2022
Ilay safidy
Jolay 2022


“Ilay safidy,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Avia, hanaraka Ahy

1 Mpanjaka 18:17–40

Ilay safidy

Sary
zatovolahy miresaka

Ben a! Aiza ho aiza izao ianao amin’ny famitana ny bokinao?

Boky hoe e?

Eny, ilay ilaina averina rahampitso!

Sary
zatovolahy feno fanahiana

Oay, hadinoko tanteraka!

Sary
zatovolahy miresaka amina namana

Aza manahy ny amin’izany. Nadikako avy amina tranonkala iray fotsiny ny ahy ilay famakafakana. Mora ery ny nanao izany! Tokony hanao toy izany koa ianao.

Sary
zatovolahy mieritreritra eo anoloan’ny solosaina

Tokony handika ity tranonkala ity ve aho? Te hahazo naoty tsara aho, saingy ohatra ny hoe tsy mety izany ilay izy.

Sary
mpirahalahy miresaka

Ahoana zandry a! Milamina ve?

Misy boky famakafakana tokony haveriko rahampitso, saingy hadinoko tanteraka ilay izy. Te hahazo naoty tsara aho, saingy tsy mino aho hoe afaka ny hahazo izany raha tsy mampiasa hafetsena. Sady fitsapam-pahaizana lehibe koa io. Mety hampidina be ny naotiko farany ao amin’ilay kilasy izany!

Sary
mpirahalahy mijery efijerina finday

Hitan’ialahy, nisy zavatra novakiko indray andro izay ary heveriko fa mety hanampy an’ialahy. Vakio ilay izy.

Sary
I Elia miaraka amin’ny mpaminanin’i Bala

Niresaka tamin’ny vahoaka tao amin’ny fanjakan’i Isiraely teo amin’ny tendrombohitra Karmela ny mpaminany Elia. Nitarika ny olona hanao ny ratsy ny Mpanjaka Ahaba sy ireo mpisorony satria nasain’izy ireo nanompo andriamanitra sandoka nantsoina hoe Bala izy ireo.

“Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy” (1 Mpanjaka 18:21).

Sary
zatovolahy manolotra finday an’ny rahalahiny

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy.”… Fantatro amin’izay ny tokony hataoko.

Sary
Zatovolahy manoratra
Sary
zatovolahy manolotra taratasy an’ny mpampianatra

Ny ampitson’io.

Sary
zatovolahy mandeha an-tongotra

Mety tsy hahazo ny naoty tsara indrindra aho. Saingy mahatsiaro ho maivana aho satria fantatro fa nisafidy ny hanao ny tsara.

Hamoaka printy