Tahirim-pitaovana
Lesona 141: Môrmôna 8:12–41


Lesona 141

Môrmôna 8:12–41

Fampidirana

Taorian’ny nanoratany mikasika ny famongorana ny vahoakany sy ny fahafatesan’ny rainy dia naminany ny amin’ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna sy nampitandrina amin’ny vokatry ny fandavana izany i Môrônia. Hitan’i Môrônia fa hivoaka amin’ny andro hisian’ny faharatsiana lehibe ny rakitsoratry ny Nefita, fotoana izay hitiavan’ny maro ny zavatr’izao tontolo izao mihoatra an’Andriamanitra. Nijoro ho vavolombelona izy fa hanana ny lanjany lehibe eo anivon’ny toe-java-mandoza iainana ara-panahy izay hisy amin’ny andro farany ny Bokin’i Môrmôna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 8:12–32

Maminany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia

Manomana sary na fitaovana izay maneho ny fandrosoana ara-teknôlôjia alohan’ny fotoam-pianarana. Sariho amin’ireo zavatra ireo ny sain’ny mpianatra alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. Asao hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity ny mpianatra iray:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Te hiresaka momba ny fanomezana anankiray izay isan’ny manan-danja indrindra nomena an’izao tontolo izao amin’izao vanim-potoana maoderina izao aho. Ilay fanomezana resahiko eto dia manan-danja kokoa noho ireo famoronana izay nateraky ny fandrosoana teo amin’ny lafin’ny indostria sy ny teknôlôjia. Izany dia fanomezana manana lanjany lehibe ho an’ny zanak’olombelona, eny, mihoatra noho ireo fandrosoana mahafinaritra hitantsika eo amin’ny fomba fitsaboana maoderina mihitsy aza. Izany dia sarobidy kokoa ho an’ny zanak’olombelona mihoatra noho ireo fivoarana eo amin’ny fiaramanidina na ny fandehanana eny ambony tsy taka-maso eny. Izaho dia miresaka momba ny fanomezan’ny …” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 4).

  • Te hanana izany fanomezana resahin’ny Filoha Benson izany ve ianao? Nahoana?

  • Inona araka ny eritreritrareo izany fanomezana izany?

Hazavao fa nampianatra mikasika ity fanomezana ity i Môrônia. Asao ny mpianatra hamaky ny Môrmôna 8:12 mba hikarohana ilay fanomezana. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ilay andian-teny hoe “ity rakitsoratra ity” dia manondro ny Bokin’i Môrmôna. Hazavao fa niresaka momba ny fanomezana dia ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Benson.

Mba hahafahan’ireo mpianatra mahatakatra ny maha sarobidy ny Bokin’i Môrmôna dia asao izy ireo hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 8:13–16. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asaivo karohiny ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny hasarobidin’ny Bokin’i Môrmôna. Ametraho ireto fanontaniana sasantsasany na rehetra manaraka ireto avy eo izy ireo mba hanampy azy ireo hifanakalo hevitra sy hanadihady ny zavatra hitany:

  • Mety misy olona sasantsasany mieritreritra ny sanda ara-bolan’ireo takela-bolamena. Araka ny voalazan’ny Môrmôna 8:14, lafiny inona eo amin’ireo takelaka no tena “misy vidiny lehibe”? (Ampio ireo mpianatra hahita fa noho ny tsy famelan’ny Tompo mba hisy olona “[hahazo harena]” avy amin’ireo takelaka, dia tsy “misy vidiny” ireo takelaka. Kanefa kosa, ireo rakitsoratra voarakitra eo amin’ireo takelaka dia “misy vidiny lehibe.”)

  • Nilaza i Môrônia fa amin’ny alalan’ny olona izay manana “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ [Andriamanitra]” (Môrmôna 8:15) ihany no ahafahana mamoaka ny Bokin’i Môrmôna. Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo? (Eo am-pandinihana ity fanontaniana ity dia afaka asainao hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:46 ireo mpianatra, izay mitahiry ny torolalana nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith taty aoriana, talohan’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Ao amin’ny Môrmôna 8:16, amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny famaritan’i Môrônia ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna ny hasarobidy lehiben’ilay boky?

Nampitandrina ireo izay hanameloka na hanohitra ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia araka ny voarakitra ao amin’ny Môrmôna 8:17–21. Asao hamaky izany andinin-tsoratra izany ireo mpianatra ary hikaroka ireo teny fampitandreman’i Môrônia.

  • Inona ireo teny fampitandreman’i Môrônia ho an’ireo manameloka na manohitra ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no fahamarinana ianaranao avy amin’ny Môrmôna 8:22? Ahoana no hanampian’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany ny tanjona mandrakizain’ny Tompo ho tanteraka?

