Tahirim-pitaovana
Lesona 137: Môrmôna 1–2


Lesona 137

Môrmôna 1–2

Fampidirana

Na dia nitombo tao anatin’ny fotoan’ny faharatsiana mihoa-pampana aza i Môrmôna dia nisafidy ny ho mahatoky izy. Noho ny fahatokiany dia nolazaina izy fa hametraham-pitokiana hihazona ny rakitsoratra masin’ny vahoaka any aoriana any eo amin’ny fiainany. “Novangian’ny Tompo” (Môrmôna 1:15) izy teo amin’ny faha 15 taonany. Naniry ny hanampy ireo Nefita hibebaka izy saingy noho ny fikomian’izy ireo an-tsitrapo dia noraran’ny Tompo hitory amin’izy ireo izy. Tamin’ny taonany mbola kely toy izany dia notendrena hitarika ny tafika Nefita izy. Nihanjahanja tamin’ny heriny manokana ireo Nefita teo am-piadiana tamin’ireo Lamanita satria maro tamin’izy ireo no namery ny Fanahy Masina sy ireo fanomezam-pahasoavana hafa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 1:1–5

Nahafantatra i Môrmôna fa indray andro any izy dia hametraham-pitokiana amin’ny fihazonana ireo rakitsoratra masin’ny Nefita

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana ity alohan’ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana mba ahafahan’ireo mpianatra misaintsaina izany eo am-pahatongavan’izy ireo: Ahoana no eritreritrao rehefa miantso anao hoe Môrmôna ny olona?

Eo am-piatombohan’ny fotoam-pianarana dia asao hamaly ny fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Aorian’ny fifanakalozan’izy ireo hevitra mikasika izany fanontaniana izany dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ity teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley manaraka ity:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Na dia tsy azoazoko aza tsindraindray ny tsy fiantsoan’ny olona ity fiangonana ity amin’ny tena anarany dia faly aho fa ny anaram-bosotra ampiasain’izy ireo dia iray amin’ireo maneho voninahitra lehibe izay avy amin’ny lehilahy mahatalanjona iray sy boky iray izay mitahiry fijoroana ho vavolombelona tsy manan-tsahala mikasika ny Mpanavotra an’izao tontolo izao.

“Ireo izay mahafantatra ilay lehilahy Môrmôna, amin’ny alalan’ny famakiana sy fisaintsainana ny teniny, ireo izay mamaky ity haren-tsoa sarobidin’ny tantara ity, izay azo lazaina fa voatambatra sy voatahiry tamin’ny alalany, dia hahafantatra fa ny hoe: Môrmôna dia tsy teny maneho laza ratsy, fa maneho kosa fahatsarana lehibe—izay avy amin’Andriamanitra” (“Mormon Should Mean ’More Good,’” Ensign, Nôv. 1990, 52–53).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny hevi-dehiben’ny Môrmôna 1–2 dia hazavao fa 320 taona taty aorian’ny nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita dia saika efa niaina tao anatin’ny faharatsiana daholo ny olon-drehetra. Tamin’izany fotoana izany i Amarôna, lehilahy marin-toetra iray izay mpihazona ny rakitsoratra, dia “noteren’ny Fanahy Masina [mba] [h]anafina ny rakitsoratra izay masina” (jereo ny 4 Nefia 1:47–49). Tamin’izany fotoana izany koa no nitsidihan’i Amarôna ilay zazalahy kely 10 taona antsoina hoe Môrmôna sy nanomezany toromarika azy mikasika ny andraikiny hoavy amin’ireo rakitsoratra.

Asaivo vakian’ireo mpianatra am-pahanginana ny Môrmôna 1:2 ary karohin’izy ireo ao ireo teny sy andian-teny nampiasain’i Amarôna namaritana an’i Môrmôna. Asaivo lazain’izy ireo ny zavatra hitany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny anarana Môrmôna, ary soraty eo ambany ny valintenin’izy ireo. Afaka manazava ianao fa ny dikan’ny teny hoe: matotra dia tony, tsy mivazivazy ary tompon’andraikitra.

  • Araka ny eritreritrao, tokony ho matotra amin’ny inona isika? (Mety ho toy izao ny valin’izany: fanamasinana sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo, fandalinana ny soratra masina, fahadiovam-pitondrantena ary firesahana sy fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy.) Nahoana no tokony ho matotra isika mahakasika ireo zavatra ireo?

Hazavao fa afaka ny manao matotra ny olona iray kanefa mahazo fahafinaretana sy mihomehy ihany koa. Na izany aza dia takatry ny olona matotra ny fotoana tokony hahafalifaly sy ny fotoana tokony hahamatotra kokoa.

