Tahirim-pitaovana
Lesona 132: 3 Nefia 24–26


Lesona 132

3 Nefia 24–26

Fampidirana

I Jesoa Kristy dia nanatanteraka ny didy avy amin’ny Ray any an-danitra hizara faminaniana vitsivitsy avy amin’ny mpaminany Malakia amin’ireo Nefita (jereo ny 3 Nefia 26:2). Ireo faminaniana ireo dia nampianatra fa ireo mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia mila mibebaka sy miverina amin’ny Tompo mba hanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Novelabelarin’i Jesoa Kristy tamin’ireo Nefita ihany koa “ny zavatra rehetra, hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fotoana izay hahatongavany ao amin’ny voninahiny” (3 Nefia 26:3). Nampianatra i Môrmôna fa ireo izay mino ny Bokin’i Môrmôna dia hahita zavatra lehibe kokoa noho izany 3 Nefia 26:9).

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 24:1–6

Namerina nilaza ny faminanian’i Malakia mikasika ny Fiaviana Fanindroany i Jesoa Kristy

Eo am-panombohana ny lesona dia tazony ambony ny afokasoka iray sy savony iray (na manaova sarina afo sy baran-tsavony eo amin’ny solaitrabe). Anontanio amin’ny mpianatra ny zavatra mampitovy ny afo sy ny savony. (Ny savony sy ny afo dia samy azo ampiasaina hanasana na hanadiovana.)

Hazavao fa i Jesoa Kristy dia nanatanteraka ny didy avy amin’ny Ray (jereo ny 3 Nefia 26:2) mba hanome an’ireo Nefita ny sasany amin’ireo faminanian’i Malakia, mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, izay niaina tany amin’ny Tany Masina tokotokony ho 170 taona taorian’ny nandaozan’i Lehia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema. Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 24:1–3 mba hitady ny olona iray nampitahain’i Malakia tamin’ny “afon’ny mpandrendrika” sy “savonin’ny mpanasa lamba.”

  • Iza no nampitahaina tamin’ny afon’ny mpandrendrika sy savonin’ny mpanasa lamba? (Jesoa Kristy.)

  • Inona ny zava-mitranga voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (“Ny andro hiaviany.” Izany hoe: ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io, dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky haingankaingana ny sasintenin’ilay toko na ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy.)

  • Inona no hitranga amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany araka ny hita ao amin’ilay fampitahana an’i Jesoa Kristy amin’ny afo sy savony? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia hanadio izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Azaonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 3 Nefia 24:2–3.)

Hazavao fa ny mpandrendrika dia mampiasa afo hamanana ny vy toy ny volafotsy na volamena mandrapahatongan’izany ho tsiranoka. Ny famanana dia mahatonga ireo loto na tsy fahadiovana hitsingevana eo amin’ny vohon’ilay vy lasa tsiranoka, ary eo no ahafahana manala ilay mpandrendrika azy, ka manala ny loto rehetra amin’ilay vy. Ny mpanasa lamba dia olona izay manadio na mamotsy lamba amin’ny fampiasana savony. Azonao atao koa ny manazava fa ny “zanak’i Levy” dia mpihazona ny fisoronana teo amin’ny Isiraely fahiny. Amin’izao fotoana izao io fehezanteny io dia azo ilazana ireo mpihazona fisoronana ankehitriny (jereo ny F&F 84:33–34).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 24:5–6. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hamantatra izay holevonina, na hofongorana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ary iza no tsy ho levona. (Azonao atao ny manazava fa ny andianteny hoe “zanak’i Jakôba” dia iantsoana ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 24:5, inona no ho ataon’i Jesoa Kristy amin’ny Fiaviany Fanindroany? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra dia tokony ho hitany ity fahamarinana manaraka ity: Handringana ireo ratsy fanahy i Jesoa Kristy amin’ny Fiaviany Fanindroany)

3 Nefia 24:7–18

Namerina niteny ireo fampianaran’i Malakia mikasika ny fomba ahafahan’ny mpianakavin’i Isiraely miverina amin’ny Tompo i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa misy namany akaiky na havany miezaka mafy ny hahatsapa ny fitiavana sy ny fitarihan’ny Tompo ary hitazona ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara.