Hazavao fa ahitana ny tenin’i Môrônia mikasika ny vavak’ireo Olomasina mahatoky izay niaina talohan’ny vanim-potoany ao amin’ny Môrmôna 8:23–25. Niresaka azy ireo ho mikiaka ny Tompo “avy amin’ny vovoka” izy. Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ity andalan-tsoratra ity ary karohiny ny zavatra nangatahin’ireo Olomasina tany Amerika fahagola tamin’ny alalan’ny vavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nivavaka ho an’iza ireo Olomasina fahiny ireo? (Nivavaka ho an’ireo rahalahiny izy ireo—izany hoe ny Lamanita sy ireo taranany—ary ho an’ilay olona izay hamoaka ny Bokin’i Môrmôna—izany hoe ny Mpaminany Joseph Smith.)

Hazavao fa namariparitra ny toe-javatra izay hisy rehefa hivoaka ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Asaivo maka sary an-tsaina ny tenany ho eo amin’ny toerana nisy an’i Môrônia izy ireo avy eo, niaina tamin’ny fotoana 1.600 taona lasa ary nandray fahitana ho an’izao androntsika izao.

Asao hanoratra ao amin’ny kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra, hamariparitra ny toe-javatra iainana ara-panahy amin’izao androntsika izao. Rehefa nahazo fotoana ampy hanoratana ireo mpianatra dia manasà vitsivitsy avy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 8:26–32 ireo mpianatra avy eo ary hampitaha ny andalan-tsoratra nosoratan’izy ireo amin’ny famaritana mifono faminaniana nataon’i Môrônia mikasika ny androntsika. Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Asaivo ireo vondron’ny mpianatra tsiroaroa hizara ny zavatra mitovy sy samihafa teo amin’ny famariparitana nataon’izy ireo sy ny famariparitana nataon’i Môrônia.

  • Inona no hitanareo fa mitombina mikasika ny famariparitan’i Môrônia an’izao androntsika izao?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity famintinana ny faminanian’i Môrônia manaraka ity: Hivoaka amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra amin’ny andron’ny faharatsiana lehibe ny Bokin’i Môrmôna. Raha toa ka nampiranty fitaovana na sary izay maneho famoronana ara-teknôlôjia na ara-pitsaboana ianao dia apetraho eo akaikin’izany koa ny Bokin’i Môrmôna iray. Mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto, mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina sy hijoro ho vavolombelona amin’ny hasarobidin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainan’izy ireo:

  • Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika hahatohitra ny faharatsiana amin’izao androntsika izao?

  • Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa manan-danja lavitra kokoa noho ireo famoronana ara-teknôlôjia sy ara-pitsaboana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no “fanomezana anankiray izay isan’ny manan-danja indrindra nomena an’izao tontolo izao amin’izao vanim-potoana maoderina izao” ny Bokin’i Môrmôna araka ny nolazain’ny Filoha Benson?

  • Raha toa ka manontany anareo ny namana iray hoe nahoana no manan-danja aminareo ny Bokin’i Môrmôna dia inona no holazainareo?

Môrmôna 8:33–41

Hitan’i Môrônia ny andro farany ary nanameloka ny faharatsiana ara-panahy amin’izao fotoana izao izy

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny Môrmôna 8:35. Alohan’ny hamakian’izany mpianatra izany dia mariho tsara fa miresaka amintsika mivantana i Môrônia ao amin’io andininy io.

  • Inona no mety ho fiantraikan’io andininy io amin’ny fomba hamakiantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Rehefa avy nandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra dia vakio ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity, izay hiresahany ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: ’Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?’” (“Ny Bokin’i Môrmôna—Vato ifaharan’ny Fivavahantsika,” 6).

Entano hanaraka ity torohevitra ity ireo mpianatra eo am-pandalinana ny ambin’ny tenin’i Môrônia ao amin’ny Môrmôna 8.

Angataho ireo mpianatra hitadidy fotoana iray izay nahitan’izy ireo olona iray izay nila fanampiana—ara-nofo, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy na ara-panahy. Asao hieritreritra ny zavatra nataony hanampiana izany olona izany izy ireo—na, raha tsy nanampy izy ireo dia inona no mety afaka nataony. Angataho koa izy ireo hisaintsaina ny antony nisafidianany hanampy na tsy hanampy.

Manasà ankizy vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrmôna 8:33–41. Angataho hanaraka izany ny mpianatra ary hikaroka ny antony tsy hanampian’ireo olona sasany ireo izay mila fanampiana amin’izao andro farany izao.

  • Nahoana no tsy mety hanampy ireo izay mila fanampiana ireo olona sasany amin’izao andro farany izao? (Mety ho toy izao ny valinteny amin’izany: avonavona, tsifahamarinana, fitiavam-bola sy fitafiana kanto mihoatra ny fitiavana ireo izay mila fanampiana, ary faniriana hahazo dera avy amin’izao tontolo izao.)

  • Ao amin’ny Môrmôna 8:38, i Môrônia dia nampiasa ny teny mandoto. Inona avy ireo hery mitaona sasantsasany eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay azo raisina ho mpandoto? (Mety ho toy izao ny valiny: avonavona, pôrnôgrafia ary fitiavam-bola.)

