Tahirim-pitaovana
Lesona 70: Almà 3–4


Lesona 70

Almà 3–4

Fampidirana

Rehefa avy nitambatra tamin’ny tafika Lamanita iray ireo Amlisita dia nanavaka ny tenany tamin’ireo Nefita tamin’ny fanisiana marika menamena teo amin’ny handriny. Niady tamin’ireo Nefita ireo Amlisita sy ireo Lamanita, ary “an’ arivony sy an’ aliny” no maty an’ady (jereo ny Almà 3:26). Taorian’io ady io dia Nefita maro no nanetry tena ary “[nifoha] ho amin’ny fahatsiarovana ny adidiny” (Almà 4:3). Teo amin’ny 3.500 teo no natao batisa ary niditra tamin’ny Fiangonana. Kanefa ny taona nanaraka iny taona iny, dia mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana no lasa niavonavona ary nanomboka nanenjika ny hafa. Sahiran-tsaina i Almà noho io faharatsiana io ka nametra-pialana tamin’ny andraikiny tamin’ny naha lohan’ny mpitsara azy ary nanohy nanompo tamin’ny naha mpisorona avo azy ho an’ny Fiangonana. Noho izany andraikitra izany no niomanany hitety ny faritra, ka hizara fijoroana ho vavolombelona madio sy hiantso ny vahoaka hibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 3:1–19

Niady tamin’ireo Amlisita sy ireo Lamanita ireo Nefita

Zarao ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra. Omeo taratasy iray ny ekipa tsirairay, ka voasoratra eo amin’izany ireto manaraka ireto: fitafy, endriky ny volo, kavina sy firavaka, tombonkavatsa. Asaivo mifanakalo hevitra ireo ekipa mikasika izay hafatra mety ampitain’ny olona, na fanahy iniana izany na tsy nahy, amin’ny alalan’ireo zavatra ireo.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ireo Amlisita dia nisaraka tamin’ireo Nefita ary nitambatra tamin’ny tafika Lamanita iray (jereo ny Almà 2). Asao ireo mpianatra hamaky ny Almà 3:4 ka hamantatra ny fomba nanovan’ireo Amlisita ny endrik’izy ireo.

  • Te hiavaka amin’iza ireo Amlisita?

  • Ahoana no fomba mety hiavahan’ny olona sasany ankehitriny amin’ireo olo-marina amin’ny alalan’ny endrik’izy ireo ety ivelany? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hampazava fa minia manova endrika ny olona sasany mba hihavahana amin’ireo olo-marina na mba hanoherana ireo fenitry ny Fiangonana. Ny hafa kosa dia manaraka ny fanaon’izao tontolo izao fa tsy tonga saina hoe mampita hafatra mikasika ny tenany.)

Hazavao fa raha nanisy marika ny handriny ireo Amlisita mba hihavahana amin’ireo Nefita, dia nampiseho fa naka teo amin’izy ireo ilay ozon’ireo Lamanita. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 3:14–19. Ampio ireo mpianatra hamakafaka ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana maromaro amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra:

  • Andian-teny inona ao amin’ny Almà 3:18 no mamariparitra ny fihetsika sy toetra nasehon’ireo Amlisita an’Andriamanitra? (“[Fikomiana] an-kitsirano tamin’Andriamanitra.”)

  • Ahoana no fomba nakan’ireo Amlisita ozona “tamin’ny tenany”? (Almà 3:19).

