Helamàna mba hampianariny ny vahoaka. Azonao atao ny miteny azy ireo hanisy marika ireo andian-teny hoe “ampianaro izy,” sy hoe “torio aminy” rehefa mamaky izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ny hoe Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany rehefa avy mamaky ireo andininy ireo. Soraty eo ambanin’ny hoe Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny valintenin’izy ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ireo fampianarana ireo antsika amin’izao fotoana izao? Nahoana?

Asao ireo mpiara-mianatra aminao hijery ny fehezanteny farany ao amin’ny Almà 37:34 mba hahitana hoe inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka hahita fitsaharana ho an’ny fanahintsika isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Anontanio azy ireo izay heveriny fa dikan’ny hoe “[m]ahita fitsaharana ho an’ny fanahiny.” (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe tsy iharan’ny vokatry ny fahotana, mandray fiadanana avy amin’ny Fanahy omena hery hiaretana sy handresena ireo zava-tsarotra.)

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nahamarina io fitsipika io teo amin’ny fiainanao. Raha mbola manana fotoana fanampiny ianao dia asao ny hafa hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba io fitsipika io.

Mpianatra Mpampianatra 2—Almà 37:35–37

Hazavao amin’ny mpiara-mianatra aminao fa zavatra iraisan’ny olona mamboly hazo ny mamatotra na manisy tady ny zana-kazo amin’ny tsatòka ary manaisotra ilay tohana rehefa matoy ilay hazo. Anontanio azy ireo izay heveriny fa antony hanaovana izany. Vakio avy eo ity tantara manaraka mikasika ny hazo iray izay novolen’ny Filoha Gordon B. Hinckley tao an-tokotaniny ity:

Filoha Gordon B. Hinckley

Namboly zana-kazo teo akaikin’ny tranony ny Filoha Gordon B. Hinckley fotoana fohy taorian’ny nanambadiany. Tsy dia niraharaha firy ilay hazo izy raha nandeha ny fotoana. Indray andro dia tsikariny fa nivilana sy nitongilana nankany andrefana ilay hazo. Niezaka nanosika ilay hazo mba hahitsy izy, kanefa efa natevina loatra ny vatan’izany. Niezaka nampiasa tady sy bolaky (poulie) izy hanitsiana izany, kanefa tsy nety niolaka izany. Farany dia naka ny tsofany izy ary nanapaka ireo sampana mavesatra tany amin’ny ilany andrefana, izay namela holatra ratsy tarehy iray. Hoy izy taty aoriana momba ilay hazo hoe:

“Mihoatra ny dimampolo taona izay no lasa hatramin’ny namboleko izany hazo izany. … Nijery ilay hazo indray aho indray andro izay. Lehibe ilay izy. Tsara kokoa ny endriny. Tombony lehibe tokoa ho an’ilay trano izany. Kanefa tena lehibe tokoa ny ratra nahazo azy tamin’ny fahatanorany ary henjana fikarakarana nampiasaiko nanitsiana izany.

“Fony vao novolena ilay izy dia tokony ho nihazona izany tamin’ny toerany tsy voahozongozon’ny herin’ny rivotra ny tady kely iray. Afaka nanisy aho, ary tokony nanisy izany tady kely izany, tsy nila ezaka firy akory. Kanefa tsy nataoko izany, ary dia nitongalina nanaraka ny hery izay nanohitra azy ilay hazo” (“Bring Up a Child in the Way He Should Go,” Ensign, Nôv. 1993, 59).

Asao ny olona iray hamaky ny torohevitr’i Almà ao amin’ny Almà 37:35. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ny zavatra niainan’ny Filoha Hinckley momba ilay hazo.

Asao ny mpianatra hamintina ny Almà 37:35 amin’ny teniny manokana. (Ny valintenin’izy ireo dia tokony hilaza fa tokony hianatra hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ny fahatanorantsika isika.) Asao ihany koa izy ireo hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe na mamaky miadana azy ireo mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no mampiavaka ny fiainan’ny olona iray rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra dieny mbola tanora?

