Tahirim-pitaovana
Lesona 123: 3 Nefia 13


Lesona 123

3 Nefia 13

Fampidirana

Nanohy ny toriteniny ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly tany amin’ny tanin’i Soafeno. Nampitandrina ny vahoaka amin’ny toetra mpihatsaravelatsihy Izy ary nampianatra azy ireo mba hanao asa feno fahamarinana, mba hanao izay sitraky ny Ray any an-danitra. Nanome torolalana ny valalabemandry ihany koa izy mba hihary harena any an-danitra ary nitarika ireo mpianany mba hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra alohan’ny hikatsahany ireo zavatra ara-nofo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 13:1–18

Nampitandrina ny Nefita tamin’ny fihatsaram-belatsihy ny Mpamonjy ary nampianatra azy ireo mba hanao asa feno fahamarinana, mba hanao izay sitraky ny Ray any an-danitra

Alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana dia manomàna taratasy hozaraina misy ity fandrefesana ny zava-bitan’ny tena manaraka ity, ary omeo tahadika iray ny mpianatra tsirairay avy. Raha toa ka tsy vitanao izany, dia afaka ampahafantarinao am-bava izany fandrefesana ny zava-bitan’ny tena izany na soratanao eny amin’ny solaitrabe.

  1. Manampy ny mahantra aho (asa atao noho ny fanoloran-tena ara-pivavahana na fanompoana ny hafa) satria:

    1. Izany no zavatra tokony hataoko.

    2. Tiako ny Tompo ary mahafinaritra ahy ny manampy ny hafa.

    3. Tiako hanana eritreritra tsara momba ahy ny hafa.

  2. Mivavaka aho satria:

    1. Te ho afaka hilaza amin’ireo ray aman-dreniko na ny evekako aho hoe “eny” rehefa manontany ahy izy ireo raha toa aho ka mivavaka.

    2. Anisan’ny zavatra fanaoko isan’andro fotsiny izany.

    3. Maniry ny hifandray amin’ ny Raiko any an-danitra aho.

  3. Mifady hanina aho satria:

    1. Manampy ahy hanantona bebe kokoa ny Mpamonjy ny fifadian-kanina.

    2. Hieritreritra ny olona sasany hoe malemy aho raha tsy mifady hanina.

    3. Miteny amiko ny ray aman-dreniko hoe tokony hifady hanina aho.

Mba hanombohana ny lesona, dia asao ny mpianatra hameno ilay fandrefesana ny zava-bitan’ny tena (na amin’ilay taratasy nozaraina izany na amin’ny kahie na amin’ny diary fandalinana soratra masina) amin’ ny alalan’ny fanondroana ny fehezanteny izay tena milaza indrindra ny zavatra mamporisika azy ireo na ny antony hanaovany fanampiana, sy hivavahany ary hifadiany hanina. Omeo toky ireo mpianatra fa tsy hangataka azy ireo hizara ny valinteniny amin’ny hafa ianao. Rehefa vitan’ny mpianatra ilay fandrefesana ny zava-bitan’ny tena dia hamafiso fa ny valinteny azo isafidiana notanisaina teo ambanin’ ny fanampiana ny mahantra, sy ny fivavahana ary ny fifadian-kanina dia mampiseho ny zavatra manosika antsika hanao azy ireo na ny antony hanaovantsika azy ireo, na hanao zavatra hafa mifandray amin’ny filazantsara (ohatra hoe hanao ireo zavatra ireo isika noho ny adidy napetraka amintsika na noho ny fanerena, noho ny faniriantsika ny hampitalanjona ny hafa, na ny hanao izay sitraky ny Ray any an-danitra).

  • Zava-dehibe ve ny antony hanaovantsika asa feno fahamarinana? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohahevitra manaraka ireto miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina miaraka aminy (azonao atao ny manao izany alohan’ny fotoam-pianarana):

Fanampiana ny mahantra: 3 Nefia 13:1–4

Vavaka: 3 Nefia 13:5–6

Fifadian-kanina: 3 Nefia 13:16–18

Hazavao fa ny 3 Nefia 13 dia mitantara fa nitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny valalabemandry Nefita tao amin’ny tempoly ary nampianatra azy ireo Izy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny antony manosika ny olona iray hanampy ny mahantra, hivavaka ary hifady hanina.

Asao ireo mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo lohahevitra telo nosoratana eny amin’ny solaitrabe. Asaivo vakian’izy ireo mangina ny andinin-tsoratra masina mifanaraka amin’ireo lohahevitra mba hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe):

  • Inona ilay antony mandrisika tsy tokony arahantsika araka ny fampitandreman’ny Tompo rehefa manao ity asa ity isika?

  • Amin’ny fomba ahoana, hoy ny Tompo, no tokony hanaovantsika ity asa ity?

Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra izany dia mety hanampy ny mamaritra ny hoe mpihatsaravelatsihy amin’ny hoe olona iray izay mitafy saritsarim-pahamarinana diso na mpitari-bato vilam-bava.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteny hitan’izy ireo amin’ireo fanontaniana roa. (Ny mpianatra dia tokony hahita avy amin’ny fikarohana nataony fa ny Tompo dia nampitandrina tamin’ny fanaovana ny asan’ny fahamarinana mba ho hitan’ny olona fotsiny ary nampianatra fa tokony hanao ny asan’ny fahamarinana isika mba hahafaly an’Andriamanitra.) Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina bebe kokoa sy hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Misy fiantraikany amin’ny fomba hanaovantsika ireo asan’ny fahamarinana ny antony manosika antsika hanao izany. Amin’ny fomba ahoana?

  • Inona avy ireo antony tsara manosika izay mety hanome hevitra ny olona iray hanao fanampiana, hivavaka na hifady hanina ao amin’ny mangingina?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka ity: Raha manao ny asan’ny fahamarinana mba hahafaly ny Ray any an-danitra isika …

  • Araka ny voalaza ao amin’ ny 3 Nefia 13:4, 6, 18, inona avy ireo fahasoavana ho azon’ireo izay manao ny asan’ny fahamarinana mba hahafaly ny Ray any an-danitra? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe: Raha manao ny asan’ny fahamarinana mba hahafaly ny Ray any an-danitra isika dia hamaly soa antsika ampahibemaso Izy.)

Asao ny mpianatra mba handinika vetivety ny fandrefesana ny zava-bitan’izy ireo manokana ary hanao tombantombana ny zavatra manosika azy ireo hanao fanampiana, hivavaka na hifady hanina. Amporisiho izy ireo mba handinika ny fomba hahafahany mampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hanatsarana ny zavatra manosika azy ireo hanao ireo asa ireo na hanao asa hafa, toy ny fandalinana soratra masina, ny fandoavana ny fahafolonkarena, ny fankanesana any am-piangonana ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

3 Nefia 13:19–24

Nampianatra ny valalabemandry mba hihary harena any an-danitra i Jesoa Kristy

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto: Harena etỳ an-tany sy Harena any an-danitra.Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra amin’ny namana iray mikasika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy amin’ny harena etỳ an-tany sy ny harena any an-danitra?

Rehefa avy nomena fotoana nifanakalozana hevitra mikasika ity fanontaniana ity ireo mpianatra tsiroaroa, dia azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny rehetra. Milazà ohatra iray teo amin’ny fiainanao mikasika ny harena iray etỳ an-tany (afaka mampiseho fananana sarobidy iray anananao ianao) sy ohatra iray mikasika ny harena any an-danitra (afaka mampiseho ny sarin’ny fianakavianao na milaza ny maha-zava-dehibe ny fijoroanao ho vavolombelona ianao). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 13:19–23. Asaivo manaraka ny mpianatra ary hamantatra ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy momba ny fikatsahana harena etỳ an-tany sy harena any an-danitra.

  • Araka ny voalaza ao amin’ ny 3 Nefia 13:19–20, inona no maha samy hafa ny harena etỳ an-tany sy ny harena any an-danitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no handrebireben’ny fikatsahana harena etỳ an-tany antsika mba tsy hikatsaka ny harena any an-danitra? (Azonao atao ny manazava fa ny Mpamonjy dia tsy nampianatra mihitsy fa ny vola na ny fananana ara-nofo dia ratsy; nanamafy kosa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny fontsika amin’ny harena any an-danitra izay mitoetra Izy.)

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ilay fehezanteny hoe “raha … mahiratra ny masonao” ao amin’ ny 3 Nefia 13:22?) Ahoana no fomba hanehonao fanolorantena amin’ny fihariana harena any an-danitra?

Asao ny mpianatra iray hanoratra ny teny hoe Andriamanitra eo amin’ny taratasy iray ary hametraka izany eo amin’ny lafin-drindrina iray ao amin’ny efitrano fianarana. Asao ny mpianatra iray hafa hanoratra ny teny hoe Zavatr’izao tontolo izao eo amin’ny taratasy iray ary hametraka izany eo amin’ny lafin-drindrina iray mifanatrika amin’ilay teo aloha ao amin’ny efitrano fianarana. Angataho ny mpianatra iray fahatelo hijoro eny aloha ka hanatrika ilay taratasy misy soratra hoe Andriamanitra. Aorian’izay dia asaivo mihodina ilay mpianatra ary hanatrika ilay taratasy misy soratra hoe Zavatr’izao tontolo izao. Asao ilay mpianatra hanandrana hanatrika ireo taratasy roa miaraka. Angataho ny iray kilasy hamaky mangina ny 3 Nefia 13:24 ary hisaintsaina ny fomba ifandraisan’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ilay fanandraman’ilay mpianatra hanatrika ireo taratasy roa miaraka. Hazavao fa ny teny hoe mamôna dia midika hoe zavatr’izao tontolo izao na harena.

  • Inona no mampitovy ny fitadiavana hanompo an’Andriamanitra sy Mamôna amin’ny fiezahana hanatrika ireo rindrina roa miaraka?

