Tahirim-pitaovana
Lesona 79: Almà 14


Lesona 79

Almà 14

Fampidirana

Rehefa avy nihaino an’i Almà sy i Amioleka nitory dia nino ny olona sasany tao Amônihà ary nibebaka. Tezitra ny ankamaroan’ireo vahoaka ary nikatsaka ny hamono an’i Almà sy i Amioleka ary ireo izay nino ny tenin’izy ireo. Nosamborina i Almà sy i Amioleka, ka notsaraina ary nampidirina am-ponja tamin’ny farany. Noroahan’ireo ratsy fanahy tao Amônihà ireo lehilahy izay nino ary nodoran’izy ireo ny vadiny sy ny zanany ary ireo soratra masina ka noterena hanatri-maso izany i Almà sy i Amioleka. Afaka andro maro dia nafahan’ny Tompo tao am-ponja i Almà sy i Amioleka, ary nofongorana ireo mpitarika ratsy fanahy tao Amônihà.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 14:1–13

Naiditra am-ponja i Almà sy i Amioleka, ary noroahina na nodorana ireo Amônihahita izay nino

Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo olana izay efa natrehan’izy ireo na izay atrehan’izy ireo ankehitriny. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:

“Avy amin’ny loharano maro samihafa ny fahoriana. Mety hisy fotoana hiatrehanao fitsapana vokatry ny fieboeboanao sy ny tsy fankatoavanao. Izany fitsapana izany dia azo sorohina amin’ny alalan’ny fiainana ao anatin’ny fahamarinana. Ireo fitsapana hafa dia ampahany voajanahary eo amin’ny fiainana ary mety hitranga indraindray rehefa iny ianao miaina amim-pahamarinana iny. Ohatra, mety hiaina fitsapana ianao amin’ny fotoan’ny aretina na fisalasalana na amin’ny fotoam-pahafatesan’ireo olon-tiana. Mety hitranga ny fahoriana indraindray vokatry ny safidy diso sy teny ary fihetsika mandratra ataon’ny hafa.

“Ny fahombiazanao sy ny fahasambaranao, eto an-tany sy any amin’ny mandrakizay dia miankina tanteraka amin’ny fomba hiatrehanao ireo olana eo amin’ny fiainana” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 54).

Hazavao fa mandritra ny lesona anio dia hifanakalo hevitra ireo mpianatra mikasika ny tantaran’ny vahoaka iray izay niaina fitsapana mivaivay. Ny ankamaroan’ireo fitsapana ireo dia nasetrin’ny olon-kafa. Entano ireo mpianatra hihevitra ny fomba hifandraisan’ireo fahamarinana horesahan’izy ireo mandritra ity lesona ity amin’ny tenan’izy ireo, na inona na inona fitsapana mety hatrehan’izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Almà sy Amioleka

Zezrôma

Ireo lehilahy niova fo

Ireo vehivavy niova fo sy ireo ankizy

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 14:1–10. Asaivo manaraka ireo mpianatra, sady mitady ireo karazana fijaliana izay niainan’ireo olona voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no nozakain’ireo olona ireo? (Tanisao ny valintenin’ireo mpianatra.)

Mariho fa rehefa nahita ny fijalian’ireo vehivavy sy ireo ankizy i Amioleka dia naniry hampiasa ny herin’ny fisoronana hanavotana azy ireo. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 14:11, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny valintenin’i Almà tamin’ny fangatahan’i Amioleka.

  • Fa nahoana no navelan’ny Tompo hodorana ireo vehivavy sy ankizy ireo? Navelan’ny Tompo hijaly ireo olona ireo mba hahafahan’ny fahafatesan’izy ireo hijoro ho vavolombelona hanohitra an’ireo olona izay namono azy ireo. Jereo ihany koa ny Almà 60:13.)

  • Araka ny tenin’i Almà, amin’ny fomba ahoana no hitahiana ireo vehivavy sy ankizy ireo noho ny fitokisan’izy ireo ny Tompo?