  • Misy olona azonao eritreretina ve, izay notahiana nandritra ny androm-piainany satria nianatra nankatò ny didy tamin’ny fahatanorany izy ireo? Manorata mikasika ny fomba nitahiana azy ireo.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra nosoratany. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 37:36–37. Asao ny mpianatra sisa hanaraka sy hihaino izany ary hikaroka torohevitra manokana izay afaka manampy azy ireo hitandrina ny didy amin’ny fahatanorany.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanarahana isan’andro io torohevitra io anao hitandrina ny didy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hametrahanao ny Tompo ho lohalaharana ao amin’ny eritreritrao, ny teninao, ny asanao, ary ny fitiavanao? (Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hivoaran’izy ireo.)

Zarao ny zavatra tsapanao mikasika ny fomba nanampian’ny filana hevitra tamin’ny Tompo anao hitandrina ny didy. Amporisiho ireo mpiara-mianatra aminao hila hevitra amin’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra ataony.

Mpianatra Mpampianatra 3—Almà 37:38–45

Ny Liahona

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Liahona (62041; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 68). Ampahatsiahivo ireo mpiara-mianatra aminao ilay kompà izay nampiasain’ny Tompo nanampiana ny fianakavian’i Lehia hanao dia lavitra ho any amin’ny tany nampanantenaina. Mianatra isika ao amin’ny Almà 37:38 fa nantsoina hoe Liahona ilay kompà. Hazavao fa niresaka mikasika ny Liahona i Almà mba hampianarana an’i Helamàna ny fitsipika iray manan-danja mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ireo zanany.

Hazavao amin’ireo mpiara-mianatra aminao fa hametraka fanontaniana amin’izy ireo ianao ary avy eo dia hanasa azy ireo hifandimby hamaky mafy andininy vitsivitsy ary ny hafa kosa dia hitady ireo valiny. Asao izy ireo hamaly ny fanontaniana tsirairay rehefa voavaky ireo andinin-tsoratra masina rehetra.

Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe tandindona ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana “olona, zava-nitranga, na fomba misy itovizana amin’ny olona, zava-nitranga, na fomba iray hafa manan-danja lehibe kokoa izay tokony harahana. … Ny tandindona tena izy dia hahitana zavatra itovizana, maneho ny porofon’ny fanendren’Andriamanitra, ary maminany ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy” (Joseph Fielding McConkie, Gospel Symbolism [1985], 274). Ny safidy ny hanaraka na tsia ny Liahona dia mitovy amin’ny safidintsika mikasika ny fomba fihetsitsika manoloana ireo torolalana azo avy amin’ny tenin’i Kristy.

  • Aiza no ahitantsika ny Tenin’i Kristy? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany, tsodranon’ny patriarika, ary ny bitsiky ny Fanahy.)

Asao ireo mpiara-mianatra aminao hamintina ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 37:38–45, indrindra fa ao amin’ny andininy 44–45. Tokony hahitana ity fahamarinana manaraka ity ao amin’io fifanakalozan-kevitra io: Hitarika antsika hahazo ny fiainana mandrakizay ny tenin’i Kristy raha manaraka izany isika.

Zarao ny fomba nitaoman’ny tenin’i Kristy anao ara-panahy sy ny fomba nanampian’izany anao handroso ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hieritreritra ny haka ny tsodranon’ny patriarika na hamaky izany foana sy amim-bavaka raha efa nahazo izany izy ireo.

Fanamarihana ho an’ny mpampianatra: Misaora ireo mpianatra rehefa vitany ny fampianarana ny ampahan-desona nomena azy, ary raha mbola misy ny fotoana dia asao ny mpianatra vitsivitsy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika iray nianaran’izy ireo androany. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ireo. Farano amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hihaino anao rehefa mamaky mafy ny Almà 37:46–47 ianao.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—Almà 37:35

Fanamarihana: Hanomana ny mpianatra amin’ny fiandohan’ny lesona manaraka (Almà 38) ity enti-mody ity. Manomana fotoana hanazavana ao an-dakilasy ny asa ampanaovina ny mpianatra ary ampahafantaro azy ireo ny drafitrao mba hamantatra ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny fotoana manaraka hihaonanareo.