  • Inona avy ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Ny valiny dia mety ahitana hoe ireo izay maneho fikomiana an-kitsirano an’Andriamanitra dia maka vokatra ratsy ho an’ny tenany ihany ary koa hoe raha tafasaraka amin’Andriamanitra isika, dia satria isika no nampihataka ny tenantsika Taminy.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny mampiavaka ny tenan’izy ireo amin’ny fomba tsara dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fomba izay azontsika hanehoana amin’ny alalan’ny fitafy sy ny bika aman’endrika fa hoe mpianatr’i Jesoa Kristy isika? (Raha sahirana ireo mpianatra mamaly io fanontaniana io dia azonao asaina izy ireo hamaky ny hoe “Fitafy sy bika aman’endrika” ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts [2011], pejy 6–8. Antitrantero fa ny fijoroantsika ho vavolombelona ao anaty mikasika ny filazantsara dia tokony hisy fiantraikany eo amin’ny fitafintsika sy ny bika aman’endritsika.)

Entano ireo mpianatra hampiseho fa manaraka ny Tompo izy ireo eo amin’ny fanaovan’izy ireo safidy eo amin’ny andavanandro, anisan’izany ireo safidy ao amin’ny fitafy sy ny bika aman’endrika. Antitrantero fa amin’ny alalan’ny fitafintsika sy ny endritsika isika dia afaka mampiavaka ny tenantsika amin’ny maha- mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

Almà 3:20–27

An’arivony no voavono nandritra ny ady iray teo amin’ireo Nefita sy ny Lamanita ary ny Amlisita

Fintino ny Almà 3:20–25 amin’ny alalan’ny filazana fa resin’ireo Nefita ireo Lamanita, saingy samy namoy aina an’arivony ny roa tonta. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 3:26–27. Asao ireo mpianatra hihaino lesona iray izay tian’i Môrmôna ho takatsika.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no valisoa azon’ireo izay mankatò ny Tompo?

  • Inona no vokatra mihatra amin’ireo izay tsy manaraka ny Tompo?

Ho famintinana dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Mahazo fahasambarana isika na fahoriana arakaraka izay safidiantsika ho ankatoavina.

Asao ireo mpianatra handinika ireo fitahiana izay azo noho ny fisafidianana ny hanaraka ny Tompo.

  • Inona avy ireo fitahiana voarainao tamin’ny Tompo rehefa nisafidy ny hanaraka Azy ianao?

Almà 4:1–14

Taorian’ny fotoana nisian’ny fitomboana teo amin’ny Fiangonana dia lasa niavonavona sy nifanditra ireo mpikamban’ny Fiangonana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe manetry tena sy ny hoe miavonavona.

  • Inona no dikan’ny hoe manetry tena? (Ny hoe manetry tena dia azo ampianarina ary miaiky amim-pankasitrahana ny fianteherantsika amin’ny Tompo—mahatakatra fa mila mandrakariva ny fanampiany isika.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Almà 4:1–5. Asaivo mitady porofo ireo mpianatra fa lasa nanetry tena ireo Nefita. Rehefa manazava izay zavatra hitany ireo mpianatra dia mety manampy ny manamarika fa tsy voatery hiaritra fahoriana isika izay vao ho lasa manetry tena—fa afaka misafidy ny hanetry tena.

Mariho fa ny famariparitana ireo Nefita ao amin’ny Almà 4:6 dia tena tsy mitovy amin’ilay famariparitana ao amin’ny Almà 4:3–5. Tondroy ilay teny hoe miavonavona eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no dikan’ ny hoe miavonavona? (Ny avonavona dia mifanohitra amin’ny fanetren-tena. Ny olona izay miavonavona dia mametraka ny tenany ho mpifanohitra ary ho mpanohitra an’Andriamanitra. Izy ireo dia mametraka ny tenany ho ambonin’ireo izay manodidina azy ireo ary manaraka ny fanirian’ny tenany ihany fa tsy ny sitrapon’Andriamanitra.)

Asao ny antsasaky ny kilasy hamaky mangina ny Almà 4:6–8 ary ny antsasany ambiny hamaky mangina ny Almà 4:9–12. Samy asaivo mamantatra ireo fihetsika feno ambom-po teo amin’ireo Nefita sasany ny andaniny sy ny ankilany sy ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny hafa. Aorian’ny fotoana ampy, dia samy asaivo milaza izay zavatra hitany ny roa tonta.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ny ambom-po eo amin’ny fomba fandraisantsika ny hafa?