  • Inona no hataonareo mba hiezahana hanampy io olona io?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 24:7 ary asaivo tadiavin’izy ireo ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo izay nanomboka nanalavitra Azy sy tsy mitandrina intsony ireo fanekempihavanana nataony Taminy.

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe “nihataka” tamin’ny ôrdônansin’ny Tompo ny olona? (Tsy nanaja intsony ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara izy ireo.)

  • Inona no fampanantenana nomen’ny Tompo ho an’ireo izay tsy nanaja ny fanekempihavanany? (“Miverena Amiko dia hiverina aminareo Aho.”)

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe “miverina amin’ny Tompo? Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe ny Tompo dia “hiverina amin’” ireo izay miverina Aminy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha hiverina amin’ny Tompo isika dia hiverina amintsika Izy.

  • Inona no ampianarin’izay fitsipika izany anareo mikasika ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Miverena amin’ny Tompo. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 24:8–12 mba hitady fomba iray natoron’ny Tompo ny olona mba hahafahany miverina Aminy. Rehefa mamaly ny mpianatra dia manoràta hoe mandoa fahafolonkarena sy fanatitra eo ambanin’ny Miverena amin’ny Tompo.

  • Nahoana ny fahavononana handoa fahafolonkarena no marika ahafantarana fa nametraka ny fitiavany tamin’ny Tompo ny olona iray?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Isika dia Afaka mandoa ny fahafolonkarenantsika. Tsy dia resaka vola loatra izany fa resaka finoana” (“Let Us Move This Work Forward,” Ensign, Nôv. 1985, 85).

  • Nahoana ny fahavononantsika handoa fahafolonkarena sy fanatitra no marika ahafantarana ny finoantsika ny Tompo?

Omeo fotoana ireo mpianatra hamerina hijery am-pahanginana ny 3 Nefia 24:10–12. Angataho izy ireo hitady ireo fampanantenana nataon’ny Tompo ho an’ireo izay mandoa fahafolonkarena feno sy amin-kitsimpo.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao vokatry ny fandoavanao ny fahafolonkarena? Ahoana no nisokafan’ireo karazana “varavaran’ny lanitra” ireo ho anao?

Fintino ny 3 Nefia 24:13–18 amin’ny fanazavana fa ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny Tompo dia nanamafy fa nisy nametra-panontaniana tamin’ny andron’i Isiraely taloha raha toa ka ilaina ny mitandrina ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Nitaraina izy ireo fa ireo mpiavonavona sy ireo olon-dratsy dia toa niroborobo na dia tsy nanao ny marina aza. Ao amin’ny 3 Nefia 24:16 ny Tompo dia namaly fa ny “bokin’ny fahatsiarovana” no hiraketana ny anaran’ireo izay mahatoky (jereo F&F 85:7–9; 128:6–7; Mosesy 6:5–8). Avy eo ny Tompo dia nilaza fa rehefa miverina indray Izy dia hitahiry ireo izay mahatoky ary hanokana azy ireo ho Azy toy ny harena, na “hanaingo ny vatosoa[ny].”

  • Nahoana no fitahiana ny fahafantarana fa ny Tompo dia hitahiry ireo izay mahatoky ary hanao azy ireo ho hareny?

  • Andianteny inona amin’ny 3 Nefia 24:16 no milazalaza momba ireo izay hotehirizin’ny Tompo toy ny hareny? (“Ireo izay matahotra ny Tompo” sy “nihevitra ny anarany.”)

Manoràta hoe matahotra ny Tompo sy mihevitra ny anaran’ny Tompo eo ambanin’ny hoe Miverena amin’ny Tompo.(Azonao atao ny manazava fa amin’ity votoatin-kevitra ity, ny teny hoe matahotra dia midika hoe fanajana.) Asao ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Eritrereto hoe manao ahoana ianao eo amin’ny sehatry ny fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra ary ny fahatsiarovana matetika an’i Kristy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao “miverina” Aminy na mihatsara amin’ireo zavatra ireo?

