2022
Miomana amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly
Jolay 2022


“Miomana amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Izaho sy ilay teny filamatra

Mizara ny fomba iainan’izy ireo ny voambolana ao anatin’ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ny zatovo.

Miomana amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly

“[Hanao] sy [hitandrina] fanekempihavanana masina [aho], ary [handray] ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.”

Sary
tempoly

Sary avy amin’ny Temple Crowd Sourcing; sarina lanitra avy amin’ny Getty Images

Tiako ny mankany amin’ny tempoly! Noho ny tempoly dia afaka manana fianakaviana mandrakizay aho, manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely, ary mahazo bitsika sy fampiononana ara-panahy.

Rehefa nifindra tao amin’ny tranonay vaovao ny fianakaviako dia feno fankasitrahana aho satria akaiky ny tempoly tokoa izany. Mahita tsara ny tempoly avy eo amin’ny varavarankelin’ny efitranoko aho. Rehefa mahita ny tempoly aho isan’andro dia mahatadidy fa tokony hiomana hanao fanekempihavanana mandrakizay.

Zava-dehibe tokoa ny miomana amin’ny fanekempihavanana ataonao any amin’ny tempoly sy ny manampy ireo olona any ampitan’ny voaly hanao ireo fanekempihavanana ireo ihany koa. Efa namaky mikasika ny tempoly aho ary miezaka ny hiomana araka izay vitako mba hahafahako manao fanekempihavanana fanampiny. Vao avy nandray fanafiana masina ho an’ny tenany ny anadahiko, ary zavatra niainana tena miavaka izany ho azy. Ny fahitako ny haben’ny fifaliany dia nahatonga saina ahy fa te hahazo izany fitahiana izany koa aho!

Kanefa na dia tazako akaiky avy eo amin’ny varavarankeliko aza ny tempoly dia tsy ataoko ho toy ny zavatra efa mahazatra izany. Noho izany dia miezaka aho ny hiaina amin’ny fomba izay hahamendrika ahy mandrakariva ny ho any amin’ny tempoly.

Rehefa nikatona nandritra ny valanaretina ny tempoly dia nanam-pinoana aho fa tsy hikatona ela be izany. Taty aoriana dia sambany indray aho niverina tany amin’ny tempoly, ary zavatra niainana tena niavaka izany. Nitebiteby kely aho satria efa ela no tsy nandeha tany. Kanefa vao niditra tao aho dia nahatsapa ho tsy vahiny mihitsy. Afaka nahatsapa ny Fanahy aho.

Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ireo toerana masina aho, ary tsy andriko izay hanaovako fanekempihavanana fanampiny amin’ny Ray any An-danitra.

Ny mpanoratra dia monina any Idaho Etazonia.

Hamoaka printy