2022
Ny tempoly sy ny dianao mandrakizay
Jolay 2022


“Ny tempoly sy ny dianao mandrakizay,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Ny tempoly sy ny dianao mandrakizay

Voatahy tokoa isika noho ny fahazoana fitarihana ao amin’ny tranon’ny Tompo.

Sary
zatovo eo anoloan’ny tempoly

Sary nalain’i Noel Maglaque

Eo am-panaovana dia lavitra ianao. Efa hatry ny ela izany no nanomboka fony ianao niara-nonina tamin’ny Ray any An-danitra tamin’ny naha-fanahy zanany lahy na zanany vavy anao. Ankehitriny ianao dia eto an-tany miaraka amin’ny fanahinao mitoetra ao anatin’ny vatana nofo sy taolana mba hianatra ny zavatra rehetra ilaina hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra indray andro any sy ho mendrika ireo fitahiana rehetra nomaniny ho an’ireo zanany. Any amin’ny tempolin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hianaranao ny sasany amin’ireo zavatra tsara indrindra mandritra ity dia mandrakizay ity.

Ireo tempoly maneran-tany

Fony aho teraka tamin’ny 1982 dia tsy nisy afa-tsy tempoly fito ihany. Ankehitriny isika dia manana tempoly mampitolagaga miparitaka manerana izao tontolo izao. Ary mbola hisy maro hafa! Mitondra fifaliana sy mitondra ny hery ilaintsika hanaovana ny diantsika mandrakizay ny tempoly.

Tsy misy trano hafa eto an-tany, na dia ireo trano kanto indrindra aza, manana ny zavatra izay hita ao amin’ny tempoly. Nilaza tamin’i Petera ny Mpamonjy fa homena hery sy fahefana izy ka “na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra” ((Matio 16:19). Fanambarana goavana izany! Atokana amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana mba ho toerana hanatanterahana ôrdônansy masina ny tempoly. Manan-kery ao amin’ny lafy roan’ny voaly ireo ôrdônansy ireo.

Ny fifaliana avy amin’ny fananana fianakaviana mandrakizay

Efa ho efa-taona izay no nahafatesan’i Barbara vadiko. Kanefa noho izahay niditra ny tranon’ny Tompo sy nofehezina ho mpivady tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana dia voafatotra hiaraka mandrakizay amin’ireo zanakay fito sy zafikelinay miisa 43 ary zafin-dohalikay mihoatra ny 100. Tena mahatalanjona tokoa ny tempoly! Heniky ny hafaliana ny foko satria hiaraka mandrakizay ny fianakaviako. Ary afaka ny hiaraka mandrakizay koa ny fianakavianao.

Rehefa mitovy taona amiko ianareo dia tsy ho liana loatra amin’ny fananana vola be dia be na amin’ny fitondrana fiara raitra. Ny fianakavianao no ho sarobidy indrindra aminao, tsy ny fianakavianao eto an-tany ihany fa ny fianakavianao any amin’ny mandrakizay ihany koa.

Ny herin’ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny

Fantatrao hoe iza ianao, zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra izay manana hery tsy manam-petra hanatotosan-javatra. Fantatrao hoe avy aiza ianao, nahoana ianao no tonga ety an-tany, ary inona no miandry anao any amin’ny tontolo ho avy.

Talanjona tokoa aho fa ireo fahamarinana ireo dia vokatra miavaka azo avy amin’ny zazalahy iray izay nandohalika sy nivavaka tao amin’ny ala kely iray. Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka ary naverina tsikelikely tamin’ny laoniny ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara.

Mahatsapa fankasitrahana lalina ho an’i Joseph Smith aho. Nanomboka avy aminy avokoa ny fahatakarantsika naverina tamin’ny laoniny ny drafitr’ Andriamanitra, ny anjara asa fototra tanan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ny lanja mandrakizay ananan’ny fianakaviana sy ny tempoly. Hanohy hanangana tempoly sy hanambara tempoly vaovao isika eo am-pielezan’ny hafatra mitohin’ny Famerenana amin’ny laoniny manerana ny tany.

Ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny, indrindra fa ireo fahamarinana izay ianarantsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly, dia ahafahana mahatakatra tsara ny fiainana ary manome antsika hery mba hanampiana antsika ao anatin’ny diantsika mandrakizay.

Ataovy ho anisan’ny mandrafitra ny fiainanao ny fankanesana any amin’ny tempoly

Mety ho sarotra aminao ny hieritreritra fa hitondra fiovana lehibe afaka taona maro aorian’izao fotoana izao na aorian’izao fiainana izao mihitsy aza ny zavatra iray izay azonao atao ankehitriny. Kanefa tsarovy ilay dia mandrakizay izay ataonao. Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana ianao dia manao dingana manan-danja ao anatin’izany dia izany.

Afaka manampy ireo efa nodimandry mba handroso eo amin’ny dia ataon’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny fanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana ho azy ireo ao amin’ny tempoly. Nanao izany imbetsaka aho fony aho nitovy taona taminareo. Tsaroako indray mandeha fa natao batisa ho an’olona mihoatra ny 60 aho. Zara raha nanana fotoana nahafahana niaina aho teo anelanelan’ireo batisa!

Raha manana fahafahana handehanana any amin’ny tempoly ianao dia ataovy izany! Mandehana any matetika araka izay azonao atao. Aza mifantoka be loatra amin’ny zavatra tsy manan-danja izay mety handany ny fotoanao sy tsy hampifantoka anao amin’ny tena zava-misy sy ny zavatra mandrakizay. Na dia mipetraka lavitra ny tempoly aza ianao dia mifantoha ary manomàna tena dieny izao mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

Miomàna dieny izao handray ireo fitahian’ny tempoly ho anao

Isan’ireo ôrdônansin’ny tempoly voalohany raisinao ho an’ny tenanao manokana ny fanafiana masina. Fanomezam-pahasoavana avy amin’ny herin’ny fisoronana izay afaka ny ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izany. Afaka mahazo izany hery izany isika amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay ataontsika ao amin’ny tempoly isan’andro eo amin’ny fiainantsika.

Afaka miomana handray ny fanafiana masina anao sy ireo ôrdônansy hafa ianao amin’ny alalan’ny fisaintsainana, ny fivavahana, ary ny fianarana momba ny tempoly. Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly ireo ray aman-dreninao na ireo ray aman-drenibenao dia resaho amin’izy ireo ny maha-fitahiana goavana izany. Hanampy anao ihany koa ny evekanao sy ireo mpitarika hafa. Antenaiko ihany koa fa hahita namana tsara hanohana anao ianao. Ho velom-pankasitrahana ianao rehefa tonga ny andro hankanesanao any amin’ny tempoly ary vonona ny handray ireo fampanantenana sy fitahiana rehetra irin’ny Tompo homena anao ianao.

Sary
I Kristy mampianatra ny mpianany

Christ Teaching His Disciples (I Kristy mampianatra ny mpianany); nataon’i Justin Kunz

Mbola mitohy ny dia

Ny tanjon’ity fiainana ity dia ny hanomana ny tenantsika amin’ilay fiainana ho avy. Tsy tapitra eo amin’ny fahafatesana ny drafitra lehiben’ny Ray any An-danitra, satria tsy mety maty mihitsy ny fanahinao. Manohy miaina any amin’ny tontolon’ny fanahy izany mba hanohy hianatra, hanompo, ary hiandry ny Fitsanganana amin’ny maty. Aorian’izay dia handohalika ny lohalika rehetra ary hianiana ny lela rehetra fa i Jesoa no Kristy (jereo ny Isaia 45:23). Noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hitambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika, ary hitohy hatrany amin’ny mandrakizay ny diantsika. Ho fitahiana goavana tokoa izany ho antsika rehetra!

Raha ny marina dia mifantoka amin’ny fiainana sy ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra misy vokany sy lanjany mandrakizay. Hitombo ny fahalalanao sy ny finoanao Azy rehefa manompo ao amin’ny tempoly ianao. Hahatsapa ny fitiavany anao tsy manam-petra ianao ary hahatsapa fifaliana sy hery ara-panahy mandritra ny fiainanao.

Hamoaka printy