3 Nefia 25

Namerina niteny ny faminanian’i Malakia i Jesoa Kristy fa hiverina i Elia alohan’ny Fiaviana Fanindroany

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 25:1–3. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady antony iray mahatonga ny Fiaviana Fanindroany ho fitahiana ho an’ireo izay mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitany. Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny 3 Nefia 25:1, ny teny hoe faka dia milaza ny razambe ary ny teny hoe sampana dia milaza ny taranaka. Noho izany dia tsy hahazo ireo fitahiana amin’ny famehezana azy amin’ireo razambeny sy taranany ireo ratsy fanahy amin’ny fiainana ho avy. Ao amin’ny 3 Nefia 25:2, ny fehezanteny hoe “zanak’omby ao am-pahitra” dia milaza zanak’omby izay ao amin’ny toerana azo antoka sy ampy sakafo ary voakarakara. Nampanantena ny Tompo fa hiaro sy hikarakara tahaka izany ireo izay “matahotra ny anara[ny]” Izy.

Hazavao fa i Malakia dia naminany momba ny zavatra izay hitranga alohan’ny Fiaviana Fanindroany ary handray anjara amin’izany i Elia mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 25:5–6 ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra izay hataon’i Elia mba hanampiany amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fiavian’ny Tompo.

Anontanio an’ireo mpianatra izay zavatra fantany mikasika ny fiverenan’i Elia ety an-tany, izay tafiditra ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Azonao atao ny manampy ny valintenin’izy ireo amin’ny fanazavana fa tamin’ny 3 Aprily 1836, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, izay vao notokanana, i Elia (jereo ny F&F 110:13–16). Tamin’izany fotoana izany dia naverin’i Elia tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hamehezana ny fianakaviana ho mandrakizay ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana dia hitantsika ireo havantsika izay afaka hanaovantsika ôrdônansin’ny tempoly.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe i Elia dia “hampitodika ny fon’ny ray amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka amin’ny ray”?

  • Nahoana no fitahiana ho anao ny mahafantatra fa afaka ny hofehezina mandrakizay miaraka amin’ny fianakavianao ianao?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mitodika amin’ireo raintsika ny fontsika amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa ao amin’ny tempoly, dia manampy amin’ny fanomanana ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.

3 Nefia 26:1–12

Nanazava ny soratra masina i Jesoa Kristy ary nampianatra izay tokony hatao mba handraisana ireo zavatra lehibe kokoa nambaran’ny Mpamonjy i Môrmôna

Fintino ny 3 Nefia 26:1–5 amin’ny fanazavana fa taorian’ny nizaran’ny Mpamonjy ireo faminanian’i Malakia, dia nampianariny ny vahoaka “ny zavatra rehetra izay ho tonga eto ambonin’ny tany” hatramin’ny Fahariana ka hatramin’ny Fitsarana Farany (3 Nefia 26:3–4).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 26:6–8 ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra hoe ampahafirin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy no voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 26:9–11 mba hitady ny antony tsy nampidiran’i Môrmôna ny zavatra rehetra nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Nefita tao amin’ny famintinana nataony. Hamafiso fa ny teny hoe mino ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia midika fa mila manao asa araka ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nambaran’Andriamanitra isika fa tsy manantena fotsiny hoe marina izy ireny.

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 26:9 dia inona no nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mino sy manao asa araka izay zavatra nambarany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso fa rehefa mino sy manao araka izay nambaran’Andriamanitra isika, dia manomana ny tenantsika handray fanambarana lehibe kokoa.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ilaina ny hinoantsika ireo fahamarinana izay efa noraisintsika alohan’ny ahafahantsika mandray fahamarinana fanampiny?

  • Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mino izay nambaran’ny Tompo isika?

Ampanantenao an’ireo mpianatra fa rehefa mandalina sy mampihatra am-pahatokiana ireo fitsipika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo dia hitombo hatrany ny fahatakarany ny filazantsara. Ampio ny mpianatra hisaintsaina hoe manao ahoana ny fandraisany ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanasana azy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina (azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe):

  • Inona no zavatra ataonao eo amin’ny fiainanao izay maneho ny finoanao ny Bokin’i Môrmôna?

