Tahirim-pitaovana
Lesona 69: Almà 1–2


Lesona 69

Almà 1–2

Fampidirana

Taoriana kelin’ny nahalasa lohan’ny mpitsara an’i Almà, dia nanendry tena ho mpitory teo anivon’ny vahoaka ny lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra. Notoheriny ampahibemaso ny Fiangonana sy ny fotopampianarany, ary nandresy lahatra ny maro izy hino azy sy hanome vola azy. Rehefa novonoin’i Nehora i Gideôna, izay mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana, dia nentina teo anatrehan’i Almà i Nehôra mba hotsaraina. Rehefa hitan’i Almà fa meloka i Nehôra noho ny fanaovana komiberaky ny mpisorona sy ny fiezahana hampihatra izany tamin-kery, dia nohelohiny ho faty i Nehôra. Niroborobo ny Fiangonana, notarihin’ireo mpisorona mazoto sy manetry tena, saingy mbola nitohy ny komiberaky ny mpisorona. Nahazo fanohanana avy tamin’ny olona maro i Amlisia, lehilahy fatsora iray izay araka ny lamin’i Nehôra, ary niezaka ny ho tonga mpanjakan’ireo Nefita saingy tsy nahomby. Nikomy izy sy ireo mpanaradia azy, ka nanafika ireo Nefita mba hiady ary noho ny avy eo nampitambatra ny miaramilany tamin’ny tafika Lamanita. Nankaherezin’ny Tompo ireo Nefita raha niharitra fahaverezana maro saingy voatohitr’izy ireo ireo fanafihana nataon’ireo tafika Lamanita ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 1

Na dia niely aza ny komiberaky ny mpisorona sy ny fanenjehana dia maro ireo izay nijoro ho mafy orina tao amin’ny finoana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe malaza.

  • Inona no mety ho loza ateraky ny fikatsahana ny laza? Inona no mety ho loza ateraky ny fanarahana olona noho izy hoe malaza fotsiny?

Hazavao fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra lasa nalaza niaraka tamin’ny olona sasany tao Zarahemlà. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 1:2–6, ka hitady izay zavatra nampianarin’i Nehôra sy ny fiantraikan’izany teo amin’ireo vahoaka. Rehefa avy nitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra dia diniho ny fametrahana fanontaniana tahaka an’ireto manaraka ireto:

  • Fa nahoana no mampidi-doza ny fampianaran’i Nehôra ao amin’ny Almà 1:4? (Raha sahirana ireo mpianatra eo amin’ny famaliana io fanontaniana io dia mariho fa i Nehôra dia nampianatra fa “ny olon-drehetra dia hahazo ny fiainana mandrakizay,” na inona na inona ataony. Izany fampianarana izany dia manao tsinontsinona ny filana mibebaka, sy ireo ôrdônansy ary ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra. Jereo ihany koa ny Almà 15:15.)

  • Inona no mety ho fiantrakan’izany eo amin’ny olona iray izay mino io fotopampianarana io?

  • Inona no fiantraikan’ny fahombiazan’i Nehôra teo aminy? (Jereo ny Almà 1:6.)

Fintino ny Almà 1:7–15 amin’ny alalan’ny fanazafana fa indray andro i Nehôra raha saika handeha hitory tamin’ny andiany iray tamin’ireo mpanara-dia azy, dia nifanena tamin’i Gideôna, izay nanampy tamin’ny fanafahana ny vahoakan’i Limia tao anatin’ny fanandevozana ary izay mpianatra tao amin’ny Fiangonana tamin’io fotoana io. “Nanomboka nifanditra mafy tokoa taminy [i Nehôra] hahazoany mitarika ny olon’ ny fiangonana haniasia; fa i [Gideôna] kosa nanohitra azy sady nananatra azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra.” (Almà 1:7). Tao anatin’ny fisahafoahany i Nehôra dia namoaka ny sabany ka namono an’i Gideôna. Nentin’ny vahoakan’ny Fiangonana i Nehôra ho any amin’i Almà, izay lohan’ny mpitsara, mba hotsaraina noho ireo helony. Nohelohin’i Almà ho faty i Nehôra, ary dia “[niaritra] fahafatesana mahatsiravina” i Nehôra (Almà 1:15). Mety ilaina ny hanazavanao fa ny hoe mahatsiravina dia midika hoe mahamenatra na feno fahafaham-baraka.

