Lesona 105
Almà 59–63
Fampidirana
Nifaly tamin’ny fahombiazan’i Helamàna ny Kapiteny Môrônia tamin’ny nahazoany indray ny sasany tamin’ireo tanàna Nefita izay very ka lasan’ny Lamanita. Kanefa rehefa fantany fa lasan’ny Lamanita ny tanànan’i Nefihà dia tezitra tamin’ny governemanta izy tamin’ny tsy firaharahiany ny handefa miaramila hanampy. Nitaraina ny amin’ny fijalian’ireo olo-marina izy tao anatin’ny taratasy nalefany ho an’i Pahôrana, ilay lohan’ny mpitsara, ary nibedy an’i Pahôrana tamin’ny tsy nanohanany ny foto-kevitry ny fahafahana. Tsy fantatr’i Môrônia fa nitsoaka tany an-tanin’i Gideôna i Pahôrana noho ny fikomian’ny mpomba ny mpanjaka Nefita. Tsy tezitra tamin’ny fibedesan’i Môrônia azy i Pahôrana fa nifaly kosa noho ny fitiavan’i Môrônia ny fahafahana. Nampatanjaka ny Nefita ny Tompo ary nandresy ireo mpomba ny mpanjaka sy ny Lamanita i Môrônia sy i Pahôrana ary ny vahoakan’izy ireo rehefa niara-niasa. Niaina fandriampahalemana indray ny Nefita taorian’ny taona maro nisian’ny ady ary nanangana indray ny Fiangonana i Helamàna.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 59
Very ny toeram-pamaharan’ny Nefita iray ary nalahelo i Môrônia noho ny faharatsian’ny vahoaka
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (notsongaina tao amin’ny The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 285) ity alohan’ny fotoam-pianarana:
Mety efa naverinao nolazaina ity fanambarana ity tao amin’ny lesona momba ny Almà 49–51. Raha nanao izany ianao dia asio banga ho an’ny teny sasany rehefa manoratra izany eny amin’ny solaitrabe ianao. Asao ny mpianatra hameno ny banga.
Asao ny mpianatra hiresaka mikasika ireo fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo na ny fiainan’ny olona hafa fantatr’izy ireo rehefa nanampy tamin’ny fisorohana ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo ny fiomanana.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandalina ireo toko mikasika ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita izy ireo nandritra ireo lesona natao vao haingana. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 59:5–11 mba hieritreritra mikasika ny fomba ifandraisan’ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe amin’ny toe-javatra voalaza ao amin’ireo andininy ireo.
-
Inona no toa nanome fahafahana ny Lamanita handresy ny tanànan’i Nefihà? (Ny faharatsian’ny vahoaka tao Nefihà.)
-
Inona no hitanareo ao amin’ireo andininy ireo ka mahakasika ilay fanambarana voasoratra eny amin’ny solaitrabe?
Raha tsy manonona ity fanambarana manaraka ao amin’ny Almà 59:9 ity ny mpianatra dia lazao amin’izy ireo izany manao hoe: “Mora kokoa ny mitana ny tanàna tsy hianjera eo an-tanan’ny Lamanita toy izay ny maka izany indray aminy.” Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika io fanambarana io ao amin’ny soratra masiny. Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hifandraisan’io fahamarinana io amin’ny fiainan’izy ireo dia asao izy ireo hampitaha ireo tanàna ato amin’ity tantara ity amin’ny tenany sy ireo ady ara-panahy atrehin’izy ireo. Aorian’izay dia apetraho ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ifandraisan’io fahamarinana io amintsika? (Ampio ny mpianatra hahita fa mora kokoa ny mijanona ho mahatoky noho ny miverina amin’ny finoana rehefa avy nania.)
-
Nahoana no mora kokoa ny mijanona ho mahatoky ao amin’ny Fiangonana noho ny miverina ao amin’ny Fiangonana rehefa avy nalaindaina nandritra ny fotoana maharitraritra?
-
Nahoana no mora kokoa ny mitazona ny fijoroana ho vavolombelona noho ny miezaka mahazo izany indray rehefa avy nania?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba mety hanafihan’ny fahavalo sy ny mpanara-dia ny fahavalo azy ireo. Amporisiho izy ireo hanoratra ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra hataon’izy ireo mba hiomanana amin’ny ady ara-panahy.
