Lesona 98
Almà 41
Fampidirana
Rehefa nanohy nananatra an’i Kôriantôna zanany i Almà dia nampianatra fa ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny dia tsy ahitana afa-tsy ny fitsanganana amin’ny maty fotsiny ihany fa ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy ihany koa, ary hita taratra amin’ny toetrantsika mandrakizay ny asa sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany. Nanantitrantitra i Almà fa tsy hitondra na oviana na oviana amin’ny fahasambarana ny faharatsiana.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 41
Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny i Almà
Asao ny iray kilasy hieritreritra ny fomba mety hahavoataona ny asan’ny olona raha mino ireto fehezanteny ireto izy ireo (mijanona aorian’ny fehezanteny tsirairay mba hamelana ny mpianatra hamaly):
Misy fiainana aorian’ny fahafatesana.
Ho atao tonga lafatra isika aorian’ny hahafatesantsika na inona na inona asa nataontsika tety an-tany.
Hovaliana soa noho ny asa tsara nataontsika isika amin’ny Fitsarana Farany ary hosaziana noho ny asa ratsy nataontsika.
-
Nahoana no no zava-dehibe ny manana fahatakarana marina ny zavatra hitranga amintsika aorian’ny hahafatesantsika?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nianatra mikasika ny fampianaran’i Almà an’i Kôriantôna momba ny tontolon’ny fanahy, ny fitsanganana amin’ny maty ary ny fitsarana izy ireo tao amin’ny Almà 40. Hazavao fa ao amin’ny Almà 41 dia mianatra isika fa sahiran-tsaina tamin’ny zavatra nampianarin’ny olona sasany mikasika ny fitsanganana amin’ny maty i Kôriantôna. Miresaha mikasika ilay teny hoe “naniasia” ao amin’ny Almà 41:1, ary asao ny mpianatra hamaky ity andininy ity ary hikaroka ny antony nahatonga ny sasany tamin’ny olona haniasia.
-
Nahoana no naniasia ny sasany tamin’ny olona? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe manolana ny soratra masina dia midika hoe manodina, manaratsy endrika na manova ny dikan’izy ireo.)
-
Inona no nolazain’i Almà fa hohazavainy amin’i Kôriantôna?
Rehefa hitan’ny mpianatra ilay andian-teny hoe famerenana amin’ny laoniny dia azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ny hoe famerenana amin’ny laoniny dia midika hoe mamerina na manao izay hahatongavana amin’ny toetra teo aloha.
Hazavao fa tian’i Almà hahatakatra i Kôriantôna fa misy lafiny ara-batana sy lafiny ara-panahy izay antsoiny hoe ny “drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” (Almà 41:2). Asao ny mpianatra handalina mangina ny Almà 41:2–5 ary hikaroka ireo zavatra haverina amin’ny laoniny ara-batana amintsika aorian’ny fahafatesana ary ireo zavatra haverina amin’ny laoniny ara-panahy. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Mety hanampy anao ny manazava alohan’ny hamakian’ny mpianatra fa ny hoe ilaina dia midika hoe takiana na zava-dehibe.
-
Inona ilay lafiny ara-batana an’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny voalaza ao amin’ny Almà 41:2? (Haverina amin’ny vatana ny fanahy amin’ny fitsanganana amin’ny maty ary haverina amin’ny vatana avokoa ny rantsambatana.)
-
Inona ilay lafiny ara-panahy an’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny voalaza ao amin’ny Almà 41:3–5? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany.)
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mampianatra ireo andininy ireo ao amin’ny kilasin’ny Kilonga.
-
Ahoana no hanazavanareo ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny mba hahatakaran’ny ankizy izany?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Kôriantôna ary nahafoy tamin’ny andraikiny tamin’ny asa fitoriana (jereo ny Almà 39:2–4).
-
Mety ho tamin’ny fomba manao ahoana no nanampian’ny fahatakarana marina ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy an’i Kôriantôna hanao safidy tsara kokoa? Ahoana no fiantraikan’ny fahatakarana io fotopampianarana io amin’ny asantsika sy ny faniriantsika?
Mijoroa ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io ary zarao ny eritreritrao mikasika ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny famerenana amin’ny laoniny atsika tsirairay avy amin’ny tsara na amin’ny ratsy arakaraka ny faniriantsika sy ny asantsika.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Dia ahoana raha nanota aho?
-
Araka ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny, inona no azontsika raha nanota isika?
-
Misy fomba hahazoana ny fahatsarana sy ny fahasambarana haverina amin’ny laoniny amintsika ve raha nanao ny tsy nety isika?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 41:6–9. Asao ny iray kilasy hitady ny zavatra azontsika atao mba hahazoana ny fahatsarana sy ny fahasambarana haverina amintsika na dia efa nanota aza isika. (Tsy maintsy mibebaka isika ary maniry ny fahamarinana mandritra ny androm-piainantsika.)
-
Inona no teny na andian-teny ao amin’ny Almà 41:6–7 izay milaza fa tompon’andraikitra amin’ny zavatra azontsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika? Amin’ny lafiny inona isika no mpitsara ny tenantsika? (Ny safidy ataontsika mandritra ny fiainana an-tany dia mamaritra ny karazam-pitsarana ho azontsika rehefa mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra isika.)
Lazao amin’ny mpianatra fa misy ny olona sasany no mieritreritra fa afaka miara-monina amin’Andriamanitra izy ireo kanefa tsy tompon’andraikitra amin’ny asa nataon’izy ireo. Milaza izy ireo matetika fa mahafinaritra ny safidy feno fahotana ataon’izy ireo. Indraindray aza dia toy ny sambatra ireo izay manao fahotana.