Asao ireo mpianatra hikaroka ao amin’ireo andalana voalohandohany ao amin’ny Almà 1:12 an’izay teny nampiasain’i Almà mba hamaritana izay zavatra sambany nampidirin’i Nehôra tamin’ity vahoaka ity tamin’io fotoana io. Asao ireo mpianatra hijery ny fanovozan-kevitra 12a. Asaivo mijery ilay soratra masina voalohany voatanisa ao izy ireo: 2 Nefia 26:29. Asao izy ireo hamaky mangina io andininy io.

  • Hazavao amin’ny teny fampiasanao hoe inona izany hoe komiberaky ny mpisorona? Araka ny hevitrao, midika inona amin’ny olona izany hoe “mametraka ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao”? Inona no mampidi-doza amin’izany?

  • Inona no maha karazana komiberaky ny mpisorona ny fampianaran’i Nehôra?

  • Araka ny nolazain’i Almà dia, inona no hitranga amin’ny vahoaka raha toa ka terena hisy eo amin’izy ireo ny komiberaky ny mpisorona?

  • Fa nahoana hoy ianao no maha voan’ny fakam-panahy ny olona izany hoe mampianatra mba hoderain’ny hafa izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 1:16. Asaivo karohan’ireo mpianatra ny fomba sy ny antony nahatonga ny komiberaky ny mpisorona nitohy niely, na dia taorian’ny nahafatesan’i Nehôra aza. Rehefa avy nitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra dia anontanio hoe:

  • Araka ny ao amin’ny Almà 1:16, inona no tanjon’ireo olona izay mampiasa ny komiberaky ny mpisorona? (Manao izany izy ireo “noho ny harena sy ny voninahitra”—raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ny mba hahazoana vola sy laza.)

Hazavao fa nianjady tamin’ireo Nefita ny komiberaky ny mpisorona sy ny vokatr’izany nandritra ny taona maro (jereo ny Almà 2; 15:15; 24:28). Mariho fa amin’izao androntsika izao dia mila mitandrina isika amin’ny komiberaky ny mpisorona, na ato anatin’ny Fiangonana izany na any ivelan’ny Fiangonana. Tsy tokony hamela ny tenantsika isika ho voafitaky ny olona izay manao komiberaky ny mpisorona. Tokony hitandrina ihany koa isika amin’ny toetra sy ny fihetsika miendrika komiberaky ny mpisorona eo amin’ny ezaka ataontsika rehefa mampianatra ny filazantsara.

  • Inona avy ireo fotoana ahafahanao mampianatra ny filazantsara? (Ampio ireo mpianatra mba hahita fa manana fahafahana maro izy ireo hampianarana ny filazantsara. Mifampianatra izy ireo rehefa mandray anjara amin’ny seminera sy any amin’ireo kôlejy sy kilasy misy azy ireo. Afaka mampianatra ny fianakavian’izy ireo izy mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireo zatovolahy dia manompo amin’ny fanaovana fampianarana isan-tokantrano. Mety ho voasa handray fitenenana mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ireo zatovolahy sy ireo zatovovavy. Afaka mizara ny filazantsara izy ireo ankehitriny ary mety hoe miomana hanompo hitory filazantsara amin’ny fotoana feno.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona David A. Bednar

Na inona na inona ataonao na ataoko amin’ny maha-mpampianatra antsika ka fantatsika fa misarika ny fifantohana ho any amin’ny tenantsika, na iniantsika atao mba hisarihana ny fifantohana ho amin’ny tenantsika—eo amin’ny hafatra ampitaintsika, na eo amin’ny fomba fampianarana ampiasaintsika, na eo amin’ny bika aman’endritsika—dia karazana komiberaky ny mpisorona izay manohintohina ny fahombiazan’ny fampianaran’ny Fanahy Masina” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, Sept. 2007, 66–67).

Antitrantero fa raha toa isika ka misarika am-piheverana ny fifantohana ho aty amin’ny tenantsika eo amin’ny ezaka ataontsika hampianarana ny filazantsara, dia hanohintohina ny fahombiazan’ny fampianaran’ny Fanahy Masina isika.

Vakio ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo antony mety hamporisika ny olona rehefa mampianatra. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika izay antony mety ho karazana komiberaky ny mpisorona sy ny antony mahatonga izany.

Mitarika ny hafa ho any amin’ny Mpamonjy

Mampiseho hoe mahafinaritra ianao.

Manampy ny hafa hahatsapa ny Fanahy.

Mampidera ny faharanitan-tsainao.

