2022
I Tom sy ilay gripa mahery
Mey/Jona 2022


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

I Tom sy ilay gripa mahery

Fantatr’i Tom fa hanampy azy ireo ny Tompo.

boy helping sick dad drink

“Ao ary ry Tamā (Dada),” hoy i Tom niteny mora. Nipetraka mora teo amin’ny tsihy fandriany ny rain’i Tom. Nanampy azy nisotro ranom-boanio vao avy novakiana i Tom.

Narary nandritra ny andro maro i Tamā sy ny fianakaviany. Saiky narary avokoa ihany koa ny olona hafa rehetra tao an-tanàna. Nisy valanaretina tonga teo amin’ny nosy, dia ny gripa espaniola izany.

Nandeha tao ivelan’ny trano i Tom. Izy irery no hany salama ka afaka nikarakara ny hafa. Nila fanampiana ny fianakaviana maro.

Mbola mila ranom-boanio aho, hoy i Tom an’eritreritra. Nihanika hazom-boanio avo be izy. Rehefa tonga teny am-tampony izy dia naka voanio maromaro ka nanipy izany teny amin’ny tany.

boy climbing up coconut tree

Rehefa nidina izy dia nieritreritra momba ireo olona tao amin’ny tanànany. Nampatahotra ny nahita olona narary marobe.

Iray taona talohan’io dia narary i Ailama zandrilahin’i Tom. Nampatahotra ihany koa izany. Nivavaka ho azy mba hihasalama i Tom sy ny fianakaviany.

Dia nanofy miavaka i Tamā tamin’izay. Nasehon’ilay nofy azy ny fomba hanampiana an’i Ailama mba hihasalama, amin’ny alalan’ny fikapohana hodi-kazo avy amin’ny hazo wiliwili mba hahazoana ranony. Nanampy an’i Tamā nikarakara an’i Ailama i Tom, ary nomen’izy ireo rano azo avy tamin’io hazo io izy. Dia nihasalama tokoa i Ailama!

Fantatr’i Tom fa hanampy azy ireo ny Tompo tamin’izany. Ary fantany fa hanampy azy ireo ny Tompo ankehitriny.

Nokapokapohan’i Tom ireo voanio ho vaky. Nampahazo aina azy ny fofona tsara an’ny ranom-boanio. Nandeha tany amin’ny trano manaraka tao amin’ny tanàna izy mba hizara ranom-boankazo tamin’ireo mpiray monina taminy. Dia nankany amin’ny trano manaraka izy avy eo. Ary toy izany hatrany hatrany.

Nandeha ireo herinandro. Niasa mafy nikarakara ny olona rehetra i Tom isan’andro. Nisambotra akoho izy mba hanaovana lasopy mafana hozaraina. Nilanja siny feno rano avy tany amin’ny loharano izy mba hosotroin’ny olona.

Maty ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ny tanàna. Dia maty koa i Tamā. Tena sarotra tamin’i Tom izany. Nalahelo ny tanàna manontolo. Tao anatin’izany rehetra izany anefa, dia tsaroan’i Tom fa tia azy Andriamanitra ary hanampy azy.

Tsy nitsahatra nanampy olona i Tom. Ary rehefa afaka elaela, dia nanomboka nihatsara ny olona!

Nifarana ihany ilay valanaretina gripa. Tsy narary intsony ny olona. Afaka nandeha nianatra indray i Tom sy i Ailama. Nalahelo an’i Tamā foana i Tom. Saingy fantany fa hahita ny rainy indray izy indray andro any. Ary fantany fa ho eo foana ny Ray any An-danitra hanampy azy.

I Samoa dia vondrona nosy any amin’ny Ranomasimbe Pasifika.

Ankehitriny dia misy tempoly iray any Samoa.

Ny trano nentim-paharazana any Samoa, antsoina hoe fale dia tsy misy rindrina.

Tonga tany Samoa ny gripa espaniola tamin’ny 1918.

12 taona i Tom fony nanomboka ny valanaretina.

I Sauniatu, tanànan’i Tom, dia naorin’ny vondrona Olomasin’ny Andro Farany iray.

PDF of story

Sary nataon’i Corey Egbert