2022
Mampifandray
Jolay 2022


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Mampifandray

Ana Julia A.

17 taona, São Paulo, Brésil

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Leonardo Conceição Motta

Mipetraka ao amin’ny toerana be mponina indrindra ao amin’ny fireneko aho. Tiako ny mipetraka aty sy ny mitsidika toerana vaovao miaraka amin’ny fianakaviako. Miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniko sy ny zandriko vavy ary i Meghan ilay alikanay aho. Tiako ny miaraka amin’izy ireo. Tia miara-mihomehy sy manao zavatra vaovao sy mahaliana izahay. Misy zavatra tianay kokoa noho ny zavatra hafa, kanefa dia hotsaroanay mandrakizay ny zavatra niainanay.

Ao amin’ny kilasy famaranana aho, ary efa miomana amin’ny bakalôrea. Somary mitaintaina aho, saingy matoky fa hanampy ahy ao anatin’izany ny Tompo.

Tiako ny mankany am-piangonana isaky ny alahady. Maro be ny zatovo ao amin’ny paroasiko ka dia mahafinaritra ireo fiaraha-mientana. Manampy ahy hijanona ho mahatoky ao amin’ny filazantsara ireo zatovo manodidina ahy. Azoko lazaina hoe be finoana izy ireo.

Miomana hanao asa fitoriana aho. Te hizara ny filazantsara amin’ny hafa tahaka izay nataon’ny misiônera tamin’ny fianakaviako aho. Fantatro fa hanova ny fiainan’izy ireo sy ny ahy mandrakizay izany. Feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarana fa afaka ny hanana fianakaviana mandrakizay.

Hamoaka printy