Tahirim-pitaovana
Lesona 100: Almà 43–44


Lesona 100

Almà 43–44

Fampidirana

Rehefa nanohy nitory ny filazantsara i Almà sy ny zanany lahy dia nitambatra tamin’ny miaramilan’ny Lamanita ny Zôramita mba hanafika ny Nefita. Naneho finoana sy fahendrena ny Kapiteny Môrônia tamin’ny fitarihany ny Nefita mba hiaro ny tenany tamin’ny miaramila Lamanita. Na dia tsy tambo isaina aza izy ireo dia nanome tombony ny miaramila Nefita tamin’ny ady ny fiomanany sy ny finoany an’i Jesoa Kristy. Nanao dinan’ny fandriampahalemana sy niala ny tany nandritra ny fotoana maharitra ny Lamanita rehefa resy tamin’ny ady.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 43

Nanampy tamin’ny fanoherana ny tetiky ny miaramila Lamanita ny fiomanana sy ny tetik’adin’ny Kapiteny Môrônia

Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny lisitr’ireo drafitra, tanjona, ary fanirian’izy ireo ho an’ny hoaviny. Eo am-panoratan’izy ireo dia ampahatsiahivo azy ny hieritreritra mikasika ireo tanjona sy faniriana ara-panahy toy ny manao asa fitoriana, voafehy any amin’ny tempoly, ary manangana fianakaviana. Azonao atao ny manoratra ny lisitr’ireo tanjona sy faniriana tahaka izany ho an’ny hoavinao manokana alohan’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mizara ny sasany amin’ny drafitrao sy ny fanirianao mba ho ohatra hanampiana ny mpianatra hanomboka hanoratra.

Rehefa mahavita ny lisitra nataony ny mpianatra dia asao izy ireo hamantatra ny faniriana sy ny tanjona tsapany fa tsy tian’i Satana hotanterahin’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo tanjona hitan’izy ireo. Asao izy ireo hanazava ny antony tsy hitiavan’i Satana hanatanterahan’izy ireo ireo tanjona ireo. Azonao anontaniana azy ireo koa ny antony hananan’izy ireo fahatsapana mahery vaika mikasika ny tokony hanatanterahana ireo tanjona ireo. Lazao amin’ny mpianatra fa ny fandalinana ny Almà 43–44 dia afaka manampy antsika hahita ny fomba hanatanterahantsika ny tanjona tsara ananantsika na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fahavalo hanimba izany.

Fintino ny Almà 43:1–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa na dia teo aza ny ezaka nataon’i Almà mba hamerina ny Zôramita ho ao amin’ny Fiangonana dia maro tamin’izy ireo no nitambatra tamin’ny Lamanita sy niomana hanafika ny Nefita. Nitambatra tamin’izy ireo koa ny Amalekita, izay Nefita tahaka ireo Zôramita ihany teo aloha, saingy nivily tamin’ny fahamarinana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 43:5–8. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hikaroka ireo drafitra na “tetika” nomanin’ilay mpitarika Lamanita dia i Zerahemnà.

Hazavao fa afaka ampifanahafantsika amin’ny ady ara-panahy atrehintsika ny tantaran’ny ady ara-batana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa mandalina izany isika.

  • Mety amin’ny fomba ahoana no hitovizan’ny tetik’i Zerahemnà nanoherana ny Nefita amin’ny tetik’i Satana anoherana antsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 43:9–12. Asao ny iray kilasy hamantatra ireo tetiky ny Nefita.

  • Inona avy ireo tetiky ny Nefita?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 43:16–19. Asao izy ireo hitady ny zavatra nataon’i Môrônia, ilay lohan’ny kapiteny tamin’ny Nefita, mba hanomanana ny olony hiaro ny taniny sy ny fianakaviany.

  • Inona ny zavatra niavaka nataon’ny Nefita mba hiomanana tamin’ny fanafihan’ny Lamanita?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 43:20–22 ary asao ny iray kilasy hitady ny fihetsika nasehon’ny Lamanita tamin’ny fiomanana nataon’ny Nefita.

  • Nahoana no tsy nanafika ny Lamanita na dia tsy tambo isaina aza izy ireo nihoatra tamin’ny Nefita?

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’io zavatra nitranga io mikasika ny fiarovantsika tena amin’ireo tetik’i Satana?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 43:23–24 mba hamantatra ny zavatra nataon’i Môrônia rehefa tsy nahafantatra ny fomba hanafihan’ny fahavalony amin’ny manaraka izy.

  • Nahoana i Môrônia no nandefa iraka hiresaka tamin’i Almà?

  • Inona no azon’ny ohatra nasehon’i Môrônia ampianarina antsika mikasika ny fomba hahafahantsika miomana ara-panahy hiady amin’ny fahavalo? (Ampio ny mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Afaka manana fahafahana hiaro ny tenantsika bebe kokoa amin’ny fahavalo isika rehefa mikatsaka sy manaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany.)