  • Inona no fampitandremana hitanareo ao amin’ny Almà 4:10? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra fa raha maneho ohatra ratsy isika dia afaka manakana ny olona tsy hanaiky ny filazantsara ireo zavatra ataontsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 4:13–14. Asaivo mitady ohatra ireo mpianatra mikasika ny nanetren’ireo Nefita sasany tena na dia niavonavona aza ny hafa.

  • Inona no ampianarin’io andininy io mikasika ny fomba fiantraikan’ny fanetren-tena eo amin’ny fomba fandraisantsika ny hafa?

Antitrantero fa ny fanapahantsika hevitra hoe hanetry tena na ny hiavonavona dia misy fiantraikany eo amin’ny tenantsika sy eo amin’ny hafa. Raha ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahien’izy ireo na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina mikasika ireo zavatra efa niainan’izy ireo ka maneho ny fahamarinan’io filazana io.

Almà 4:15–20

Nametra-pialana i Almà tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy mba hahafahany manokana ny fotoany hiantsoana ny olona ho amin’ny fibebahana

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’i Almà izy ireo. Lohan’ny mpitsara izy, ary maro amin’ireo vahoaka no lasa niavonavona sy nanenjika ireo izay nijanona ho manetry tena.

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny vahoaka hiova?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 4:15–19. Asaivo jeren’ny mpianatra izay nosafidian’i Almà ho atao.

  • Inona no notapahin’i Almà fa hatao? (Nanapa-kevitra izy ny hamoy ny toerana maha-lohan’ny mpitsara azy mba hahafahany manokana ny fotoany hampianarana ny vahoakany.)

  • Milaza inona mikasika ny fomba izay hampianaran’i Almà ireo teny hoe “filofosana amin’ny fanambarana tsisy tsiny” (Almà 4:19)

  • Oviana ianao no nandre olona nanao “fanambarana tsisy tsiny” (na fijoroana ho vavolombelona madio)? Inona no fiantraikan’ireo zavatra niainana ireo teo aminao?

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika hianarana avy amin’ny ohatr’i Almà ao amin’ny Almà 4:19?

Mety ho hita ao amin’ny valintenin’ireo mpianatra amin’io fanontaniana io ireto manaraka ireto:

Mety mitaky fahafoizana ny fanatanterahana ireo adidintsika ara-panahy.

Ny fijoroana ho vavolombelona tsisy tsiny dia manampy ny hafa hanatona an’Andriamanitra.

Amporisiho ireo mpianatra hitady ny fanambarana tsisy tsiny nataon’i Almà eo am-pamakian’izy ireo ny Almà 5–16 mandritra ny fandalinana manokana ataon’izy ireo, ary rehefa mifanakalo hevitra izy ireo mikasika ireo toko ireo mandritra ireo lesona ho avy. Amporisiho koa izy ireo hifantoka amin’ny fiantraikan’ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona teo amin’ny vahoaka.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ampahafantaro an’ireo mpianatra ny andinin-tsoratra masina hofehezina vaovao vitsivitsy, na avereno jerena ny andininy vitsivitsy izay efa fantatr’izy ireo. Manomàna fanontaniana izay hanampy azy ireo hamantatra ireo fitsipika ao amin’ireo andininy ireo. Asao izy ireo hanoratra tanjona ho tratrarina iray ao amin’ny kahien’izy ireo na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina, mikasika izay ho ataon’izy ireo mba hampiharana bebe kokoa ireo fitsipika ireo. Omeo fe-potoana mazava izy ireo hanatrarana ny tanjon’izy ireo, ary asaivo miomana izy ireo hanao tatitra amin’ny olona iray ao amin’ny kilasy na amin’ny iray kilasy manontolo rehefa nahatontosa izany.

