2022
Noho ’reo teninao
Jolay 2022


“Noho ’reo teninao,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Noho ’reo teninao

Sary
taratasy misy ireo mari-peo

Rehefa izaho mivavaka iny,

mihaino ahy Ianao,

ka tsapa ny fitiavanao.

Aminao aho tsy vahiny,

ry ’Lay mampody ny aiko,

mahalala izay ilaiko.

Mipaka ato am-poko ’lay hazavanao

fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao,

mitombo finoana aho

noho ’reo teninao.

Toy ny eo Ianao

mamaly ahy tokoa,

fa manenika ahy ny fiadanam-po

ka dia indro vonona aho

noho ’reo teninao.

He faly aho fa tsy mba irery

fa momba ahy Ianao,

mankahery ity foko.

’Zaho tsy hahafoy, tsy hamery

’Lay manampy ahy hatrany

raha ory aho na tomany.

Mipaka ato am-poko ’lay hazavanao

fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao,

mitombo finoana aho

noho ’reo teninao.

Toy ny eo Ianao

mamaly ahy tokoa,

fa manenika ahy ny fiadanam-po

ka dia indro vonona aho

noho ’reo teninao.

noho ’reo teninao.

noho ’reo teninao.

Mipaka ato am-poko ’lay hazavanao

fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao,

mitombo finoana aho

noho ’reo teninao.

Hamoaka printy