Asaivo manoratra fehezanteny iray izay mamintina ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Môrmôna 8:36–41 mikasika ny andraikitsika hikarakara ny mahantra sy ireo izay mila fanampiana ireo mpianatra. Manasà ankizy iray na roa hamaky ny fehezanteniny amin’ireo mpianatra. Na mety ho samihafa aza ny tenin’ireo mpianatra, izy ireo dia tokony afaka hamaritra ity fahamarinana manaraka ity: Ho tompon’andraikitra eo anoloan’Andriamanitra amin’ny fomba izay hasehontsika amin’ireo mahantra sy ireo izay mila fanampiana isika.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny sasantsasany amin’ireo filana iombonana indrindra ao an-tsekolinareo na eo anivon’ny fiarahamonina ipetrahanareo? Inona no azon’ireo zatovon’ny Fiangonana atao entina hanampiana amin’ny fikarakarana ireo olona izay mila fanampiana? (Ampio hahatakatra ireo mpianatra fa tsy takiana amin’izy ireo ny hanome vola sy fotoana amin’ny fanaovana zava-tsoa mendrika rehetra na ho an’ny olona rehetra izay mikatsaka fanampiana. Manana fahafahana maro hanampiana ireo izay mila izany ireo tanora ao amin’ny fianakaviany sy ato am-piangonana. Ambonin’izany dia, afaka manaraka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanolotra asa fanompoana ataon’ny tenany koa izy ireo.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no azon’ny zatovon’ny Fiangonana atao mba hikarakara ireo mahantra? (Raha toa ka tsy milaza ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo mpianatra dia azonao hamafisina ny fandoavana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny alalan’ny famakiana ireo andalana eo ambanin’ny “Alahady Fifadian-kanina” ao amin’ny Miorim-paka amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], pejy 67–69.)

Aorian’izany fifanakalozan-kevitra izany dia asao hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra iray na roa azony atao entina hikarakarana ny mahantra sy ireo izay mila fanampiana ireo mpianatra. Mety hanoratra sosokevitra izay reny nandritra ny fotoam-pianarana izy ireo na ny heviny manokana. Asao hametraka tanjona hanatanteraka ny iray amin’ireo zavatra nosoratany ao anatin’ny herinandro hoavy izy ireo. Tohano izy ireo hanatontosa ny tanjony.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 8:14–18. “Hotahiana anie izay hitondra ity zavatra ity ho amin’ny mazava”

Naminany ny amin’ny Mpaminany Joseph Smith, izay voafidy hitondra ny Bokin’i Môrmôna eto amin’izao tontolo izao i Môrônia (jereo ny Môrmôna 8:15–16). Mpaminany fahiny maro hafa koa no nahalala mikasika an’i Joseph Smith ary nivavaka mba hahatontosany ny fandikana sy famoahana ho boky ireo takela-bolamena, izany dia mba hahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra (jereo ny Môrmôna 8:23–25; F&F 10:46). Niresaka ny anjara asan’i Joseph Smith tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ny marina dia, mpaminanin’ Andriamanitra tsotr’izao izy—tsy anampiana tsy analana!

“Tsy avy tamin’i Joseph Smith loatra ny soratra masina fa azo avy tamin’ny alalany. Izy no fantsona izay tamin’ny alalany no nahazoana fanambarana. …

“Zazalahy kely mpamboly sy mpiompy tsy nandia fianarana ny Mpaminany Joseph Smith. Ny famakiana ireo taratasiny sasantsasany fahiny tamin’ny endriny tamin’izany dia mampiseho fa olona tsy mahafehy loatra ny fanoratana sy ny fitsipiky ny teny ary ny famelambelaran-kevitra izy.

“Fa ny fanambarana izay tonga avy taminy tamin’ny endriky ny haisoratra voakaly dia tsy hafa fa fahagagana” (“We Believe All That God Has Revealed,” Ensign, Mey 1974, 94).

Môrmôna 8:37–38. Ahoana no ifandraisan’ny fikarakarana ny mahanatra sy ireo izay mila fanampiana amin’ny fahasambarana mandrakizay?

Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny vokatra mandrakizain’ny fikarakarana ny mahantra sy ireo izay mila fanampiana ny Eveka H. David Burton, Episkôpà Mpiahy:

“Ny tanjona, fampanantenana ary ireo fitsipika izay manamafy ny asantsika eo amin’ny fikarakarana ny mahantra sy ireo izay mila fanampiana dia mahafaoka lavitra mihoatra ny fiainana eto an-tany. Tsy mitondra soa sy mitahy fotsiny ireo izay mijaly na mila fanampiana ity asa masina ity. Amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia tsy afaka ny handova amin’ny endriny feno ny fiainana mandrakizay isika raha tsy mirotsaka tanteraka amin’ny fifampiahiana dieny isika izao eto an-tany izao. Amin’ny alalan’ny fihetsika mampiseho fahafoizana an-tsitrapo sy amin’ny fanolorana ny tenantsika hanampiana ny hafa no hianarantsika ireo fitsipiky ny fahafoizan-tena sy fanokanana selestialy” (“The Sanctifying Work of Welfare,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 81–82).

Hamoaka printy