2022
Manompoa amin’ny fonao rehetra sy amim-pifaliana
Jolay 2022


“Manompoa amin’ny fonao rehetra sy amim-pifaliana,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Manompoa amin’ny fonao rehetra sy amim-pifaliana

Sary
sakafo

Rehefa nisy fahafahana hanao asa fanompoana tao amin’ny Toby fitehirizan-tsakafo tao Mexique dia nisy zatovovavy telo (anisan’izany aho) sy zatovolahy iray izay avy amin’ny vondron-jatovo ao aminay, ary olona hafa niisa 10 nanapa-kevitra ny handray anjara.

Tamin’ny voalohany dia tsy azoko an-tsaina mihitsy ny zavatra ho ataonay. Fa fotoana fohy taorian’izay dia nanazava ireo olona tao amin’ny toby fitehirizan-tsakafo fa hanavaka ny sakafo mora simba sy ny sakafo tsy mety simba hatao anaty harona fiantsenana izahay mba hanaovana fonosan-tsakafo ho an’ny olona sahirana. Nifampizara andraikitra ny vondrona nisy anay, dia nanomboka nanamboatra ny fonosan-tsakafo izahay avy eo. Niara-niasa haingana ny ekipanay ka nahavory harona fiantsenana miisa 500 mahery!

Nianarako avy tamin’io zavatra niainana io fa na dia tsy manana loharanon-karena betsaka aza isika dia mbola afaka manampy ny hafa izay tsy manana noho isika. Afaka manampy tsikelikely amin’ny fomba isan-karazany isika. Fantatro fa voatahy isika rehefa manompo.

Tiako tokoa ny nanompo tao amin’ilay toby fitehirizan-tsakafo. Raha mbola omena fahafahana hanao izany indray aho dia mazava ho azy fa hataoko izany! Nahafinaritra ilay afaka nanampy ny hafa. Raha manana fahafahana hanompo ianao dia ataovy izany! Ary ataovy amin’ny fonao rehetra sy amim-pifaliana izany.

Monina any Mexico City Mexique ny mpanoratra.

Hamoaka printy