Manampy ny hafa hampiatra ireo fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 1:26–27. Asao ireo mpianatra hamantatra ireo fomba fiasa nampiavaka an’ireo mpisoron’Andrimanitra tamin’i Nehôra.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatr’ireo mpisorona Nefita manampy antsika hisoroka ny komiberaky ny mpisorona?

  • Ahoana no fomba nanehoan’ireo mpisorona ireo ny fanoloran-tenan’izy ireo tamin’Andriamanitra?

Hazavao fa ny komiberaky ny mpisorona dia nitondra tamin’ny fifandirana sy ny fanenjehana teo anivon’ireo Nefita. Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana handalina ny Almà 1:19–33, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nahita olona nandrabiraby, na nihomehy, na nanenjika ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra?

  • Efa nisy fotoana ve nahatsiarovanao ho norabirabiana, na nihomehezana, na nenjehana noho ny fitandremanao ny didin’Andriamanitra? Raha eny, dia ahoana no fomba nihatrehanao izany?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 1:19–20, ka hitady ohatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana izay nenjehina. Rehefa avy nitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra handika izany eo amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina. Omeo fotoana izy ireo hamakiany mangina ireo andinin-tsoratra masina sy hamaliany ireo fanontaniana.

Araka ny ao amin’ny Almà 1:21–24, ahoana no fomba niatrehan’ny mpikambana sasany ny fanenjehana? Inona avy ireo vokatry ny fihetsika nataon’izy ireo?

Araka ny ao amin’ny Almà 1:25–31, ahoana no fomba niainan’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana na dia teo aza ny fanenjehana? Inona avy ireo fitahiana noraisin’izy ireo?

Rehefa avy nahazo fotoana ampy ireo mpianatra handalinana ireo andinin-tsoratra ireo dia anontanio azy ireo izay azontsika hianarana avy amin’izany andinin-tsoratra izany. Mety ho hitan’ireo mpianatra ny sasany amin’ireto fitsipika ireto na izy rehetra:

Na dia rehefa tsy mankato aza ireo olona manodidina antsika, dia afaka mijoro sy tsy mihozongozona isika eo amin’ny fitandremana ireo didy.

Rehefa miaina ny filazantsara isika dia afaka mahazo fiadanana eo amin’ny fiainantsika na dia enjehina aza.

  • Oviana ianao no nahita fa marina ireo fitsipika ireo?

Almà 2

Nikomy i Amlisia sy ny hafa ary nony farany dia nitambatra tamin’ireo Lamanita mba hiadiana amin’ireo Nefita

Hazavao fa teo amin’ny efatra taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Nehôra dia niatrika olon-dratsy iray hafa indray ireo Nefita, olona izay afaka nahazo ny fanohanan’ny vahoaka. Ampiaraho ho tsiroaroa ireo mpianatra. Ao amin’ny ekipa tsirairay dia asaivo mamaky ny Almà 2:1–7 ny olona iray ary mamaky ny Almà 2:8–18 kosa ilay iray hafa. Asaivo manomana lohatenim-baovao ho an’ireo lahatsoratra an-gazety ireo mpianatra izay mifototra amin’ireo andinin-tsoratra izay nampandraiketina azy ireo, ka mitantara izay zavatra nataon’ireo olo-marina mba hijoroana eo anatrehan’ny faharatsiana. Rehefa afaka efatra na dimy minitra dia asao ireo mpianatra hizara ny lohatenim-baovaon’izy ireo amin’ny namana iray ekipa aminy. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny lohatenim-baovaony amin’ny iray kilasy manontolo.

Apetraho ireto fanontaniana ireto mba hahazoana antoka fa takatr’ireo mpianatra ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalinin’izy ireo:

  • Inona no tian’i Amlisia ho natao?

  • Araka ny ao amin’ny Almà 2:18, nahoana ireo Nefita no afaka nanakana ny fikasan’i Amlisia ho lasa mpanjaka? (“Nampahery ny tanan’ny Nefita ny Tompo.” Azonao atao ny manentana ireo mpianatra hanisy marika io fanambarana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

Angataho ireo mpianatra hitanisa ireo karazana faharatsiana izay atrehan’ireo tanora ankehitriny. Mety hilaza ireo fakam-panahy izy ireo, ary mety hilaza ihany koa ireo fitsapana izay atrehan’izy ireo noho ny faharatsian’ny hafa. Raha iny manohy mandalina ny Almà 2 iny izy ireo dia asao handinika ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mandray fanampiana avy amin’ny Tompo handresena ireo fakam-panahy sy fanamby izay hatrehan’izy ireo.