Fintino fohifohy ny Almà 43:25–43 amin’ny alalan’ny fitantarana fa nanao asa tamin’ny alalan’ny fahalalana azony avy amin’ny mpaminany i Môrônia. Nozarainy ho ampahany roa ny miaramilany. Nijanona tao an-tanin’i Jersôna ny miaramila sasany mba hiaro ny vahoakan’i Amôna. Nandeha nankany an-tanin’i Mantia ny sisa tamin’ny miaramila. Naniraka mpitsikilo hamantatra ny toerana nisy ny Lamanita i Môrônia ary nafeniny tamin’ny lalana rehetra mety halehan’ny Lamanita ny miaramila hafa. Rehefa nanakaiky ny Lamanita dia nohodidinin’ny miaramila Nefita izy ireo. Rehefa nahatsikaritra ny Lamanita fa voahodidina dia niady tamim-pahasiahana tokoa izy ireo. Nefita maro no maty kanefa niaritra fahafatesana bebe kokoa aza ny Lamanita.

Asao ny maro amin’ny mpianatra hifandimby hamaky mafy ny Almà 43:43–54. Asao ny iray kilasy hitady ny fahasamihafana eo amin’ny hery manosika ny Lamanita sy ny loharanon’ny tanjaky ny hery mamporisika ny Nefita sy ny loharanon’ny tanjak’izy ireo.

  • Inona no tsikaritrareo mikasika ny antony hiadian’ny Lamanita? Inona no tsikaritrareo mikasika ny antony hiadian’ny Nefita? Inona no maha samy hafa ny loharanon’ny tanjaky ny Nefita amin’ny loharanon’ny tanjaky ny Lamanita? (Hamafiso araka izay ilaina fa raha niady tamin’ny fankahalana sy fahatezerana ny Lamanita dia antony tsaratsara kokoa kosa no nitaona ny Nefita [jereo ny Almà 43:45–47]. Niantso ny Tompo hanampy azy izy ireo ary nanome hery azy ireo Izy [jereo ny Almà 43:49–50].)

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ireo ohatra nasehon’i Môrônia sy ny miaramilany mba hanampiana antsika amin’ny adintsika amin’ny fahavalo?

Asao ny mpianatra hanoratra ny valinteniny amin’io fanontaniana io. Dia angataho izy ireo avy eo hizara izay zavatra nosoratany. Mety hanonona ny sasany amin’ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo:

Hanampy antsika hanatanteraka ireo fikasana sy faniriana marina ananantsika Andriamanitra rehefa mangataka fanampiana Aminy amin’ny fanatontosana izany isika.

Antony tsaratsara kokoa no mitaona antsika raha ampitahaina amin’ireo izay manohitra ny marina.

Hanampy antsika hanatanteraka ny adidintsika ny Tompo mba hiaro ny fianakaviantsika, ny fahafahantsika ary ny fivavahantsika.

Asao ny mpianatra hitantara ireo fotoana nahatsapany ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fanatanterahana tanjona marina. Mizarà zavatra niainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahafahan’ny Tompo manampy antsika hanatanteraka fikasana marina. Asao ny mpianatra mba hampiditra mandrakariva ao anatin’ny vavaka ataony ireo tanjona marina.

Almà 44

Nandidy ny Lamanita ny Kapiteny Môrônia hanao ny dinan’ny fandriampahalemana

Asao ny zatovolahy iray izay vonona hamaky teny mafy ho eny aloha miaraka amin’ny soratra masiny. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nahita ny tahotry ny Lamanita ny kapiteny Môrônia dia nandidy ny lehilahiny hitsahatra tamin’ny ady izy (jereo ny Almà 43:54). Asao ny zatovolahy hamaky ny tenin’i Môrônia ao amin’ny Almà 44:1–6. Asao ny iray kilasy hihaino ny fanazavan’i Môrônia mikasika ny fandresen’ny Nefita.

  • Inona no tian’i Môrônia ho takatr’i Zerahemnà mikasika ny loharanon’ny tanjaky ny Nefita tamin’ny ady? Inona no tolotra nataony tamin’ny Lamanita? (Nilaza izy fa tsy hamono azy ireo intsony ny Nefita raha toa izy ireo ka mamela ny fitaovam-piadiany sy manao ny dinan’ny fandriampahalemana.)

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy ao amin’ny Almà 44:4–6 izay afaka manampy antsika amin’ireo ady ara-panahy ataontsika? (Mety hizara fitsipika maro ny mpianatra ary efa noresahina tao anatin’ity lesona ity ny sasany amin’izany. Ataovy izay hahazoana antoka fa ampidirin’izy ireo ao anatin’izany ity fahamarinana manaraka ity: Hampahery sy hitahiry antsika ny Tompo arakaraka ny finoantsika Azy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo teny mampianatra io fahamarinana io ao anatin’ireo andininy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity torohevitra manaraka nomena ny tanoran’ny Fiangonana ity, izay avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Azonao atao ny manome ny tahadikan’izany amin’ny mpianatra tsirairay.