  • Oviana ny famakianao ny Bokin’i Môrmôna amin’ny tena finiavana no nahatonga anao hahazo fanambarana ho an’ny tenanao manokana?

3 Nefia 26:13–21

Namarana ny asa fanompoanyt ety an-tany teo anivon’ireo Nefita ny Mpamonjy, ary nanaraka ny ohatra nasehony ireo mpianany tamin’ny asa fanompoana nataon’izy ireo

Hazavao fa ao amin’ny 3 Nefia 26, dia mamintina ny ambin’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita i Môrmôna. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 26:13–16. Azonao atao ny manome torohevitra ireo mpianatra hanisy marika ny sasany amin’ireo zavatra nataon’ny Mpamonjy ary nosafidian’i Môrmôna mba ho antitranterina.

Raha ampy ny fotoana dia asao ny mpianatra hamerina hijery sy hisaintsaina izay nosoratany sy izay nasiany marika tao amin’ny soratra masina avy amin’ny fandalinana ny 3 Nefia 11–25. Amporisiho izy ireo hitady ireo fampianarana sy ireo zava-nitranga nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita, izay nanan-danja tamin’izy na raikitra tao amin’ny fitadidiany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany mikasika ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 24:11. Ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Nampanantena ny Tompo fa holevileveny ny mpibosibosika noho ny amintsika. … Moa ve tsy tafiditra ao anatin’izany fandevilevena ny mpibosibosika izany ny fiarovana ireo ezaka sy zavatra nanahirana antsika manokana?

“Misy ny fitahiana lehiben’ny fahendrena, ny fahalalana, dia ireo rakitsoa miafin’ny fahalalana. Nampanantenaina antsika fa ho antsika ny tany mahafinaritra raha miaina ao anatin’ny fankatoavana ity lalàna ity isika. Azoko adika hoe olona ny teny hoe tany, ka ireo izay miaina ao anatin’ny fankatoavana dia ho olona mahafinaritra. Tena toe-javatra mahafinaritra tokoa izany hoe olona mahafinaritra izany, izay raisin’ny hafa ho toy ny olona notahiana!” (“Tithing: An Opportunity to Prove Our Faithfulness,” Ensign, Mey 1982, 40).

3 Nefia 25:1–6. “Izaho haniraka an’i Elia mpaminany”

Nanao fanamarihana mikasika ny nisehoan’i Elia tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

“Tena mahaliana ny mahafantatra fa tamin’ny andro fahatelon’ ny Aprily 1836 dia nankalaza ny andro firavoravoan’ny Paska ny Jiosy, ary navelan’izy ireo hisokatra ny varavaran’ny tranon’izy ireo ho an’ny fahatongavan’i Elia. Tonga tokoa i Elia tamin’io andro io, saingy tsy tany amin’ny tranon’ny Jiosy, fa tao amin’ny Tempoly tao amin’ny tanàna kelin’i Kirtland … niseho tamin’ny mpanompo manetry tena roa an’ny Mpamonjy” (Church History and Modern Revelation, boky 4. [1946], 3:84).

Tamin’ny fotoana nanaovany an’io fanambarana io dia niresaka mikasika ny fomba nenti-paharazan’ny vahoaka Jiosy ny Filoha Smith, izay mino ny faminanian’i Malakia mikasika ny fiverenan’i Elia (jereo Malakia 4:5–6). Isaky ny Paska dia fianakaviana Jiosy mahatoky maro no manao fiaraha-misakafon’ny Paska ary mamela toerana malalaka iray eo amin’ny latabatra ho an’i Elia. Avelan’izy ireo hisokatra ny varavarana sao dia hanapa-kevitra hiaraka amin’izy ireo i Elia.

