2022
Fantatro fa hahita azy indray aho
Jolay 2022


“Fantatro fa hahita azy indray aho,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Izaho sy ilay teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Fantatro fa hahita azy indray aho

“Ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra avy amin’ny filazantsara [aho].”

Sary
zatovolahy

Mino aho fa nomen’ Andriamanitra fianakaviana isika mba hahafahantsika mifampatanjaka sy mifanohana. Nomen’ Andriamanitra fianakaviana koa isika mba tsy ho irery. Saingy rehefa nodimandry ny raiko dia nahatsapa ho tena irery aho. Nifanakaiky am-po izaho sy ny raiko ary tsy teo intsony izy haneho ohatra tsy tapaka ho ahy. Tsapako toy ny hoe ny nitomany sisa no azoko natao.

Saingy indray alina aho dia nanapa-kevitra ny hivavaka. Tsapako tao am-poko ny Fanahy nilaza tamiko fa tsy irery aho. Fantatro ny drafitry ny famonjena. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahita ny raiko indray aho. Manan-danja be amiko ilay fahalalana fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Ary fantatro fa afaka ny ho fianakaviana mandrakizay izahay satria nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko.

Rehefa feno 12 taona aho dia nanao drafitra ny ho any amin’ny tempoly mba hanao batisa ho an’ny maty voalohany. Saingy nakatona ny tempoly tamin’izany vokatry ny valanaretina. Tena miandrandra ilay fotoana hidirako vao voalohany ao amin’ny tempoly aho mba hahatsapa ny fifaliana ao.

Rehefa nofehezina tamin’ny vadiny ny rahalahiko dia nijanona tany ivelan’ny tempoly aho. Ary na tany ivelany aza aho dia nahatsapa zavatra tsara be tao am-poko. Ka noho izany dia azoko an-tsaina hoe tokony hanao ahoana ny ao anatin’izany. Nilaza tamiko ny fianakaviako fa toerana ahafahantsika mifaly amin’ny drafitra lavorary izay nomanin’ Andriamanitra ho antsika ny tempoly.

Nianarako avy amin’ny fampianaran’ireo mpaminany ihany koa fa afaka manao fanekempihavanana masina ao amin’ny tempoly aho. Tena manan-danja be tokoa ny fanekempihavanana rehetra ataontsika ao amin’ny tempoly. Nahazo ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aho, ary tsy andriko ny hampiasana izany. Ary fantatro fa indray andro any, rehefa voafehy amin’izay ho vadiko aho dia ho afaka ny hanana ny fianakaviako mandrakizay.

Mipetraka any Culiiacan Mexique ny mpanoratra.

Hamoaka printy