Fanamarihana: Raha tsy manam-potoana ianao hampidirana ity asa atao ity ho ao anatin’ny lesona dia ampiasao amin’ny andro hafa izany. Raha te hanao asa famerenana hafa, dia jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 3:4. Tombonkavatsa sy tevika amin’ny vatana

Nanisy marika ny tenan’izy ireo ireo Amlisita mba hahafahan’izy ireo “[hiavaka] amin’ny Nefita” (Almà 3:4). Amin’izao androntsika izao dia nananatra an’ireo zatovolahy sy ireo zatovovavy ireo mpaminany mba hitandrina ny vatan’izy ireo ho masina amin’ny tsy fanisiana marika ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny tombonkavatsa na ny tevika amin’ny vatana. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Tsy takatry ny saiko ny antony mahatonga ny tovolahy iray—na ny tovovavy iray, raha ity no resahina—haniry hisedra ilay fomba manaintaina hanimbana ny hoditra amin’ny karazana fanehoana an-tsary miloko maro maneho olona na biby na marika samihafa. Raha ny mikasika ny tombonkavatsa dia mandrakizay, raha tsy hoe angaha mandalo fomba iray mbola manaintaina sy lafo be indray hanalana azy. Ry ray isany, ampitandremo ny zanakareo lahy tsy hampanisy tombonkavatsa ny vatany. Mety hanohitra ny teninao izy ireo anio, fa ho avy ny fotoana izay hisaoran’izy ireo anao. Ny tombonkavatsa dia soratsora-poana eo amin’ny tempolin’ny vatana. Torak’izany koa ny fanevehana ny vatana hanisiana kavina maromaro amin’ny sofina, sy eo amin’ny orona ary eo amin’ny lela koa aza.

“Ahoana no ahafahan’izy ireo mihevitra fa tsara ny tombonkavatsa sy ny tevika amin’ny vatana? … Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa tsy amporisihantsika ny fanaovana tombonkavatsa ary koa ‘ny fanevehana ny vatana noho ny antony hafa ankoatra ny antony ara-pahasalamana.’ Izahay anefa dia tsy mana-kambara ‘mikasika ny tevika kely eo amin’ny sofin’ny vehivavy asiana kavina iray eo amin’ny sofina tsirairay’—iray avy” (“Great Shall Be the Peace of Thy Children,” Ensign, Nôv. 2000, 52).

Almà 3:5. Fanarahana Lamaody

Nanova ny endriny ireo Amlisita mba hitovizana bebe kokoa amin’ireo Lamanita. Olomasin’ny Andro Farany maro ankehitriny no mahatsiaro voatery hanaraka ireo fironana amin’ny lamaody mba hahafahan’izy ireo hitovy bebe kokoa amin’ireo olona izay malaza sy tian’ny olon’izao tontolo izao Saingy ny fironana sasantsasany dia mitaona ny olona “tsy hankatò ny mpaminany ary hanaraka kosa ireo rendrarendran’izao tontolo izao” (“Questions and Answers,” New Era, Mar. 2006, 14; jereo koa ny Jeunes, soyez forts [2011], 6–8).

Ny Loholona M. Russell Ballard dia nampianatra ireo zatovolahy izay mihazona ny fisoronana fa ny fivoarana sasantsasany eo amin’ny lamaody dia mampihena ny fahafahan’izy ireo mijoro ho an’ny fahamarinana:

“Misy vondrom-piaraha-monina miavaka iray manontolo izay mankalaza ireo andian-jiolahim-boto ankehitriny sy ny asa miendrika heloka ataon’izy ireo eo amin’ny lafiny hira, sy fomba fitafy, sy fiteny, sy fihetsika ary fomba fanao. Maro aminareo no efa nahita ireo namana mpanara-damaody nandray io fomba io ho toy ny “manaraka ny toetrandro’ sy ‘milay,’ ary dia tsy inona fa dia voasarika ho lasa voaray ao amin’io fiaraha-monina io. …

“… Tsy mino aho hoe afaka mijoro ho an’ny fahamarinana sy ny tsara ianao sady mitafy izay mety ho fitafy tsy sahaza ho an’ny olona iray izay mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra” (“Standing for Truth and Right,” Ensign, Nôv. 1997, 38–39).

