Tahirim-pitaovana
Lesson 140: Môrmôna 7:1–8:11


Lesona 140

Môrmôna 7–8:11

Fampidirana

Taorian’ny ady farany nifanandrinan’ny Nefita sy ny Lamanita dia nanoratra ho an’ireo taranaka hoavin’ny vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny maha zava-dehibe ny fahafantaran’izy ireo hoe iza izy ireo sy ny zavatra tsy maintsy ataony mba hahafahany ho voavonjy i Môrmôna. Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny fitiavana lehibe ho an’ireo taranaka hoavin’ny fahavalony i Môrmôna ka mba “ho mandry ny amin[’izy ireo] amin’ ny andron’ ny fitsarana” (Môrmôna 7:10). Taorian’ny fahafatesan’i Môrmôna dia tavela irery nanoratra mikasika ny faharavan’ny vahoakany i Môrônia zanany lahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 7

Tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona farany nataon’i Môrmôna dia nanentana ireo taranaky ny Lamanita izy mba hino an’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny filazantsarany

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity tarehimarika 230.000 ity. Anontanio ireo mpianatra raha tsaroan’izy ireo ny fifandraisan’ity tarehimarika ity amin’ny faharavan’ny Nefita. (Isan’ireo miaramila Nefita izay maty tamin’ny ady farany izany, izay hita ao amin’ny Môrmôna 6. Tsara raha hazavainao fa ny tarehimarika ao amin’ny Môrmôna 6:10–15 dia milaza fotsiny ireo izay niady tamin’ilay ady, fa tsy tafiditra ao ireo maro hafa izay maty vokatry ny ady.) Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe isan’ireo izay tsy maty tamin’ny ady lehibe izy ireo, ny fianakaviany sy ireo namany dia maty ary resy tamin’ny ady ny firenen’izy ireo. Omeo fotoana fohy hieritreretana ny zavatra mety holazainy izy ireo raha toa ka mamela hafatra ho an’ny taranaky ny vahoaka izay namono ireo olon-tiany ary nandresy ny fireneny.

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 7:1–4 ireo mpianatra ary hikaroka ny sasantsasany amin’ireo tenin’i Môrmôna farany ho an’ireo taranaky ny Lamanita.

  • Inona no tian’i Môrmôna ho fantatr’ireo taranaky ny Lamanita?

  • Inona amin’ny toetoetran’ny Mpamonjy no tsikaritrao eo amin’ireo tenin’i Môrmôna ho an’ireo fahavalony?

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa nampianatra ireo taranaky ny Lamanita amin’ny zavatra ilain’izy ireo atao mba hahavoavonjy azy ireo i Môrmôna. Nanana fiantrana ho an’ny olon-drehetra izy, eny hatramin’ny fahavalony.

Asao hamaky mangina ny Môrmôna 7:5, 8, 10 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Môrmôna ireo mpamaky amin’ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo. Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra ary mitanisa ireo valinteniny eo amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny milaza fa ny fampianaran’i Môrmôna dia tahaka ireo fitsipiky ny filazantsara izay mety ho nahavonjy ireo Nefita tamin’ny faharavana (jereo ny Môrmôna 3:2).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrmôna 7:6–7. Angataho hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra atolotry ny Tompo ho an’ireo rehetra izay hino Azy sy hanaiky ny Filazantsarany. Aorian’ny filazan’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia amporisiho hanoratra ity fahamarinana manaraka ity eo akaikin’ny Môrmôna 7:6–7 izy ireo: Manolotra ny famonjena ho an’ny rehetra ny Tompo ary hanavotra ireo izay manaiky ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsarany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity. Asao hanoratra ny valinteniny amin’ny fanontaniana ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra.

Araka ny voalazan’ny Môrmôna 7:7, inona avy ireo fitahiana ho an’ireo izay hita fa “tsisy tsiny” eo anoloan’Andriamanitra?

Asao hizara ny zavatra nosoratany ny vitsivitsy amin’ireo mpianatra.

Môrmôna 8:1–11

Taorian’ny fahafatesan’i Môrmôna dia tavela irery nanoratra mikasika ny faharavan’ny vahoakany i Môrônia zanany lahy

Asaivo mieritreritra fotoana izay naha irery azy ireo teo anoloan’ny toe-javatra izay nitsapana ny finoan’izy ireo ny mpianatra—mety ho toe-javatra izay mora tamin’izy ireo ny nanao zavatra ratsy satria tsy nisy nahita izy ireo. Asao izy ireo hisaintsaina raha toa ka nitombo, na nijanona toy ny teo aloha na nihena ny risi-pon’izy ireo hanaraka ny Mpamonjy sy hitandrina ny didiny nandritra izany fotoana izany.

