Tahirim-pitaovana
Lesona 138: Môrmôna 3–4


Lesona 138

Môrmôna 3–4

Fampidirana

Taorian’ny nahazoan’ny Nefita ny taniny indray avy tamin’ny Lamanita dia niomana hiatrika ady indray izy ireo. Niangavy ireo Nefita mba hibebaka i Môrmôna. Tsy izany anefa no nataony fa nirehareha kosa tamin’ny heriny izy ireo ary nianiana fa hamaly faty ireo rahalahiny lavo. Nandà ny tsy hitarika ny tafika Nefita i Môrmôna satria nandrara ny vahoakany tsy hikatsaka valifaty ny Tompo, ary dia resy izy ireo. Raha mbola nikiry tao anatin’ny faharatsiana ireo Nefita dia nandrotsaka ny famaizany teo amin’izy ireo Andriamanitra ary dia nanomboka nandringana azy ireo teto an-tany ireo Lamanita.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 3:1–8

Nitsimbina ireo Nefita tamin’ny ady ny Tompo mba hananan’izy ireo fahafahana ny hibebaka kanefa nanamafy ny fony izy ireo

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny fotoam-pianarana: Moa efa nisy fotoana nahatsapanao fa niezaka nisarika ny sainao ny Tompo ary namporisika anao hanova zavatra eo amin’ny fiainanao?

Atombohy amin’ny fangatahana ireo mpianatra hizara ny valinteniny amin’ny fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ny fotoam-pianarana. (Lazao izy ireo fa tsy voatery hizara zavatra mikasika loatra ny tenany manokana izy ireo.) Azonao atao koa ny mizara traikefa iray.

Hazavao fa tian’ny Tompo ny hisarika ny sain’ireo Nefita mba ahafahan’izy ireo miova amin’ny fomba ratsiny. Na izany aza dia nanamafy ny fony ireo Nefita ary tsy nahatsikaritra fa ny Tompo dia nitahy azy ireo tamin’ny ady nifanaovany tamin’ny Lamanita. Taorian’ny nanaovan’ny Nefita fifanekena tamin’ny Lamanita sy ireo jirik’i Gadiantôna (jereo ny Môrmôna 2:28) dia niaro azy ireo ny Tompo, nahafahan’izy ireo niaina 10 taona tsy nisy romoromo. Nandritra ireo taona ireo dia nanampy ny Nefita hiomana amin’ireo fanafihana hoavy i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 3:1).

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 3:2–3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mikaroka ny zavatra tian’ny Tompo hataon’ireo Nefita nandritra ny fotoan’ny fiadanana izay nomeny azy ireo.

  • Inona no hafatra nodidian’ny Tompo ho ampitan’i Môrmôna amin’ny Nefita? Nahatakatra izany hafatra izany ve ny Nefita? Ahoana no fihetsik’ireo Nefita manoloana ilay hafatra?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môrmôna 3:3, nahoana no nitsimbina ny Nefita nandritra ny ady nifanaovan’izy ireo farany ny Tompo na dia teo aza ny faharatsiana niainan’izy ireo?

  • Inona no fahamarinana afaka faritanao avy amin’ny fifandraisan’ny Tompo amin’ireo Nefita izay voarakitra ao amin’ny Môrmôna 3:2–3? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra. Fintino ny valintenin’izy ireo amin’ny fanoratana izao fahamarinana manaraka izao eo amin’ny solaitrabe: Manome fotoana ampy mba hibebahantsika amin’ny otantsika ny Tompo. Toroy hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany fahamarinana izany ao anaty soratra masiny.)

Fintino ny Môrmôna 3:4–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niaro avo roa heny ireo Nefita ny Tompo nandritra ny ady, na dia teo aza ny faharatsiany sy ny tsy firahirahian’izy ireo ny hiverina Aminy.

  • Mampianatra anao inona amin’ny toetrany ny fiarovan’ny Tompo ny Nefita? (Mety ho toy izao ny valinteny: Mamindra fo sy manana faharetana ny Tompo.)

Mariho tsara fa manome antsika rehetra “fotoana hibebahana” (Môrmôna 3:3) ny Tompo. Angataho hisaintsaina am-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ireo mpianatra:

  • Moa nanaiky an-tsitrapo ny hibebaka sy hanao ireo fanovana tian’Andriamanitra ataonao ve ianao? Moa misy fanovana azonao atao ve ankehitriny mba hahatonga anao ho olona araka ny tian’Andriamanitra hahatongavanao?