Hazavao fa resin’ireo mpiady Nefita ny maro tamin’ireo Amlisita, saingy gaga izy ireo raha nahita fa nitambatra tamin’ny tafik’ireo Lamanita ireo Amlisita sisa tavela (jereo ny Almà 2:19–25). Alohan’ny nahatafaverina ireo tafika Nefita tany amin’ny tanànan’i Zarahemlà dia notafihan’ilay tafika nitambatra izy ireo. Asaivo mitady andian-teny iray ao amin’ny Almà 2:27 ireo mpianatra, izay milaza ny haben’ilay tafika nitambatra an’ireo Lamanita sy ireo Amlisita.

Asao ireo mpianatra hiato kely ary haka sary an-tsaina hoe inona no ho noeritreretin’izy ireo ary ho zavatra tsapan’izy ireo raha toa hono ka anisan’ilay tafika Nefita izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 2:28–31, 36, ary asaivo mijery izay fomba niafaran’ilay ady ireo mpianatra rehetra. Rehefa avy nitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo teny hoe nampaherezina sy nampahery ao amin’ireo andininy ireo.

  • Araka ny ao amin’ny Almà 2:28, dia nahoana ny Tompo no nampahery ireo Nefita? (Afaka mizara valinteny samihafa ireo mpianatra ho an’ity fanontaniana ity. Ampio izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Raha miantso an’Andriamanitra isika hanampy antsika hijoro hanohitra ny faharatsiana, dia hampahery antsika Izy.)

  • Fa nahoana araka ny hevitrao no ny mandray hery avy amin’Andriamanitra mba hijoroana hanoherana ny faharatsiana no zava-dehibe fa tsy ny fanaisorana tanteraka ny fitaoman’ny ratsy tsy ho eo amin’ny fiainantsika?

  • Ahoana no fomba ahafahanao manaraka ny ohatr’i Almà rehefa mijoro manohitra ny faharatsiana?

Asao ireo mpianatra hanoratra valiny ho an’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba nampaherezan’Andriamanitra anao raha niatrika faharatsiana ianao?

  • Inona no fomba iray ahafahanao mijoro manohitra ny faharatsiana amin’izao andro izao?

Rehefa avy nahazo fotoana ireo mpianatra hanoratana, dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny valintenin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ireo valinteninao. Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny ohatr’ireo Nefita—dia ny mivavaka mba ho ampian’ny Tompo sy ny ho mendrika ny hampaherezin’Andrimanitra eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona fa hampahery antsika Andriamanitra rehefa mijoro manohitra ny faharatsiana isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 1:3–4. Herim-po hisafidianana ny tsara

Nampiasa fandokafana i Nehôra mba hisarihana mpanara-dia, ary nampiasa fotopampianarana tsy marina mba hanafihana ny Fiangonan’ Andriamanitra. Tian’ny olona ireo fampianarana nataony satria nanamarina ny fahotana tamin’ny anaran’ny fivavahana. Namporisika ny faharatsiana izy, tamin’ny filazana fa “amin’ny farany, ny olon-drehetra dia hahazo ny fiainana mandrakizay (Almà 1:4).

Ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanentana antsika mba hanana risim-po handavana ireo Nehôran’ny andro maoderina sy ny hafatra ampitain’izy ireo:

“Nahasarika ny vahoaka ireo tenin’i Nehôra, saingy ny fotopampianarany, na dia tian’ny maro aza, dia tsy marina. Rehefa miatrika ireo fanapahan-kevitra maro eo amin’ny fiainana isika dia mazàna ireo hafatr’izao tontolo izao izay mora tanterahina sy tian’ny olona dia tsy ireo no hafatra tokony hosafidiana, ary dia hitaky herim-po lehibe ny fisafidianana ny tsara” (“Choose the Right,” Ensign, Nôv. 1993, 67).

Almà 1:17–18. Fanamelohana ho faty

Rehefa mamaky mikasika ny fanamelohan’i Almà an’i Nehôra ho faty ireo mpianatra dia mety hanana fanontaniana mikasika ny hevitry ny Fiangonana mikasika ny fanamelohana ho faty. Ireto fanambarana manaraka ireto dia mety hanampy anao hamaly ny fanontanian’izy ireo.

