Tahirim-pitaovana
Lesona 130: 3 Nefia 21–22


Lesona 130

3 Nefia 21–22

Fampidirana

Rehefa nanohy nampianatra ny Nefita i Jesoa Kristy dia nanazava Izy fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany dia famantarana fa efa nanomboka nanangona an’i Isiraely Izy sy nanatanteraka ny fanekempihavanana nataony tamin’ny vahoakany. Namerina niteny ny faminanian’i Isaia mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Mpamonjy rehefa nanantitrantitra ny fitiavany lehibe ho an’ireo vahoakan’ny fanekempihavanany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 21:1–11

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia ho famantarana ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany

Alohan’ny fotoam-pianarana dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ireto famantarana manaraka ireto (na mampiasà famantarana hafa izay fampiasa any amin’ny toerana ipetrahanao).

Sary
famantarana misy olona mampiasa seza misy kodiarana
Sary
famantarana ny fiampitana ho an’ny mpandeha an-tongotra
Sary
famantarana ny fivoahana
Sary
famantarana lalana azo hifanenana

Asaivo mitady ny hevitr’ireo famantarana ireo ny mpianatra. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ampiasana famantarana? (Hampiomanana, hampitandremana ary hanome torolalana antsika.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mametraka ireo famantarana eny amin’ny toerana tokony hisy azy sy ny manao izay hahamora takarina ny hafatra eo amin’ilay famantarana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo soratra masina matetika dia miresaka momba ny famantarana izay mampiomana sy mampitandrina ary manome torolalana antsika mikasika ny fahatanterahan’ny drafitry ny Ray any an-danitra. Asao ny mpianatra hijery ao amin’ny 3 Nefia 21:1–2, 7 mba hitady ny teny hoe famantarana. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ilay teny isaky ny mipoitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izany. Avy eo dia angataho izy ireo hamaky mangina amim-pitandremana nyandininy 1.

  • Nahoana ny Tompo no nilaza fa hanome ireo famantarana miavaka ireo? (Mba hahafantaran’ny olona fa manganona ny mpianakavin’i Isiraely Izy.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 21:1–7 ary asaivo soratany ny andianteny hoe “ireo zavatra ireo” sy “ireto asa ireto” ary hieritreritra hoe inona no resahin’ireo fehezanteny ireo.

  • Rehefa niresaka tamin’ireo Nefita ny Mpamonjy dia niresaka momba “ny zavatra izay ambarako anareo” (3 Nefia 21:2). Aiza no horaketina ireo Teniny tamin’ny Nefita? (Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Araka ny voasoratra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no famantarana iray fa manatanteraka ny fanekempihavanany amin’ny andro farany Andriamanitra? (Ampio ny mpianatra hahita izao fahamarinana manaraka izao [soraty eny amin’ny solaitrabe izany]: Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmona dia famantarana fa manatanteraka ny fanekampihavanany hanangona an’i Isiraely Andriamanitra amin’ny andro farany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo henoin’ny mpianatra ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna ny olona hivondrona ho amin’ny asan’ny Tompo.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny Bokin’i Môrmôna no eo anivon’ity asa ity. Manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana izy io. Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 80).

  • Oviana no nanampy anao tamin’ireo fomba ireo ny Bokin’i Môrmôna? Oviana no nahitanao ny Bokin’i Môrmôna nanampy ny hafa tamin’ireo fomba ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 21:9, ary asaivo soratan’ny iray kilasy ny andianteny hoe “asa lehibe sy mahatalanjona.” Hamafiso fa io andianteny io dia miresaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ao anatin’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no lehibe sy mahatalanjona amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Sary
Rahalahy Joseph

Hamafiso fa ny 3 Nefia 21:9 dia miresaka momba ny “lehilahy iray.” Asao ny mpianatra hieritreritra hoe mety ho iza izany lehilahy izany. Avy eo dia asehoy ny sarin’i Joseph Smith (ohatra hoe ilay sary antsoina hoe Rahalahy Joseph na ny sarin’ny Fahitana Voalohany [Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara (2009), lah. 87 na lah. 90]). Lazao amin’ny mpianatra fa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa i Joseph Smith io lehilahy io (jereo ny Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 287–88). Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 21:10–11 ary hisaintsaina hoe ahoana no ahafahana milaza fa mifandraika amin’ilay filazalazana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo i Joseph Smith.

  • Ahoana no nanehoan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith fa “ny fahendre[ny] dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly”?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 21:11, inona no hitranga amin’ireo izay tsy mino ny tenin’i Kristy izay navoaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith? (“Hoesorina” izy ireo tsy hahazo ireo fitahiana izay azo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.)

