Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 15


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 5–10 (Unit 15)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famitinana ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity teo am-pandalinan’izy ireo ny Almà 5–10 (fizarana 15) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny ihany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (Almà 5:1–36)

Raha nandalina ny lahatenin’i Almà tamin’ny vahoaka tao Zarahemla ireo mpianatra dia nahita fa rehefa mino ny tenin’Andriamanitra isika sy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, dia afaka miaina fiovam-po mahery vaika. Rehefa namaly ny fanontanian’i Almà ireo mpianatra dia nianatra ihany koa izy ireo fa rehefa miaina fiovam-po isika dia miomana handray toerana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Andro 2 (Almà 5:37–62)

Tamin’ireo mpianatra nandalina ny tapany faharoa tamin’ny Alma 5, dia nianatra ireto fitsipika ireto ny mpianatra: Raha manaraka ny feon’ny Tompo isika (ilay Mpiandry Tsara), dia ho angonina ao amin’ny fanjakany. Azontsika fantarina manokana, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny zanak’olombelona.

Andro 3 (Almà 6–7)

Tamin’ny nandalina ny Alma 6 ireo mpianatra dia nianatra fa ny Fiangonana dia naorina mba ho tombontsoan’ny olon-drehetra, na tamin’ny andron’ireo Nefita na amin’izao androntsika izao. Tamin’ny lahatenin’i Almà tamin’ireo vahoaka tao Gideôna dia nianatra ireo mpianatra fa nijaly i Jesoa Kristy mba hanavotana antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary mba hanampiana antsika mandritra ireo olana amin’ny fiainana ety an-tany. Nianaran’izy ireo ihany koa fa rehefa miaina ireo fitsipiky ny filazantsara isika dia manaraka ny lalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Andro 4 (Almà 8–10)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny finiavan’i Almà hiverina ho any amin’ny vahoakan’i Amônihà rehefa avy nolavin’izy ireo no nianaran’ireo mpianatra fa rehefa mamaly faingana ny tenin’ny Tompo isika dia manampy antsika ny Tompo hankatò ny didiny. Niantso ny vahoaka hibebaka i Almà ary nampianatra azy ireo mikasika ny ilana fiomanana ho amin’ny fiavian’ny Mpamonjy. Ny mpianatra dia nianatra avy tamin’ny zavatra niainan’i Amioleka niaraka tamin’ilay anjely iray fa rehefa mihaino sy mankatò ny torolalan’ny Tompo isika dia fitahiana no tonga amintsika sy amin’ny hafa.

Fampidirana

Mandritra ity lesona ity dia katsaho ny hanampiana ireo mpianatra hifantoka amin’ireo fitsipika izay afaka mitondra mankamin’ny fiovam-po. Mitadiava fomba maro hanampiana azy ireo hiantehitra amin’Andriamanitra sy hampitombo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 5:1–36

Nampianatra i Almà fa takiana ny fiovam-po mahery vaika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra

Soraty eny amin’ny solaitrabe na eo amin’ny ravin-taratasy ny teny hoe fiovana. Asaivo mizara ohatra ireo mpianatra izay maneho fomba ahafahan’ny olona miova, toy ny eo amin’ny endriny, na ny fomba fanaony na ny toetrany. Asao izy ireo hanazava ny mety mahatonga ny olona hanao ireo fiovana ireo.

Asaivo mamaky ny Almà 5:14 ireo mpianatra ary mamantatra ireo fanontaniana telo izay nasain’i Almà hodinihin’ny olona tao Zarahemlà. Diniho ny hanasana mpianatra vitsivitsy hamariparitra ny dikan’ny hoe “fiovana mahery vaika … [ao] am-po.”

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 5:3–7 sy hamantatra izay nolazain’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà ka nanampy azy ireo hanomana ny fony hiova.

Nolazain’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà ny mikasika ny fiovam-pon’ireo rainy sy ny hafa, mbamin’ny fanafahana azy ireo tao anatin’ny fahababoana. Anontanio hoe: Fomba ahoana hoy ianao no ahafahan’ny fahafantarana ireo zavatra niainana ireo hanampy ny olona hiomana mba hanana fiovam-po? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa nanoratra valinteny ho an’io fanontaniana io izy ireo tamin’ny lesona tamin’ny andro 1 ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra.)

Anontanio sao misy mpianatra maniry hizara zavatra niainany anankiray izay nitondra tamin’ny fiovana tao am-pony. Azonao atao ny mizara zavatra iray izay niainanao manokana. Azonao ampahatsiahivina ireo mpianatra ihany koa ilay fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson (ao amin’ny lesona ho an’ny andro 1 ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra). Hazavao fa ho an’ny ankamaroan’ny olona dia mitranga tsikelikely ilay fiovam-po mahery vaika rehefa mianatra isika ary mitombo ao amin’ny filazantsara.

Asaivo mijery ilay “Electrocardiogramme ara-panahy ao amin’ny Almà 5” ireo mpianatra, ao amin’ny lesona ho an’ny andro 1 ao amin’ny boky torolalan’ny mpianatra. Asao izy ireo hamerina hijery ny sasany amin’ireo soratra masina ao amin’ny Almà 5 izay hita ao amin’ilay tabilao. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza amin’ireo fanontanian’i Almà no tena manan-danja manokana ho anareo?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fanontaniana ireo manampy olona iray hiaina fiovam-po?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa tena irian’ny Mpamonjy ny hanatonan’ny olona rehetra Azy sy ny hiainan’izy ireo fiovam-po mahery vaika mba hahafahan’izy ireo mahazo fiainana mandrakizay. Asaivo mamaky mafy ny Almà 5:33–36 ny mpianatra iray. Anontanio hoe:

  • Hanao inona no hanasan’ny Tompo antsika?

