Tahirim-pitaovana
Lesona 78: Almà 13


Lesona 78

Almà 13

Fampidirana

Raha nampianatra ny vahoaka mpikomy tao Amônihà i Almà tamin’ny voalohany dia nifanditra taminy izy ireo, ka nanontany hoe: “Iza moa ianao?” ary nametram-panontaniana ny amin’ny fahefany (jereo ny Almà 9:1–6). Tao anatin’ny toetry ny apôstazia izy ireo, rehefa tafiditra tamin’ny lamin’i Nehôra—kômiberaky ny mpisorona, mbamin’ny tanjony izay ny tombontsoan’ny tena manokana (jereo ny Almà 1:2–15; 15:15; 16:11). Mifanipaka amin’ny fampianaran’i Nehôra anefa fa i Almà dia nampianatra azy ireo mikasika “ny fisoronana avon’ny lamina masin’Andriamanitra,” mbamin’ny tanjony dia ny hanampy ny hafa hibebaka sy hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo (jereo ny Almà 13:6). Noresahiny ny ohatr’i Melkizedeka, izay nitory ny finoana sy ny fibebahana ary nanampy ny olony hiaina anatin’ny fandriampahalemana. Nampianarin’i Almà ihany koa ny mikasika ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fanendrena mialoha. Namarana ny toriteniny izy tamin’ny fanasana ny olona hihaino ny teniny mba hahafahan’izy ireo miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 13:1–12

Nampianarin’i Almà tamin’ny vahoakan’i Amônihà ny mikasika ny fiantsoana ireo mpisorona avo

Hazavao fa ny Almà 13 dia ahitana ireo fampianaran’i Almà mikasika ny andian’olona iray izay tombontsoa lehibe ho an’ny Fiangonana ny fanana azy ireo. Raha ny marina dia ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia efa nahazo fitahiana tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’ireo olona ireo.

Lazao ireo mpianatra fa mahafantatra olona izy ireo izay anisany ao anatin’io andian’olona io. Avy eo dia asaivo mamaky mangina ny Almà 13:1 ireo mpianatra mba hamantarana hoe iza moa ireo vahoaka ireo. Rehefa nahazo fotoana izy ireo namakiana ny Almà 13:10, 14 dia arosoy amin’izy ireo ny hamakiana ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–3. Azonao aroso amin’izy ireo ny hanoratan’izy ireo ireo laharan’ny toko sy andininy ireo eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Almà 13:1.

Mariho tsara fa ny noresahan’i Almà dia ireo mpisorona izay araka ny lamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny Fisoronana Melkizedeka. Raha amin’ny teny hafa dia niresaka ireo lehilahy izay mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka izy. Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ireo Nefita ireo, izay nahatoky sy marina tamin’ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy, dia nihazona ny Fisoronana Melkizedeka, izay midika fa nananan’izy ireo ihany koa ny fahafenoan’ny filazantsara. … Ny sasany amin’ireo fampahalalana tsara indrindra mikasika ny Fisoronana Melkizedeka dia hita ao amin’ny Almà 13” (The Promised Messiah [1978], 421).

  • Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka? (Mety ireto no holazain’ireo mpianatra: ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny tsodranon’ny patriarika, ireo tsodrano hafa avy amin’ny fisoronana, ny fitarihan’ireo Manampahefana Ambony, ny fitarihan’ireo mpitarika eo an-toerana toy ny eveka sy ireo filohan’ny sampana, ary ireo fitahiana izay azon’izy ireo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana nataon’ny ray aman-drenin’izy ireo tany amin’ny tempoly. Mety ho tanisain’izy ireo ihany koa ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna saingy eo ambany fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka.)

Asehoy eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, na ataovy anaty taratasy hozaraina. Omeo fotoana ireo mpianatra hamakiana ny Almà 13:2–10 sy hahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Oviana no niantsoana voalohany sy nanomanana ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka? (Jereo ny Almà 13:3–5.)

Inona no adidy ananan’ireo rehetra izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka? (Jereo ny Almà 13:6.)

Inona avy ireo teny ao amin’ny Almà 13:7 izy mamariparitra ny Fisoronana Melkizedeka?

Inona no fepetra sasantsasany takiana amin’ny olona iray mba hanendrena azy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka? (Jereo ny Almà 13:10.)

