2022
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Mey/Jona 2022


Miara-manara-dia an’i Jesoa

Sary
Collin Clawson

Nifady hanina sy niara-nivavaka imbetsaka izahay mianakavy ho an’ny zanak’olo-mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniko izay narary. Izaho ihany koa no nanao vavaka manokana ho azy. Fantatro fa mandre ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

Collin C., 9 taona, Utah, Etazonia

Sary
Collin Clawson

Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna satria niresaka tamiko ny Fanahy Masina. Nientanentana ery aho nilaza tamin’ny reniko. Nofihininy mafy aho, ary faly be aho.

Matias M., 10 taona, Cundinamarca, Colombie

Sary
A photo of a young girl named Robin

Manampy ahy hanatratra ny tanjoko ny fianakaviako. Tiako ny fianakaviako!

Robin A., 6 taona, Caroline du Nord, Etazonia

Sary
William Pehrson

Nahita ankizilahy irery aho tany am-pianarana. Nanasa azy ho namako aho, ary mpinamana izahay izao!

William P., 7 taona, Durham, Angletera

Sary
A photo of Emi Lew

Nanao bera vita amin’ny ba aho ary nomeko ho fisaorana ireo mpitsabo mpanampy nitsabo olona mararin’ny COVID-19 izany. Feno fankasitrahana aho manompo ny fiaraha-monina misy ahy.

Emi L., 11 taona, Nouvelle Mexique, Etazonia

Sary
James Speers

Nandritra ny valanaretina dia nifantoka tamin’izay azoko atao aho fa tsy izay tsy vitako. Nanampy ahy hanakaiky kokoa ny fianakaviako sy an’i Jesoa izany.

James S., 9 taona, Michigan, Etazonia

Sary
Yoleannys Castillo

Nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviako fony aho enin-taona. Mahafaly ahy ny mahafantatra fa mandrakizay ny fianakaviako.

Yoleannys C., 7 taona, Miranda, Venezuela

Sary
colorful drawing of houses and trees

Rafaela S., 9 taona, Paraná, Brésil

Sary
brother and sister holding a block temple

Bradley sy Evelyn S., 8 taona sy 9 taona, Iowa, Etazonia

Sary
drawing of a temple

Elias M., 6 taona, Aargau, Suisse

Sary
drawing of Jesus being baptized

Lucy E., 8 taona, Californie, Etazonia

Sary
a drawing by Avery Shanks depicting events in Alma 29:22

Avery S., 10 taona, Alberta, Canada

Hamoaka printy