2022
Ahoana no hanapahako hevitra mikasika ny fotoana tsara indrindra hanaovana asa fitoriana?
Jolay 2022


“Ahoana no hanapahako hevitra mikasika ny fotoana tsara indrindra hanaovana asa fitoriana?” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Fanontanianasy valiny

“Ahoana no hanapahako hevitra mikasika ny fotoana tsara indrindra hanaovana asa fitoriana?”

Manomana lalana ny Tompo

Sary
zatovovavy

“Manana asa ampanaovina antsika ny Ray any An-danitra. Rehefa mamaky ny teniny sy ny tenin’ireo mpanompo voafidiny isika dia afaka mahafantatra amim-pahatokian-tena ny zavatra asainy ataontsika. Fantatsika fa hanomana lalana ho antsika ny Tompo mba hanatanterahana ny zavatra rehetra izay asainy ataontsika (jereo ny 1 Nefia 3:7). Hiaraka amintsika eo foana Izy raha miezaka mankatò ny didiny isika.”

Manuela O., 15 taona, Ghana

Mety tsy hahatsapa ho vonona 100% izany mihitsy ianao.

Sary
zatovolahy

“Mpanao surf matihanina aho, ary natsahatro kely aloha ilay izy mba hahafahako miaina ilay fifaliana marina azo avy amin’ny fanaovana asa fitoriana. Niandry aho mandra-pananako fahatsapana fa tena vonona ny handeha, ary notahiana aho noho izany. Fanapahan-kevitra eo aminao sy ny Rainao any An-danitra izany. Mety tsy hahatsapa ho vonona 100% izany mihitsy ianao. Ho zavatra mitaky finoana foana ny fandefasana ny taratasy fangatahanao hanao asa fitoriana, kanefa tena hahazoana voka-tsoa izany.”

Jordan C., 22 taona, Californie, Etazonia

Hanomana anao sy hanome hery anao ny Tompo

“Afaka manontany ny Tompo am-bavaka foana ianao. Manome hery ireo izay antsoiny ho misiônera ny Tompo. Rehefa maty ny raiko dia nampionona ahy ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny drafitry ny famonjena. Saingy maro ny olona eto amin’ity tontolo ity no tsy mbola mahafantatra ny drafitry ny Ray any An-danitra. Fantatro fa manomana olona ho ampianariko ny Tompo.”

Felipe F., 17 taona, Brésil

Soraty ireo bitsiky ny Fanahy

Sary
zatovovavy

“Rehefa nivavaka momba ny fanaovana asa fitoriana aho dia nosoratako ireo bitsiky ny Fanahy voaraiko avy tamin’ireo lahateny, na hira, na namana. Rehefa nahatsapa ho kivy aho teo am-piomanako hanao asa fitoriana, dia namerina nijery sy namaky ireo zavatra nolazain’ny Fanahy tamiko aho. Nateriko ireo taratasy fangatahako dia natoky ny Tompo aho. Rehefa mandroso amim-pinoana ianao dia tsy fantatrao izay ho vokatr’izany, kanefa hahatsikaritra ny fiasan’ Andriamanitra ao anatin’ny fandraisanao fanapahan-kevitra ianao!”

Bryanna M., 19 taona, Oregon, Etazonia

Raiso ny tsodranon’ny patriarika ho anao

Sary
zatovovavy

“Hatramin’izay nahazoako ny tsodranon’ny patriarika izay dia fantatro fa tokony hizara ny filazantsara aho. Miomana hanao asa fitoriana aho izao amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ireo namako. Na dia manana fahatsapana aza aho fa tsy mety amiko ny manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno rehefa lehibe, dia mbola fantatro foana fa afaka mizara ny filazantsara aho mandritra ny androm-piainako.”

Elise D., 14 taona, Floride, Etazonia

Anontanio ny Tompo sy ny hafa

“Mety hoe vao 14 taona aho, kanefa efa nisaintsaina izany fanontaniana izany ihany. Rehefa tonga ny fotoana hanapahako hevitra ny amin’ny fotoana tokony handehanako manompo, dia hivavaka amin’ny Tompo aho mba hanampiany ahy hahazoako valiny. Hiresaka amin’ireo olona tena akaiky ahy ihany koa aho, ka anisan’izany ny fianakaviako, ny eveka, ary ireo namako.”

Jordan V., 14 taona, Nevada, Etazonia

Hanome valiny ho anao ny Tompo

“Efa hatrizay aho no nanana faniriana hanao asa fitoriana, kanefa fantatro fa tsy mora izany fanapahan-kevitra izany. Raha mikatsaka amim-pahazotoana ny handalina ny soratra masina isika ary mivavaka mandrakariva amin’ny Ray any An-danitra, dia fantatro fa hitarika antsika Izy. Matokia ny Tompo. Izy no hilaza aminao ny fotoana tena mety hanaovanao asa fitoriana. Tohizo ny fikatsahana hahazo valinteny, dia hahazo izany sy hahatsapa ho vonona ianao.”

Nicolle R., 14 taona, Brésil

Miomàna ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana

“Mivavaha amin-kitsimpo ary saintsaino ny soratra masina mahakasika ny fanapahan-kevitrao. Henoy tsara izay mety hobitsihin’ny Fanahy aminao na holazainy anao. Ary mandra-pahatonga izanydia afaka manatrika ireo fivoriana fanasan’ny Tompo, ny seminera, ireo kilasin’ny Sekoly alahady, ary ny kilasin’ny Zatovovavy na ny fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ianao. Afaka miomana ara-tsaina sy ara-batana ihany koa ianao.”

Addison H., 14 taona, Utah, Etazonia

Hamoaka printy