Tahirim-pitaovana
Lesona 117: 3 Nefia 2–5


Lesona 117

3 Nefia 2–5

Fampidirana

Taorian’ny nahitan’ny vahoaka ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, dia nanomboka ho tsy talanjona firy tamin’ny famantarana izy ireo, ary nanamafy ny fony. Maro tamin’ireo olona no nandà ireo famantarana sy fahagagana hafa taty aoriana ka nihanahery tamin’ny faharatsiana. Vokatr’izany, dia nihanatanjaka tokoa ireo jirik’i Gadiantôna hany ka voatery nandray ny fitaovam-piadiany hiady amin’izy ireo ny Nefita sy ny Lamanita. Nitambatra tamin’ny Nefita ireo Lamanita niova fo ary nanjary nantsoina hoe Nefita. I Lakôneo, izay lohan’ny mpitsaran’ny Nefita, dia niantso ny vahoaka hibebaka ary nanomana azy ireo hiady. Noho ny fibebahany, sy ny finoany ny Tompo, ary ny fiomanany tamim-pahavitrihana, dia nandresy ireo jirik’i Gadiantôna ireo Nefita. Nankasitraka ny herin’Andriamanitra tamin’ny fiarovana azy ireo ny vahoaka taorian’ny fanafahana azy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 2

Nitambatra tamin’ny Nefita ireo Lamanita niova fo mba hiarovany ny tenany amin’ireo jirik’i Gadiantôna

Asao ireo mpianatra mba haka minitra vitsivitsy hanao lisitra ny sasantsasany amin’ireo zavatra niainan’izy ireo ara-panahy ao anatin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina. Ampahatsiahivo azy ireo fa tsy voatery ho mahatalanjona sy hafa kely ireo zavatra niainana ara-panahy izay vao mana-danja. Toroy hevitra izy ireo mba hisaintsaina ny fotoana nahatsapany ny fitiavan’ny Ray any an-danitra na ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ohatra, afaka manoratra mikasika ny traikefa nananany tamin’izy ireo naharay valim-bavaka izy ireo, na rehefa nandray tsodranon’ny fisoronana, na tamin’izy ireo nanompo ny hafa. Rehefa vita ny fanoratany, dia anontanio azy ireo hoe nahoana araka ny heviny no mety ho manan-danja ny mitadidy ireny zavatra niainana ara-panahy ireny amin’izao fotoana izao sy afaka 10 na 20 taona any aoriana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 2:1–3. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary hitady izay zavatra nitranga rehefa nanomboka nanadino ireo famantarana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy ny vahoaka.

  • Inona ireo fahamarinana ampianarin’ity tantara ity antsika mikasika ny maha zava-doza ny fanadinoana ireo zavatra niainana ara-panahy?

Rehefa mizara ireo fahamarinana hitany ny mpianatra dia antitrantero izao fitsipika manaraka izao: Raha manadino ireo zavatra niainana ara-panahy tany aloha isika, dia ho lasa mora handairan’ny fakampanahy sy ny famitahan’i Satana. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra izany eo ambanin’ny lisitry ny zavatra niainan’izy ireo ara-panahy.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mahatonga antsika ho mora resin’i Satana rehefa manadino ireo zavatra niainana ara-panahy?

  • Inona no azontsika atao mba hahazoantsika antoka fa tsy hanadino ireo traikefa ara-panahy izay nananantsika isika? (Mety ahitana ireto ny valiny: mizara ireo traikefa amin’ny hafa araka ny maha mety azy, manoratra ao amin’ny diarin’ny tena manokana, na mirakitra ireo zavatra niainana avy amin’ny asa ampanaovina ao amin’ny Devoir envers Dieu na Mon Progrès Personnel.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay hanazavan’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fomba nahazoany fanampiana tamin’ny fanoratana ireo traikefa ara-panahy tao anaty diary. Asao ny mpianatra hihaino ireo fitahiana izay mety ho azo avy amin’ny firaketana an-tsoratra tahaka izany.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Nanoratra andalana vitsy aho isan’andro nandritra ny taona maro. Tsy mbola nisy andro tsy nanoratako mihitsy na manao ahoana na manao ahoana faharerahako na tokony hiditra aloha aza aho ny ampitso. Alohan’ny hanoratako, dia misaintsaina izao fanontaniana izao: ’Nahita ny tanan’Andriamanitra nanampy anay na ny zanakay na ny fianakavianay ve aho androany?’ Rehefa nanao izany foana aho, dia nanomboka nisy zavatra nitranga. Rehefa nieritreritra ny zava-nitranga nandritra ny tontolo andro aho, dia nahita miharihary ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny iray [amin’ireo fianakavianay] izay tsy fantatro tao anatin’ny fotoana nahasahirana ahy nandritra ilay andro. Rehefa nitranga izany, ary nitranga matetika, dia hitako fa ny fiezahana hahatsiaro dia nahafahan’Andriamanitra nampiseho tamiko ny zavatra izay nataony.

