2022
Ny ekipa vaovaon’i Samuel
Mey/Jona 2022


Ny ekipa vaovaon’i Samuel

Hanome fahafahana ho azy ve ny ankizilahy hafa?

Sary
two boys in basketball uniforms; one boy has one hand

Sabotsy vao maraina tamin’izay. Nipetraka teo amin’ny latabatry ny lakozia i Samuel ary nibanjina ny loviany nisy koba. Tsy te hihinana izy.

“Dada?” hoy izy niteny mora. “Niova hevitra aho. Tsy te hihaona amin’ny ekipa mpilalao basikety misy ahy anio.”

“Fantatro fa sarotra izany hoe ankizy vaovao izany, saingy hahazo namana ianao,” hoy i Dada.

“Tsia, tsy izany fa … manahy fotsiny aho amin’izay hoeritreretin’izy ireo.”

Nipetraka teo akaikiny i Dada. “Ny tianao holazaina ve dia hoe manontany tena ianao ny amin’izay hoeritreretin’ny ekipanao momba ny mpilalao vaovao izay tsy manana afa-tsy tanana iray?”

Teraka tsy nisy tanana havia i Samuel. Nijanona teo amin’ny hato-tanany ny tanany havia.

“Eny,” hoy i Samuel. “Satria tsy mahafantatra ahy izy ireo, dia mety hihevitra izy ireo fa tsy mahay milalao basikety ny ankizy tsy manana afa-tsy tanana iray.”

“Mety hieritreritra izany izy ireo, kanefa mpilalao mahay ianao. Ary ny fandehanana manao fanazaran-tena dia hanampy anao hilalao tsara kokoa,” hoy i Dada sady nitsiky. “Eo moa e. Alaivo ny akanjo fanamianao sy ny tavoahangin-dranonao. Andeha isika hihaona amin’ny ekipanao.”

Nisento i Samuel. “Eny ary.”

Raha vao niditra ny kianja mitafo izy ireo dia nanatona ny mpanazatra.

“Salama e! Izaho no mpanazatra Monroe. Ianao mihitsy ilay mpilalao vaovaonay.”

“Eny, Samuel no anarako.”

“Faly izahay manana anao ato amin’ny ekipanay,” hoy ny Mpanazatra Monroe. “Andao isika hifankahafantatra amin’ireo ankizilahy hafa.”

Nipetraka teo amin’ny sezalava i Dada. Noraisin’i Samuel ny baolinany dia nanaraka ilay mpanazatra izy.

“Te-hampahafantatra an’i Samuel, mpilalao vaovao antsika aho,” hoy ny Mpanazatra Monroe. Nanofahofa tanana tamin’i Samuel ny ankizilahy vitsivitsy. “Sambatra isika manana azy tonga ara-potoana amin’ny lalaontsika voalohany. Heveriko fa hanana ekipa tsara isika, lalao mahafinaritra sy vanim-potoana mahafinaritra!”

Nitsoka kiririoka ny Mpanazatra Monroe, ary nanomboka nanao fanazaran-tena ny ekipa. Nahita ny sasany tamin’ireo mpiara-milalao taminy nijerijery i Samuel rehefa nitsambikina sy nanipy ny baolina tamin’ny tanany havanana fotsiny izy. Niezaka izy tsy hamela izany hanelingelina azy.

Nisy ankizilahy nipetraka teo akaikin’i Samuel teo amin’ny sezalava nandritra ny fiatoana isotroana rano. “Salama, Jackson no anarako. Inona no nanjo ny tananao?”

“Tsy nisy na inona na inona. Teraka toy izao fotsiny aho,” hoy i Samuel.

“Tsy mbola nahita olona iray nilalao baolina tamin’ny tanana iray aho taloha,” hoy i Jackson. “Tena mahay ianao.”

Nitsiky i Samuel. “Misaotra.”

Nitsoka kiririoka indray ny Mpanazatra Monroe. “Mandritra ny 30 minitra farany dia hanao lalao fanazaran-tena isika.” Nozarainy ho ekipa roa ireo ankizilahy. Faly i Samuel fa tao amin’ny ekipany i Jackson.

Sary
boys playing basketball together

Iray minitra talohan’ny fiafaran’ny lalao dia nitovy ny isa azon’ny ekipa roa tonta. Nahazo ny baolina ny iray tamin’ireo mpiara-milalao tamin’i Samuel ary nijery manodidina mba hahitana olona hanipazana baolina. Teo akaiky teo i Samuel, vonona ny hisambotra ny baolina. Fa ilay zazalahy kosa nanipy izany tamin’i Jackson.

Nanao dingana vitsivitsy i Jackson. Dia nahita an’i Samuel izy ka nanipy ny baolina taminy. Noraisin’i Samuel ilay baolina, dia nihodina izy ary nanipy izany teo amin’ny harato.

Hay! Niditra ny baolina raha vao nitsoka ny kiririoka ny Mpanazatra Monroe. Nihiaka ny ekipan’i Samuel.

“Tsara be ilay tsipy baolina,” hoy i Samuel tamin’i Jackson rehefa nandeha nankeny amin’ny sezalava izy ireo.

“Tsara be ilay fampidirana baolina,” hoy i Jackson. “Ho fantatr’ireo ankizy hafa fa ny tanana iray dia ampy hilalaovana basikety.”

Nitsiky i Samuel ary nanao “paika tanana” tamin’i Jackson. Nahatsapa izy fa marina ny tenin’ny Mpanazatra Monroe. Ho ekipa lehibe, lalao mahafinaritra, ary vanim-potoana mahafinaritra izany.

Sary
Page from the May/June 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’ Sandra Eide

Hamoaka printy