2022
Fantaro i Animan avy any Côte d’Ivoire
Mey/Jona 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Animan avy any Côte d’Ivoire

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Photo of Animan

Ny mombamomba an’i Animan rehetra

drawing of Animan’s family

Taona: 12

Fiteny: frantsay

Tanjona sy nofinofy: 1) Hianatra momba ireo firenena sy kolontsaina hafa. 2) Hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

Fianakaviana: Dada, nenikely, ary iray tam-po dimy

Ireo asa fanomezan-tanana ataon’i Animan

Animan helping prepare the sacrament

Manampy amin’ny famenoana sinin-drano ampiasan’ny ny fianakaviany hanasana i Animan. Manampy ny fianakaviany amin’ny fivarotany koa izy. Mamafa sy manadio ary mameno ny talantalana izy. Marin-toetra amin’ny mpanjifa izy.

Miezaka ny ho ohatra tsara foana i Animan. Indraindray ny olona dia maneso azy noho izy tsy misotro toaka. Ny hafa kosa manohana azy rehefa miaro ny rariny izy. Lazainy fa mahatsapa ho toy ireny nahazo amboara ireny izy rehefa manao ny marina! Diakona i Animan. Tiany ny mizara ny fanasan’ny Tompo satria manampy ny olona hahatsiaro an’i Jesoa izany.

Ireo zavatra tian’i Animan indrindra

picture of Jesus in Gethsemane

Tantara momba an’i Jesoa : Rehefa nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy

Hiran’ny Kilonga: “Ireo ankizy maneran-tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 92)

Sakafo: Foutou (mangahazo voatoto sy akondro lahy)

Taranja any an-tsekoly: Frantsay

Page from the May/June 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Dani Jones