“Nihoatra noho ny fankasitrahana ny zavatra nitombo tao am-poko. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Nanomboka nahazo antoka mihoatra noho ny hatrizay aho fa ny Raintsika any an-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka. Nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fanalefahana sy ny fanadiovana ny fon’ny olona avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary lasa nahazo toky kokoa aho fa ny Fanahy Masina dia afaka mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra—na dia ireo zavatra izay tsy tsikaritsika na tsy noraharahiantsika aza tamin’ny fotoana nisehoany” (“O Remember, Remember,” Ensign or Liahona, Nôv. 2007, 67).

Asao ireo mpianatra mba hizara ny fomba nahatonga azy ireo ho mahatoky kokoa, tamin’ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ara-panahy—amin’ny alalan’ny fanoratana ao anaty diary na amin’ny fomba hafa—na eo aza ny ezaka ataon’i Satana haka fanahy na hamitaka azy ireo.

Fintino ny 3 Nefia 2:4–19 amin’ny fanazavana fa rehefa nanohy ny faharatsiany ny vahoaka, dia nihamaro sy nihanatanjaka ireo jirik’i Gadiantôna. Nihanahery setra fatratra ireo jirik’i Gadiantôna, ary ireo Lamanita niova fo dia nanambatra ny heriny tamin’ireo Nefita mba hiady amin’izy ireo. Na dia nahita fahombiazana aza ireo Nefita (niaraka tamin’ireo Lamanita niova fo, izay nantsoina hoe Nefita nanomboka teo) tamin’ny fandroahana ireo jirik’i Gadiantôna hiala ao amin’ny taniny, dia mbola notandindomin-doza ihany izy ireo 15 taona taorian’ny famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

3 Nefia 3:1–10

Nangataka ny Nefita hitolo-batana ny mpitarika ireo jirik’i Gadiantôna

Hazavao fa ao amin’ny 3 Nefia 3:1–10 dia ahitantsika ohatra iray maneho ny fomba hiasan’ny fahavalo amin’ny alalan’ny olon-kafa indraindray mba hamparefo ny finoantsika sy hitarika antsika ho very. I Gidiania, ilay mpitarika ireo jirik’i Gadiantôna, dia nanoratra taratasy ho an’i Lakôneo, lohan’ny mpitsaran’ny Nefita, mba handresen-dahatra azy hitolo-batana amin’ireo jirik’i Gadiantôna.

Soraty eo amin’ny solaitrabe hoe Naka fanahy an’i Lakôneo i Gidiania. Asao hamaky mangina ny 3 Nefia 3:2–5 ny antsasaky ny mpianatra ary ny antsasany kosa dia asao hamaky mangina ny 3 Nefia 3:6–10. Eo am-pamakian’ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ny teny na andianteny izay maneho ireo tetik’ady nampiasain’i Gidiania mba hiezahana hamparefo ny finoan’i Lakôneo sy hitarihana azy ho very. Rehefa avy mamaky ireo mpianatra dia asao hanao tatitra momba izay zavatra hitany. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Mba hamintinana ireo tetik’ady hitan’ireo mpianatra ao amin’ny 3 Nefia 3:2–10, dia soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lisitra avy amin’ireo mpianatra izao fahamarinana manaraka izao: Matetika i Satana sy ireo mpiara-dia aminy no mampiasa teny manasohaso, sy fampanantenana tsy marina, ary fandrahonana mba hitarihana ny olona amin’ny fahaverezana. Asao ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo tetik’adin’i Gidiania izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe ary hanazava hoe ahoana ny fomba hampiasan’i Satana sy ireo mpanara-dia azy ny tetik’ady mitovitovy amin’izany amin’ireo tanora ankehitriny. Mba hanampiana ireo mpianatra hitrandraka ny sasany amin’ireo fampitahana ireo, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy ahitana ny fomba hampiasan’ny fahavalo teny manasohaso (fandokafana tsy amin-kitsimpo na diso tafahoatra) amin’ny tanora ankehitriny? Inona avy ireo fampanantenana tsy marina na fandrahonana tsy mitombina izay mety ampiasain’ny fahavalo? Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny tanora manohitra ireo tetik’ady ireo?