3 Nefia 21:12–22:17

Ny Mpamonjy dia miresaka mikasika ny famongorana ireo izay tsy mibebaka sy ny famerenana amin’ny laoniny ny olony izay hibebaka sy hiverina any Aminy

Fintino ny 3 Nefia 21:12–21 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanome fampitandremana ho an’ireo izay tsy hino Azy sy hibebaka amin’ny andro farany. Nilaza Izy fa ireo fananany, ny tanànany, ny toeram-pamaharany, ary ireo fombafomba ratsiny dia horavana. Nilaza koa Izy fa hoesorina hiala eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanany izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 21:22, 25–28 ary hitady ireo fitahiana sy andraikitra izay ho tonga amin’ireo izay hibebaka sy hihaino ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

Anontanio ireo mpianatra ny fomba mety hamintinany ireo fampianarana ao amin’ny 3 Nefia 21:12–22, 25–28. Manasà ankizy iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia fintino eny amin’ny solaitrabe ireo valinteny rehetra amin’ny fanamarihana fa rehefa mibebaka sy mihaino ny tenin’ny Mpamonjy isika dia angonina ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izany fahamarinana izany.)

Manaova sarina trano lay eo amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy lehibe iray (azonao atao alohan’ny fotoam-pianarana izany). Hazavao fa i Jesoa Kristy dia namerina nilaza faminaniana iray nasainy nosoratan’ny mpaminany Isaia avy amin’ny fitaomam-panahy taonjato maro tany aloha. Ao amin’io faminaniana io dia oharin’i Isaia amin’ny trano lay ny Fiangonana, miaraka amin’ny fanekempihavanana sy ireo fitahiana miaraka aminy.

Sary
trano lay
  • Inona avy ireo tombontsoa azo rehefa mialoka ao ambany trano lay? (Ny valiny dia mety ahitana hoe ny trano lay dia miaro amin’ny oram-baratra ary manalokaloka amin’ny masoandro.)

  • Inona no mampitovy ny Fiangonana amin’ny trano lay?

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 22:2.

  • Nahoana no mety ho ilaina ny hanitarana sy hanamafisana io “trano lay” io amin’ny andro farany? (Satria maro ny olona hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana na hiverina amin’ny fanekempihavanany miaraka amin’ny Tompo.) Inona no azonao atao hanampiana amin’ny fanitarana ilay trano lay sy amin’ny fanamafisana ireo tsatòka? (Amporisiho ny mpianatra hamadika ho asa ny valinteny omeny amin’ity fanontaniana ity.)

Hazavao fa ao amin’io faminaniana io ihany dia nampiasa sarinteny iray hafa i Isaia. Nohariny tamin’ny vehivavy izay manambady ny Tompo ny mpianakavin’i Isiraely. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 22:4–5 ary asaivo tadiavin’izy ireo ireo teny fampiononana ho an’ilay vehivavy manam-bady.

  • Inona avy ireo teny fampiononana hitanao ao amin’ny 3 Nefia 22:4? (Ny valiny dia mety ahitana hoe “tsy halaina baraka ianao” sy “hohadinoinao ny henatry [fanalam-baraka] ny fahatanoranao”.) Nahoana no mitondra fampiononana ny mahafantatra fa ilay “vady” dia ilay “Mpanavotra anao, ny Iray Masin’ny Isiraely”? (3 Nefia 22:5).

  • Inona no mampitovy ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’izay havalin’ny Mpamonjy amintsika rehefa manota isika?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 22:7–10 mba hitady ireo fampanantenana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany izay miverina any Aminy.

  • Inona no ampanantenain’ny Mpamonjy ireo izay miverina any Aminy?

  • Inona avy ireo fahamarinana ianarantsika mikasika ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hizara valinteny samy hafa ny mpianatra amin’io fanontaniana io. Ataovy izay hahitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Ny Tompo dia mampiseho hatsaram-panahy sy famindrampo mandrakizay amin’ ireo olona izay miverina any Aminy. Azaonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 3 Nefia 22:7–10.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny 3 Nefia 22:4–10, dia vakio izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Na dia teo aza ny fahamombana sy ny fiodinana indraindray, dia mbola mampody sy manavotra ilay vehivavy vadiny (Isiraely) ihany ralehilahy (Kristy). Ny fanoharana an’i Jehovah ho toy ilay lehilahy mpanambady sy i Isiraely ho toy ilay vehivavy mpanambady dia anisan’ireo fampitahana fampiasa mahazatra ao amin’ny soratra masina, izay nampiasain’ny Tompo sy ireo mpaminaniny mba hanehoany ny fifandraisana nisy teo amin’Andriamanitra sy ireo zanaky ny fanekempihavanana.

“… I Kristy, indraindray, dia tezitra tamin’ny rariny noho ny tsy fankatoavan’i Isiraely, saingy vetivety hatrany izany sady mandalo fotsiny—’fotoana kely.’ Miverina hatrany ny fangorahana sy ny famindrampo ary izany no mahazo laka amin’ny fomba tena manome toky. Mety hanjavona ny tendrombohitra sy ny havoana. Mety ho maina ny rano amin’ny ranomasimbe. Ny zavatra tsy nandrasana hiseho indrindra teto amin’izao tontolo izao dia mety hitranga, saingy ny hatsaram-panahy sy ny fiadanan’ny Tompo dia tsy ho esorina amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany. Nanao voady masina Izy fa tsy ho tezitra mandrakizay amin’izy ireo” (Christ and the New Covenant, 290).