Asao ny mpianatra hitsangana ary hamaky mafy ny Almà 41:10 miaraka. Lazao amin’ny mpianatra fa soratra masina fehezina ny Almà 41:10. Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika io andininy io amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny hahita izany. (Koa satria soratra masina fehezina ity dia asao izy ireo hamerina izany miaraka mihoatra ny indray mandeha. Azonao atao ny manontany raha misy amin’ireo mpianatra afaka manao tsianjery.) Rehefa mahavita izy ireo dia asao ny iray kilasy hipetraka. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”
-
Nahoana no marina ny hoe “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana”?
-
Inona ny ohatra momba ny hoe asain’i Satana mandika ny didy isika ary mino fa mbola afaka mahatsapa fahasambarana hatrany?
Mba hanampiana ny mpianatra hitia ny zavatra mampiavaka ny fahafinaretana mandalon’izao tontolo izao sy ny fahasambarana atolotry ny Tompo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Glenn L. Pace ao amin’ny Fitopololahy ity:
“Ny zavatra fanao izay noraran’ny Tompo sy tsy nankasitrahan’ny fiarahamonina nandritra ny taona maro dia ekena sy omen’io fiarahamonina io vahana ankehitriny. Ampiasain’ny gazety sy ny haino aman-jery ho toy ny lamaody ireo zavatra fanao ireo mba hahatonga azy ireo ho toy ny mahatsiriritra. …
“… Aza mihevitra ny fahafinaretana telestialy ho toy ny fahasambarana sy fifaliana selestialy. Aza mihevitra ny tsy fahaizana mifehy tena ho toy ny fahafahana. Ny fahafahana tanteraka tsy misy famerana dia mahatonga antsika ho andevon’ny filantsika. Aza maniry fiainana latsaka kokoa sy ambany kokoa. …
“… Tsy Andriamanitra tsy manam-pitiavana no nanome anao ireo didy tandremanao mba hanakanana anao tsy hahazo fahafinaretana, fa Ray any an-danitra be fitiavana any an-danitra izay maniry anao ho sambatra mandritra ny fiainanao eto amin’ity tany ity sy ny fiainana aorian’izany” (“They’re Not Really Happy,” Ensign, Nôv. 1987, 39–40).
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 41:10. (Hita ao amin’ny “To ’the Rising Generation,’” ilay fehezanteny New Era, Jona 1986, 5.)
Lazao amin’ny mpianatra fa ny Almà 41:11 dia manazava ny antony tsy mampety ny hisian’ny fifaliana marina rehefa misafidy ny ratsy. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity (azonao atao alohan’ny fotoampianarana izany), na omano amin’ny taratasy hozaraina ho an’ny mpianatra tsirairay. Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo torolalana hampifandray ireo andian-teny tsirairay ao amin’ny Almà 41:11 amin’ny heviny. Asao ihany koa izy ireo hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana miaraka amin’izany.
Andian-teny ao amin’ny Almà 41:11 izay mamaritra ny hoe ao amin’ny “toetra voajanahary” |
Heviny | |
---|---|---|
|
| |
|
| |
|
| |
Hitantsika ao amin’io andininy io fa ny “toetran’Andriamanitra” dia ny “toetry ny fahasambarana.” Inona no lazain’izany aminao mikasika ny antony mampifanohitra ny fanaovana fahotana amin’ny toetry ny fahasambarana? Inona avy ireo ohatra miavaka, izay antony mahatonga ny olona hahatsapa ho ao anatin’ny toetry ny tsy fahasambarana? |
(Valiny: 1-d, 2-a, 3-b)
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra hifandraisan’ny fisisihana amin’ny “toetra voajanahary” amin’ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny dia asao ny mpianatra iray hamaky ny Almà 41:12. Rehefa voavaky ilay andininy dia asao ny mpianatra hamaly ny fanontanian’i Almà. Aorian’izay dia asao ny mpianatra hamaky ny valintenin’i Almà tamin’ny fanontaniana napetrany ao amin’ny Almà 41:13. (Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marika ny zavatra nolazain’i Almà fa haverina amintsika ho isan’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny.)
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana namana izay mifidy ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo izy kanefa maniry ny haverina amin’ny laoniny amin’ny fahamarinana. Asao ireo mpianatra hanazava ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny namana iray ao an-dakilasy, izay mody raisina ho toy ny hoe ilay namana voalaza etsy ambony, amin’ny fampiasana ny Almà 41:12–13. (Afaka mampiasa ny teniny manokana ny mpianatra na ny teny ao amin’ilay fehezanteny voasoratra eny amin’ny solaitrabe manao hoe: “Haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany.”)
Manehoa boomerang amin’ny mpianatra na ataony eny amin’ny solaitrabe ny sarin’izany.
Anontanio ny mpianatra ny zavatra ataon’ny boomerang rehefa atsipy araka ny tokony ho izy. (Miverina eo amin’ny toerana nanipazana azy ilay izy.) Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 41:14–15 ary hikaroka ireo fomba mety hanehoan’ny boomerang ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo. (Azonao atao ny miteny ny mpianatra hanisy marina ireo andininy ireo.) Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra hitany.
-
Inona avy ireo zavatra antenainao ho azo avy amin’ny hafa sy avy amin’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe hatsaram-panahy, famindram-po ary fitiavana. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.)
-
Oviana ianao no naneho halemem-panahy sy famindram-po ary hatsaram-panahy tamin’ny hafa ary nahazo izany koa taty aoriana?
Amporisiho ny mpianatra hametraka tanjona mba hanao zavatra sy hanolokolo fihetsika ahitana taratra ny zavatra antenain’izy ireo mba haverina amin’ny laoniny aminy eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana hoavy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahasambarana azo rehefa manao zavatra amim-pahamarinana isika.