Ijoroy ho vavolombelona ny hatsaram-panahy sy faharetan’Andriamanitra amin’ny fanomezana antsika fotoana hibebahana. Asao ireo mpianatra hijery manokana ireo fahafahana sy fanasana mba hitondra fanovana eo amin’ny fiainan’izy ireo ary entano izy ireo hanao izany fanovana izany avy hatrany.

Môrmôna 3:9–22

Nitombo ny faharatsian’ireo Nefita ary nandà ny tsy hitarika ny tafika i Môrmôna

Hazavao fa tsy nanaiky ny fanasan’ny Tompo azy ireo mba hibebaka ny Nefita fa vao mainka nanamafy ny fony. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môrmôna 3:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary mikaroka ny fihetsika nataon’ireo Nefita nanoloana ny fandresena maro azony tamin’ny Lamanita. (Azonao ambara amin’ny mpianatra fa ny teny hoe hamaly faty ao amin’ny andininy faha 9 dia midika hoe hikatsaka valifaty.)

  • Ahoana no fihetsik’ireo Nefita taorian’ireo fandreseny tamin’ny Lamanita?

  • Nahoana no ratsy ho an’ireo Nefita ny nirehareha tamin’ny tanjany? Inona no asehon’izany fireharehana izany amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môrmôna 3:11–13. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny fihetsik’i Môrmôna rehefa hitany fa nianiana ny hamaly faty ireo Nefita.

  • Inona no nataon’i Môrmôna rehefa naneho ny faniriany hamaly faty ireo Lamanita ny Nefita?

  • Moa efa nikatsaka hamaly faty olona iray ve ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no fihetsika voajanahary ho an’ny ankamaroan’ny olona ny fikatsahana hamaly faty?

  • Nitarika ny tafika Nefita nandritra ny 30 taona mihoatra i Môrmôna, na dia teo aza ny faharatsian’izy ireo. Inona no ampianarin’ny fandavan’i Môrmôna hitarika ny tafika ny maha ratsy ny fikatsahana valifaty?

Asao hamaky ny Môrmôna 3:14–16 ny mpianatra iray ary entano ireo ambiny hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Môrmôna mikasika ny fikatsahana valifaty.

  • Ahoana no fahatsapan’ny Tompo mikasika ny fikatsahana hamaly faty? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra. Fintino ny valintenin’izy ireo amin’ny fanoratana izao fahamarinana manaraka izao eo amin’ny solaitrabe: Mandrara antsika tsy hikatsaka valifaty ny Tompo.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireo andininy 14–16 dia asaivo lazain’ireo mpianatra amin’ny teniny ny ampahany voalohan’ny Môrmôna 3:15 (“Ahy ny famaliana, ary Izaho no hamaly”).

  • Nahoana no zava-dehibe ny tsy fikatsahana hamaly faty? Ahoana no ahafahana mandresy ireo faniriana hamaly faty?

Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra ny fomba handresena firehetam-po hamaly faty dia asao ireo mpianatra hamaky mafy ny torohevitra manaraka avy tamin’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Raha mety dia omeo tahadika iray avy amin’ity teny nambara ity ny mpianatra tsirairay.

Sary
Filoha James E. Faust

“Mila mahafantatra sy manaiky ireo fahatezerana isika. Mitaky fanetren-tena ny fanaovana izany, kanefa raha mandohalika isika sy mangataka amin’ny Ray any an-danitra ho amin’ny famelan-keloka dia hanampy antsika Izy. Takian’ny Tompo amintsika ’ny hamela ny olon-drehetra’ [F&F 64:10] ho an’ny tombontsoantsika manokana satria ’manakana ny fivoarana ara-panahy ny fankahalana.’ [Orson F. Whitney, Gospel Themes (1914), 144.] Rehefa voatositsika ihany ny fankahalana sy ny lolompo vao afaka mampionona ny ao am-pontsika ny Tompo. …

“… Rehefa mitranga ny loza dia tsy tokony ho fikatsahana hamaly faty no fihetsitsika fa hamela kosa ny fahamarinana ho tò ary avy eo hanadino izany. Tsy mora ny manadino sy manafoana ao am-pontsika ny zavatra izay nahatonga lolompo. Nanolotra ho antsika rehetra fiadanana sarobidy avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, kanefa tsy hitranga izany raha tsy manaiky an-tsitrapo ny hanaisotra ireo fahatsapana ratsy avy amin’ny fahatezerana, haratsiam-panahy na valifaty isika” (“The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 69).

