2022
Mandehana mipetraka eo akaikiny
Mey/Jona 2022


Nosoratanao

Mandehana mipetraka eo akaikiny

girl going to sit by boy on his own

Indray andro tany an-tsekoly, dia henoko fa misy ankizilahy iray nohetraketrahina. Nalahelo aho. Tsy tokony hisy olona atao an’izany.

Ny harivan’io andro io dia nanao fety ny kilasinay. Tonga tao amin’ilay fety ilay ankizilahy izay niharan’ny hetraketraka ny maraina sady nipetra-drery. Rehefa nahita azy aho dia nahatsiaro ny zavatra nitranga. Nandre feo nilaza tamiko aho mba hipetraka eo akaikiny. Saingy tsy te hipetra-drery niaraka taminy aho. Tsy haninona izy, hoy aho nieritreritra. Tsy mila olona miara-mipetraka aminy izy. Notoheriko ilay fahatsapana.

Tonga tamiko indray ilay feo, saingy mafy kokoa. Mandehana mipetraka eo akaikiny.

Nijery tany amin’ilay ankizilahy aho. Toa manirery sy nalahelo izy. Eny ary, hoy aho an’eritreritra. Rehefa nipetraka teo akaikiny aho dia toa tsy nahazo aina izy. Nolazaiko taminy ny anarako dia nanontaniako ny momba azy. Natahotra aho tamin’ny voalohany. Kanefa rehefa niresaka aho dia nahatsapa fiadanana. Tsy nanirery sy nalahelo intsony izy.

Rehefa nila niverina tao an-dakilasy izahay dia nolazaiko taminy fa hiresaka aminy aho rehefa avy eo. Nitsiky izy dia niteny hoe Eny ary. Nanatona ahy ny mpampianatro dia niteny hoe: “Misaotra anao, Sierra. Hatsaram-panahy avy aminao izany.” Nahetsiko fotsiny ny lohako ho fanekeko.

Nandeha haingana ny sisa tamin’ny tontolo andro, saingy nitoetra hatrany ilay fahatsapana fiadanana. Fantatro fa nanao zavatra tsara aho. Indraindray dia tsy raisina tsara ny olona rehefa tsy mitovy amin’ny rehetra. Tsy tiako izany kanefa mitranga izany.

Zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Tokony hitondra ny hafa amin’ny hatsaram-panahy isika. Raha manao izany isika dia fantatro fa hitahy antsika Andriamanitra.

Sary nataon’i Kristin Sorra