  • Inona no dikan’ny hoe: “faingam-pandinika” araka ny hevitrao?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ho ampahan’ny fifanakalozan-kevitra:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Rehefa faingana amin’ny fandinihana isika dia mijery na mahatsikaritra haingana ary mankatò. Ireo singa fototra roa ireo, ny —fijerena sy fankatoavana—dia zava-dehibe mba ahafahana ho faingana amin’ny fandinihana. Ary ohatra mahatalanjona amin’ny fampiharana io fanomezam-pahasoavana io ny mpaminany Môrmôna. …

“… Ny fanomezam-pahasoavan’ny maha faingam-pandinika dia tena ilaintsika eto amin’izao tontolo izao izay iainantsika sy mbola hiainantsika ity” (“Quick to Observe,” Ensign, Des. 2006, 34).

  • Ahoana no ahafahan’ny fahaizana mahita faingana sy mankatò ny torohevitry ny Tompo manampy antsika?I

reo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany naoty na diary fandalinana soratra masina mikasika ireo zavatra tokony ho ataony am-pahamatorana—zavatra izay tokony hanehoany fahamatorana bebe kokoa. Asaivo mitanisa koa ireo toromarika avy amin’ny Tompo izy ireo izay afaka ankatoavin’izy ireo eo no ho eo. Amporisiho izy ireo mba ho matotra bebe kokoa ary ho faingana amin’ny fandinihana.

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 1:3–5 ny mpianatra iray, ary asaivo mamantatra ny toromarik’i Amarôna tamin’i Môrmôna ireo mpianatra.

  • Inona no nasain’i Amarôna nataon’i Môrmôna?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nila ho matotra sy faingana amin’ny fandinihana i Môrmôna mba hahafahany manantanteraka ireo andraikitra ireo?

Môrmôna 1:6–19

Vokatry ny fikomian’ny vahoaka an-tsitrapo dia noraran’ny Tompo tsy hitory amin’izy ireo i Môrmôna

Anontanio ireo mpianatra rehefa nanary zavatra izay ankafiziny izy ireo na nisy zavatra sarobidy nalana taminy. Asao hizara traikefa niainany ny mpianatra vitsivitsy.

Fintino ny Môrmôna 1:6–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandritra ny fahatanoran’i Môrmôna dia nanatri-maso ady maro nifanandrinan’ny Nefita sy ny Lamanita izy. Vavolombelon’ny fihanahan’ny faharatsiana teo anivon’ny vahoaka rehetra nanerana ny tany koa izy.

Hazavao fa namery ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy avy tamin’ny Tompo ny Nefita vokatry ny faharatsiany tafahoatra. Zarao ho vondrona roa ny mpianatra. Omeo andraikitra hamaky amim-pahanginana ny Môrmôna 1:13–14, 18 ny antsasany ary hikaroka ireo fanomezam-pahasoavana izay nanomboka nesorin’ny Tompo teo amin’ireo Nefita. Omeo andraikitra hamaky ny Môrmôna 1:14, 16–17, 19 ilay antsasany hafa ary hijery ireo antony nanesoran’ny Tompo ireo fanomezam-pahasoavana ireo teo amin’ireo Nefita. Asao hifampizara ny zavatra hitany ny vondrona tsirairay.

  • Araka ny voalazan’ny Môrmôna 1:13–14, inona no nitranga rehefa nikomy sy niala tamin’ny Tompo ny olona? (Mety ho maro karazana ny valintenin’ireo mpianatra. Anaovy famintinana ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana ity fahamarinana manaraka ity eo amin’ny solaitrabe: Rehefa ratsy toetra sy tsy mino ny olona dia mamery ireo fanomezam-pahasoavana noraisiny avy tamin’ny Tompo izy ireo ary tsy afaka ny handray ny fiasan’ny Fanahy Masina.)

Mariho fa faran’izay ratsy indrindra ny fikomian’ny Nefita. Na izany aza, ity fitsipika ity dia mihatra amin’ny tenantsika tsirairay avy rehefa tsy mankatò ireo didin’Andriamanitra isika.

  • Inona amin’ireo fanomezam-pahasoavana voatanisa ao amin’ny Môrmôna 1:13–14, 18 no ho sarotra tokoa aminao ny hamery azy?

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 1:15 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny bokin-tsoratra masiny ireo mpianatra ary mitady ny zavatra natrehin’i Môrmôna nandritra ny fahaverezan’ny maro tamin’ireo Nefita ireo fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka niaina zavatra ara-panahy i Môrmôna na dia teo anivon’ny faharatsiana lehibe tokoa aza izy?