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hahitana valiny ho an’ireo fanontaniana dia asaivo mitatitra ny valinteny hitany izy ireo. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa sy hifanakalo hevitra mikasika izay zavatra novakiany dia diniho ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny asa fanompoana ataon’ireo mpihazona ny fisoronana manampy antsika hahafantatra ny fomba hianteherana amin’i Kristy ho an’ny famonjena? (Jereo ny Almà 13:2, 8, 16. Amin’ny alalan’ny ohatra asehon’izy ireo sy ny fampianarana ataon’izy ireo ary ireo ôrdônansy tanterahan’izy ireo no ampitodihan’izy ireo antsika mankany amin’ny Mpamonjy.)

  • Inona no tian’i Almà ambara tamin’izy nilaza fa ireo mpisorona avo dia efa “nantsoina sy nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao”? (Almà 13:3). (Ny tiana ambara dia hoe misy lehilahy sasany izay efa notendrena mialoha handray anjara fanompoana sasantsasany ao amin’ny fisoronana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fanendrena mialoha sy ny fomba fampiharana izany eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray hamaky ireto fanambarana manaraka ireto.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny lehilahy rehetra izay manana antso hanompo ireo mponin’izao tontolo izao dia notendrena ho amin’io tanjona io mihitsy tany amin’ny Filankevitra Lehibe tany An-danitra talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao. Mino aho fa izaho dia efa notendrena ho amin’izao anjara fanompoana izao tany amin’io Filankevitra Lehibe io” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 511).

Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahatongavantsika tety dia nomena asa nampandraiketina ireo vehivavy mahatoky, raha ireo lehilahy mahatoky kosa dia notendrena mialoha ho amin’ny andraikitra sasantsasany tao amin’ny fisoronana. Na dia tsy tsaroantsika aza ankehitriny ny antsipiriany dia tsy mampihena ny voninahitry ny tena fisian’ny zavatra izay efa nekentsika tany aloha tany izany” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 215–16).

  • Inona no ampianarin’ny ao amin’ny Almà 13:3 mikasika izay tokony hataontsika mba hanatanterahana ny asa efa notendrena mialoha hanirahana antsika?

  • Rehefa tendrena amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana ny lehilahy iray dia inona no tokony ho dikan’izany fanendrena izany ho azy? (Jereo ny Almà 13:8. Mariho fa io fanontaniana io dia sady azon’ny zatovovavy valiana no azon’ny zatovolahy valiana. Mety hahazoan’ireo zatovolahy tombontsoa ny fahenoana ny valintenin’ireo zatovovavy.)

Asaivo mamaky mangina ny Almà 13:11–12 ireo mpianatra, sady mitady ireo fomba nampiova an’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka voalazan’i Almà tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’izany hoe “[fitafiana] nosasana ho fotsy tamin’ny ran’ny Zanakondry”?

  • Fa nahoana, araka ny hevitrao, no mila miova amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka? Amin’ny lafiny ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny vahoakan’i Amômihà no nampianaran’i Almà ireo fahamarinana ireo. Maro tamin’ireo vahoaka ireo no “avy amin’ny fandraharahan’i Nehôra” (Almà 14:18; 15:15), izay midika fa nandray ireo fampianaran’i Nehôra izy ireo. I Nehôra dia lehilahy iray izay nanorina lamina sandoka iray izay nantsoin’i Almà hoe “kômiberaky ny mpisorona” (jereo ny Almà 1:12–15).

  • Inona no tsy nitovizan’ireo mpihazona mahatoky ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ireo izay nanaraka ny fampianaran’i Nehôra? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ny Almà 1:2–6, mba hitadiavana ireo zavatra mifanohitra eo amin’ny kômiberaky ny mpisorona sy ny Fisoronana Melkizedeka.)

  • Ny vahoakan’i Amônihà dia efa nampianarina mikasika ny Fisoronana Melkizedeka tany aloha ary efa nandray fitahiana tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Almà 9:21; 13:1). Fa nahoana, araka ny hevitrao, no zava-dehibe ho an’ny vahoaka tao Amônihà ny nampahatsiahivina mikasika ny zavatra izay efa nianaran’izy ireo tany aloha mikasika ny Fisoronana Melkizedeka?

  • Inona no nianaranareo mikasika ny fisoronana hatreto nandritra ity lesona ity? (Raha toa ka fahamarinana maro no mety haroson’ireo mpianatra, dia tokony hivohitra amin’ny valintenin’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny asa fanompoan’ireo mpihazona fisoronana dia manampy antsika hahafantatra ny fomba hitodihana any amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana fanavotana.)

