Karatry ny mahery fo ao amin’ny soratra masinan
Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Miriama
“Ary [Miriama] namaly ireo hoe: Mihirà ho an’i Jehovah.”
-
Zokivavin’i Mosesy izy. Nanampy niaro an’i Mosesy fony zaza izy.
-
Nihaino ny Fanahy izy ary nanao izay nasain’ Andriamanitra nataony.
-
Nitsaoka an’ Andriamanitra tamin’ny fihirana izy.
Mosesy
“Mahatoky tao amin’ny tranon’ Andriamanitra rehetra [izy].”
-
Nafenin’ny reniny izy fony zazakely mba hanavotana ny ainy. Notezain’ny zanakavavin’i Farao izy.
-
Lasa mpaminany izy. Nitarika ny vahoakan’ Andriamanitra niala avy tao Egypta izy.
-
Niseho tamin’i Joseph Smith izy taty aoriana mba hamerina ireo fanalahidin’ny fisoronana.