2022
Tsy misy olona tahaka anao
Jolay 2022


“Tsy misy olona tahaka anao,” Ho zatovo mahery! Jolay 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Estera

Tsy misy olona tahaka anao

Nanomana an’i Estera tamin’ny asa lehibe ho ataony ny Tompo ary manao izany aminao koa Izy.

Manaova zavatra fahatanitany fotsiny izao. Mety daholo na inona na inona! Apetraho eo ambony lohanao ireo sandrinao, mihodinkodina manao faribolana, na manonòna mafy teny kidaladala hoe: “Tia cake misy akondro aho!”

Vita ve? Tsara izany. Vao avy nahavita zavatra tsy mbola natao tany aloha mihitsy ianao. Na dia hafahafa aza izany, na inona na inona ny zavatra vao nataonao teo, na dia nieritreritra zavatra iray fotsiny aza ianao kanefa tsy nanao izany, dia tsy mbola nisy nanao zavatra mitovy tanteraka amin’izany mihitsy teo amin’ny tantara. Tsy nisy teo amin’ny toerana izay misy anao amin’izao, tsy tamin’io fotoana io mihitsy, ary tsy ianao no nanao azy.

Ity fampiharana kely somary adaladala ity dia mampisongadina hevitra iray manan-danja: tsy misy olona hafa tena mitovy aminao izany, na ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izay misy anao. Na ireo mpiray tampo aminao aza. Tsy misy olona manerana izao tontolo izao manana fitambaran-javatra manokana izay mitovy mihitsy amin’ny anao dia ny talenta, ny fahaiza-manao, ny finamanana, ny fianakaviana, ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ary ny fomba fijery manokana izany.

Tahaka an’i Estera ao amin’ny Testamenta Taloha, ianao dia mahafeno fepetra amin’ny fomba miavaka mandritra “izao andro izao mihitsy” (Estera 4:14) mba hitaona amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra izay fantatrao.

Manana zavatra manan-danja hotanterahina ianao!

Kamboty lasa mpanjaka

Rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao amin’ity volana ity ao anatin’ny Avia, hanaraka Ahy, dia hianatra momba ny vehivavy Jiosy tanora iray nantsoina hoe Estera. Nisy fotoana tao anatin’ny fahazazany nahalasa kamboty an’i Estera ka notezain’i Mordekay izay havany izy. Lehibe tao anatin’ny fotoana nambaboan’ny firenen-kafa ny Jiosy izy.

Noho izy zazavavy kamboty tany amin’ny tany tsy nahazatra azy dia azo heverina tsara fa tsy ho azony an-tsaina mihitsy ny hoe ho lasa mpanjakavavy izy indray andro any. Saingy izany mihitsy no nitranga (jereo ny Estera 2). Voafidy ho vadin’i Ahasoerosy mpanjaka izy.

Kanefa dia niatrika olana tena sarotra iray izy indray mandeha: natahorana tampoka ny hisy handringana tanteraka ny Jiosy izay vahoakan’i Estera. Rehefa avy nihaino ny torohevitr’ireo mpanolotsainy ny mpanjaka vadiny dia namoaka didy fa hovonoina ho faty amin’ny datin’andro izay hotendreny ny Jiosy rehetra tao amin’ilay tanàna.

Maro be ny olona nipetraka tao amin’ilay tanàna tamin’izay. Maro be ihany koa ny Jiosy nipetraka tao amin’ilay tanàna. Saingy tokana ihany ny Mpanjakavavy Estera. Ary izy no hany olona afaka nanao zavatra hanakanana io loza io.

Tahaka ny Mpanjakavavy Estera dia ianao irery ihany no ianao. Ianao no ilay hany afaka manao ny zavatra izay azonao atao, zavatra izay ilain’ny Tompo ataonao. Zavatra izay afaka mitondra famonjena olona maro.