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ilay fahatongavan’i Elia tao amin’ny Tempolin’i Kirtland:

“Ny fiverenan’i Elia teto ambonin’ny tany dia nitranga tao amin’ny tempoly voalohany nitsangana nandritra ity fotoampitantanana ity, izay nanankinan’ny tenany, sy nanankinan’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra hafa, eo ambany fitarihan’ny Tompo, ny fanalahidy manokan’ny fahefan’ny fisoronana ho an’ny Fiangonana izay naverina tamin’ny laoniny. …

“Tsy tonga mba hampavitribitrika amin’ny fikarohana razambe fotsiny i Elia. “Nanome fahafahana ihany koa ireo fianakaviana maro mba hifandray mandrakizay hatrany ivelan’ny fiainana an-tany izy. Marina tokoa fa ny fahafahan’ny fianakaviana ho voafatotra mandrakizay no tena anton’ny fikarohana ataontsika” (“A New Harvest Time,” Ensign, Mey 1998, 34).

3 Nefia 25:1–6. “Mianatra sy miaina ny Fanahin’i Elia”

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

“Manasa ireo tanoran’ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’i Elia sy hiaina izany. Mamporisika anareo aho handalina, sy hikaroka momba ireo razambenareo ary hiomana hanatanteraka batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena ao amin’ny tranon’ny Tompo ho an’ireo razambenareo (jereo F&F 124:28–36). Ary mamporisika anareo aho hanampy ireo olona hafa hamantatra ny tantaram-pianakaviana.

“Raha toa ka manaiky amim-pinoana izany fanasana izany ianareo, dia hitodika any amin’ny ray ny fonareo. Hitoetra ao am-ponareo ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba. Ilay tsodranon’ny patriarika voarainareo izay ahitana fanambarana momba ny rohim-pirazanana dia hampifandray anareo amin’ireo rainareo ireo ary ho lasa manan-danja bebe kokoa aminareo. Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Ho lalim-paka sy haharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo hanaraka Azy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ny fisarihana mahery vaika ataon’ny fahavalo ianareo. Ho voaro ianareo ao anatin’ny fahatanoranareo sy mandritra ny fiainanareo rehefa mandray anjara ao anatin’izany asa masina izany ary mitia izany” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 26–27).

3 Nefia 25:6. Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin’ireo rainy

Tokotokony ho tamin’ny taona 430 talohan’i J.K.dia naminany ny mpaminany Malakia fa hiverina eto an-tany i Elia “fandrao ho avy Aho ka hamely ny tany amin’ny ozona” (Malakia 4:5). Ity faminaniana ity dia tena manan-danja tokoa, ka sady hita ao amin’ Baiboly no hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy (jereo ny Malakia 4:5–6; 3 Nefia 25:5–6; F&F 2:1–3; Joseph Smith—Tantara 1:37–39). Ity faminaniana ity dia manambara fa iray amin’ny tanjon’ny fiverenan’i Elia ny hampitodika ny fon’ny zanaka amin’ny rainy.

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava mikasika ny fomba hitodihan’ny fon’ny zanaka amin’ny rainy:

Ny ray dia ireo razambentsika izay efa maty ka tsy nanana fahafahana handray ny filazantsara, fa nandray ny fampanantenana fa ho avy ny fotoana hanomezana azy ireo izany fahafahana izany. Ny zanaka dia ireo olona miaina amin’izao fotoana izao izay manomana isa sy filazana nangonina mikasika ny tetiarana ary manatanteraka ireo ôrdônansy isoloany tena ny hafa any amin’ny tempoly.

Ny fitodihan’ny fon’ny zanaka amin’ny ray dia ny fametrahana na ny fambolena ao am-pon’ireo zanaka ny fahatsapana sy ny faniriana izay hitaona azy ireo hitady ireo rakitsoratra momba ireo olona efa nodimandry. Ankoatra izany, ny fambolena ny faniriana sy ny fitsirian’ny hevitra ao am-pon’izy ireo dia ilaina. Mila hananany izany mba hankanesany any amin’ny tranon’ny Tompo sy hanatanterahany ny asa ilaina hoan’ny razambeny izay maty kanefa tsy nanana fahalalana ny filazantsara, na tsy nanana fahafahana handray ny fahafenoan’ny filazantsara” (Doctrines of Salvation, navoakan’i Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 2:127–28).

Hamoaka printy