2022
Ilay hery mahatalanjon’ny fankasitrahana
Jolay 2022


“Ilay hery mahatalanjon’ny fankasitrahana,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Ilay hery mahatalanjon’ny fankasitrahana

Tsy vitan’ny hoe mahafinaritra fotsiny ny fahaizana mankasitraka, fa afaka manova ny fiainanao izany.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsara lavitra kokoa noho ny fitanisana ireo olantsika ny fanisana ny fitahiana azontsika. … Manome antsika fomba fijery lehibe kokoa momba ny tena tanjona sy ny fifaliana amin’ny fiainana [ny fankasitrahana].”1

Marina izany! Mitondra fitahiana maro ny fahaizana mankasitraka. Ny fankasitrahana dia afaka manampy anao ho faly kokoa sy ho salama kokoa, hampitombo ny hatsaran’ny torimasonao, hampatanjaka ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-batana, ary hanampy anao hieritreritra zavatra tsara momba ny hafa sy hangoraka azy ireo. Arakaraka ny haben’ny fahaizanao mankasitraka no hihatsaran’ny fahaizanao miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana. Ny fanehoana fankasitrahana, amin’ny farany, dia afaka mampanatona anao akaiky kokoa an’ Andriamanitra, izay mpanome ny zava-tsoa rehetra (jereo ny Jakoba 1:17).

Sary
zatovovavy

Ho an’i Ester Carneiro Ponciano avy ao Brésil dia mahatonga azy ho faly sy manampy azy hanana tanjaka sy herim-po ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny fanoratana ny lisitr’ireo zavatra maha-feno fankasitrahana azy.

Lisitr’ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana an’i Estera

1 Ny filazantsara

Sary
soratra masina

Sary nataon’i Emily Davis

Rehefa mandalina ny soratra masina aho, mivavaka isan’andro, manatrika seminera, ary mankany am-piangonana dia mahatsapa ho taomim-panahy hiezaka ny ho lasa tsaratsara kokoa. Ny filazantsara dia mitondra fanantenana fa ho avy ny andro tsaratsara kokoa. Tena manome fahasambarana mandrakizay tokoa izany.

2 Ny fianakaviako

Sary
fianakaviana

Misy olona enina ao amin’ny fianakaviako, ka noho izany dia feno olona foana ny tranonany! Miara-milalao jeux de sociétés izahay, mitsangantsangana, mahandro sakafo, ary mianatra ny Avia, hanaraka Ahy. Ny fianakaviako no fialofako. Mahazo aina tsara amin’ny maha-izaho ahy aho rehefa miaraka amin’izy ireo. Tsy tonga lafatra izahay, kanefa tena feno fifaliana. Feno fankasitrahana aho manana olona azoko itokisana foana.

3 Namana

Sary
namana

Na ny valanaretina aza dia tsy naharava ny fifandraisako akaiky tamin’ireo namako. Rehefa tsy afaka nihaona mivantana izahay dia mbola nahita fomba iarahana ihany. Tia miara-mihomehy sy miara-mihira izahay. Tiako ny miaraka amin’ireo namako. Velom-pankasitrahana aho noho ny tsirairay avy amin’izy ireo.

4 Fanatanjahan-tena

Sary
zatovovavy iray mitaingina bisikileta

Tsy tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo zavatra maha-feno fankasitrahana ahy ny fanatanjahan-tena teo alohaloha teo. Tsy nampientanentana ahy ny hanao fanatanjahan-tena. Avy eo aho dia nanandrana nitaingina bisikileta ary hitako fa tiako ilay izy! Faly aho rehefa mitaingina ny bisikiletako. Tsapako ho toy ny hoe toerana tsaratsara kokoa ny tontolo manodidina ahy. Manome ahy fotoana hieritreretana, hijerena ny zavaboary, ary hahatsapana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra izany. Rehefa manahy aho na malahelo dia manampy ahy hitony izany. Rehefa mitaingina ny bisikiletako aho dia afaka mieritreritra antony maro be tokony hahafaly sy hahafeno fankasitrahana ahy.

5 Hira

Sary
naotina mozika

Mitondra fifaliana goavana ho ahy ny hira. Miova tanteraka ny tontoloko raha tsy misy hira. Mbola kely aho dia efa tia nihira sy nihaino hira. Manana hery hahatonga antsika ho olona tsaratsara kokoa ny hira, ary afaka ihany koa mahatonga antsika hahatsapa fiadanana izany. Tena tiako ny mihaino hira ho an’ny zatovo izay novokarin’ny Fiangonana.

Mitondra fifaliana marina ny fanehoana fankasitrahana

Rehefa jereko amin’ny maso feno fankasitrahana ny fiainako dia hitako ny fomba maha eo amin’ny fiainako mandrakariva ny Tompo, na dia mety ho sarotra toy ny ahoana aza ny zavatra miseho. Tsapako fa afaka mitondra ny fifaliana lehibe indrindra ny zavatra faran’izay tsotra indrindra. Rehefa mijery ny manodidina ianao ary mahita ny zavatra tena manan-danja, dia afaka mahazo fifaliana marina ihany koa.

Inona avy ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana anao?

Ny mahatsikaiky amin’ilay manao lisitry ny zavatra maha-feno fankasitrahana dia ny hoe, raha vao manomboka manao ilay izy ianao dia mahita zavatra hosoratana foana. Andramo anie e! Makà fotoana hanoratana ny lisitry ny zavatra maha-feno fankasitrahana anao. Mieritrereta fomba ahafahanao maneho ny fankasitrahanao ny Ray any An-danitra sy ny hafa noho ireo fanomezana ireo. Mety hahita ianao fa arakaraka ny hanoratanao zavatra betsaka no hieritreretanao zavatra betsaka maha-velom-pankasitrahana anao.

Hamoaka printy