Môrmôna 2:1–15

Nitarika ny tafika Nefita i Môrmôna ary nalahelo noho ny faharatsiana iainan’izy ireo

Angataho hamaky mafy ny Môrmôna 2:1–2 ny mpianatra iray izay 15 taona (na efa ho 15 taona). Asao hikaroka ny andraikitra nomena an’i Môrmôna tamin’ny faha 15 taonany (nandritra ny “fahenina ambin’ny folo taonany”) ireo mpianatra. Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe mety hanao ahoana izany 15 taona mitari-tafika izany.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ho nanampian’ireo toetra voatanisa ao amin’ny Môrmôna 2:1 an’i Môrmôna tamin’ny naha mpitari-tafika azy?

Fintino ny Môrmôna 2:3–9 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa nisovoka ny tafika Nefita tamin-kery lehibe ireo Lamanita hany ka nihorohoro sy niala ny Nefita. Natosiky ny Lamanita avy amin’ny toerana iray ho amin’ny iray hafa ireo Nefita mandra-pivondron’izy ireo tamin’ny toerana iray. Nahatohitra ireo Lamanita ihany ny tafik’i Môrmôna ary nahatonga azy ireo hitsoaka.

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 2:10–15 ireo mpianatra ary hikaroka ny toe-javatra ara-panahy niainan’ireo Nefita taorian’ireo ady.

  • Nahoana no nalahelo ireo Nefita? (Jereo ny Môrmôna 2:10–13. Nalahelo izy ireo satria tsy afaka nitana ny fananany. Izany hoe, nalahelo fotsiny noho ny vokatry ny otany izy ireo fa tsy nanenina tamin’ireo zavatra nataony.)

  • Araka ny voalazan’ny Môrmôna 2:13–14, ahoana no nahafantaran’i Môrmôna fa tsy maneho fibebahana marina ny alahelon’ireo vahoaka?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fahasamihafana eo amin’ny “alahelo … mankamin’ny fibebahana” sy ny “alahelon’ny voaozona,” dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity manaraka ity:

Ireo izay nalahelo ka nankany amin’ny fibebahana …

Ireo izay nalahelo fotsiny noho ny vokatry ny ota …

Asaivo averin’ireo mpianatra jerena ny Môrmôna 2:12–15 ary karohiny ireo toetran’ireo vondron’olona roa ireo. Asao hizara ny zavatra hitany izy ireo. Tokony haneho ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’izy ireo:

Ireo izay nalahelo ka nankany amin’ny fibebahana dia mahafantatra ny faharipon’Andriamanitra sy manatona an’i Kristy amin’ny fo feno fanetren-tena.

Ireo izay nalahelo fotsiny noho ny vokatry ny ota dia mbola mikomy amin’Andriamanitra.

Hazavao fa nampiasa ny andian-teny hoe: “ny alahelon’ny voaozona” (Môrmôna 2:13) i Môrmôna mba hamaritana ny alahelon’ireo izay nijaly noho ny vokatr’ireo zavatra nataony kanefa tsy naniry ny hibebaka. Tsy mitarika amin’ny famelan-keloka sy fiadanana izany fihetsika izany. Izany dia mitarika amin’ny ozona, izay midika fa voasakana amin’ny fandrosoany mankany amin’ny fiainana mandrakizay ny olona iray.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fihetsika hataony amin’ny fotoana ahatsapany fa nanota izy ireo. Amporisiho izy ireo hanatona ny Mpamonjy amin’ny fo mietry mba ahafahany mahazo famelan-keloka, hahatsapa fiadanana ary hihavana amin’Andriamanitra.

Môrmôna 2:16–29

Nahazo ireo takelaka i Môrmôna ary nirakitra ny tantaran’ny faharatsian’ny vahoakany

Fintino ny Môrmôna 2:16–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa raha mbola nitohy ny fifanandrinana tamin’ny Lamanita, dia tonga tamin’ny havoana antsoina hoe Sîma i Môrmôna, toerana izay nanafenan’i Amarôna ireo takelaky ny Nefita ireo. Nalainy ireo takelak’i Nefia ary nanomboka nirakitra ny zava-nodinihany teo anivon’ny vahoaka izy hatramin’ny fahazazany.

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 2:18–19 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny famaritan’i Môrmôna ny toe-javatra ara-panahy iainan’ireo vahoaka tamin’ny androny. Asaivo jeren’izy ireo koa ny fanehoan’ny tenany manokana fanantenana.

  • Ahoana no namaritan’i Môrmôna ny toe-javatra ara-panahy iainan’ireo vahoaka tamin’ny androny? (“Sarin’ny faharatsiana sy fahavetavetana mandrakariva.”)

  • Nahoana araka ny eritreritrao, avy amin’ny zavatra nianaranao mikasika an’i Môrmôna, no nanana fahatokiana izy fa “hasandratra amin’ny andro farany”? (Afaka manampy ireo mpianatra ianao hahatakatra fa te-hilaza momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny ho tonga eo anatrehan’Andriamanitra ka hitoetra miaraka Aminy mandrakizay i Môrmôna rehefa niresaka ny “hasandratra amin’ny andro farany”.)