Azonao aroso amin’ireo mpianatra ny hanoratan’izy ireo ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina io fitsipika io sy ireo fitsipika hafa izay hitan’izy ireo. Raha ampy ny fotoana dia asaivo soratan’izy ireo ny fomba ahafahan’ireo fitsipika ireo manova ny fomba fijerin’izy ireo ny herin’ny fisoronana sy ny fitahiana azo avy aminy.

Almà 13:13–20

Mampianatra mikasika an’i Melkizedeka i Almà, izay mpisorona avo lehibe nanorina fiadanana teo anivon’ny olony

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: mpisorona avo, mpanjaka, nampihatra finoana mahery, nitory ny fibebahana, nanorina fiadanana, andrian’ny fiadanana, nanjaka teo ambany fanapahan-drainy. Miatoa kely isaky ny avy manoratra teny iray mba hamelana ireo mpianatra hamantatra, kanefa tsy mijery ao amin’ny soratra masin’izy ireo, hoe iza no nofariparitan’i Almà tamin’ireo teny ireo. (I Melkizedeka no nofariparitany.) Raha tsy nahavita namantatra ny valiny ireo mpianatra rehefa voasoratrao teny amin’ny solaitrabe avokoa ireo teny rehetra dia asaivo mamaky ny Almà 13:14 izy ireo.

Raha toa ka nisy mpianatra nahita hoe momba an’i Jesoa Kristy no resahan’i Almà, dia anontanio azy ireo hoe fa nahoana no hampahatsiaro azy ireo an’ny Mpamonjy ny famariparitana ny mpisorona avo marina iray. Ampio izy ireo hahatakatra fa ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia “araka ny lamin’ny Zanaka, ny Lahitokan’ny Ray” (Almà 13:9; jereo ihany koa ny F&F 107:2–4). Mariho manokana fa ireo mpihazona Fisoronana Melkizedeka dia tokony hiezaka hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy eo amin’ny asa fanompoana tanterahan’izy ireo sy eo amin’ny fampianarany. Ampahatsiahivo ireo mpianatra ihany koa fa ireo ôrdônansy tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka dia manampy antsika hanatona kokoa ny Mpamonjy.

Asaivo mamaky mafy ny Almà 13:14–19 ny mpianatra iray. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba mety nahazoan’ireo vahoaka ratsy fanahy tao Amônihà tombontsoa tamin’ny fianarana mikasika an’i Melkizedeka.

  • Ao amin’ny Almà 13:17, dia inona avy ireo teny izay mamariparitra ireo vahoakan’i Melkizedeka? Inona no mampitovy ireo olona ireo amin’ny vahoaka tao Amônihà? (Jereo ny Almà 8:9; 9:8.)

  • Inona no zavatra nataon’i Melkizedeka tamin’ny naha mpitarika ny vahoakany azy? Inona no fiantraikan’ny fomba fitarihany teo amin’ny vahoaka? Inona no mahasamihafa an’io fiantrakany io tamin’ny fiantraikan’ireo fitarihana ny olona tao Amônihà izay nanaraka ny fampianaran’i Nehôra? (Jereo ny Almà 8:17; 10:27, 32.)

Asao ireo mpianatra hamintina ny Almà 13:16–18, ka maneho ireo fahamarinana izay ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Rehefa mandroso famintinana izy ireo, dia ataovy izay hanehoan’izy ireo fa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manampy antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy, sy hibebaka ary hiaina amim-piadanana. (Azonao amporisihina ireo mpianatra hanoratra ny famintinana nataon’izy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Almà 13:16–18.) Mariho fa ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana, toa an’ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ao amin’ny Zatovovavy dia mpandray anjara tena manan-danja ao amin’izany ezaka izany. Manompo miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo ka manampy amin’ny fitarihana ireo isam-batan’olona sy ireo fianakaviana hanatona an’i Kristy.

