2022
Mifandimby mankany am-piangonana
Mey/Jona 2022


Mifandimby mankany am-piangonana

Sary
girl waving to mom and daughter

“Rehefa tonga aty an-trano ianao dia lazao ahy ny hira nohirainareo tao amin’ny Kilonga,” hoy i Jenny.

“Hataoko izany!” hoy i Miriam rahavaviny sady nanao ny kirarony.

Tsy ny fianakavian’i Jenny rehetra no afaka nandeha niangona isaky ny alahady. Misy olona enina ao amin’ny fianakavian’i Jenny. Tsy nanana afa-tsy vola hividianana tapakila fiara fitaterana roa isan-kerinandro anefa i Mamá. Dia tsy maintsy nifandimby nandeha fiara fitaterana nankany am-piangonana izy ireo.

Naniry ny handeha isan-kerinandro i Jenny. Tia mianatra momba an’i Jesoa Kristy izy. Tiany ny nihira ao amin’ny Kilonga. Te hahita ny namany izy. Fa indrindra indrindra, dia te hahatsapa ilay fahatsapana mafana sy fifaliana tsapany foana any am-piangonana izy. Tsy maintsy nijanona ao an-trano anefa izy androany.

“Fotoana fiaingana e.” Namihina an’i Jenny sy ny anadahiny ary ny rahavaviny i Mamá.

Niezaka nitsiky i Jenny rehefa lasa i Miriam sy i Mamá. Tsapany anefa fa kendakendan’ny alahelo izy raha nijery azy ireo nandeha. Raha mba anjarako mantsy ny mandeha anio, hoy i Jenny tany an-tsainy. Sarotra foana ny nijanona tao an-trano.

“Te handoko?” Nampiseho pensily sy taratasy i Marco, zandrin’i Jenny.

Nanaiky i Jenny.

Nandritra ny ora vitsivitsy nanaraka, dia namaky tantara sy nandoko niaraka tamin’i Marco sy ireo zokiny vavy i Jenny. Nahafinaritra izany, saingy nieritreritra momba ny fiangonana hatrany i Jenny. Mianatra hira vaovao ao amin’ny Kilonga ve izy ireo amin’izao fotoana izao? Inona no lesona androany?

Farany dia ren’i Jenny nivoha ny varavarana fidirana. Tonga i Mamá sy i Miriam!

“Mamá! Miriam!” Nihazakazaka nankeo am-baravarana i Jenny ary namihina azy ireo.

Nametraka ny poketrany i Mamá. “Andeha hiresaka momba ny zavatra nianarantsika tany am-piangonana.”

Niara-nipetraka ny rehetra. Navoakan’i Mamá ilay boky fihirana kely notehiriziny tao anaty poketrany. Nihira ny “Fianakaviana mandrakizay” ny fianakavian’i Jenny. Hainy ny tononkira rehetra.

Dia nanontany an’i Miriam momba ny Kilonga i Jenny avy eo. Nanokatra ny Bokin’i Môrmôna i Miriam ary namoaka taratasy mivalona. Notazominy ambony ilay izy mba ho hitan’ny rehetra. Sarin’i Jesoa nolokoiny niaraka tamin’ny ankizy vitsivitsy ilay izy.

Sary
drawing of Jesus with two children

“Nandoko sary izahay ary nihira ny -Miezaka aho ho toa an’i Jesoa.- Avy eo dia niresaka momba ny fomba ahafahan’i Jesoa manampy ny olona rehetra izahay.”

“Niresaka momba izany koa izahay tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana,” hoy i Mamá. “Afaka manampy antsika i Jesoa Kristy rehefa matahotra na manirery isika.” Namoaka taratasy iray avy tao amin’ny poketrany i Mamá. “Nomen’ny mpampianatra ity teny nambaran’ny mpaminany ity ny olona rehetra. -Rehefa misafidy ny hiaina eo anilan’ny Tompo ianao, dia tsy irery na oviana na oviana.-”*

Sary
mom and children sitting on floor in circle

“Na ato an-trano aza!” Hoy i Jenny.

Nitsiky i Neny. “Na ato an-trano aza. Afaka mahatsapa ny Mpamonjy eo akaikintsika mandrakariva isika.”

Nitsiky be i Jenny. Tsy afaka nandeha niangona isan-kerinandro izy. Kanefa afaka nahatsiaro ho akaiky an’i Jesoa tao an-trano izy. Ary nientanentana izy satria tsy ho ela dia anjarany indray ny mandeha miangona.

  • Russell M. Nelson, “Ry tanora manana fizokiana ambony: Inona no hosafidianareo? [Fampaherezam-panahy nokarakarain’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao erotrerony, 6 sept., 2013], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Page from the May/June 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Laura Catrinella

Hamoaka printy