Hamafiso fa soratra masina fehezina ny Almà 37:35. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminy ny hitady izany. Asao izy ireo hifehy io andininy io any an-trano anio hariva ary hanao tsianjery izany avy ao an-tsaina amin’ny ray aman-dreny na olon-dehibe hafa atokisana. (Afaka mamaky ilay andininy miaraka amin’ny olon-dehibe koa izy ireo.) Amporisiho izy ireo hametraka ireto fanontaniana ireto amin’ilay olon-dehibe. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ireto fanontaniana ireto amin’ny taratasy iray any an-trano.)

Ahoana no nanampian’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra anao?

Inona no torohevitra omenao ahy izay afaka manampy ahy ho hendry kokoa amin’ny fahatanorako?

Ampahafantaro ny mpianatra fa hanasa azy ireo hilaza ny zavatra niainany ianao mandritra ny fotoam-pianarana manaraka.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 37:6–7. Zava-madinika sy Tsotra

Mba hanehoana ilay fitsipika manao hoe afaka mitondra fiovana lehibe tokoa ny zava-madinika sy tsotra dia nitantara ity manaraka ity ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Taona maro lasa izay dia niasa tao amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby tao amin’ny birao foibe tao Denver aho. Tompon’andraikitra tamin’ny antsoina hoe fandefasana entana any amin’ny tokony handefasana izany aho. Tamin’ny fotoana nandehanan’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny fiaran-dalamby ho an’ny mpandeha no nisehoan’izany. Indray maraina dia nahazo antso an-telefaonina avy amin’ny mpiara-miasa tamiko tany Newark ao New Jersey aho. Hoy izy hoe: ‘Tonga ny fiaran-dalamby laharana toy izao sy toy izao, saingy tsy misy kalesim-piaran-dalamby mpitondra entana izany. Misy mpandeha 300 very entana any, ary tezitra be izy ireo.’

“Nandeha avy hatrany tany am-piasana aho mba hamantatra izay mety nalehan’izany. Nahafantatra aho fa tafiditra tsara ny entana ary notarihina araka ny tokony ho izy tany Oakland ao Californie ilay izy. Nafindra tamin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby anay izany tao Salt Lake City, nentina ho any Denver, nankany Pueblo, nafindra tamin’ny lalamby iray hafa, ary nentina tany St Louis. Rehefa tonga tany ilay izy dia tokony ho noraisin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby iray hafa izay tokony hitondra izany any Newark ao New Jersey. Saingy nisy mpanisaka lalamby tsy fantatra, tsy nieritreritra, tao St Louis izay nanetsika sombim-by iray teo amin’ny valo santimetatra teo, izay faritra kely iray mampiova ny lalana aleha, ary nisintona ilay fanoitra mba hanasaraka ilay kalesim-piaran-dalamby. Nahafantatra izahay fa tany New Orleans ao Louisiana—2.400 kilômetatra niala ny toerana tokony hahatongavany ny kalesim-piaran-dalamby mpitondra entana iray an’i Newark ao New Jersey. Ilay fanetsehana valo santimetatra kely fotsiny tamin’ilay fanisahana tao amin’ny faritr’i St. Louis, izay nataon’ny mpiasa iray tsy niraharaha, dia nitondra izany ho any amin’ny lalana diso, ary nitombo ho lehibe tokoa ny elanelana nisy ilay entana tamin’ny toerana marina tokony hahatongavany. Toy izany koa ny fiainantsika. Raha tokony hanaraka lalana iray tsy miovaova isika dia voasinton’ny hevitra diso sasany ho any amin’ny lalana hafa. Ny fikisahana hiala amin’ny toerana tokony hahatongavantsika tany am-piandohana dia mety ho tena kely tokoa, kanefa raha tohizana izany dia ho lasa lavaka lehibe ilay fikisahana kely ary ho lasa lavitra ny toerana nokasaintsika handehanana isika.

