2022
Mikatsaka fiadanana ao am-ponao
Mey/Jona 2022


Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Mikatsaka fiadanana ao am-ponao

Nalaina avy tamin’ny “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana” sy ny “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022.

Page from the May 2022 Friend Magazine.

Tiako ianareo ary mivavaka ho anareo aho isan’andro. Feno fahasarotana eo amin’izao tontolo izao. Nihatra tamin’olona maro ny ady sy ny valanaretina. Mila fanampiana izao tontolo izao.

Jesoa Kristy no ilay Andrian’ny Fiadanana. Ny Filazantsarany no hany fomba maharitra ahitana fiadanana. Ankehitriny, mihoatra noho ny hatramin’izay, no ilantsika ilay fiadanana izay Izy ihany no afaka mitondra azy.

Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho ohatra ho arahin’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahantsika manantena ny hisian’ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao raha tsy mikatsaka fiadanana sy filaminana isika eo amin’ny fiainantsika tsirairay? Tsy misy afaka mifehy ny zavatra ataon’ny hafa. Saingy afaka mifehy ny tenantsika isika.

Miangavy aho, ataovy izay rehetra azonao atao hampitsaharana ireo ady eo amin’ny fiainanao. Aoka ianao hanetry tena, sy hahery fo, ary hatanjaka. Izany no hanampy anao hamela ny hafa sy hikatsaka famelan-keloka rehefa nahavita zavatra ratsy. Mangataha hery avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany hanampy anao.

I Jesoa no Kristy! Velona Izy! Tia anao Izy ary hanampy anao.

Tohizo ilay tantara

Page from the May 2022 Friend Magazine.

Inona no ataonao rehefa rehefa misy ady mitranga aminao sy ny rahalahinao, na ny anabavinao, na ny namanao? Misafidiana iray amin’ireo sary etsy ambany. Avy eo dia manaova sary na manorata mikasika ny fomba ahafahanao mahita fandriam-pahalemana.

Miady

Maka ny zavatry ny hafa

Manaratsy

Ny fomba hanorenako fandriam-pahalemana