  • Nahoana no mety tsy hisafidy ny hijanona ho mahatoky ny olona sasany rehefa izy irery ihany no manoloana ny toe-javatra iray izay hitsapana ny finoany?

  • Nahoana no mijanona ho mahatoky ny olona sasany amin’ny toe-javatra tahaka izany?

Hazavao fa maty taorian’ny ady farany nifanandrinan’ny Nefita sy ny Lamanita i Môrmôna ary tavela irery i Môrônia zanany lahy, tsy nisy na dia iray tamin’ny fianakaviany na olona iray tamin’ny vahoakany. Asao hamaky mafy ny tenin’i Môrônia ao amin’ny Môrmôna 8:1–9 ny mpianatra iray ary angataho izy ireo hijery famaritana ny toe-javatra iainan’i Môrônia. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanareo raha toa ianareo ka sendra ny toe-javatra niainan’i Môrônia?

Ampio ireo mpianatra hahita, amin’ny fampiasana ireo daty eny amin’ny faran’ny pejy na eo amin’ny famintinana ny toko, fa tokony ho 16 taona teo ho eo no lasana hatramin’ny fotoana nanoratan’i Môrmôna ireo teniny farany sy ny fotoana nanombohan’i Môrônia nanoratra teo amin’ny takelaka. Avy eo dia asao hamerina hijery indray ny Môrmôna 8:1–4 ireo mpianatra mba hikaroka ny zavatra notapahin’i Môrmôna fa ho ataony, na dia efa irery toa izany aza izy nandritra ny fotoana ela. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany. (Tokony ho hitan’izy ireo fa tapa-kevitra ny hankato ny rainy izy sy hanoratra eo amin’ny takelaka.)

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fankatoavan’i Môrônia na dia toy izany aza ny toe-javatra niainany? (Hamafiso amin’ireo mpianatra ity fahamarinana manaraka ity eo am-piresahan’izy ireo ny heviny: Na dia irery aza isika dia afaka misafidy ny hijanona ho mahatoky. Toroy hevitra ny hanoratra izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Môrmôna 8:1–4 ireo mpianatra.)

Tsindrio manokana fa nanana iraka manokana nampandraiketina azy i Môrônia. “Tafajanona [irery] mba hanoratra ny tantara mampalahelo momba ny famongorana ny vahoaka[ny]” izy (Môrmôna 8:3). Na dia tsy hiatrika toe-javatra mitovy amin’izany aza ireo mpianatra dia mety hiatrika toe-javatra izy ireo izay maha irery azy ireo ka mila mijanona ho mahatoky. Mety hiatrika toe-javatra koa izy ireo izay hananany fahatsapana ho irery na dia miaraka amin’ny olon-kafa aza izy ireo—toy ireo fotoana izay hiarahany amin’ny olona izay tsy miaina ny fitsipika iainana napetraky ny Tompo sy ny mpaminaniny.

  • Iza no fantatrareo fa nijanona ho mahatoky na dia efa irery aza izy ireo teo am-piatrehana toe-javatra sarotra?

Eo am-pamalian’ireo mpianatra ity fanontaniana ity dia apetraho ireto fanontaniana fanampiny rehetra ireto na ny sasantsasany:

  • Ahoana no fihetsik’ity olona ity nanoloana ireo toe-javatra ireo?

  • Ahoana no nitahiana ilay olona tamin’ny fanaovany ny zavatra nandidian’Andriamanitra azy mba ho ataony?

  • Ahoana no fomba hanampian’izany ohatra izany anareo?

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 8:10–11 ireo mpianatra. Asaivo jeren’izy ireo ny fomba izay nanohanan’ny Tompo an’i Môrônia sy i Môrmôna nandritra ny fotoan-tsarotra natrehany. (Nandefa ireo Nefita Telolahy mba hanampy an’i Môrmôna sy i Môrônia ny Tompo; jereo koa ny 3 Nefia 28:25–26.) Antitrantero fa raha toa ka mahatoky an’Andriamanitra isika mandritra ny toe-javatra ahatsapana ho irery na sarotra dia hanampy antsika hijanona ho mahatoky Izy. Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto mba ifanakalozana hevitra momba ity fahamarinana ity:

  • Oviana ianao no nankatò ny iray tamin’ireo didin’ny Ray any an-danitra tanatin’ny toe-javatra miavaka sarotra iray? Ahoana no nahatsapanao fa notahiana ianao noho ny fanaovana izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny miomana ankehitriny mba ho mahatoky amin’ireo toe-javatra sarotra amin’ny fotoana hoavy?