“Efa nijery ireny vavahadin’ny toeram-pambolena sy fiompiana mirefy 5 metatra ireny ve ianareo? Rehefa mivoha izany dia misavily midanadana. Ny sisiny eo amin’ireo savily dia mihetsika tsimoramora kanefa lehibe tokoa ny fihetsehana rehefa jerena avy eny amin’ny manodidina izany. Ny zava-madinika mampandeha ny fiainana no mampisy fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika ry tanora namako malala” (“A Prophet’s Counsel and Prayer for Youth,” Ensign, Jan. 2001, 5–7).

Almà 37:35. “Mianara hitandrina ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahatanoranao”

Nitantara ny tantaran’i Creed Haymond, izay lehilahy nianatra nitandrina ny didin’ Andriamanitra tamin’ny fahatanorany ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Môrmôna tanora nametraka taratasy fangatahana ary voaray tao amin’ny Oniversite an’i Pennsylvanie i Creed Haymond. Atleta fantatra tamin’ny hafainganam-pandehany izy ary voafidy ho kapitenin’ny ekipan’ny mpihazakazaka izy noho ny fomba fiasany sy ny fandraisany anjara tamin’ny hazakazaka.

“Ny fifaninanana fanao isan-taona an’ny Intercollegiate Association of Amateur Athletes of America (Fikambanan’ny Mpianatra mpitia Hazakazaka ao Amerika ao amin’ireo Oniversite) dia natao tao amin’ny Kianjan’i Harvard tamin’ny fiafaran’ny volana Mey 1919. Tonga tao Cambridge ny mpianatry ny oniversite tena mahay mihazakazaka—miisa 1.700. Nandritra ny fifanintsanana dia lehilahy 17 no tafakatra tao amin’ny oniversite an’i Pennsylvanie. 10 fotsiny no tafakatra tao amin’ny oniversite an’i Cornell, izay mpifaninana natahoran’izy ireo indrindra. Nitana ny toerana hahafahana mandrombaka ny maha tompon-daka ny ekipan’i Pennsylvanie. Nomena isa ireo dimy voalohany—isa dimy ho an’ny voalohany, efatra ho an’ny faharoa, telo ho an’ny fahatelo, roa ho an’ny fahaefatra ary iray ho an’ny fahadimy. Ny ekipa manana lehilahy betsaka indrindra tafakatra araka izany no nanana fahafahana lehibe indrindra handresy tamin’ilay fifaninanana.

“Ambony tokoa ny môralin’ny mpanazatra ny ekipan’i Pennsylvanie ny alina talohan’ny fifaninanana. Tonga tao amin’ny efitranon’i Creed izy ary nilaza hoe: ‘Creed a! Raha manao ny tsara indrindra vitantsika isika rahampitso dia handresy mora foana amin’ity fifaninanana ity.’

“Nisalasala ilay mpanazatra. ‘Creed a! Hanasa ireo zatovolahy hisotro divay kely aho anio alina. Tiako hisotro kely ianao, kely fotsiny ihany mazava ho azy.’

“‘Tsy hanao izany aho ry mpanazatra.’

“‘Creed a! Tsy hanao izay haha-mamo anao anie aho e. Fantatro ny zavatra inoanareo “Môrmôna.” Omeko anao ho toy ny fanafody izany mba hanampiako anao hifantoka amin’ny fanaovana izay tsara indrindra azonao atao.’

“‘Tsy hisy soa azoko avy amin’izany mihitsy ry mpanazatra a! Tsy afaka misotro izany aho.’

