2022
Zavatra lehibe
Jolay 2022


“Zavatra lehibe,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Avia, hanaraka Ahy

2 Mpanjaka 5

Zavatra lehibe

Hay ny zava-madinika sy tsotra ka manan-danja lehibe.

Andeha atao hoe manana olana ara-pahasalamana tsy mety sitrana ianao. Misy olona miresaka aminao momba ny lehilahy iray afaka manasitrana anao. Mipetraka lavitra anao izy, fa manoratra ho azy ianao ary avy eo dia mandeha any aminy mba hahafahanao mahita azy sy mandre izay holazainy anao.

Rehefa tonga any an-tranony ianao dia mivoaka ny mpanampy azy ary milaza aminao fa asain’ilay lehibeny mandeha mandro ao amin’ny rano iray eny akaiky eny ianao.

Miverina any an-trano ilay mpanampy dia tavela eo ianao sady diso fanantenana. Mieritreritra ianao hoe: “Dia izany fotsiny ve no nandehanako aty lavitra be aty?”

Zavatra antenaina

Izany no nitranga tamin’i Namana. Kapiteny Siriana izy, izay lehilahy nohajaina sy nitana andraikitra maro be. Saingy tratran’ny habokana izay aretin-koditra tena ratsy izy.

Na dia tsy Isiraelita aza izy dia nahare momba ny mpaminany Elisa avy amin’ny zazavavy kely iray mpanompo avy any Isiraely. Nino ny fijoroana ho vavolombelona nozarainy momba an’i Elisa sy ny Andriamanitry ny Isiraely i Namana. Ka dia nankany amin’i Elisa izy. Rehefa tonga tany an-tranon’i Elisa izy dia nandefa iraka i Elisa, izay nilaza tamin’i Namàna mba handro impito ao amin’ny renirano Jordana dia ho sitrana.

Sary
I Namàna mihaino ilay mpanompo

Sary nataon’i Corey Egbert

Tezitra i Namàna. Nieritreritra izy hoe hihaona tamin’i Elisa izy dia hametraka ny tanany teo amin’ny faritra nisy hoditra marary i Elisa, hiantso an’ Andriamanitra, dia hanasitrana izany tamin’ny fomba mahagaga. Nieritreritra mihitsy aza izy fa betsaka kokoa ny rano tany amin’ny toerana nisy azy izay azony nisasana.

Nanantena zavatra lehibe i Nàmana. Nanantena izy fa hivoaka hijery azy i Elisa. Mety noho i Namàna nanana toerana ambony sy efa zatra nahazo fanajana lehibe no anton’izany. Nanantena vahaolana mahagaga sy mahatalanjona kokoa tamin’ny olana nananany mihoatra lavitra izay nomena azy ihany koa izy. Ireo tantara efa reny momba an’i Elisa angamba no nahatonga izany. Ka dia nahatonga azy ho tezitra be ny zavatra niainany.

Fanetrentena

Saingy tsy nifarana teo ny tantaran’i Namàna. Nanolotra torohevitra feno fahendrena ho azy ny iray tamin’ireo mpanompony:

“Na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany ? koa mainka va, raha hoy izy aminao : Mandroa, dia hadio hianao ?” (2 Mpanjaka 5:13).

Tonga saina i Namàna fa marina ny voalazan’ilay mpanompo. Raha nangataka azy hanao zavatra lehibe ny mpaminany dia ho nataony izany. Koa nahoana no tsy hanao ilay zavatra tsotra? Nanetry tena izy. Nandro impito tao amin’ny ony Jordana izy dia sitrana.

Sary
I Namàna mandro ao Jordana

Zava-madinika sy tsotra

Indraindray ny Tompo dia mety hangataka olona iray hanao “zavatra lehibe.” Saingy tsy toy izany mazàna no fomba fiasan’ny Tompo. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mampiasa “zava-madinika sy tsotra” Izy mba hanatontosana “zavatra lehibe” eo amin’ny fiainantsika (Almà 37:6).

Indraindray ny zavatra antenaintsika sy ny ambom-pontsika dia mety mahatonga antsika hieritreritra fa tsotra loatra na bitika loatra ny fomban’ny Tompo ka tsy mendrika ny handaniantsika ny fotoantsika (jereo ny 1 Nefia 17:40–41). Kanefa afaka manampy antsika handresy ireo fahatsapana ireo sy hanetry ny tenantsika ny Tompo. Tia antsika Izy ary te hitahy antsika sy hanampy antsika ho lasa tahaka Azy kokoa (jereo ny Mosesy 1:39).

Ireto misy ohatra vitsy monja amin’ireo zava-madinika sy tsotra asain’ny Tompo ataontsika mba hanatonana Azy kokoa sy handraisana ireo fitahiany.

Azo antoka fa mbola mahita hafa ianao.

Ka rehefa sendra zava-madinika sy tsotra ianao dia aza avela handalo fotsiny izany. Mety ho torolalana ao amin’ny bokikely Ho zatovo mahery! izany, na torohevitra vitsivitsy ao anatina lahateny iray tamin’ny fihaonambe, na zavatra nasain’ny evekanao nataonao. Na inona izany na inona, dia tadidio i Namàna, ary ataovy fotsiny ilay izy. Mety ho bitika ilay izy, kanefa ho lehibe ny fitahiana ho azo avy amin’izany.

Hamoaka printy