Almà 60–62
Nanameloka an’i Pahôrana tamin’ny zavatra tsy nataony i Môrônia, ary namaly tamim-pitiavana sy tamim-panajana i Pahôrana
Vakio mafy ny Almà 59:13. Ataovy izay hahazoana antoka fa ny mpianatra dia mahatakatra fa tezitra i Môrônia satria nieritreritra izy fa tsy niraharaha na tsy nieritreritra ny fahafahan’ny vahoaka ny governemanta. Nanoratra taratasy ho an’i Pahôrana ilay lohan’ny mpitsara izy tao anatin’ny fahatezerany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 60:6–11.
-
Inona no nanamelohan’i Môrônia an’i Pahôrana?
-
Inona no fahatsapana tsapanareo ao anatin’ny fanamelohana ataon’i Môrônia?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto: Almà 60:17–20, 23–24. Asao ny mpianatra hamaky mangina ireo andininy ireo. Amporisiho izy ireo haka sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha teo amin’ny toeran’i Pahôrana izy ireo.
-
Tamin’ny fomba ahoana no mety nandratran’ireo fanamelohana nataon’ny Kapiteny Môrônia ireo ny fon’i Pahôrana?
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 60:33–36. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hikaroka ny zavatra nomanin’ny Kapiteny Môrônia ho atao raha tsy nanome valinteny nahafa-po tamin’ny fangatahany i Pahôrana. Rehefa avy nomena fahafahana nilaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia angataho izy ireo hamantatra ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay milaza ny antony nandrisika an’i Môrônia nanao ny fangatahany.
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 61:1–5 mba hamantatra ny antony tsy nahazoan’i Môrônia miaramila fanampiny.
-
Inona no fampahalalana nozarain’i Pahôrana tamin’i Môrônia?
-
Inona avy ireo fihetsika asehon’ny olona rehefa melohina amin’ny zavatra iray tsy nataony izy ireo?
-
Efa nomelohina tamin’ny zavatra iray tsy nataonareo ve ianareo? Inona no tsapanareo mikasika ireo fanamelohana sy ilay mpanameloka?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 61:9–10, 15–18 ary hikaroka izay zavatra manambara ny maha tena tsara ny toetran’i Pahôrana. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany.
-
Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny fomba namalian’i Pahôrana ireo fanamelohan’i Môrônia? (Ampio ny mpianatra hitady ity fitsipika manaraka ity: Afaka misafidy ny tsy ho tezitra noho ny teny sy ny fihetsiky ny hafa isika. Ireo fahamarinana hafa mety ho hitan’ny mpianatra dia mety hahitana hoe tsy tokony hilaza zavatra ratsy momba ny hafa hitsaratsarana azy isika ary rehefa miray hina amin’ny tsara miaraka amin’ny hafa isika dia matanjaka kokoa amin’ny ady ataontsika amin’ny ratsy. Azonao atao ny manoratra ireo fahamarinana ireo eny amin’ny solaitrabe.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hisafidiantsika ny tsy ho tezitra?
Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka vonona ny hizara zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fisafidianana ny tsy ho tezitra rehefa nilaza zavatra ratsy na tsy marina mikasika azy ireo ny olona. Azonao atao koa ny mitantara zavatra iray niainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha zava-dehibe ny famelana ny hafa noho ny teny sy ny asa ataon’izy ireo izay manaratsy antsika. Amporisiho ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Pahôrana.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 62:1. Asao ny iray kilasy hamantatra ny zavatra tsapan’i Môrônia rehefa naharay ny valintenin’i Pahôrana izy.
Hazavao fa na dia diso tamin’ny fanamelohany an’i Pahôrana aza ny Kapiteny Môrônia dia nampianatra fitsipika tsara maro izay azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 60:23. Lazao amin’ny mpianatra fa mety amin’ny olona rehetra izay mila mibebaka ny tenin’i Môrônia mikasika ny fanadiovana ny “atin’ny vazy.” Hazavao fa ny vazy dia fitoeran-javatra toy ny kaopy na vilia jobo. Asio loto na fotaka ao anatiny sy eo ivelan’ny kaopy iray (mety kokoa ny kaopy mazava loko raha toa ka misy izany). Anontanio ny mpianatra raha toa ka te hisotro rano amin’ilay kaopy izy ireo. Diovy ny eo ivelan’ilay kaopy ary anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka mahazo aina raha toa ka misotro rano amin’izany.