“Hoy ilay mpanazatra raha namaly hoe: ‘Tadidio ry Creed fa ianao no kapitenin’ny ekipa sy mpilalao mahay indrindra mpitondra fandresena ho antsika. Mpianatra efatra arivo sy iray alina no manantena manokana anao handrombaka ity fifaninanana ity. Raha tsy mahomby ianao dia ho resy isika. Tokony hahafantatra izay tsara ho anao aho.’

“Fantatr’i Creed fa ny mpanazatra sasany dia nahatsapa fa ilaina ny divay kely rehefa avy nampiasa hozatra sy tanjaka hatrany amin’ny havizanana tanteraka ny lehilahy. Fantany ihany koa fa nangataka azy hanao zavatra nifanohitra tamin’izay nampianarina azy hatramin’ny fiandohan’ny fahazazany ilay mpanazatra. Nibanjina ny mason’ny mpanazatra azy izy ary niteny hoe ‘tsy hisotro izany aho.’

“Namaly ilay mpanazatra hoe ‘Zazalahy mampihomehy ianao ry Creed. Tsy mety misotro dite ianao any amin’ny efitrano fanaovana fanazaran-tena. Manana ny hevitrao manokana ianao. Avelako hanao izay tianao ary ianao e!’

“Nandao ilay kapitenin’ny ekipa tamin’ny tebiteby lehibe tokoa ilay mpanazatra avy eo. Raha inty tokoa moa izy ka tsy mahavita mihazakazaka ny ampitson’io. Inona no holazainy amin’ny mpanazatra azy? Hifaninana amin’ireo lehilahy mahery mihazakazaka indrindra eto an-tany izy. Tsy mahazo manao latsak’izay tsara indrindra vitany izy. Mety hahatonga ny ekipan’i Pennsylvanie ho resy amin’ny fifaninanana ny hamafisan-dohany. Nasaina nanao izay tokony hataony ireo mpiray ekipa aminy ary nanao izany izy ireo. Nino izay nolazain’ny mpanazatra azy izy ireo. Zo avy aiza no nahafahany tsy nankatò? Iray ihany no antony. Nampianarina hankatò ny tenin’ny fahendrena nandritra ny fiainany iray manontolo izy.

“Fotoan-tsarotra tokoa teo amin’ny fiainan’ity zatovolahy ity izany. Nandohalika izy, niaraka tamin’ny hery ara-panahy rehetra nananany izay nanosika azy tao anatiny, ary nangataka mafy tokoa tamin’ny Tompo ny mba hanomezany azy fijoroana ho vavolombelona mikasika ny loharano nahazoana ity fanambarana izay ninoany sy nankatoaviny ity. Nandeha natory izy avy eo ary natory tsara tokoa.

“Ny ampitso marainan’io dia tonga tao amin’ny efitranony ilay mpanazatra ary nanontany hoe: ‘Manahoana ianao ry Creed?’

“‘Salama,’ hoy ilay kapiteny namaly tamim-pifaliana.

“‘Marary avokoa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny ekipa. Tsy fantatro izay mahazo azy ireo,’ hoy ilay mpanazatra tamim-pahamatorana.

“‘Mety ilay fanafody nomenao azy ireo angamba no nahatonga izany ry mpanazatra.’

“‘Mety ho izany tokoa,’ hoy ilay mpanazatra namaly azy.

“Mpijery 20.000 no nipetraka teny amin’ny toerany tamin’ny roa ora, izay niandry ny fanombohan’ny fifaninanana. Rehefa nandeha ilay fifaninanana dia hita nazava fa nisy tsy nety tao amin’ilay ekipa mahatalanjon’i Pennsylvanie. Na taorian’ny fifaninanana aza dia latsaka lavitra tamin’izay nandrasana tamin’izy ireo ny zavatra nataon’ny ekipan’i Pennsylvanie. Narary loatra aza ny sasany tamin’ireo mpikambana tao anatin’ny ekipa ka tsy afaka nandray anjara.