3 Nefia 3:11–5:7

Niomana ny hiaro tena ny vahoakan’i Lakôneo ary nandresy ireo jirik’i Gadiantôna izy ireo

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 3:11–12. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fihetsika nasehon’i Lakôneo nanoloana ny taratasy fandrahonan’i Gidiania.

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika hianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Lakôneo tamin’i Gidiania? (Anisan’ny fahamarinana iray mety ho hitan’ireo mpianatra ny hoe tsy tokony hatahotra ny ratsy fanahy sy hanaiky ny fampitahorany ny lehilahy sy vehivavy marin-toetra.)

Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra. Omeo taratasy lehibe iray ny vondrona tsirairay. Asao ireo vondrona hizara ho tsanganana roa ny taratasiny, ny iray mitondra ny lohateny hoe Fiomanan’i Lakôneo ary ny iray mitondra ny lohateny hoe Ny mifanandrify amin’izany amin’izao fotoana izao. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary omeo iray avy ny vondrona tsirairay: 3 Nefia 3:12–15; 3 Nefia 3:16–21; 3 Nefia 3:22–26; 3 Nefia 4:1–4. Asao ireo mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy mba hitady ireo fomba nanomanan’i Lakôneo ara-panahy sy ara-nofo ny vahoakany mba hanoherany ny fanafihan’ireo jirik’i Gadiantôna. Eo ambanin’ny hoe Fiomanan’i Lakôneo, dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hanoratra ny zavatra nataon’ny vahoaka mba hiomanany. (Fanamarihana: Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra, dia ataovy izay hanavahany an’i Gidiania, mpitarika ireo jirik’i Gadiantôna, sy Gidgidônia, ilay mpaminany lehibe sy lohan’ny kapiteniny teo anivon’ny Nefita.)

Rehefa avy nomena fotoana ampy hamenoana ny lisitr’izy ireo eo ambanin’ny hoe Fiomanan’i Lakôneo, ny mpianatra dia asao izy ireo hanao lisitra eo ambanin’ny hoe Ny mifanandrify amin’izany amin’izao fotoana izao ireo fiomanana ara-panahy sy ara-nofo izay nasaina hataontsika amin’izao andro farany izao. Rehefa nanana fotoana ampy tsara ireo mpianatra hanaovana izany asa izany, dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay avy mba hizara amin’ny rehetra ny zavatra nianaran’ny vondrona nisy azy. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra izay zavatra nianarany, dia mametraha fanontaniana mitovy amin’ireto manaraka ireto mandritra na aorian’ny famelabelarana ataony:

  • Ahoana no ahafahantsika manamafy orina ny tokantranontsika manoloana ny fanafihana ataon’ny fahavalo?

  • Nahoana ireo fiomanana ara-nofo—toy ny fandratoana fianarana sy ny fitehirizana ao an-trano—no manan-danja amin’izao andro farany izao?

  • Ahoana no hahazoantsika fiarovana avy amin’ny fiaraha-mivondrona ao anatin’ny fianakaviana, sy paroasy na sampana?

  • Oviana no nahazoanao hery ara-panahy avy amin’ny vavaka?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanomanan’ny fibebahana antsika amin’ny hoavy?

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa manaraka ireo mpaminany sy apôstôly velona isika?

  • Ahoana no hanasantsika ny fanahin’ny fanambarana ho ao amin’ny fiainantsika?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 4:7–12. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo fomba nitahiana ny vahoaka noho ny fiomanana ara-panahy sy ara-nofo izay nataony.

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy tamin’io tantara io? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra, dia antitrantero izao fitsipika manaraka izao: Rehefa miomana ara-panahy sy ara-nofo isika, dia hankahery antsika ny Tompo mba handresentsika ireo olana.)