  • Inona ireo porofon’ny famindrampo sy ny hatsaram-panahin’ny Mamonjy hitanao teo amin’ny fiainanao? (Ataovy izay hahatakaran’ireo mpianatra fa tsy voatery hizara zavatra diso mahakasika ny tenany manokana na momba ny tenany izy ireo.)

  • Ahoana no hiantraikan’ny fahafantarantsika ny famindrampo sy ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy amin’ny fijanonantsika ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana?

Hazavao fa ny Mpamonjy dia nanohy nampianatra ny Nefita momba ireo fitahiana izay miandry ireo olo-marina. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 22:13–17 mba hitady fitahiana iray nampanantenaina, izay manan-danja manokana ho azy ireo. Hamafiso fa rehefa mamaky momba ireo fitahiana nampanantenaina isika dia mahita fa Haorina amin’ny fahamarinana ny vahoakan’ny Tompo ary handresy ny faharatsiana.

Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozana hevitra nandritra ity lesona ity. Asao ny mpianatra hanoratra fehezanteny telo na efatra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny zavatra iray azon’izy ireo atao anio mba hahatonga azy ireo ho mendrika hahazo ireo fitahiana tian’ny Tompo homena azy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 21:12–13. “Toy ny liona eo anivon’ny bibidia any an’ala”

Raha niresaka momba ny fampianarana ao amin’ny3 Nefia 20:16, ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara izao teny izao izy. Ny fanamarihana nataony dia azo ampiharina ihany koa amin’ny3 Nefia 21:12–13.

“Ireo teny nolazain’ny Tompontsika tamin’ny Nefita ireo dia notsongaina tao amin’ny Mika 5:8–9 ary miresaka momba ny fandringanana sy fandoroana farany izay handringana ireo ratsy fanahy amin’ny Fiaviana Fanindroany. Tsy hibebaka ny Jentilisa, afa-tsy olona vitsy izay mpanara-dia manetry tena an’i Kristy. Hifaly amin’ny fahavetavetany izy ireo ary hanota hanohitra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ka dia hodorana amin’ny famirapiratan’ny fiavian’ny Tompo izy ireo, fa ny olo-marina kosa—izay antsoina eto hoe sisa tavela amin’i Jakôba—dia hitoetra amin’izany andro izany. Ary aorian’izay, araka izay hita ao amin’ilay sarinteniny nampiasaina ao amin’ny faminaniana, dia ho toy ny mandringana ireo fahavalony tahaka ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry ny sisa tavela amin’i Isiraely.” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 248).

3 Nefia 21:22. “Haoriko eo anivony ny fiangonako”

Ny fanangonana an’i Isiraely dia mitranga rehefa mino an’i Jesoa Kristy ny olona ary lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonany (jereo ny 1 Nefia 15:14–16; 2 Nefia 9:1–2; 3 Nefia 5:20–26; 21:22; Môrmôna 9:36–37). Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe:

“Tsy misy tafangona miaraka amin’i Isiraely mandra-paneken’izy ireo Ilay Nomboina. … Ny fanangonana ireo Jiosy amin’izao fotoana izao ho ao Palestina dia ara-pôlitika fa tsy ara-panahy, ary tsy izany no fanangonana an’i Isiraely resahan’ireo faminaniana.

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny miditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 564, 565; jero ihany koa ny pejy 511, 519–20 sy The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 229).

3 Nefia 21:22–25. Ilay Jerosalema Vaovao

I Daniel H. Ludlow dia nanazava hoe iza no hanorina ilay tananan’i Jerosalema Vaovao:

“Ilay ‘Jerosalema Vaovao’ amin’ny andro farany dia any amin’ny kaontinanta Amerikana no haorin’ny (1) ‘sisa tavela amin’i Jakôba,’ (2) ireo Jentilisa izay ‘hiditra ao amin’ny fanekempihavanana […] ary horaisina ho isan’ny … sisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba,’ ary (3) ‘izay rehetra avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ka ho tonga.’ (3 Nefia 21:22–25. Vakio koa ny 3 Nefia 20:22; Etera 13:1–12.)” (A Companion to Your Study of the Book of Mormon [1976], 281).

3 Nefia 22:2. “Hamafiso ny tsatòkanao”

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanazava ny hevitry ny teny hoe tsatòka araka ny ampiasana izany ao amin’ny 3 Nefia 22:2 sy ireo andinin-tsoratra masina hafa:

“Ny teny hoe tsatòka dia fomba fiteny maneho tandindona. Alao sary an-tsaina hoe misy trano lay iray izay tazonin’ny tady maro henjanina amin’ny tsatòka izay milentika tsara amin’ny tany.

“Nampitovian’ireo mpaminany amin’ny trano lay iray lehibe mandrakotra ny tany i Ziona amin’ny andro farany. Izany trano lay izany dia notazonina tamin’ny tady izay mifatotra mafy amin’ny tsatòka. Ireo tsatòka ireo, mazava ho azy, no fikambanana ara-jeôgrafika isankarazany mieli-patrana maneran-tany. Amin’izao fotoana izao dia angonina any amin’ireo tsatòkan’i Ziona isankarazany i Isiraely” (“Strengthen Thy Stakes,” Ensign, Jan. 1991, 2).

Hamoaka printy