“Ny hazakazaka 100 sy roanjato metatra no mampahery indrindra an’i Creed. Nila azy mafy tokoa ny ekipan’i Pennsylvanie mba handresy ho azy ireo. Nitsangana hifaninana tamin’ireo lehilahy dimy haingam-pandeha indrindra tao amin’ny oniversite Amerikanina izy. Rehefa naka bahana ireo lehilahy tamin’ny hazakazaka 100 metatra, ary nipoaka ilay basy fanamarihana ny fiaingana, dia nandroso nitsambikina ny lehilahy rehetra ary nikasoka ny tany ny tongotr’izy ireo raha vao nahavita dingam-pihazakazahana iray—afa-tsy olona iray ihany—dia i Creed Haymond. Ilay mpihazakazaka tao amin’ny tsipika fihazakazahana faharoa nandritra ny fifanintsanana—ilay tsipika nihazakazahan’i Creed tamin’ity fifaninanana iray ity—dia nahaloaka ny tany tamin’ny tongony izay telo na efatra santimetatra taorian’ilay faritra nofidian’i Haymond hihazakazahana. Tsy nampiasa fanohanana tongotra manamora ny fiaingana izy ireo tamin’izany fotoana izany. Rehefa nisintona mafy ny tongony i Creed dia vaky ilay ampahana tany naneritery ary nianjera tamin’ny lohaliny taorian’ilay tsipika izy.

“Nitsangana izy ary niezaka nanao izay niaingany na dia nampalahelo aza izany. Farany tamin’ny fifaninanana izy teo amin’ny 60 metatra. Ary avy eo dia toa nanidina nandalo ilay lehilahy fahadimy izy, avy eo dia ny fahaefatra, avy eo dia ny fahatelo, avy eo dia ny faharoa. Rehefa nihananakaiky ny tsipika hahatongavana, raha tresaky ny tebiteby ny fony, dia nihazakazaka mafy kokoa izy rehefa nanatona ilay tsipika hahatongavana ary nandalo ilay lehilahy farany mba hibata ny fandresena.

“Noho ny fahadisoana nisy teo amin’ny fandaminana dia tsy natao ny ankatoky ny famaranana ho an’ny 200 metatra raha tsy tany akaikin’ny fifaranan’ny fifaninanana. Noho ilay tsy fahombiazana nanaraka ny ekipan’i Pennsylvanie nandritra ny manontolo andro dia nampanaovina ilay fifanintsanana farany ho an’ny 200 metatra i Creed Haymond. Dimy minitra taorian’ny nandreseny tamin’izany dia nantsoina izy hanao ny 200 metatra famaranana, izay fifaninana farany tamin’io andro io. Nihazakazaka teny aminy ny iray tamin’ireo lehilahy hafa izay nihazakazaka nandritra ilay fifanintsanana talohan’izay. ‘Mitenena amin’ilay mpanamarika ny fiaingana hoe mangataka haka aina ianao alohan’ny hihazakazahana indray. Manana zo hanao izany ianao araka ny fitsipika. Zara raha azoko ny aiko izao kanefa aho nihazakazaka tamin’ilay fifanintsanana talohan’ny anao.’

“Nandeha tao anatin’ny hasemporana teny amin’ilay mpanamarika ny fiaingana i Creed ary niangavy mba homena fotoana misimisy kokoa. Nilaza ilay tompon’andraikitra fa hanome azy 10 minitra. Nangataka tamin’ny horakoraka anefa ireo mpijery mba hanombohan’ny hazakazaka famaranana. Niantso ireo lehilahy tamin’alahelo hamonjy ny toeram-piaingany ilay tompon’andraikitra. Raha tamin’ny toe-javatra mahazatra dia tsy natahotra io fifaninanana hazakazaka io mihitsy i Creed. Izy tokoa no lehilahy haingam-pandeha indrindra teto an-tany tamin’izany halavirana izany, kanefa efa nanao hazakazaka telo izy tamin’io tolakandro io—iray amin’izany ilay 100 metatra nampitaintaina tokoa.

