2022
Miala voly kely
Jolay 2022


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022,

Miala voly kely

Fifaninanana manome lohateny na manisy maribolana

Sary
Sarina atody nasiana sarin-tava eo aminy

Mila ny faharanitan-tsainareo amin’ny fahaizana mampihomehy ity sary ity! Alefaso email aminay (alohan’ny 31 jolay) ao amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org ny lohateny na maribolana tsara indrindra avy aminareo. Fa alohan’izany dia makà antoka aloha fa voavakinareo ireo zavatra nankafizina indrindra naroson’ireo mpifaninana tamin’ilay fifaninanana farany (navoaka tamin’ny aogositra 2021).

Sary
alika
  • Rahavavy mpanompo diso mazoto loatra: “Voarainao ve ny mofomamy navelanay ho anao?” Jordan J.

  • “Ato ve no atao ilay fety ho an’ny Chihuahua? Nanasa ahy mantsy i Firulais.” Jeanett V.

  • “Menatra aho. Aza tenitenenina amin’ny saka hoe teto indray aho no saika hiditra.” Silvia S.

  • Ianao rehefa ilay mahare olona milaza ny anaranao ao anatin’ny resaka ataony iny. Rochelle K.

  • Rehefa ilay tokony hanatitra ny Ho zatovo mahery! iny ny mpizara taratasin’ny paositra. Betty J.

  • “Fofona henan-kisoa ve izany reko izany?” Amy M.

  • Rehefa manana fanontaniana ianao kanefa tezitra ny mamanao. Emerie K.

  • “Moramora kokoa ny hidiran’ny bulldog amin’ny varavarana ho an’ny saka noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (jereo ny Matio 19:23). Ainsley L.

  • Tsy misy mahita. Atombohy amin’izay ilay tetikady “Mijaikojaiko miditra ao amin’ny tobin-tsakafon’alika.” Grace L.

  • Ankizy ao amin’ny Kilonga mitsirika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mirava aloha izy ireo. Brynn M.

  • Ilay mody tsy mijery rehefa manontany ny mpampianatra hoe “Iza no hanao ny vavaka famaranana?” Benson S.

  • Rehefa ilay ianao miezaka mampiditra ny lobaka tianao indrindra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra iny. Paisley S.

  • Lehia: “Izay fa niainga ho any amin’ny tany nampanantenaina isika.” Alika: “Afaka mankany ve aho?” Noah P.

Matokia an’ Andriamanitra

Amin’ny piozila Sudoku mahazatra, ny tanjonao dia ny hameno ireo fitambaran-tsokeran-teny 9x9, ka ny tsanganana tsirairay sy ny tsivalana tsirairay ary ny tsirairay avy amin’ireo efajoro 3x3 miisa sivy dia tsy hampiasa afa-tsy indray mandeha ihany ireo isa manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 9. Amin’ity indray mitoraka ity anefa dia ampiasao ireto teny sivy ireto ho solon’ireo isa. Mifandray amin’ny fianarana matoky an’ Andriamanitra avokoa ireo teny ireo.

Faharetana

Vavaka

Fankatoavana

Finoana

Fo

Fiantrana

Asa fanompoana

Fanetrentena

Fankasitrahana

Sary
Piozila sudoku

Tantara an-tsary

Sary
tantara an-tsary

Valin’ny fitsapam-pahaizana momba ny tsipelina anio!

Eny, raha ny marina dia tena natahotra aho nanao ilay fitsapam-pahaizana! Nanao ahoana ilay ahy?

Diso tsipelina ny anaranao.

Ryan Stoker

Valiny

Matokia an’ Andriamanitra (Sudoku):

Sary
Valin’ny piozila sudoku

Hamoaka printy