  • Inona no valisoa azo noho ny fanekena ny fanasany?

Almà 5:43–52

Nitantara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona i Almà ary nampianatra mikasika ny fibebahana

Hazavao fa mba hamporisihina ny vahoakan’i Zarahemlà hikatsaka fiovam-po, dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona i Almà ary nanazava ny fomba nandraisany izany. Avy amin’ny torolalana nomeny no ahafahantsika mianatra ny fomba hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona sy ny fomba hanamafisana izany. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:45–48. Asaivo fantarin’izy ireo izay nolazain’i Almà fa hoe fantany. Asaivo fantarin’izy ireo ihany koa ny valintenin’i Almà tamin’ilay fanontaniana hoe “Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?”

Asaivo mizara izay zavatra nianarany ireo mpianatra, ary manoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Soraty koa ity fitsipika ity: Azon’ny tenantsika manokana fantarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny zanak’olombelona.

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa indray andro any dia hosedrain’ny olona iray na zavatra iray ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Mety efa nitranga izany. Ny torolalan’i Almà dia manolotra ho antsika fomba iray ahafahana mijoro tsara sy mafy na dia eo aza ireo sedra mianjady amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Diniho ny hitantarana ny fotoana iray niatrehanao sedra iray nianjady tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny nandresenao izany na ny fotoana niatrehan’ny olona iray fantatrao sedra toy izany. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra iray niainanao avy tamin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana na ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray hizara zavatra niainana toy izany.

Hazavao fa nanohy nampianatra ireo olona mikasika ny fibebahana i Almà. Azonao asaina mamaky ny Almà 5:50 ny mpianatra iray sy ilay fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks hita ao amin’ny fizarana 15, andro 2 ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra. Asaivo mizara ny heviny ireo mpianatra mikasika ny antony tokony hiainantsika isan’andro toy ireny hoe miomana hihaona amin’ny Tompo ireny.

Almà 7–10

Nampianatra tao Gideôna sy tao Amônihà i Almà

Arosoy ireto toe-javatra mitranga ireto ary asaivo tadidian’ireo mpianatra ao an-tsaina izy ireo rehefa mamerina mijery ireo fampianaran’i Almà tamin’ny vahoakan’i Gideôna izy ireo:

  1. Misy zatovovavy iray mahatakatra fa afaka manampy azy ny Sorompanavotana handreseny ireo fahotana, saingy nahitana aretina sarotra sitranina izy ka tsy mihevitra hoe afaka manampy azy ny Sorompanavotana.

  2. Misy zatovolahy iray sahiran-tsaina noho ny fisaraham-panambadiana teo amin’ireo ray aman-dreniny, saingy tsy mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy izy.

  3. Miady mafy ny zatovovavy iray hifehezana ny toetrany hoe mora tezitra. Tsy mbola nandinika izay fomba ahafahan’ny Sorompanavotana hanampy azy izy.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 7:11–13 ary avereno jerena ireo zavatra izay tian’ny Mpamonjy [halaina ho eo] Aminy mba ho tombontsoantsika. Asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina izay zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amporisiho ihany koa ireo mpianatra hijery ilay tabilao izay maneho ny sasany amin’ireo toe-javatra sasantsasany izay zakaintsika eto amin’ny fiainana an-tany (ao amin’ny lesona ho an’ny andro 3 ao amin’ny boky torolalan’ny mpianatra).

Hazavao amin’ireo mpianatra fa azo esorina amintsika, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana, ny fanaintainana sy ny ngidin’ny fijaliana eto amin’ny fiainana. Ataovy izay ahatakaran’ireo mpianatra ity fitsipika ity: Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ary mba hanampiana antsika eo amin’ireo olana mandritra ny fiainana an-tany.

Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny zatovolahy sy zatovovavy ao anatin’ireo toe-javatra telo nozarainao. Anontanio hoe: Fomba ahoana no ahafahan’ireo fampianaran’i Almà hihatra amin’ireo toe-javatra ireo?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny amin’ireo sary sy andinin-tsoratra masina telo mikasika an’i Almà tao Amônihà (ao amin’ny lesona ho an’ny andro 4 ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra), izay nohalalinin’izy ireo ary nanoratan’izy ireo fanazavana. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara izay fanazavana nosoratan’izy ireo mikasika ny zavatra niainan’i Almà niaraka tamin’ilay anjely. Asaivo mizara ny zavatra tsapany ireo mpianatra mikasika ny fifandraisan’io zava-nitranga io amin’ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mamaly faingana ny tenin’ny Tompo isika dia manampy antsika Izy hankatò ny didiny.

Fizarana Manaraka (Almà 11–16)

Asaivo mandinika mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra eo amim-piomanan’izy ireo handalina ny asa ampanaovina amin’ny herinandro ho avy: Manao ahoana no ho fahatsapanao raha toa ianao ka terena hijery olona tsy manan-tsiny vonoina noho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Manao ahoana hoy ianao no fahatsapana nananan’i Almà sy i Amioleka raha nanatrika ny fitrangan’izany? Inona no nifampiresahan’izy ireo raha nahita ny fitrangan’izany? Inona no nataon’izy ireo?

Hamoaka printy