  • Ahoana no fomba nahazoanao fitahiana tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Almà 13:21–31

Nanasa ny olona i Almà hihaino ny feon’ny Tompo sy hiditra ao amin’ny Fitsaharany

Asao ireo mpianatra hitady hevitra iray izay miverimberina ao amin’ny Almà 13:12, 13, 16, 29. Tokony ho hitan’izy ireo ilay teny hoe fitsaharana sy ilay andian-teny hoe “ny fitsaharan’ny Tompo.” Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika io hevitra io ao amin’ny andininy tsirairay. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny hevitr’izany hoe miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo mandritra ity fiainana ity sy aorian’ny fahafatesantsika, dia vakio ireto fanambarana manaraka ireto:

“Ireo mpaminany fahiny dia niresaka mikasika ny ’fidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra’ [jereo ny Almà 12:34; F&F 84:23–24]; inona no dikan’izany? Amiko izany dia midika hoe miditra ao amin’ny fahalalana sy ny fitiavana an’Andriamanitra, manam-pinoana amin’ny tanjony sy ny drafiny, amin’ny fatra ampy ahafantarantsika fa marina ny antsika, ary tsy mikatsaka zavatra hafa isika” (Joseph F. Smith, Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 56).

“Ireo tena olomasina dia miditra ao amin’ilay fitsaharan’ny Tompo dieny mbola eto amin’ity fiainana ity, ary amin’ny alalan’ny fitoerany ao amin’ny fahamarinana no hitohizan’izy ireo ao amin’izany toetra voatahy izany mandra-pialan’izy ireo sasatra miaraka amin’ny Tompo any an-danitra. … Ny fitsaharan’ny Tompo, any amin’ny mandrakizay, dia ny fandovana ny fiainana mandrakizay, ny fahazoana ny fahafenoan’ny voninahitry ny Tompo” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 633).

Hazavao fa nitaona ny vahoakan’i Amônihà i Almà mba hibebaka sy hiomana ho amin’ny fiavian’i Kristy (jereo ny Almà 13:21–26). Avy eo izy dia nizara fitsipika izay nilain’izy ireo mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

Asaivo mamaky mangina ny Almà 13:27 ireo mpianatra.

  • Inona avy ireo teny ao amin’ny Almà 13:27 izay maneho ny zavatra tsapan’i Almà mikasika ireo vahoaka sy mikasika ny hafany?

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 13:27–29. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo fitsipika izay nantenain’i Almà fa ho arahin’ireo vahoaka. Avy eo dia asaivo mitanisa ireo fitsipika hitany ireo mpianatra. Ohatra, afaka milaza izy ireo hoe rehefa mamaly amim-panetrentena ilay fanasana hibebaka isika dia hitarika antsika ho any amin’ny fitsaharan’ny Tompo ny Fanahy.

Asao ireo mpianatra hanoratra tanjona mikasika ny fomba izay hanarahan’izy ireo ilay torolalana ao amin’ny Almà 13:27–29. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo isika mandritra ity fiainana ity sy ao amin’ny fiainana manaraka rehefa manaraka ireo fitsipika nampianarin’i Almà.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 13:1. “Mba tiako ny hampitodika ny sainareo [ho any aloha]”

Mety hanontany tena ireo mpianatra hoe fa nahoana i Almà no nilaza hoe “mba tiako ny hampitodika ny sainareo [ho any aloha]” kanefa avy eo dia niresaka momba ny zavatra izay efa nitranga (jereo ny Almà 13:1). Manampy ny mahatsiaro fa ny Almà 13 dia tohin’ny lahateny iray izay hita ihany koa ao amin’ny Almà 11 sy 12. Ny fiafaran’ny Almà 12 dia ahitana ireo tenin’i Almà mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva (jereo ny Almà 12:22–23, 30–32). Eo amin’ny fiantombohan’ny Almà 13, dia manohy ny fitantarany i Almà, ka mangataka ireo vahoaka mba “hampitodika ny sai[n’izy ireo ho any aloha]” mankany amin’ny fotoana iray izay mbola aorian’ny Fahalavoana, tamin’ny fotoana izay nanendren’ny Tompo mpisorona hampianatra ny didiny.

Almà 13:3. Fahafahana misafidy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana

Raha niresaka mikasika ireo mpihazona fisoronana sy ny fanendrena azy ireo mialoha i Almà dia nampianatra hoe “tany am-piandohana dia navela hifidy na ny tsara na ny ratsy izy” (Almà 13:3). Namelabelatra io fahamarinana io ny Filoha Joseph Fielding Smith:

“Nomen’ Andriamanitra ireo zanany ny fahafahana misafidy malalaka na dia tany amin’ny tontolon’ny fanahy [talohan’ny nahaterahana] aza, ka tamin’ny alalan’izany no nananan’ny tsirairay tombontsoa manokana, tsy misy hafa amin’ireo olona amin’izao fiainana izao, hisafidy ny tsara sy handà ny ratsy, na hanandrana ny ratsy ka hizaka ny vokatry ny fahotany. Noho io antony io dia nisy sasantsasany izay, na dia mbola tany aza, dia efa nahatoky kokoa noho ny hafa teo amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo. …