Mety ilaina ny hanantitranteranao fa tamin’ity tranga manokana ity dia sitrapon’ny Tompo ny hamelana ireo olona ireo hijaly. Kanefa tsy izany foana no mitranga. Omeo antoka ireo mpianatra fa tian’ny Tompo izy ireo ary tiany izy ireo ho sambatra sy hanam-piadanana eo amin’ny fianan’izy ireo. Raha toa ka misy mamono na misy mampijaly izy ireo na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia tokony hitady fanampiana amin’ny ray aman-dreny na amin’ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo mamaha ilay olana.

  • Inona avy ireo antony hafa mety hamelan’ny Tompo antsika hijaly? (Mety ho hita amin’ireo valinteny ny hoe tiany isika hahatakatra ny vokatr’ireo fanapahan-kevitra tsy hendry, tiana isika hianatra faharetana, tiany isika hianatra hangoraka ny hafa izay mijaly, ary tiany isika hahatakatra fa mila miantehitra Aminy isika.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa matoky ny Tompo isika dia hampahereziny ao anatin’ny fitsapana atrehantsika. Avy eo dia asaivo misy mpianatra iray mamaky mafy ny Almà 14:12–13.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny tenin’ny Almà ny fitokisany amin’ny Tompo?

Azonao atao ny mangataka mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Richard G. Scott

“Mitondra fahazavana ny ohatr’i Almà sy i Amioleka. Raha niezaka ny hanao soa teo anivon’ny vahoakan’i Amônihà izy ireo dia nosamborina. I Amioleka dia nahatoky an’i Almà, ilay namany efa za-draharaha, izay nitarika azy ho amin’ny fitokisana bebe kokoa amin’ny Tompo. Noterena hijery zaza amam-behivavy kilan’ny afo i Amioleka ka niteny hoe ’Angamba handoro antsika koa izy.’ Namaly i Almà hoe: ’Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo’—fitsipika iray tena iankinan’ny aina. ’Nefa … tsy vita ny asantsika; koa tsy handoro antsika izy’ [Almà 14:12–13; nampiana fanamafisana]” (“To Be Healed,” Ensign, Mey 1994, 8).

“Ity fiainana ity dia fanandramana fitokisana lalina—fitokisana amin’i Jesoa Kristy. … Ny hoe mitoky dia midika hoe mankatò an-tsitrapo na dia tsy mahafantatra ny fiafarany hatrany am-piandohana aza (jereo ny Ohab. 3:5–7). Mba hamokarana voa dia tsy maintsy mahery sy maharitra kokoa ny fitokisanao amin’ny Tompo mihoatra noho ny fitokisanao amin’ny zavatra tsapanao sy iainanao manokana” (“Trust in the Lord,” Ensign, Nôv. 1995, 17).

Hazavao fa ao amin’ny Almà 14:14–29 ireo mpianatra dia mbola hahita ohatra maro kokoa ahitana an’i Almà sy i Amioleka mitoky amin’ny Tompo. Ho hitan’izy ireo ihany koa ny fomba nampaherezan’ny Tompo azy ireo mba hahafahan’izy ireo nanao ny Asany.

Almà 14:14–29

Nafahan’Andriamanitra avy tao am-ponja i Almà sy i Amioleka ary nofongorany ny mpitarika ratsy fanahy maro tao Amônihà

Zarao ho roa ireo mpianatra. Asaivo mitady ao amin’ny Almà 14:14–19 ny andaniny, ka ny ankilany kosa mitady ao amin’ny Almà 14:20–25. Samy asaivo tadiavin’ireo vondrona roa tonta izay nozakain’i Almà sy i Amioleka noho ny zavatra nataon’ireo mpitarika ratsy fanahy tao Amônihà. Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hamakiana dia asaivo mizara izay zavatra hitany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ny hoe “Almà sy Amioleka.”

  • Iza amin’ireo fitsapana ireo no mety ho sarotra indrindra aminao? Fa nahoana?

  • Oviana ianao no nahita olona nisedra fitsapana na dia niezaka ny ho marina aza izy ireo?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 14:25–29. Asaivo manaraka ny mpianatra rehetra, ka mitady izay zavatra nataon’ny Tompo mba hanafahana an’i Almà sy i Amioleka tao am-ponja. Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ireo fitsipika ao amin’ireo andininy ireo dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto na izy rehetra:

  • Fa nahoana i Almà sy i Amioleka no afaka nandray hery sy tanjaka avy tamin’ny Tompo? (Jereo ny Almà 14:26, 28.)