  • Nahoana no tena manampy anao ny ohatry ny fahamarinana nasehon’i Môrmôna? (Mety ho samy hafa ny valintenin’ireo mpianatra. Tokony haneho izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Afaka misafidy ny hiaina am-pahamarinana isika, na dia ao anatin’ny fiaraha-monina feno faharatsiana aza. Azonao angatahina hanoratra izany fahamarinana izany eo amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray.)

  • Oviana ianao no nahita namana na olona ao amin’ny fianakaviana izay nijoro tsy voahozongozona tamin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra na dia tsy nanao izany aza ireo manodidina azy?

Entano ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra manokana eo amin’ny fiainan’izy ireo izay afaka hatsarain’izy ireo bebe kokoa mba ijoroan’ny amin’ny fahamarinana. Asao hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany naoty na diary fandalinana soratra masina izy ireo mikasika ny fihetsika tian’izy ireo aseho amin’ny manaraka rehefa miatrika izany toe-javatra manokana izany. Mijoroa ho vavolombelona fa, toa an’i Môrmôna, dia afaka misafidy ny hiaina am-pahamarinana koa isika ary hanampy antsika hijoro tsy ho voahozongozona amin’ny marina ny Tompo, na dia tsy manao izany aza ireo manodidina antsika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 1:1. “Izaho Môrmôna”

Ny fitanisana manaraka eto dia manantitrantitra ny lafim-piainana sy iraka nanirahana an’i Môrmôna:

  1. I Môrmôna no anaran-drainy (jereo ny Môrmôna 1:5).

  2. Avy amin’ny tanin’i Môrmôna no nangalana ny anarany, toerana izay nanorenan’i Almà ny fiangonana (jereo ny 3 Nefia 5:12).

  3. Nantsoiny hoe Môrônia ny anaran’ny zanany lahy iray (jereo ny Môrmôna 6:6).

  4. Tamingan’i Lehia madiodio izy (jereo 3 Nefia 5:20).

  5. Novangian’ny Tompo izy (jereo ny Môrmôna 1:15).

  6. Mpianatr’i Jesoa Kristy izy (jereo ny 3 Nefia 5:13).

  7. Mpitondra ny miaramila Nefita izy (jereo ny Môrmôna 2:1).

  8. Nanoratra araka ny sitrapon’ Andriamanitra izy (jereo ny 3 Nefia 5:14).

  9. Nanatri-maso ny faharavan’ireo Nefita izy (jereo ny Môrmôna 2:18–19; 3:16; 6:8–22).

Môrmôna 2:13–15. Alahelo mankany amin’ny fibebahana

Nalahelo ny vahoakany i Môrmôna, tamin’ny fahitany fa “tsy nankamin’ ny fibebahana ny alahelony” sy ny fahafantarana fa “ny Tompo dia tsy te hamela azy mandrakariva hahazo fahasambarana ao amin’ ny fahotana” (Môrmôna 2:13). Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tsy hisy ny famelan-keloka raha tsy misy fibebahana ary raha tsy misy famelan-keloka dia tandidomin-doza ireo fitahian’ny mandrakizay rehetra” (The Miracle of Forgiveness [1969], 117).

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fahatsapana alahelo mitondra mankany amin’ny fibebahana ny Loholona Bruce D. Porter ao amin’ny Fitopololahy:

“Ny atao hoe fo torotoro sy fanahy manenina dia mahatsapa ‘alahelo araka an’ Andriamanitra [izay] miasa fibebahana’ (2 Korintiana 7:10). Mitranga izany rehefa miredareda tokoa ny faniriantsika ho voadio amin’ny fahotana ka vonton’alahelo ny fontsika ary maniry ny hanana fiadanana amin’ny Raintsika any an-danitra isika. Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vonona hanao na inona na inona sy ny zava-drehetra takian’ Andriamanitra amin’izy ireo, tsy amim-panoherana sy tsy amin’ny lonilony. Manatsahatra ny fanaovana zavatra araka ny fombantsika isika ary mianatra ny manao azy ireo araka ny fomban’ Andriamanitra kosa. Afaka manan-kery ny Sorompanavotana ary mitranga ny fibebahana marina ao anatin’izany toetran’ny fankatoavana izany. Handray ny fiantraikan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina ireo mpibebaka, izay hanenika azy ireo amin’ny fiadanan-tsaina sy fifaliana amin’ny fihavanana amin’ Andriamanitra” (“A Broken Heart and a Contrite Spirit,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 32).

Hamoaka printy