2022
Nahoana no tsy misy fahagagana toy ny ao amin’ny soratra masina amin’izao fotoana izao?
Jolay 2022


“Nahoana no tsy misy fahagagana toy ny ao amin’ny soratra masina amin’izao fotoana izao?” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Valiny fohy sy mivantana

Nahoana no tsy misy fahagagana toy ny ao amin’ny soratra masina amin’izao fotoana izao?

Sary
Lehilahy jamba nositranin’i Jesoa

Ahitana tantara maro momba ny fahagagana ao amin’ny soratra masina. Lehibe sy mahatalanjona tokoa ny sasany, toy ny fampisarahana ny Ranomasina Mena na ny fananganana olona iray amin’ny maty. Fa ahoana kosa ny amin’izao fotoana izao? Mbola misy fahagagana mitranga ve?

Eny, mbola misy tokoa. Mety tsy mahare momba izany foana isika, kanefa mbola misy fahagagana mitranga foana eo amin’ny fiainan’ny olona.

Hoy ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo. … Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2021 [Liahona, mey 2021, 110]).

Azo antsoina hoe fahagagana avokoa ny fanampiana rehetra avy amin’ Andriamanitra. Maro ny olona miaina fahagagana. Indraindray ireny olona ireny dia mizara ny tantarany, kanefa matetika izy ireo no mihazona izany ho masina, eo amin’izy ireo sy Andriamanitra.

Ary tadidio ireto zavatra roa manan-danja momba ny fahagagana ireto: (1) rehefa manam-pinoana ihany ny olona vao mitranga ny fahagagana, ary (2) mitranga araka ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany ny fahagagana. Mety tsy afaka hisafidy ny fomba sy ny fotoana hitrangan’izany isika , fa tena misy ny fahagagana avy amin’ny Tompo, na amin’izao fotoana izao aza. Na dia ho anao aza.

Hamoaka printy