  • Inona avy ireo fitsipika izay azontsika ianarana avy tamin’ny zavatra niainan’i Almà sy i Amioleka tany am-ponja? (Mety ho maro karazana ny valintenin’ireo mpianatra, fa tokony ho hita taratra amin’izany ilay fahamarinana hoe raha miantso ny Tompo amim-pinoana isika dia hankahery antsika izy ao anatin’ny fahoriantsika ary hanafaka antsika amin’ny Fombany sy amin’ny fotoany manokana. Azonao atao ny mandroso hevitra ny mba hanisian’ireo mpianatra marika ireo teny ao amin’ny Almà 14:26, 28 izay manantitrantitra io fitsipika io.)

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ny olona maneho finoana an’i Jesoa Kristy mandritra ireo fotoan-tsarotra?

Asao ireo mpianatra hizara ny traikefa izay nananan’izy ireo tamin’ny nahitan’izy ireo ilay tanjaka izay afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainantsika manokana rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ary miandry Azy amim-panetren-tena. Afaka mizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana izy ireo na ny traikefan’ny olona izay fantatr’izy ireo. Afaka mizara traikefa iray teo amin’ny fiainanao ihany koa ianao na teo amin’ny fiainan’ny olona iray fantatrao.

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombaelona mikasika ny herin’ny Tompo entiny hanomezana tanjaka antsika sy hanafahany antsika amin’ny fitsapana amin’ny fombany manokana sy amin’ny fotoany manokana. Omeo toky ireo mpianatra fa rehefa mitoky amin’ny sitrapon’ny Tompo isika dia hampitombo ny tanjatsika sy ny herintsika Izy hahafahantsika maharitra zava-tsarotra.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 14:7–11. “Mandray azy ireo any Aminy … ny Tompo”

Na dia malahelo aza isika noho ny fahafatesan’ireo olo-marina dia mifaly kosa isika noho ny fahalalana ny valisoan’izy ireo ao amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Almà 40:12) sy ny toetran’izy ireo farany any amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny F&F 76:50–70). Hoy ny Tompo hoe “Ireo izay maty ao Amiko dia tsy hanandrana fahafatesana fa ho mamy aminy izany” (F&F 42:46). Nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe:

“Marina fa malemy tokoa aho ka mitomany noho ny fahafatesan’ireo namako sy ireo havako. Mety handatsa-dranomaso aho rehefa mahita ny fahorian’ny hafa. Manana fangorahana ao amin’ny ati-fanahiko ao ho an’ny zanak’olombelona. Afaka miara-mitomany aminy aho rehefa mitomany izy; afaka miara-mifaly aminy aho rehefa mifaly izy; saingy tsy manana antony tokony himonomononako, na halahelovako noho ny fisian’ny fahafatesana ety ambonin’ny tany. … Ny tahotra rehetra an’io fahafatesana io dia efa afaka ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Tsy matahotra ny fahafatesana ara-nofo izy ireo, satria fantany fa rehefa tonga amin’izy ireo ny fahafatesana noho ny fahalavoan’i Adama, dia ho tonga amin’izy ireo ny fiainana noho ny fahamarinan’i Jesoa Kristy, ary na dia maty aza izy ireo dia ho velona indray. Noho ny fananany io fahalalana io dia mifaly izy ireo na dia ao anatin’ny fahafatesana aza, satria fantatr’izy ireo fa hitsangana indray izy ireo ary hihaona indray any ankoatry ny fasana” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1899, 70).

Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Indraindray dia enjehina sy ampijaliana ny vahoakan’ny Tompo. Indraindray Izy dia minia mamela ireo olomasiny mahatoky hirenireny sy hijaly, na vatana na fanahy, mba hisedrana azy ireo amin’ny zava-drehetra, sy hahitana raha toa izy ireo ka hifikitra amin’ny fanekempihavanany, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahafahan’izy ireo ho hita hoe mendrika ny fiainana mandrakizay. Raha izany no tsy maintsy anjarantsika, na iza amintsika izany na iza, dia aoka ho to izany” (“The Dead Who Die in the Lord,” Ensign, Nôv. 1976, 108).