“Nandidy ireo lehilahy mbola tao anatin’ny hasemporana ilay mpanamarika ny fiaingana, nanangana ny basiny, ary nanomboka ilay hazakazaka niaraka tamin’ny setroka nipoaka. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niainga ara-potoana avy eo amin’ny toeram-piaingany ilay kapitenin’i Pennsylvanie. Vetivety dia nipoitra avy ao amin’ireo olona maro i Creed ary nitarika. Nihazakazaka mafy nandroso teo amin’ilay kianja izy ary tonga teo amin’ny tsipika manamarika ny fahatongavana izy rehefa avy nihazakazaka tamin’ny hafainganam-pandeha mafy dia mafy, izay nampisy elanelana valo metatra teo amin’izy sy ilay lehilahy akaiky indrindra, ary azony ny fandresena tamin’ilay hazakazaka faharoa—ilay hazakazaka 200 metatra.

“Tsy nibata ny amboara ny ekipan’i Pennsylvanie fa nahatalanjona ireo mpankafy ny kapitenin’izy ireo tamin’ny hazakazaka tsara dia tsara vitany.

“Rehefa nifarana ilay andro tsy nahazatra, rehefa nandeha natory i Creed Haymond, dia tonga tampoka tao an-tsainy ilay fanontaniany tamin’ilay alina talohan’izay, mahakasika ny maha avy amin’ Andriamanitra ny Tenin’ny Fahendrena. Nandalo tao an-tsainy ny fizotran’ireo zava-nitranga miavaka nifanesy—nisotro divay ireo iray ekipa taminy ka tsy nahomby; nitondra fandresena ny tsy fisotroany ilay divay ary nahagaga azy tokoa. Tonga tao aminy ilay antoka mamy sy tsotra avy amin’ny Fanahy nanao hoe: avy amin’ Andriamanitra ny Tenin’ny Fahendrena (notsongaina ary namboarina avy amin’ny Joseph J. Cannon, “Speed and the Spirit,” Improvement Era, Ôkt. 1928, 1001–7)” (“Run and Not Be Weary,” Ensign, Nôv. 1996, 37–38).

Almà 37:38–46. Toy ny Liahona ny Fanahy Masina

Nampitaha ny Liahona tamin’ny Fanahy Masina ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa mandroso ao amin’ny lalan’ny fiainana isika tsirairay avy dia mahazo fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina toa an’i Lehia izay notarihina tamin’ny alalan’ny Liahona. …

“Miasa eo amin’ny fiainantsika tahaka ny niasan’ny Liahona ho an’ny fianakavian’i Lehia mihitsy ny Fanahy Masina arakaraka ny finoantsika sy ny fahazotoantsika ary ny fihainoantsika Azy. …

“Ary ankehitriny ny Fanahy Masina dia manome antsika ny fitaovana izay ahafahantsika mahazo amin’ny alalan’ny ‘zava-madinika sy tsotra’ (Almà 37:6) fahatakarana bebe kokoa mikasika ny lalan’ny Tompo. …

“Afaka ny ho tonga mpitarika antsika ny Fanahin’ny Tompo ary hanome antsika fitarihana, torolalana, ary fiarovana ara-panahy mandritra ny fiainantsika. Manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny vavaka manan-danja ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy, ny fankatoavana amim-pahazotoana sy feno, ny fahatokiana sy ny fanajana ny fanekempihavanana, ary amin’ny alalan’ny hatsaran-toetra, ny fanetrentena, ary ny fanompoana. Ary tokony hijoro tsara amin’ny fialana amin’ny zavatra tsy maotina, kivalavala, ambany, feno fahotana, na ratsy izay mahatonga antsika hanalavitra ny tenantsika amin’ny Fanahy Masina isika.

“Manasa ny fitohizan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana koa isika rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 30–31).