-
Inona no mety ho dikan’ny hoe manadio ny ao anatiny na ny atin’ny vazy raha toa ka eritreretintsika hoe vazy ny tenantsika?
Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:
“Tsy maintsy manadio ny atin’ny vazy isika (jereo ny Almà 60:23), manomboka amin’ny tenantsika aloha dia avy eo ny fianakaviantsika ary farany dia ny Fiangonana” (“Cleansing the Inner Vessel,” Ensign, Mey 1986, 4).
-
Nahoana no zava-dehibe ny hoe sady madio ao anaty isika (izay tsy hitan’ny olona) no sady madio ety ivelany (izay hitan’ny olona)?
-
Nahoana no zava-dehibe ny manadio ny atin’ny vazin’ny fiainantsika alohan’ny hahombiazantsika tanteraka ao anatin’ny fanjakan’ny Tompo?
Fintino ny Almà 62:1–38 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nitondra ampahany tamin’ny miaramilany ny Kapiteny Môrônia mba hanampy an’i Pahôrana hanongana ireo mpomba ny mpanjaka tao Zarahemlà. Ary taorian’izay dia naka indray ireo sisa tavela tamin’ireo tanàna izay lasan’ny Lamanita i Môrônia sy i Pahôrana niaraka tamin’ny miaramilan’izy roa mitambatra sy ny fanampian’ny miaramila Nefita hafa. Nandroaka ny Lamanita hiala ny tany izy ireo ary nanorina fandriampahalemana teo anivon’ny vahoaka.
-
Inona avy ireo zava-tsarotra mety atrehin’ireo fianakaviana tsirairay aorian’ny fotoan’ny ady?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 62:39–41 mba hahitan’izy ireo ny fiantraikan’ny fizahan-toetra avy amin’ny ady teo amin’ny Nefita.
-
Inona avy ireo fitsipika hitanareo ao amin’ny Almà 62:40–41?
Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ny mpianatra dia mety hanome valinteny tahaka ireto manaraka ireto izy ireo:
Afaka manana fiantraikany tsara eo amin’ny fiaraha-monintsika ny vavaka marina ataontsika.
Manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra ny olona sasany rehefa ao anatin’ny fahoriana raha toa kosa ka lasa mafy fo ny hafa.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mihamanakaiky an’Andriamanitra ny olona sasany rehefa miatrika fizahan-toetra? Nahoana ny olona sasany no tsy mitodika intsony any amin’ny Tompo rehefa miatrika fizahan-toetra? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa mamaritra ny fanatonantsika ny Tompo na tsia ny safidy ataontsika ao anatin’ny fahoriana.)
-
Rehefa namaky ireo toko momba ny ady ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia inona no nampianarin’ireo toko ireo anareo mikasika ny fijanonana ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mandritra ny fotoan’ny ady na fifandirana?
Almà 63
Marobe ireo Nefita nandeha nanao dia nianavaratra
Fintino ny tenin’i Môrmôna ao amin’ity toko ity amin’ny alalan’ny fanazavana fa Nefita marobe no nanomboka nifindra monina nankany andafiavaratra tamin’ny alalan’ny dia an-tongotra sy tamin’ny alalan’ny sambo. Nomen’i Siblôna an’i Helamàna ireo rakitsoratra masina. Nodimandry ny Kapiteny Môrônia ary nitarika ny miaramila i Môrônihà zanany lahy, izay nahatosika ny fanafihan’ny Lamanita.
Azonao atao ny mamintina ity lesona ity amin’ny alalan’ny firesahana mikasika ny olona iray izay niatrika zava-tsarotra sy fahoriana ary nisafidy ny hanana fo malefaka sy nampitombo ny fahatokiany an’Andriamanitra. Mizarà zavatra niainana manokana.
Famerenana ny Almà
Makà fotoana kely hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Almà. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ity boky ity na tamin’ny seminera na tamin’ny fandalinan’izy ireo samirery ny soratra masina. Raha toa ka ilaina dia asao izy ireo hamerina hijery ireo famintinana ny toko ao amin’ny Almà mba hanampiana azy ireo hitadidy. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny eritreritr’izy ireo sy fahatsapany mikasika ny zavatra iray nanaitra azy ireo tao amin’ilay boky.