2022
Ekipa sy talenta
Mey/Jona 2022


Ekipa sy talenta

Ny ekipa tsara indrindra dia miara-miasa ary mifanampy mba ho tsaratsara kokoa.

Sary
girl running and playing soccer

“Mihazakazaha, Jillian a, mihazakazaha!” Hoy i Dada nihiakiaka. Ny dadan’i Jillian no mpanazatra ny ekipa baolina kitra misy azy. Nanao fanazaran-tena mafy izy ireo mba hiomanana amin’ny lalao fiadiana ho tompondaka. Namay ny masoandro, kanefa nihazakazaka hatrany i Jillian.

Farany dia nitsoka kiririoka i Dada. “Eny ary, andao haka aina kely isika.”

Noraisin’i Jillian ny tavoahangin-dranony dia nipetraka teo amin’ny dabilio niaraka tamin’ireo ankizilahy izy. Izy irery no tovovavy tao amin’ny ekipa, saingy tsy nampaninona azy izany. Niara-niasa izy rehetra ary nifanampy mba hihatsara. Na dia reraka sy tsemboka aza izy, dia nahatsapa fifaliana niaraka nilalao tamin’ny ekipany.

“Dada, nanao ahoana isika androany?” hoy izy nanontany.

Nitsiky i Dada. “Tsara be! Araka ny hevitro dia vonona amin’ny lalao ny ekipa.”

Namaly tamin’ny tsiky i Jillian. Nisy vokany ny asa mafy rehetra nataon’izy ireo!

Teny an-dalana hody avy nanao fanazaran-tena i Jillian dia nahita an’i Mei namany. Niray kilasy tao amin’ny kilasin’ny Kilonga izy ireo. Saingy tsy tonga tao amin’ny Kilonga nandritra ny fotoana elaela i Mei.

Sary
two girls talking

Nitsiky tamin’i Mei i Jillian. “Manahoana i Mei! Nalahelo anao aho tao amin’ny Kilonga. Tsy maninona ve ianao?”

Nibanjina ny kirarony i Mei. “Tsy te handeha any am-piangonana ny reniko.”

“Fa maninona?”

“Tsy fantatro.” Nanandratra ny lohany i Mei. “Tsy maintsy mandeha aho.”

Nanofahofa tanana i Jillian sady nijery an’i Mei nandeha. Ahoana no hanampiako an’i Mei? hoy izy nanontany tena.

Rehefa nody i Jillian dia nitendry hiran’ny Kilonga sasany tamin’ny ukulele-ny izy. Avy eo izy dia nanasa ireo anadahiny hiara-hihira aminy. Nihira izy ireo mandra-piantsoan’i Neny azy ireo hisakafo.

“Hamangy an-dRahavavy Aurea aho rahampitso,” hoy i Neny.

“Renin’i Mei i Rahavavy Aurea e, sa tsy izany?” Hoy i Jillian nanontany. “Afaka miaraka aminao ve aho? “Tsy tonga tao amin’ny Kilonga i Mei. Dia rehefa nahita azy aho androany, dia toa nalahelo izy.”

“Afaka miaraka amiko mihitsy ianao,” hoy i Neny.

“Hitondra ny ukulele-ko aho! Afaka mitendry hiran’ny Kilonga aho. Azoko antoka fa malahelo ny mihira izany izy,” hoy i Jillian.

Sary
girl and mom walking

Rehefa tonga tao an-tranon’i Mei izy ireo ny ampitson’iny, dia namihina mafy an’i Mei i Jillian. Raha mbola niresaka ny renin’izy ireo, dia nivoaka ireo zazavavy. Nitendry ukulele i Jillian, ary i Mei no nifidy ireo hira. Nahafinaritra azy ireo ny niaraka nihomehy sy nihira mandra-pahatongan’ny fotoana handehanan’i Jillian.

“Tena nahafinaritra ny nahita anao,” hoy i Jillian. “Nalahelo anao izahay tao amin’ny Kilonga.”

“Eny, maniry ny ho tonga aho. Angamba hanontany an’i Neny indray aho.”

Sary
girl playing ukulele for her friend

Tany am-piangonana i Mei ny alahady manaraka. Nipetraka teo akaikiny i Jillian. “Faly be aho fa tonga ianao,” hoy izy.

Nitsiky i Mei. “Izaho koa.”

Andro vitsivitsy taty aoriana dia tonga ny fotoana hanaovana ny lalao baolina kitra lehibe. Nangataka ny ekipa i Jillian mba hanao vavaka alohan’ny lalao. Dia tonga ny fotoana nilalaovana. Nihazakazaka haingana araka izay tratrany i Jillian. Niara-niasa tamin’ny ekipany izy mba hahazoana ny baolina sy hamonoana ny baolina. Nandresy tamin’ny lalao ny ekipany!

Tamin’iny alina iny raha nandry teo am-pandriana izy dia nieritreritra momba an’i Mei sy ny ekipa baolina kitra misy azy i Jillian. Faly izy fa tafiditra tao anatin’ny ekipa iray, toy ny nahafaly azy ho isan’ny Kilonga. Nifanampy izy rehetra. Faly i Jillian fa afaka nanampy ny namany, na tany am-piangonana izany na teny amin’ny kianja.

Sary
PDF of story

Sary nataon’ i Marcos Calo

Hamoaka printy