Almà 3:6–17. Ilay marika sy ilay ozona

Rehefa mandalina ny Almà 3 ireo mpianatra dia mety hanana fanontaniana mikasika ilay marika sy ilay ozona izay napetraka teo amin’ireo Lamanita. Azonao atao ny manazava fa misy fahasamihafana eo amin’ilay marika sy ilay ozona. Ilay marika napetraka teo amin’ireo Lamanita dia ny volon-koditra matroka (jereo ny Almà 3:6). Ny tanjon’io marika io dia ny hanavahana sy hanasarahana ireo Lamanita amin’ireo Nefita (jereo ny Almà 3:8). Ilay ozona, izay mbola ratsy kokoa, dia ilay toetoetra hoe “[voahaisotra] tsy ho eo anatrehan’ny Tompo” (2 Nefia 5:20). Naka io ozona io ho eo amin’ny tenan’izy ireo ireo Lamanita sy ireo Amlisita noho ny fikomiany tamin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 5:20; Almà 3:18–19). Na dia nampiasaina tamin’ity tranga ity aza ny fihodirana matroka ho toy ny marik’ilay ozona napetraka teo amin’ireo Lamanita, dia mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ny Tompo dia “tsy mandà izay manatona Azy, na mainty na fotsy, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy, … ho an’Andrimanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33). Ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny Fiangonana dia tsy azo isalasalana fa manameloka ny fanavakavaham-bolon-koditra, tafiditra amin’izany izay mety fanavakavaham-bolon-koditra rehetra nisy nataon’olona na avy ato anatin’ny Fiangonana na tany ivelan’ny Fiangonana. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Tsy misy olona izay mamoaka teny fanaratsiana mikasika ireo izay hafa fihodirana ka afaka hihevitra ny tenany ho toy ny mpanara-dia marina an’i Kristy. Tsy afaka ihany koa izy hihevitra ny tenany hoe mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana. …

“Aoka isika rehetra samy hiaiky fa isika tsirairay avy dia zanakalahy na zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra, izay tia ireo zanany rehetra” (“The Need for Greater Kindness,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 58). Raha mila fanampiana misimisy kokoa mikasika io lohahevitra io dia jereo ny lesona 27.

Almà 4:9–12. “Vato fahatafintohinana lehibe”

Nony lasa niavonavona ny sasany tamin’ireo Nefita mpikamban’ny Fiangonana dia lasa vato fahatafintohinana lehibe ho an’ireo izay tsy isan’ny Fiangonana ny ohatra ratsy nasehon’izy ireo (jereo ny Almà 4:9–12; jereo ihany koa ny Almà 39:11). Notantarain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity tantara manaraka ity izay maneho ny fiantraikan’ireo ohatra ratsy sy ireo ohatra tsara:

“Tsy mpikamban’ny Fiangonana izy. Navitrika tany amin’ny fiangonana hafa izy sy ny ray aman-dreniny.

“Tsaroany fa tamin’izy mbola kely dia nanaratsy azy sy nanao izay tsy nampahazo aina azy ary nanadaladala azy ny sasany tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany niaraka taminy.

“Lasa nankahala ara-bakiteny ity Fiangonana ity sy ny olona tao anatiny izy. Tsy nahita zavatra tsara tao amin’izy ireo izy.