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 3:17, 20–22 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra ny zavatra tian’i Môrmôna ho fantatsika. Asaivo asian’ny mpianatra marika ny torohevitr’i Môrmôna mba “hibebaka sy hiomana ny hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy” (Môrmôna 3:22).

Môrmôna 4

Nanomboka nandringana ireo Nefita hiala ny tany ny Lamanita

Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha mahafantatra olona izay nanao fahadisoana kanefa mbola tsy tratra na mbola tsy nizaka ny vokatry ny hadisoana nataony. Angataho hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra:

  • Moa efa nanontany tena ve ianao hoe rahoviana no hizaka ny vokatry ny safidy ratsy nataony ny olona iray izay fantatra fa nisafidy ny ratsy?

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 4:1–2 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nitranga tamin’ny tafika Nefita teo am-pikatsahan’izy ireo hamaly faty ny Lamanita. Avy eo dia asaivo mamaky am-pahanginana ny Môrmôna 4:4 ireo mpianatra ary hikaroka ny antony tsy nahitan’ny tafika Nefita fahombiazana. Asaivo milaza ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Asaivo mamaky mafy ny Môrmôna 4:5 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ireo fahamarinana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny vokatry ny fikirizana ao amin’ny faharatsiana. Asao hizara ny zavatra hitany ireo mpianatra ary soraty eo amin’ny solaitrabe ny fahamarinana avy ao amin’ny Môrmôna 4:5: “Hanatratra ny ratsy ny fitsaran’Andriamanitra.” Toroy hevitra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra.

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 4:10–12 ireo mpianatra ary hikaroka ny famariparitana ny faharatsian’ny Nefita. Asao hizara ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrmôna 4:13–14, 18, 21–22. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny ary hikaroka ny fomba namaizan’Andriamanitra ireo Nefita avy tamin’ny fitsarany.

  • Ho anao, inona no tena mampalahelo amin’ity tantara ity?

Sariho amin’ireo fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Asao hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany izy ireo. Entano izy ireo hanaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina izay voarainy eo am-pisaintsainany.

Ijoroy ho vavolombelona ny hatsaram-panahy sy fitiavan’ny Tompo amin’ny fanomezany antsika fotoana ampy mba hibebahana. Ijoroy ho vavolombelona koa fa ho tonga amin’ireo izay mikiry iaina ao amin’ny ota hatrany ny vokatr’izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 3:9–10. Fianianana

Nilaza i Môrmôna fa nianiana “tamin’ny lanitra, ary koa tamin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra” ireo Nefita fa hamaly faty amin’ireo Lamanita izy ireo (jereo ny Môrmôna 3:9–10). Manazava ny dikan’ny fianianana natao tamin’ny fotoan’andron’ny Bokin’i Môrmôna ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay manome antsika fahatakarana ny endrika maniratsiran’ny fanandraman’ny Nefita hampiditra an’ Andriamanitra ao amin’ny valifatiny.

“Ity fomba mianiana tamin’ny andro fahiny ity dia misy dikany lalina kokoa izay tsy takatry ny ankamaroantsika.

“Ohatra: Nikatsaka ny hahazo ireo takela-barahina teo an-tanan’i Labana i Nefia sy ny rahalahiny. Notandindomi-doza ny ain’izy ireo. Kanefa dia nianiana i Nefia hoe: ‘Raha velona koa ny Tompo ary raha velona koa isika, dia tsy handeha hidina any amin-draintsika any an-tany foana raha tsy efa tontosantsika ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo antsika.’ (1 Ne. 3:15.)

“Noho izany, niara-dalana tamin’i Nefia Andriamanitra. Raha toa ka tsy nahazo ireo takelaka izy dia milaza izany fa tsy nahomby Andriamanitra. Ary satria tsy mba olona tsy mahomby Andriamanitra dia andraikitr’i Nefia ny maka ireo takelaka na mamoy ny ainy amin’ny fiezahana haka izany” (“The Doctrine of the Priesthood,” Ensign, Mey 1982, 33).

Hamoaka printy