Filoha Boyd K. Packer

“Miaina ao amin’ny tanin’ny fahavalo ireo tanora ankehitriny miaraka amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena izay mihamivaralila. Kanefa amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina.

“Mitafia akanjo maotina, miresaha amim-panajana, mihainoa hira tsara. Halaviro ny fahavetavetana sy ireo fomba fanao mampirefarefa manokana ny tena. Raiso an-tanana ny fiainanareo ary miezaha ho mahatoky. Satria miantehitra tokoa aminareo izahay dia hotahiana tokoa ianareo. Tsy lavitra ny fitsinjovan’ny Ray any an-danitra be fitiavana ianareo” (“Counsel to Youth,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 18).

  • Inona no manaitra anareo amin’ny tenin’ny Filoha Packer? Nahoana?

Fintino ny Almà 44:7–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanambara i Zerahemnà fa tsy mino izy sy ny olony hoe Andriamanitra no nampatanjaka ny Nefita. Nilaza izy fa asainy mamela ny fitaovam-piadiany ny Lamanita saingy nandà ny hanao ny dinan’ny fandriampahalemana izy. Asao ilay mpianatra namaky ny Almà 44:1–6 mba hamaky mafy ny valintenin’i Môrônia tamin’i Zerahemnà, izay hita ao amin’ny Almà 44:11. Anontanio ny mpianatra hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tena nanan-danja tamin’i Môrônia ny hampanao ny dinan’ny fandriampahalemana ny Lamanita?

Fintino ny Almà 44:12–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa raha maro tamin’ny Lamanita ny nanao ny dinan’ny fandriampahalemana, i Zerahemnà kosa dia nanao izay hiadian’ny sisa tamin’ny lehilahiny tamin’ny tafik’i Môrônia. Rehefa nanomboka namono azy ireo ny Nefita dia nahita i Zerahemnà fa efa ho ringana izy ireo ary nampanantena fa hanao ny dinan’ny fandriampahalemana.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny tanam-piarovan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ireo izay mahatoky Azy. Amporisiho ny mpianatra hiady amin’ny herim-po ho an’ny tanjona sy ny faniriana tsara ananan’izy ireo mba hahatoky ny fampanantenan’Andriamanitra mba “hanohana sy hitahiry ary hitsimbina [antsika] raha mbola mahatoky Aminy” (Almà 44:4).

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 43:3. Nanomboka tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ny ady ataontsika

Niresaka mikasika ny fisian’ny ady nirotsahantsika hatramin’ny talohan’ny nanombohan’izao tontolo izao ny Filoha Gordon B. Hinckley manao hoe:

“Misy ady [iray] izay efa nanomboka talohan’ny nahariana izao tontolo izao ary mbola hitohy mandritra ny fotoana maharitra. …

“Izany ady izany … dia ilay ady eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana, eo amin’ny fahafahana misafidy sy ny fanerena, eo amin’ny mpanara-dia an’i Kristy sy ireo izay nandà Azy. Nampiasa ny fandrika rehetra ny fahavalony tao anatin’izany ady izany. …

“… Mitovy amin’ny tany am-piandohana izany. … Sarobidy tahaka ireo izay lavo teo aloha ireo izay niharam-pahavoazana ka lavo amin’izao fotoana izao. Ady mitohy izany. …

“Mitohy ilay ady. … Ady atao eo amin’ny fiainantsika manokana izany, isan’andro, ao amin’ny tokantranontsika, amin’ny asantsika, any amin’ireo fikambanana ao amin’ny sekolintsika, ady atao mikasika ny fitiavana sy ny fanajana izany, ny fahitsim-po sy ny fahatokiana, ny fankatoavana sy ny fahamarinana. Mandray anjara amin’izany avokoa isika rehetra. … Mandresy isika ary tsy mbola namiratra toy izany ny hoavy” (“The War We Are Winning,” Ensign, Nôv. 1986, 42, 44–45).

Almà 43:9, 45. Miaro sy mampatanjaka ny fianakaviana

Niresaka mikasika ny fampitandremana iray ao amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana ny Rahavavy Virginia U. Jensen tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany “fa ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiaraha-monina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 129). Hoy Rahavavy Jensen hoe: “Ry rahalahy sy rahavavy, ao anatin’izany tanteraka isika amin’izao fotoana itenenantsika izao. Andraikitsika rehetra no miaro sy mampatanjaka ny fianakaviana” (“Come, Listen to a Prophet’s Voice,” Ensign, Nôv. 1998, 13–14).