  • Inona avy no mety ho ohatra vitsivitsy maneho ny fiezahana hanompo an’Andriamanitra sy Mamôna miaraka?

Asao ny iray kilasy mba hitsangana sy hanatrika ilay taratasy misy soratra hoe Andriamanitra.

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny manao an’Andriamanitra ho Tomponao?

  • Raha araka ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 13:24, ahoana no ahafahanao miteny fa Andriamanitra no tomponao? (Na dia mety hanome valinteny marina maro aza ireo mpianatra, dia ataovy izay hahitany izao fitsipika manaraka izao: Mba hahatonga an’Andriamanitra ho tompontsika, dia tokony ho tia sy hanompo Azy mihoatra ny zavatr’izao tontolo izao isika.)

Raha mbola eo am-pitsanganana ny mpianatra dia vakio ireo ohatra etsy ambany ary angataho ireo mpianatra hanatrika ny lafin-drindrina ilany ao amin’ny efitrano fianarana, izay ahitana ny tompo izay heverin’izy ireo fa tompoin’ilay olona—Andriamanitra sa Ny zavatr’izao tontolo izao (mamôna). Asaivo hazavain’ireo mpianatra ny antony hisafidianany hitodika tany amin’ilay nitodihany. (Azonao atao ny manova ireo ohatra ireo araka izay mety amin’ny toe-javatra iainana sy ny zavatra mahaliana ireo mpianatra ampianarinao.)

  1. Nisy zatovolahy iray nandà hanao asa izay tsy ahafahany manatrika ireo fivoriam-piangonana isak’Alahady ary naleony kosa nisafidy asa iray ambany karama kokoa kanefa tsy misakana azy tsy hanatrika ireo fivoriana ireo.

  2. Mitaraina matetika amin’ireo ray aman-dreniny ny zatovovavy iray hoe mila fitafy vaovao. Tsy takatry ny fahafaha-mividin’ny fianakaviana ireo fitafy izay tiany hovidiana.

  3. Mandoa ara-dalàna ny fahafolonkareny amin’ny vola azony amin’ny asany ny zatovolahy iray. Kanefa ny ambin’ny fidiram-bolany dia ampiasainy hividianana fialam-boly, anisan’izany ny horonantsary sy hira izay tsy mendrika, ary tsy mitahiry vola izy ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara na ny fianarana.

  4. Matetika ny zatovovavy iray no mampiasa ny ampahany amin’ny fidiram-bolany hividianana fanomezana kelikely ho fanehoam-pitiavana ho an’ny hafa.

Aorian’ilay asa natao dia asao hipetraka ireo mpianatra, ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny zavatra niainanao, nahoana no mety ho sarotra ny mitia sy manompo an’Andriamanitra mandrakariva mihoatra noho ireo zavatr’izao tontolo izao? Nahoana no mendrika hanaovana ezaka ny fametrahana an’Andriamanitra ho lohalaharana?

3 Nefia 13:25–34

Nanome torolalana ireo mpianany roambinifolo ny Mpamonjy mba hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra alohan’ny zavatra ilainy ara-nofo

Fintino ny 3 Nefia 13:25–31 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa i Jesoa Kristy dia nanome torolalana an’ireo mpianany roambinifolo mba tsy hiahiahy ny amin’ny zavatra ara-nofo ilainy amin’ny sakafo sy ny fitafiana. Hamafiso fa na dia nomena manokana ho an’ireo mpianatra roambinifolo aza ireo fampianarana ireo dia azon’ny rehetra ampiharina ireo fitsipika fonosin’izany amin’ny ankapobeny. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 13:32–33. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hamantatra ny fomba nankaherezan’ny Mpamonjy ireo mpianany mikasika ny zavatra ara-nofo ilain’izy ireo.

  • Nahoana no manampy antsika ny fahalalana fa mahafantatra ny zavatra ilaintsika Andriamanitra?

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 13:33, inona no nampanantenain’i Jesoa Kristy an’ireo izay mametraka an’Andriamanitra sy ny fanjakany ho lohalaharana eo amin’ny fiainany? (Na dia mety hamaly amin’ny fomba hafa aza ireo mpianatra, dia ataovy izay hahitany izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka ny fanjakan’Andriamanitra no katsahintsika voalohany, dia hanampy antsika amin’ny zavatra ilaintsika Izy. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no tsapanareo rehefa misy namana akaiky na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay mametraka ny tombontsoanareo sy ny zavatra ilainareo ho ambony kokoa noho ny azy? Inona no hafatra ampitaintsika amin’ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy rehefa mametraka azy ireo ho ambony kokoa noho ireo zavatra ara-nofo ilaintsika sy mahaliana antsika isika?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soaratra masina ny tanjona iray mikasika ny zavatra azon’izy ireo hatao mba hametrahana bebe kokoa an’Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany. Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitahiana azonao rehefa nikatsaka ny hametraka an’Andriamanitra sy ny fanjakany ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao ianao.

Hamoaka printy