Mba hanentanana ireo mpianatra hijanona ho mahatoky, eny fa na dia anatin’ny toe-javatra izay tsy maintsy hijoroan’izy ireo irery aza, dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson manaraka ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’ isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. Moa ve isika manana herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy amin’ ny finoantsika, na dia voatery hijoro irery aza isika noho ny fanaovana izany? … Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona hatrany hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerimpo tokoa, ary feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra (“Sahia Mijoro Irery,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 60, 67).

Farano amin’ny fizarana zavatra niainanao izany rehefa nitahy anao ny Tompo noho ny fijanonanao ho mahatoky tamin’ny toe-javatra nitaky anao ho irery na sarotra.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: manentana. Hazavao fa ny dikan’ny hoe: manentana dia mamporisika amin’ny faniriana mivaivay ireo hafa mba hanao zavatra. Hazavao fa ireo teny faran’i Môrmôna ao amin’ny Môrmôna 7 dia ohatra tsara amin’ny fanentanana. Zarao tapa-taratasy kely ny mpianatra ary lazao izy ireo fa hanoratra fanentanana izay mifototra amin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asaivo soratan’ireo mpianatra ery amin’ny tampon’ilay taratasy ny hoe: “Somary hiteny ihany amin’ ny zatovon’ny andro farany aho.” Asao hisafidy andinin-tsoratra masina fehezina iray izay tiany indrindra ny mpianatra tsirairay ary avy eo hanoratra fanentanana ho an’ny zatovon’ny andro farany avy amin’izany andalana izay nosafidiany izany. Afaka manome famintinana ny fahamarinana fototra hita ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fehezina ilay fanentanana sy fanazavana ny antony maha zava-dehibe ho an’ny zatovo ireo fahamarinana ireo ary fanasana mba hampihatra araka ireo fahamarinana ireo. Afaka faranana amin’ny fampanantenana iray toy ilay iray izay hita ao amin’ny Môrmôna 7:7 na Môrmôna 7:10 ny fanentanana. Angataho hizara amin’ny ankizy ny fanentanana voasorany ny mpianatra vitsivitsy. Azonao atao ny manangona ireo fanentanana ireo mba ho toy famantarana ampiasaina ho an’ny asa fihefehezana soratra masina amin’ny manaraka na ampiasaina ao am-pianarana.

Fanamarihana: Azonao ampiasaina amin’ny fotoana izay mahamety azy mandritra ny lesona izany. Ohatra, afaka ampiasainao any amin’ny faran’ny lesona izany, na ampiasainao izany aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Môrmôna 7.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 7. Fiangaviana farany nataon’i Môrmôna mba hino an’i Kristy

Nanazava ny fiangaviana farany nataon’i Môrmôna mba hino an’i Kristy, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Fiangaviana izay nosoratany ho an’ireo olona amin’izao androntsika izao taorian’ny nanatrehany ny famongorana ny firenena iray manontolo:

“Teo am-piatrehana ny fahafatesana irery i Môrmôna no nampita ny fisainany namakivaky ny fotoana sy ny toerana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo ‘sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely’ izay hamaky ity rakitsoratra manan-danja ity indray andro any. Ireo izay miaina amin’ny fotoana sy toerana hafa dia tsy maintsy mianatra fa ireo izay maty talohany dia nanadino—fa ny rehetra dia tokony ‘mino an’i Jesoa Kristy, fa Izy no Zanak’ Andriamanitra,’ fa taorian’ny fanomboana Azy tao Jerosalema no ‘[nitsanganany indray] … tamin’ny alalan’ny herin’ny Ray, tamin’izany no efa nahazoany fandresena tamin’ny fasana, ary tao Aminy koa dia voatelina ny fanindronan’ny fahafatesana.

“‘Ary Izy no manatanteraka ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty … [sy] ny fanavotana izao tontolo izao.’ Ireo izay avotra, noho i Kristy, dia afaka ny hifaly ‘ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay tsy manam-piafarana.’ [Môrmôna 7:2, 5–7.] …

“Ny ‘mino an’i Kristy’ no fiangaviana farany sy hany fanantenan’i Môrmôna, indrindra fa rehefa nifanehitra tamin’ny voka-dratsy mandoza kanefa azo ialana toy izany. Izany no tanjona lehibe an’ny boky manontolo mitondra ny anarany, izay hivoaka amin’ny fotoan’ny andro farany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 321–22).}

Hamoaka printy