“Ny fanahin’olombelona dia nanana fahafahana hisafidy. … Tsy nitovy ny fanahin’ireo olona. Mety hoe nitovy ny niaingany, ary fantatsika fa samy tsy nanan-tsiny daholo izy rehetra tany am-piandohana; saingy ny zo nahafahana nisafidy malalaka izay nomena azy ireo dia nahafahan’ny sasantsasany tamin’izy ireo hihoatra ny hafa, ka nahatonga azy ireo, mandritra ny mandrakizay haharetan’ny tsy fahafatesana, ho lasa maranin-tsaina kokoa, mahatoky kokoa, satria izy ireo dia nalalaka afaka nanao zavatra tamin’ny nahim-pon’izy ireo, afaka nisaina ho an’ny tenan’izy ireo, ary afaka na handray ny fahamarinana na handà izany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:58–59).

Almà 13:3–5. Ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fanendrena mialoha

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Tsy misy fahamarinana lalina kokoa nomena antsika tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny mihoatra noho ny fahalalana ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tsy misy fiangonana hafa mahafantatra na mampianatra io fahamarinana io. Amin’ny endrika famintinana fotsiny no nanomezana ilay fotopampianarana saingy miverimberina im-betsaka ao amin’ireo fanambarana ireo zava-misy tena mivohitra ka ampy hanome toky antsika mikasika ny fahamarinana fototra sasantsasany.

“… Ireo zava-misy vitsivitsy tena manan-danja izay fantatsika momba ny toetoetra nisy antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia ireto: ‘Efa niaraka tamin’ Andriamanitra ihany koa ny olona tany am-piandohana.’ (F&F 93:29.) Niana teo anatrehan’ Andriamanitra isika, izay Raintsika Mandrakizay. Taranany isika. Ny saina, na ny fanahy dia narindra ho vatana fanahy talohan’ny nisian’izao tontolo izao. (Jereo ny Abrahama 3:22.) Samy nomena fahafahana misafidy isika tsirairay. Natolotra ny fahefana ary nosafidiana ireo mpitarika. (Almà 13:1–4.)” (Our Father’s Plan [1984], 14–15).

Ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana dia ahitana izao fanazavana manaraka izao mikasika ny fanendrena mialoha:

“Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany dia nanendry fanahy maromaro Andriamanitra hanatanteraka iraka manokana mandritra ny fiainany eto an-tany. Izany no antsoina hoe fanendrena mialoha.

“Ny fanendrena mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Ny tombontsoa toy izany dia tonga eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny fanendrena mialoha izay miseho vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. …

“Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha, fa tsy amin’ny Mpamonjy sy ireo Mpaminaniny ihany. Talohan’ny nahariana ny tany dia nomena andraikitra miavaka ireo vehivavy mahatoky ary notendrena mialoha ho ao amin’ireo anjara andraikitry ny fisoronana ireo lehilahy mahatoky. Na dia tsy tadidinao aza izany fotoana izany dia azo antoka fa nanaiky ny hanatanteraka andraikitra manan-danja ianao ao anatin’ny fanompoana ny Rainao. Rehefa manaporofo ianao fa mendrika dia homena fahafahana hanatanteraka ireo andraikitra izay [noraisinao tamin’izany fotoana izany]” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 117–118).

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Ny fianana talohany nahaterahana dia tsy fotopampianarana mampiala sasatra. Ho antsika tsirairay dia misy safidy maro ho atao, asa andavanandro tsy misy fiafarana sy sarotra tokony hatao, fanesoana sy fotoan-tsarotra tsy maintsy iainana, fotoana tokony holaniana tsara, talenta sy fanomezam-pahasoavana tokony hampiasaina tsara. Tsy hoe satria nofidiana isika ‘tany sy tamin’izany fotoana izany,’ dia hidika hoe afaka ny tsy hiraharaha isika ‘ety sy ankehitriny.’ Na ny fanendrena mialoha ho an’ireo lehilahy, na ny fampandraiketina mialoha ho an’ireo vehivavy, ireo izay voantso sy voaomana dia tsy maintsy manaporofo ihany koa hoe ‘voafidy, sy mahatoky.’ (Jereo ny Apo. 17:14; F&F 121:34–36.)” (“Premortality, a Glorious Reality,” Ensign, Nôv. 1985, 17).