“Avy teo dia very asa ny rainy ary voatery nifindra monina. Tany amin’ilay toerana vaovao, rehefa feno 17 taona izy dia afaka nisoratra anarana tany amin’ny oniversite. Tany izy dia sambany teo amin’ny fiainany no nahatsapa ny hafanana avy amin’ireo namana, ary ny iray tamin’izy ireo, izay nantsoina hoe Richard, dia nangataka azy mba hiditra amin’ny fikambanana iray izay izy no filohany. Izao no nosoratany: ‘Sambany teo amin’ny fiainako no nisy olona naniry ny fifaneraserana tamiko. Tsy hitako izay hatao, saingy soa ihany aho fa nanaiky ny hiditra. … Fahatsapana tena ankafiziko ilay izy, ilay fahatsapana hoe mana-namana. Nivavaka foana nandritra ny androm-piainako aho mba hahazo namana iray. Ary ankehitriny rehefa niandry nandritra ny 17 taona dia namaly izany vavaka izany Andriamanitra.’

“Tamin’izy 19 taona dia tafaraka hipetraka ao anatin’ny lay iray tamin’i Richard izy nandritra ny asa an-tselika nataon’izy ireo tamin’ny fahavaratra. Nahatsikaritra izy fa misy boky iray vakian’i Richard foana isan-kalina. Nanontaniany hoe inona no vakiany Nolazainy taminy fa ny Bokin’i Môrmôna no vakiany. Nanampy izao izy: ‘Novaiko faingana ny resaka dia lasa aho nankany am-pandriana. Raha nodinihana mantsy dia io ilay boky izay nanimba tanteraka ny fahazazako. Niezaka hanadino izany aho, saingy nandeha ny herinandro fa tsy nahita tory aho. Fa nahoana izy no mamaky an’io isan-kalina? Tsy ela dia tsy aritro intsony ilay fanontaniana tsy voavaly tato an-dohako. Koa indray alina dia nanontaniako azy hoe fa dia inona loatra no zava-dehibe ao amin’io boky io. Inona no voarakitra ao? … Nanomboka namaky teo amin’ilay nijanonany izy. Namaky mikasika an’i Jesoa izy sy mikasika ny fisehoana iray tany Amerika. Tena taitra aho. Tsy nihevitra aho hoe nino an’i Jesoa ireo Môrmôna.’ …

“Indray maka taty aoriana dia teny am-panaovana dia iray io zatovolahy io sy ilay namany. Notoloran’i Richard Bokin’i Môrmôna izy ary nangatahiny hamaky izany mafy. Nataony izany, ary tampoka teo dia nikasika azy ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

“Nandeha ny fotoana ary nitombo ny finoany. Nanaiky hatao batisa izy. …

“Izany no niafaran’ilay tantara, saingy misy zava-dehibe azo raisina ao amin’io tantara io. Ny iray dia ilay fihetsika nampalahelo izay nampiharin’ireo tanora Môrmôna namany taminy.

“Ny manaraka dia ny fihetsika izay nasehon’i Richard taminy, ilay namana vao azony. Tena nifanipaka tanteraka tamin’ny zavatra niainany teo aloha. Izany no nitondra tany amin’ny fiovam-pony sy ny batisany na dia tsy azo neritreretina aza ny hahatanteraka izany,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 59–60).

Almà 4:19. “Fanambarana tsisy tsiny”

Rehefa hitan’i Almà fa nila naka ny vahoakany indray izy tamin’ny alalan’ny “filofosana amin’ny fanambarana tsisy tsiny hanoherana azy” (Almà 4:19), dia niantso ny vahoaka izy ho amin’ny fibebahana. Kanefa, mandritra ireo fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ataontsika, dia tokony ho fanambarana tsotra ny finoantsika ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika fa tsy fanentanana. Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball:

“Aza miteny ny hafa izay fomba tokony hiainany. Lazao fotsiny ny fahatsapana ao anatinao. Izany no fijoroana ho vavolombelona. Raha vantany vao manomboka mitory amin’ny hafa ianao dia efa nifarana ny fijoroanao ho vavolombelona” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 138).

Hamoaka printy