Valin’ireo vavaka

Soa ihany fa tsy dia betsaka ny fotoana tsy maintsy hiatrehanao zava-doza sy tena mampatahotra tahaka izay natrehan’i Estera. Kanefa tsy midika izany fa maivan-danja noho izany ny tanjonao eo amin’ny fiainana.

Tahaka an’i Estera dia efa notarihina sy nomanina ianao mba ho lasa ilay ianao amin’izao fotoana izao. Ary hitohy izany fanomanana izany rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy ianao. Afaka ny ho valin’ny vavaka isan’andro ataon’ny olona maro ianao.

Mazava ho azy fa, na dia eo aza ireo talenta sy fahaiza-manao rehetra anananao, dia ny mangataka fanampiana ara-panahy eny an-dalana eny tahaka izay nataon’i Estera foana no tsara indrindra.

Ny finoana sy ny faharesen-dahatra ary ianao

Fantatr’i Estera fa tsy maintsy niezaka namonjy ny olony izy. Fantany ihany koa fa nila ilay finoana sy fanohanana fanampiny avy tamin’ny vahoakany izy teo am-pitadiavany fanampiana tamin’ Andriamanitra. “Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko,” hoy i Estera tamin’ny havany, “ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho dia maty” (Estera 4:16).

Sary
Estera

Estera, nataon’i James L. Johnson

Rehefa mihasarotra ny fiainana dia mitodika amin’ Andriamanitra amin-kafanampo kokoa hatrany ny mahatoky. Nila ny fanampiana rehetra afaka ny ho azony i Estera. Tsy vitan’ny hoe nila fanampiana tamin’ny fandresena lahatra ny vadiny mba hanafoana ilay didy navoakany fosiny izy, fa tsy maintsy nanao vivery ny ainy ihany koa tamin’ny alalan’ny fankanesana fotsiny tamin’izao tany amin’ny mpanjaka kanefa tsy mbola nisy niantso (izay nifanohitra tamin’ny lalàna tamin’izany, na dia ho an’ny mpanjakavavy aza).

Tsikaritrareo ve ny faharesen-dahatra sy ny finoana nananany? Mendrika ny hovakina fanindroany ilay hoe “Raha tàhiny maty aho, dia maty,” hoy i Estera. Nilaza teny mafonja tahaka izany tamin’ny mpanjaka Nebokadnezara ihany koa i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego rehefa nanda ny hanompo ny sampy volamenan’ny mpanjaka izy ireo.

Na dia nandrahona ny hanipy azy ireo tao anatin’ny lafaoro mahamay noho ny tsy fankatoavana aza izy dia niteny tamim-pahasahiana izy ireo hoe: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô.

Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay” (Daniela 3:17–18, nampiana fanamafisana).

Ny hoe “Ary na dia tsy izany aza” sy ny hoe “Raha tàhiny maty aho, dia maty” dia fanambarana finoana mahatalanjona. Misy io karazana finoana mahery vaika io na inona na inona mety ho vokany. Namonjy ny vahoakany ny herim-pon’i Estera! Na izany aza, dia fantany hatrany am-piandohana, tahaka an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, fa na dia tsy azo antoka foana aza izay mety ho vokatry ny fisafidianana ny finoana, dia ny manao ny tsara hatrany no safidy tsara tokony hatao.

Mety hisy fotoana eo amin’ny fiainanao manokana izay mety hahasarotra ny fisafidianana lalana marina. Tsy misy afa-bela amin’ireo fitsapana mahery vaika eto amin’ny fiainana an-tany isika. Kanefa afaka misafidy ny ho toa an’i Estera ihany koa ianao eto. Safidio ny fahamarinana dia avelao ho avy izay ho avy.

Sady ianao rahateo no hany ianao izay hisy, ary izao dia izao ilay “izao andro izao mihitsy” natao ho anao mba hanovana izao tontolo izao ho tsaratsara kokoa.

Hamoaka printy