Tamin’i Noa no nanambaran’ny Tompo hoe:“Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny ràny” (Genesisy 9:6).

Tamin’ny taona 1889 ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka fanambarana ôfisialy mikasika ny fanamelohana ho faty:

“Ambaranay amin’ny fomba manetriketrika izao fanambarana manaraka izao, dia ny hoe:

“Fa ity Fiangonana ity dia mihevitra ny fandatsahana ran’olombelona ho faran’izay maharikoriko indrindra. Fa izahay dia mihevitra ny famonoana olombelona, afa-tsy rehefa mifanaraka amin’ny lalàn’ny tany, ho heloka faratampony izay tokony hosaziana amin’ny fandatsahana ny ràn’ilay nahavanona heloka, rehefa notsaraina ampahibemaso teo anatrehan’ny fitsaràna iray nitsangana ara-dalàna eo amin’ilay firenena. …

“… Ireo manohintohina ny aina sy ny fananana dia [tokony ho] atolotra sy hotsaraina eo anatrehan’ny lalàn’ny tany” (“Official Declaration,” Millennial Star, 20 Jan. 1890, 33–34).

Vao tsy ela ny Fiangonana no namoaka ity fanambarana ôfisialy manaraka ity mikasika ny fanamelohana ho faty: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mihevitra fa ny fanontaniana hoe tokony hametraka ny fanamelohana ho faty ve sa tsia ny fanjakana ary hoe amin’ny toe-javatra manao ahoana, dia resaka tsy tokony ho tapahana raha tsy araka ireo fomba napetraky ny lalàna sivily. Izahay dia sady tsy mamporisika no sady tsy manohitra ny fanamelohana ho faty” (newsroom.lds.org/official-statement/capital-punishment; nojerena tamin’ny 23 Jolay 2012).

Almà 1:19–20, 25. Fiaretana fanenjehana

Nilaza ny Filoha Harold B. Lee fa tokony hijoro ho an’ny marina hatrany isika na dia eo aza ny fanenjehana:

“Ny hoe enjehina noho ny fahamarinana amin’ny fotokevitra lehibe iray izay hoe ny fahamarinana sy ny fahadiovana ary ny haja no mety ho very dia araka an’ Andriamanitra. … Ny fahasimbana lehibe izay mety ateraky ny fanenjehana dia tsy avy amin’ilay fanenjehana mivantana fa avy amin’ilay mety ho fiantraikany eo amin’ilay enjehina izay mety ho kivy noho izany eo amin’ny fahazotoany mikasika ny fahamarinan’ny fotokeviny. Betsaka amin’io fanenjehana io no avy amin’ny tsy fahampian’ny fahatakarana, satria ny olombelona dia mora manohitra izay zavatra tsy takatry ny sainy. Ny ampahany amin’io dia avy amin’ny finiavan’ny olombelona hanao ratsy. Fa na inona na inona antony, dia zary mihatra amin’ireo rehetra izay mirotsaka amin’ny fotokevitra marina iray ny fanenjehana. …

“… Raha mijoro tsara ho an’ny tsara ianao na dia eo aza ireo fanarabian’ny vahoaka na ny herisetra ara-batana mihitsy aza, dia hosatrohina fitahiana dia ny fahasambarana mandrakizay izany. Iza no mahalala raha toa ka haverina takiana amin’ny olomasina sasany na ny apôstôly sasany mihitsy aza, toy ny tamin’ny andro fahiny, ny hanolotra ny ainy ho fiarovana ny fahamarinana? Raha tsy maintsy ho avy izany fotoana izany, dia ho tahian’ Andriamanitra anie ianao ka tsy ho lavo!” (Decisions for Successful Living [1973], 61–62).

Nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fanenjehana dia afaka mandrisika antsika ho feno risim-po kokoa:

“Efa ho avy ny andro sarotra. Tsy ho fahita firy any amin’ny hoavy ny hahamora na hampalaza izany hoe ho tonga Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina avokoa ny tsirairay avy amintsika. Ny Apôstôly Paoly dia nampitandrina fa amin’ny andro farany, ireo izay manaraka amin’ny zotom-po ny Tompo ‘dia henjehina’ [2 Timoty 3:12]. Izany fanenjehana izany dia mety hahalavo anao amin’ny fahalemena tsy re tsaika, na [h]andrisika anao ho lasa ohatra sy ho be risim-po [kokoa] eo amin’ny fiainanao andavanandro” (“Hatreo Am-pinoana ny Ho Avy,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 35–36).