Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay
Nihaona tamin’ny misiônera i Harriet
Afaka ny hiara-hiaina amin’i Papa indray ve izy?
Nandinika ilay sarin’i Papa teo amin’ny rindrina izy. Valo volana izay no nahafatesany. Nanontany tena izy raha toa ka mbola hahita azy indray. Nalahelo azy mafy izy.
Haody ô.
Nanokatra ny varavaran’ny trano kely fonenany i Harriet. Nijoro teo ivelany ny zatovolahy roa.
“Guten Tag! Salama e! Misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay. Te hiresaka amin’ny fianakavianao momba an’i Jesoa Kristy izahay.
Nitsiky i Harriet. Nahatonga azy hanana fahatsapana tsara tao anaty ny zavatra nolazain’izy ireo. “Hanontany an’i Mutti (Neny) aho.”
Nitady an’i Mutti i Harriet. “Misy misiônera ao am-baravarana,” hoy izy. “Te hiresaka amintsika momba an’i Jesoa izy ireo.”
Nikentrona i Mutti. “Lazao azy ireo fa tsy manana fotoana isika.”
“Ohatran’ny mahafinaritra anefa ange izy ireo e,” hoy i Harriet. “Tsy haharitra ela ilay izy.”
Nanopy maso tany amin’ny famantaranandro i Mutti. “Eny ary. Minitra vitsy ihany.”
Niditra ny misiônera dia niresaka tamin’i Mutti sy i Harriet ary i Carmen rahavavin’i Harriet. Nilaza tamin’izy ireo momba an’i Jesoa izy ireo sy ny boky iray antsoina hoe das Buch Mormon, ny Bokin’i Môrmôna. Nomen’izy ireo tahadika iray mba hovakina ny fianakavian’i Harriet.
“Angamba afaka mamaky pejy vitsivitsy isika,” hoy i Mutti sady nanokatra ilay boky. Nandritra ny andro vitsivitsy manaraka dia nanohy namaky sy namaky hatrany i Mutti. Namaky mafy ny ampahany tamin’i Harriet sy i Carmen izy.
Tiako raha mba afaka namaky ity i Papa. Ho tena tiany ity, hoy ny eritreritr’i Harriet.
Rehefa niverina ireo misiônera dia nampianatra momba ny drafitr’ Andriamanitra. “Niaina niaraka tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahaterahantsika. Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy ho tonga tahaka Azy. Rehefa maty isika dia afaka hiaraka Aminy indray.”
Dia ahoana ny amin’i Papa? Hoy i Harriet nanontany tena.
Nijery an’i Harriet ireo misiônera. “Satria maty i Jesoa ary velona indray, dia afaka ny hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika. Eny miaraka amin’ireo olon-tiantsika izay efa nodimandry.”
Nahatsapa fanantenana nibosesika i Harriet. Afaka hiaraka amin’i Papa indray izy! Nitsiky be ihany koa i Mutti, sambany hatramin’izay fotoana ela izay.
Nitohy nianatra avy tamin’ny misiônera i Harriet, sy i Mutti, ary i Carmen. Nandeha tany am-piangonana izy ireo. Lasa naman’ny zazalahy mahafinaritra iray antsoina hoe Dieter i Harriet.
Ankehitriny dia lasa toy ny hoe misy taramasoandro isaky ny efitrano tao an-tranon’i Harriet. Tsy ela dia nanapa-kevitra ny hatao batisa i Harriet sy ny fianakaviany.
Ny alina mialoha ny batisany dia nandohalika niaraka tamin’i Mutti sy i Carmen i Harriet mba hivavaka. “Ry Ray any An-danitra,” hoy Harriet, “tena feno fankasitrahana izahay noho ny misiônera, sy ny filazantsara ary ny fianakavianay. Tsy andrinay ny hatao batisa.”
Rehefa nanokatra ny masony i Harriet dia nijery ny sarin’i Papa izy dia nitsiky. Tsy andriny ny hahita azy indray indray andro any.