Fintino ny 3 Nefia 4:13–29 amin’ny fanazavana fa i Lakôneo sy ny vahoakany dia nandresy ireo jirik’i Gadiantôna sy nahafaty ny mpitarika azy ireo. Vakio mafy ny 3 Nefia 4:30–33. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fomba fihetsiky ny vahoaka nanoloana izany fandresena izany.

  • Inona no nataon’ny vahoaka taorian’ny nanafahan’ny Tompo azy ireo tamin’ny fahavalony?

  • Inona no neken’ny vahoaka ho antony nanafaka azy tamin’ireo jirik’i Gadiantôna? (Ny fibebahany sy ny fanetren-tenany ary ny fahatsaran’Andriamanitra. Azonao atao ny manamafy fa rehefa mibebaka sy manetry tena isika, dia manohana antsika sy manafaka antsika amin’ny fitsapana lalovantsika Andriamanitra.)

Azonao atao ny mizara traikefa izay nianteheranao tamin’Andriamanitra ka nanampiany anao haharitra na handresy fitsapana iray. Azonao atao koa ny manasa mpianatra iray na roa mba hizara traikefa mitovy amin’izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 5:1–4. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady izay nataon’ireo Nefita vokatry ny fanampiana sy ireo fitahiana izay noraisiny nandritra ny ady nataony tamin’ireo jirik’i Gadiantôna. Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia antitrantero fa ny iray tamin’ireo zavatra nataon’ny vahoaka ny nitory ny filazantsara tamin’ny hafa.

3 Nefia 5:8–26

Tafaverina teo anivon’ny vahoaka ny fandriam-pahalemana; nanazava ny famintinany ireo rakitsoratra i Môrmôna

Lazao amin’ny mpianatra fa ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 5 dia mirakitra ny fanazavan’i Môrmôna ny antony namintinany ity rakitsoratra ity. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 5:12–15 mba hitady izay nolazain’i Môrmôna mikasika ny andraikiny hamintina ireo rakitsoratry ny Nefita.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay maneho ny andraikitsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika? (Na mampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia manana andraikitra isika hampianatra ny hafa ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.)

Hamafiso fa iray amin’ireo fomba manan-danja indrindra ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika amin’ny Tompo noho ireo fitahiana omeny antsika ny fanampiana ny hafa hanatona Azy sy handray ireo fitahiana ireo. Asao hanome soson-kevitra ireo mpianatra ny amin’ny fomba vitsivitsy ahafahan’izy ireo mampianatra ny hafa ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo. Amporisiho ny mpianatra hisafidy ny iray na ny roa amin’ireo soson-kevitra mba hizarana ny filazantsara ireo, sy hikatsaka amim-bavaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fanatanterahana izay nofidiany hatao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

(3 Nefia 2:15. “Nesorina taminy ny ozony”

Ho fanampiana amin’ny fahatakarana ny ozona izay natao tamin’ireo Lamanita, dia jereo ny teny nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ao amin’ny lesona 27, eo ambanin’ny hevitra enti-mampianatra ho an’ny 2 Nefia 5:19–25. Jereo ihany koa ny fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho ho an’ny Almà 3:6–17 ao amin’ny faran’ny lesona 70.

 Nefia 2:5–8. Alimanàka Nefita

Nandritra ny tantaran’izy ireo, dia mari-pamantarana karazany telo no nampiasain’ireo Nefita nentiny handrefesana ny fotoana amin’ny alimanàkany: (1) ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema; (2) ny fotoana niovan’ny fitondran’ny mpanjaka ho lasa fitondran’ny mpitsara; ary (3) ny fotoana nanomezana ny famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Tsy fantatra mazava tsara ny fotoana nanombohan’ny Nefita nanao ny alimanàkany araka ny vanim-potoana nahaterahan’i Jesoa Kristy, saingy manaiky io fiovana io i Môrmôna ao amin’ny 3 Nefia 2:7–8.

Mari-pamantarana

Vinavinam-potoana Nampiasana Azy

Andinin-tsoratra Masina

Nanomboka tamin’ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema

600–92 talohan’i J.K.

1 Nefia 1Mosià 29

Nanomboka tamin’ny fotoana niovan’ny fitondran’ny mpanjaka ho lasa fitondran’ny mpitsara

92 talohan’i J.K.–1taorian’i J.K.

Mosià 293 Nefia 1

Nanomboka tamin’ny fotoana nanomezana ny famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy

1taorian’i J.K. –421

3 Nefia 1Môrônia 10

Hamoaka printy